{"ffpm_1":{"num":"1","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andriananahary masina indrindra!\nNy anjelinao izay mitoetra Aminao\nMifamaly hoe : Masina indrindra\nAndriananahary, Telo Izay Iray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andriananahary masina indrindra!\nNa tsy hita aza izao ny voninahitrao!\nMasina indrindra Hianao irery.\nAndriananahary, Telo Izay Iray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Zava-manana aina samy mankalaza\nSady manambara Anao Izay Tompony izao;\nHianao irery no mitahy azy,\nAndriananahary, Telo Izay Iray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Andriananahary feno hatsarana!\nHe ny fitahianao izay mpanomponao.\nTsara dia tsara ny omenao azy\nAndriananahary, Telo Izay Iray.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Andriananahary masina indrindra!\nIzahay mpanomponao ta-hankalaza Anao;\nFeno fahendrena, feno fiantrana,\nAndriananahary, Telo Izay Iray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_1"},"ffpm_2":{"num":"2","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaora an'i Zanahary\n'Zao olona tontolo izao;\nDia mankalazà Azy,\nFa anton'izao rehetra izao","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izay zavatra nomeny\nMahafaly, mahasoa;\nToy ny andro fararano,\nToy ny andro mipoaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia ampitomboy ny sainay\nHahalala ny teninao,\nHahafantatra marina\nIzay sitraky ny fonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_2"},"ffpm_3":{"num":"3","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Isaorana anie Andriamanitsika\nFa fitahiam-be Omeny ho antsika\nHatreo ambohoka\nKa mandraka antitra,\nIsika henika\nNy soan'ny lanitra","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy mety tapitra na lany ny hareny,\nTsy hita faritra ny sisa izay homeny;\nFanahy sambatra\nSy fo miadana\nNo efa santatra\nIzay ananana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy koa,\nDerain'ny masina ho Tompo iray tokoa;\nAndriamanitray\nBe fahasoavana\nNo anateranay\nIzay fisaorana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_3"},
"ffpm_4":{"num":"4","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mamy ny fitianao,\nRy Jehovah Tomponay!\nFoinao ny Zanakao,\nHo Mpanavotra anay.\nTsy mba misy tokinay\nAfatsy ny Zanakao.\nKa misaotra Anao izahay\nNoho ny fitianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mamy ny fitianao,\nMahafaly fo tokoa;\nIzahay avelanao\nMba hibebaka avokoa.\nLasa lavitra izahay,\nNefa notadiavinao;\nEfa ratsy izahay,\nNefa tsy nafoinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamy ny fitianao,\nIzay andraisanao anay\nHonina ao an-dapanao\nRaha ho faty izahay\nNoho ny ratsy izay natao,\nLoza no anjaranay,\nNefa namboaranao\nParadisa izahay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mamy re, ry Tomponay!\nIzao fitianao izao,\nKa indreto izahay\nAvy mba hisaotra Anao.\nRaiso re izao saotra izao,\nFa fanati-tsitrapo;\nTsy mba mendrika ho Anao,\nNefa vokatry ny fo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_4"},
"ffpm_5":{"num":"5","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah, Ray an-danitra,\nMpamelona anay\nTsinjovy ny mpanomponao,\nTsarovy izahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jehovah, Ray mamindra fo!\nHenoy ny hatakay;\nEkeo sy raso ho Anao\nNy dera entinay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jehovah, Ray mahari-po!\nVonoy ny helokay;\nDiovy ny fanahinay,\nVelomy izahay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jehovah Ray! Ny antranao\nNo itokianay;\nAmbara-pahafatinay\nHisaoranay Hianao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_5"},"ffpm_6":{"num":"6","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, miondreha,\nRy vazan-tany ô!\nFa lehibe Jehovah,\nSy masina tokoa;\nMiankohofa tsara,\nManatona Azy 'zao\nHaneho fanajana\nILay Mpanao anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andriananahary,\nManaiky izahay\nFa Aminao ny hery\nTsy hay toherina.\nTsy misy maharara\nNy tianao hatao,\nFa Hianao Mpitondra\nIzao rehetra izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Re any lavitra any\nIzao ny herinao,\nKa isam-bazan-tany\nHiondrika Aminao;\nMpanjaka sy Mpitsara\nMahery Hianao;\nMiadana ny tany\nMiankina aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_6"},"ffpm_7":{"num":"7","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaora an'Andriamanitra\nIzay nanao ny lanitra.\nNamorona ny tany koa\nSy 'zay rehetra mahasoa","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Derao ny voninahiny,\nAnkalazao ny heriny,\nJereo ny fitiavany\nTsy tambonao tononina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia avy izahay izao,\nRy Tompo be fitia ô!\nMiondrika eo imasonao\nMidera ny Anaranao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Isaorana mandrakizay\nHianao, Andriamanitray!\nNy haja be indrindra izao\nAtolotray mpanomponao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_7"},"ffpm_8":{"num":"8","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Dera, Laza, Hery, Haja,\nHo an'Andriamanitra\nTompon'aina, Zanahary,\nRain'ny voninahitra,\nIzy no mpanao antsika,\nSady ivelomana;\nFototr'aina, foto-tsoa,\nIzy ivavahana.\nHihira isika hoe : Haleloia!\nDera ho an'Andriamanitra\n:,:Dia Haleloia! Haleloia! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ray Tsitoha, tsy miova,\nTia sy mamindra fo,\nMahasoa isan'andro,\nIzy no isaorana;\nVatolampy tsy mifindra,\nTokin'olombelona;\nFiarova-mahavonjy,\nIzy itokiana\nHihira isika hoe : Haleloia!\nDera ho an'Andriamanitra\n:,:Dia Haleloia! Haleloia! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_8"},"ffpm_9":{"num":"9","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo Zanaharinay!\nManati-tsaotra izahay,\nF'efa novelominao,\nKa tratr'izao maraina izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny aizina efa lasa izao,\nmazava no naposakao;\nLevony koa ny otanay,\nKa hazavao ny hevitray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny asanay hatao anio\nAtrehonao ka mba tahio,\nHatao ho voninahitrao,\nHandrasanay ny antranao","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Derainay Hianao, ry Ray!\nDerainay Jeso Tomponay,\nDerainay ny Fanahy koa,\nDerainay fa mpanisy soa","type":"verse"}],"id":"ffpm_9"},"ffpm_10":{"num":"10","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tomponay Tsitoha ô!\nMpanao izao tontolo izao,\nAnkalazainay Hianao\nFa lehibe ny herinao,","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny hiran'ny anjelinao\nManerana ny lanitra,\nManehoeho fatratra\nNy hobin'ny voaavotra;","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa masina, fa masina,\nFa masina i Jehovah!\nKa heniky ny lazanao\nNy tany sy ny lanitrao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ireo mpitory irakao\nMihoby eo anilanao,\nNahefa fanompoana,\nMihira ny fisaorana","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Izao olonao rehetra izao\nDia mino sy manaiky Anao\nHo Ray Tsy miova sady to,\nMahery ny mpamindra fo.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ny Zanakao nirahinao\nSy ny Fanahy Masinao\nIsaoranay Anao, ry Ray,\nFa foto-pamonjena anay!","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ry Kristy ô, Mpanjakanay\nMitovy hery amin-dRay","type":"verse"}],"id":"ffpm_10"},"ffpm_11":{"num":"11","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Endrey ny voninahitrao\nRy Ray Tsitoha ô !\nEndrey ny fiandriananao\nHajainay eram-po.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny herinao, ny andronao,\nDia mandrakizay !\nNy lanitra mitsaoka Anao\nRy Andriamanitray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tavanao mamiratra\nNy fahamasinanao\nSy hery tapitr’ohatra\nNy fahendrenao soa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Endrey, matahotra aho izao,\nRy Tompo Masina ô !\nMangovitra eo imasonao\nSao dia lavinao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Na dia ambony Hianao,\nDia nidina amiko\nNitondra fihavanana,\nKa dia mba tiako.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Koa aiza re no misy ray\nMitovy Aminao :\nMikarakara tsara anay\nIzay natsanganao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"O, mahagaga Hianao,\nRy Tompo tia anay,\nNy fonay dia hatoky Anao\nAmbara-podinay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_11"},"ffpm_12":{"num":"12","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah ô, derainay  Hianao !\nAnkalazainay ny Anaranao !\n:,: Izao rehetra izao manaja\nAnao\nFa Rainay ho mandrakizay :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mpanjakanay sy Tompo\nMasina\nOmenay eram-po ny hasina\n:,: Izao rehetra izao mihoby\nAnao\nFa Rainay ho mandrakizay :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Masina manerinerina,\nJehovah be fitia sy marina !\n:,: Izao rehetra izao misaotra\nAnao\nFa Rainay ho mandrakizay :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Manerana izao tontolo izao\nNy laza sy ny voninahitrao,\n:,: Izao rehetra izao hanoa\nAnao\nFa Rainay ho mandrakizay :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Andriananahary Masina ô !\nTanteraka ny fiandriananao,\n:,: Izao rehetra izao mitsaoka\nAnao\nFa Rainay ho mandrakizay :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_12"},"ffpm_13":{"num":"13","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaora ny Mpahary,\nTsarovinao ny asany\nMisaora ny Mpahary\nDerao ny soa vitany !\nNy helokao rehetra\nDia voavelany,\nFa tsy mba misy fetra\nNy fitiavany :\nNy Zanany nafoiny\nMba ho mpamonjinao,\nKa hianao nantsoiny\nHandray ny aim-baovao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny toky izay nomeny,\nSy ny fahasoavana,\nMaharitra ireny\nTsy manam-pahataperana,\nAvelany tokoa\nNy hatezerany,\nKa tsy mba hahavoa\nAntsika olony,\nFa Izy mahalala\nNy toetsika atý,\nKa tena Ray mandala\nAntsika zanany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He, toy ny voninkazo\nNy ain’ny olombelona,\nTsy ela dia malazo\nKa tena mora levona,\nFa Jeso manan-kery\nHamoha fasana,\nTsy hisy izay ho very\nNy olo-masina ;\nIsika vovotany\nNo namboariny\nHiombom-panjakana\nSy laza aminy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Misaora ny Mpahary,\nRy tany sy ny lanitra !\nRy zava-boahary,\nDerao Andriamanitra !\nRy irany mahery\nManao ny sitrany,\nRy zanany izay very,\nKanefa hitany,\nMisaora Azy àry,\nFa heniky ny soa,\nMisaora ny Mpahary,\nO, ry fanahiko !","type":"verse"}],"id":"ffpm_13"},
"ffpm_14":{
   "num": "14",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "O, ry tany rehetra, avia izao\nHidera ny Tompo Mpanavotra anao\nNy Tompo miantso antsika hankao\nAnatrehany, mba hohasoaviny ao :\nDera, laza anie, ...sns",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "1",
         "lang": "fr",
         "lyrics": "Que la terre entière s’approche\nRendons gloire à Dieu notre Sauveur\nDieu nous appelle pour recevoir ses bienfaits",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "Dera, laza anie, voninahi-dehibe,\nHo Anao, ry Tomponay Tsitoha ô ! Amen.",
         "type": "refrain"
      },
      {
         "num": "1",
         "lang": "fr",
         "lyrics": "Louange, gloire, honneur à Toi Seigneur",
         "type": "refrain"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": "He, Jehovah miantra antsika izao,\nKa dia manolotra antsika indray\nNy endriny mbamin’ny aina vaovao ;\nEny, Izy Manaiky tokoa ho Ray\nDera, laza, ..sns.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lang": "fr",
         "lyrics": "Oui, l'Eternel a pitié de nous,\nAlors Il nous offre une vie renouvelée\nEt Il a accepté d'être notre Père.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "3",
         "lyrics": "Asandrato ny feo hihoby hoe :\nIsaorana mandrakizay Hianao,\nRy Tompo Mahery, Izay manome\nHo anay olom-bery ny aina vaovao ;\nDera, laza, ..sns.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "3",
         "lang": "fr",
         "lyrics": "Élevez votre voix pour acclamer ainsi :\nLoué sois-tu éternellement\nÔ Père puissant qui donne,\nA nous qui sommes perdus\nUne vie renouvelée.\nLouange, gloire, honneur à Toi Seigneur",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_14"
},
"ffpm_15":{"num":"15","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia hankalaza\nNy Tompo lehibe,\nFa feno hery, haja,\nJehovah Masina e\nAndeha mitambara,\nRy vazan-tany ô !\nMiankohofa tsara\nHanaja Azy izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Tomponay Tsitoha\nIndreto izahay,\nManondrika ny loha,\nMidera Anao, ry Ray\nNy fonay sy ny hery,\nFanahy, saina koa,\nOmena Anao irery,\nKa anjakao tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpanjaka tena hendry\nHianao, ry Tomponay,\nKa tena mahakendry\nIzay hahasoa anay ;\nNa misy toa mangidy\nNy fitondranao soa\nNy saina sy safidy\nManaiky Anao tokoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Manerana ny tany\nIzao ny lazanao,\nKa be tsy hita lany\nNy voninahitrao ;\nKoa hira fiderana\nVentesinay izao\nHaleloia, Hosana !\nMba raiso ho Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_15"},"ffpm_16":{"num":"16","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia ry vazan-tany ô !\nSy mponina ao an-danitra \nMiraisa feo ka mihirà\nNy fanavotan-dehibe,\n:,: Izay amonjena marobe,\nDia vita re ka miderà :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Avia ry  fiangonana  ô !\nMba asandrato re ny feo\nHidera ny Mpanavotra ;\nNa atý an-efitra aza izao,\n:,: Hirao am-pandehanana\nNy hira soan’i Ziona :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Avia ry voavonjy ô !\nKa mifalia avokoa,\nFa afa-doza hianareo ;\nMiraisa feo, ka mihirà,\n:,: Derao, derao, fa mendrika\nIlay nanavotra anareo :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Avia ry olom-bery ô !\nIzay mandre ny teny soa\nHoe : « Manatòna Ahy izao »\nAnio ny Tompo mba fidio ;\n:,: Ny fitiavany valio ;\nNy fiderany koa hirao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_16"},"ffpm_17":{"num":"17","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Haja sy voninahitra\nOmena an’Andriamanitra,\nFa Izy ihany no mahefa\n:,: Izay sitrakin’ny fony :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Masina, tsy azo haratsina,\nMahery, tsy azo resena ;\nMarina, tsy azo laingaina ;\n:,: Hendry, tsy azo fitahina :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny am-po toy ny am-bava;\nNy maizina toy ny mazava\nNy takona toy ny miseho ;\n:,: Tsy misy àry tsy hitany :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy miova ny fombany ;\nLehibe ka tsy oharina ;\nTia, tsy azo arovana ;\n:,: Miantra, tsy azo ferana :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Saotra amam-bavaka atao\nDera sy laza ho Azy ;\nIzy no ivavahana\n:,: Fa anton’izao tontolo\nizao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_17"},"ffpm_18":{"num":"18","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny feonay rehetra izao\nDia entinay midera Anao,\nRy Andriananaharinay !\nNa ambany aza izahay,\n:,: Dia tianao :,:\nRy Andriananaharinay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny andronay rehetra izao\nDia entinay manoa Anao,\nRy Tompo sy Mpanjakanay !\nSatria izao dia fantatray\n:,: Fa tianao :,:\nRy Tompo sy Mpanjakanay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny hevitray rehetra izao\nDia enti-mankalaza Anao,\nRy Tompo Mpanasoa anay !\nMpitahy ny fanahinay,\n:,: Fa tianao :,:\nRy Tompo Mpanasoa anay !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny herinay rehetra izao\nDia iasanay ho Anao,\nRy Aronay sy Tanjakay !\nMiezaka tokoa izahay,\n:,: Fa tianao :,:\nRy Aronay sy Tanjakay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Rehefa alainao izahay,\nKa tapitra ny andronay,\nHamantana any Aminao\nIzahay arý an-danitrao,\n:,: Fa tianao :,:\nHamantana any Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_18"},"ffpm_19":{"num":"19","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaotra Anao izahay izao,\nJehovah Ray !\nFa efa notohizanao\nNy andronay,\nKa tonga atý an-tranonao\nIndray izahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Misaotra Anao izahay izao,\nRy Mpanome !\nNy soa avy Aminao\nTsy lany re,\nFa isan-andro misy izao\nKa maro be.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Misaotra Anao ‘zahay izao,\nRy Rainay soa !\nNy helokay navelanao\nNefa iza moa\nNo mahalaza izay natao ?\nFa be tokoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Misaotra Anao ‘zahay izao,\nRy mora fo !\nNy mafy tsy sakananao\nFa mba hanjo,\nFa be ny fanirianao\nAnay hadio.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Misaotra Anao ‘zahay izao,\nRy Tomponay !\nAo aminao an-danitrao\nHonenanay,\nFa misy fitsaharana ao\nMandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_19"},"ffpm_20":{"num":"20","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsaroanay tokoa izao\nNy soa be noraisiny\nTsy tapaka avy taminao\nRy Andriananaharinay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny lasa itodihana\nDia mampiseho avokoa\nNy tanam-pitiavana\nMiahy sady manasoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He ! koa ity andronay ity,\nIzay diavinay izao,\nDia voahodidina erý\nNy fitahiana aminao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia tokinay tokoa izao\nFa mbola ho arovanao\nAnio, ampitso, rahatrizay,\nIzay miankina Aminao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ka dia mba velomy re\nAtý anatinay ny fo\nHahay misaotra Anao anie\nRy Rainay be famindram-po !","type":"verse"}],"id":"ffpm_20"},"ffpm_21":{"num":"21","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Derao Andriamanitra\nRy vazan-tany efitra,\nFa izy no mamindra fo,\nKa mety manome ny zo,\nNaniraka ny Zanany\nHanavotra ny olony !\nNy sandriny tsy toha re,\nFa manan-kery lehibe.\nMalaza ny Anarany,\nFa lehibe ny asany.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny zavatra rehetra e\nNy ranomasin-dehibe,\nIreo tendrombohitra,\nNy saha feno ahitra,\nNy hazo sy ny vorona\nNy vato sy ny zavona,\nNy voninkazo manitra,\nNy endriky ny lanitra\nDia samy tsy mijanona\nMidera ny mpamorona.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry olona navotana\nMba mitsangàna faingana,\nKa miderà ny Tomponao,\nIzay nanavotra anao,\nFa he, ny voninahiny\nManerana ny taniny\nTendreo ny valihanao\nKa miventesa hira vao :\nRy voavonjy ô, derao ny Ray\nMpamorona anao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_21"},"ffpm_22":{"num":"22","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Rainay Izay namorona\nIzao rehetra izao,\nNy hita sy ny takona\n:,: Dia asan-tananao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny volana aman-kitana,\nNy biby marobe,\nNy ala maitso mavana\n:,: Hitsaoka Anao anie :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tany sy ny lanitra,\nNy ranomasina,\nIreo tendrombohitra\n:,: Manolo-kasina :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny ory sy ny mpanana,\nDia fototra iray,\nFa samy asan-tanana\n:,: Nataonao Tomponay :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Dia saotra no atolotray,\nAnao, ka raisonao,\nFa fanomezan-ko anay\n:,: Ny asan-tananao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_22"},"ffpm_23":{"num":"23","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy misy zava-mahasoa,\nAndriamanitra ô !\nIzay tsy nataonao ho anay\nMba hifalianay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy misy singan’ahitra,\nNa ravin-kazo koa,\nIzay tsy amantaranay\nFa hendry Hianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny kintana mazava erý\nManeho avokoa\nFa sitrakao hanafaka\nNy aizina aminay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izay rehetra tazanay\nDia voninahitrao ;\nIzay rehetra takona\nMilaza izany koa.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny tany sy ny lanitra\nNataon’ny herinao\nDia azo ianarana\nNy famindramponao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_23"},"ffpm_24":{"num":"24","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny lanitra ao ambony ao,\n:,: Andriamanitra ô !\nIzay rehetra vitanao\nDia mahagaga anay. (in-3)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny volana aman-kitana,\n:,: Ny masoandro koa,\nNy tany aman-danitra,\nMitory avokoa. (in-3)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny andro amana alina,\n:,: Milaza aminay\nFa hendry Andriamanitra,\nJehovah Tomponay. (in-3)","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny tenanay, fanahy koa,\n:,: Dia avy taminao\nKa mampiseho tsara koa\nNy voninahitrao. (in-3)","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Izay rehetra vitanao,\n:,: Atý sy any koa\nMiara mankalaza Anao\nFa Tompony tokoa. (in-3)","type":"verse"}],"id":"ffpm_24"},"ffpm_25":{"num":"25","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Andriamanitra hendry,\n:,: Loharanon-tsaina  :,:\n:,: Ka manolo-pahendrena\nIzay manaiky Azy :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andriamanitra mahay,\n:,: Izao rehetra izao :,:\n:,: Ka Izy no akana saina\nHahahendry antsika :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ary isika mila saina,\n:,: Hanitsy antsika :,:\n:,: Amin’ny fianarana\nHanarahana Azy :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izy no ihavian’\n:,: Ny soa rehetra :,:\n:,: Hiainana mandrakizay,\nKa Izy no omen-tsaotra :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_25"},"ffpm_26":{"num":"26","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah tsy mba manadino\nNy mpanompony manoa,\nFa hotsarovany ireo mino\nNofidiny ho Azy koa.\nManerinerina ambony\nNy fiandrianany ;\nKanefa kosa re ny fony\nMitsinjo izay ambany.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izaho dia ravoravo\nKa midera Azy izao ;\nFahasoavanao, Ry Avo,\nNo namonjy hatrizao,\nFahavokisan’ny fanahy\nAry fisandratana\nNo hotantaninao ho ahy :\nNy foko mankalaza.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, mifalia ry Israely,\nFa vonjen’ny sandriny ;\nMba matokia dia hahery\nAntsoy ny Anarany :\nMpanomponao ity mitalaho,\nKa henoy ny hatako,\nO, ry Mahery, inty aho !\nNy sitrakao ekeko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_26"},"ffpm_27":{"num":"27","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fitiavana tokoa re,\nny Ray an-danitra\nFa manolo-java-tsoa\nTena mahasambatra\nHo antsika izay mpanota,\nOry, osa, rera-po,\nIzy masina sy to\nTa-hanaisotra ny ota\nNoho ny fanavotana\nVitan’i Jesosy e !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy ho very, ry mahantra\nSy miferin’aina izao,\nFa ny Ray Izay feno antra,\nAoka mba hinoanao.\nSambatra ny voavela\nHeloka tokoa re,\nFa Jesosy manome\nFanavaozam-po sy lela,\nHira fideram-baovao\nNo ho re an-dalalanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, ry Rainay be fitia,\nMba ampio izahay,\nTsy ho kivy, tsy hania\nAo am-pandehananay,\nFa handroso mba hankany\nAminao an-danitra.\nRy Andriamanitra,\nBe ny loza atý an-tany\nFa ny ranomasonay\nFaohinao rahatrizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_27"},"ffpm_28":{"num":"28","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zanahary tsy mba tia\nNy fahaverezanao\nIzy, Rainao be fitia,\nTsy mba mahafoy anao.\nNy famoizam-po ario,\nFa Jesosy itokio,\nMba hatoninao anio\nIlay be fahasoavana !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izy dia nitady ela,\nVao nahita anao izao ;\nMifalia, tsy ho ela\nDia hody hianao.\nHe, ry ondry saiky very,\nOry, osa, feno fery,\nNy Mpamonjy manan-kery\nHahasitrana anao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny ao an-danitra mifaly,\nRaha misy miova fo,\nAry any ny anjely\nMiramirana avokoa.\nFo marary dia tsaboiny,\nAhiahim-po vonoiny,\nFiadanana lazainy ;\nSambatra isika re !","type":"verse"}],"id":"ffpm_28"},"ffpm_29":{"num":"29","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"( Hira Paska )","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Ry foko, mitsangàna izao\nKa miderà ny Tomponao,\nAndriamanitsika.\nNasehony ny heriny.\nNy fasana levoniny\nTsy hahatàna antsika.\nDerao ! Hobio !\nHaleloia sy hosana,\nFanjakana :\nAzy Tompom-pahefana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! vitanao Mpanavotra\nNy lova mahasambatra :\nNy fasana resenao.\nMahazo toky fatratra,\nNy mitomany, sasatra :\nNy lanitra vohanao.\nJeso Kristy\nIzay nitsangana maraina\nTompon’aina :\nAndro Paska, arahabaina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Derao ny voninahiny !\nAnkalazao ny heriny,\nFa resy re satana.\nRy tany sy ry lanitra,\nDerao Andriamanitra\nAkaro ny hosana.\nRaiso Tompo,\nRaisonao ny voninahitra\nAman-dera :\nHo anao, ry Zanakondry.","type":"verse"}],"id":"ffpm_29"},"ffpm_30":{"num":"30","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Paradisako ry Jeso,\nFifaliako Hianao ;\nLanitry ny foko eto\nSy Edenako vaovao !\nParadisa soan’ny foko\nEto an-tany Hianao ;\nEny, fanaperan-tsoako\nAo an-danitra vaovao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Volafotsy, volamena,\nVatosoako Hianao.\nZava-tsoako sy harena\nMiafina ao an-danitra ao.\nParadisa ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Zo sy hajako tokoa\nHianao Mpanavotro.\nHaingo sarobidy koa,\nSatro-boninahitro.\nParadisa ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Zavatra rehetra ho ahy\nHianao, ry Jeso tia ;\nFianinan’ny fanahy,\nFiadanako doria.\nParadisa ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_30"},"ffpm_31":{"num":"31","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaotra Anao izahay, ry Ray,\nFa sitrakao homena ho anay\nNy Zanakao malalanao ;\nIlay tokanao no he natolotrao.\nAtolotray ny saotranay,\nO ! Raisonao anie Jehovah\nRay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Misaotra Anao, Jesosinay,\nNy fitiavanao tsarovanay :\nNalatsakao ny rànao soa\nHanavotra aina ny\nmpanota voa ;\nAtolotray ny saotranay\nKa raisonao e, ry Jesosinay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Misaotra Anao, Fanahy koa,\nMamelona sy monina\nao am-po.\nHavaozy ao anaty ao\nHo tonga lapanao madio\nsy vao\nAtolotray ny saotranay\nKa raiso, ry Fanahy tokinay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_31"},"ffpm_32":{"num":"32","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaotra Anao izahay\nJehovah Tompo ô !\nFa efa naharay\nNy soa taminao.\nKa lalandava no\nIsaoranay Anao\nHo eo am-bavanay tokoa\nNy teninao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa reharehanay\nSy famonjena koa\nNy Tompo tia anay,\nTsy manam-paharoa.\nNy fandresena soa,\nNy fiononam-po\nDia avy taminao,\nKa hery manavao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny olo-mino Anao\nSy ireo mpanomponao\nNa velona na maty,\nDia misaotra Anao.\nKa sambatra tokoa\nFa manana Anao\nIzahay, ry reharehan’\nNy Fanahy ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_32"},"ffpm_33":{"num":"33","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo ô, tsy takatray\nNy hasoan’ny antranao ;\nZava-mahagaga anay\nNy fitiavanao.\nHe, mpanota izahay,\nNefa hasoavinao ;\nAvotr’aina azonay,\nMisaotra no atao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tompo ô, Mpanjakanay,\nFatratra ny herinao :\nTs’isy zavatra izay\nMahasakana Anao !\nNefa mora fo Hianao\nFa mandefitra aminay,\nKoa dia misaotra Anao\nFa afaka izahay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tompo Andriamanitray,\nAvy izahay izao :\nRaiso ny fiainanay ;\nAnao, ka anjakao.\nTompo ô, tsy takatray\nNy hasoan’ny antranao ;\nZava-mahagaga  anay\nNy fitiavanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_33"},"ffpm_34":{"num":"34","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo ô, Tsitoha\nZanaharinay,\nAsan-tànanao re\nIzao rehetra izao.\nMahagaga indrindra\nNy fahaizanao\nEntinao mitondra\nSy miasa ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao, Jehovah\nAo mandrakizay\nNa miovaova\nIzao rehetra izao.\nMahagaga indrindra\nNy fitiavanao\nTsy mba mety miova\nNy mandao anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ray niandohana\nfony fahizay ;\nMbola hiafarana \nkoa rahatrizay.\nRaiso moramora\nre ny Zanakao.\nRaha tonga ny ora\nhiantsoanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_34"},"ffpm_35":{"num":"35","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Isaoranay, ry Ray,\nNy fitiavanao ;\nFa indro azonay\n:,: Ny taombaovao :,:\nRy Tompo ô, ambeno,\nIzao fifaliana izao\nKa aoka re ho feno\nNy hasoavanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny taona vao lasa\nNipaoka olon-tsoa\nIreny mba nikasa\n:,: Mba ho tafita koa :,:\nNy fitondràna anefa\nAfeninao, ry Ray !\nKa nony miantefa\nVao sina izahay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fanahy ô, avia\nHitari-dàlana e !\nMandroso izao ny dia\n:,: Hamaky rano be :,:\nNy herinao tsy lefy\nNo tanjaky ny fo\nKa ampy mba ho fefy,\nRaha avy ny manjo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Itoero, Jeso tia\nNy sambonay re !\nNa tony na maria,\n:,: ‘Ty ranomasim-be :,:\nRaha Hianao no hita\nTsy fefika izahay\nAmbara-piampita\nArý an-tratran-dRay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_35"},"ffpm_36":{"num":"36","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Moa ho haiko tantaraina\nNy hasoavanao ?\nMifamatra tamin’aina\nNy fitiavanao.\nNy vahoaka sesehena.\nIzay nahazo famonjena\nNo hidera Ilay Mpamonjy soa.\nJeso no derao, Jeso no derao :\nIzay nataony ambarao :\nJeso no derao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fiadanana nafoin'i Jeso Tomponay,\nF'efa tonga ny fotoana,\nSitraky ny Ray\nOlom-bery nozahany\nNy fatorany vahany\nHajambana koa nalany\nTsy ho ao\nJeso no derao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hoderaina lalandava\nNy Anaranao,\nFa ny aizina nisava\nEo imasonao :\nNa tsy tian’ny sasany aza\nNy Anaranao malaza,\nIzaho kosa hankalaza Azy re.\nJeso no derao, Jeso no derao :\nIzay nataony ambarao :\nJeso no derao.\n\n\nJESOSY KRISTY\nTOMPO\n1. NY FIHAVIANY\nSY NY FIVERENANY","type":"verse"}],"id":"ffpm_36"},"ffpm_37":{"num":"37","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mihainoa, ry Ziona ô !\nAvy ny Mpanjakanao !\nRe hatrany lavitra\nFa hobin’ny olona.\nMifalia hianao\nIndro Izy, ka tsenao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro Ilay miakatra\nMila tsy ho fantatra\nHo Mpanjaka marina,\nFa mietry lalina ;\nIzy no Mpanjakanao,\nRy Ziona ka derao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mandrosoa, Tompo ô !\nMba hanjaka amiko !\nFaly re ny olonao\nRaha tonga Hianao,\nO, hosana, Tomponay !\nRy Ilay nandrasanay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_37"},"ffpm_38":{"num":"38","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"He, hosana !\nIsaorana anie ny Mesia,\nIzay nalefan’ny Tompo,\nKa hosana no asandratray ;\n:,: Ilay nirahinao, ry Tompo :,:\n:,: No derainay :,:\n:,: Ka hosana \nno asandratray :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_38"},"ffpm_39":{"num":"39","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Faingàna, ry Mpanjaka !\nHandray ny lovanao ;\nFaingàna re mba haka\nNy tany ho Anao ;\nAvia hampifaly\nNy malahelo fo ;\nAfaho ny mijaly\nSy azon’ny manjo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Avia, fa misento\nAtý ny olonao ;\nNy fanjakana ento,\nFa Tompo Hianao.\nTsy hisy hitomany\nEo anatrehanao.\nHiadana ny tany\nIzay alehanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tendrombohitra avo,\nNy lohasaha koa,\nHo tonga ravoravo\nSy tretrika avokoa ;\nNy be tsy haka an-kery,\nNy kely afa-po ;\nTsy hisy izay ho very\nTsy hisy izay hanjo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mpanjaka sy Mpiaro\nMahery Hianao ;\nNy firenena maro\nHitoky Aminao ;\nHo avy lalandava\nIzao rehetra izao\nHitondra harem-bevava\nHo eo an-tongotrao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Faingàna, ry Mpamonjy,\nRy Tompo be fitia ,\nNy olonao tra-bonjy\nMiantso hoe : Avia !\nAnao ny fiderana,\nAnao ny laza be,\nAnao ny fanjakana\nSy arahaba e !","type":"verse"}],"id":"ffpm_39"},"ffpm_40":{"num":"40","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tonga ny fahazavan’i Ziona,\nRavo ny tany izay maizina teo\nTapitra koa ny andro misaona,\nAry ny tany miadana izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tonga ny fahazavan’i Ziona,\nEfa nandrasana izay ela izay,\nIzao dia tapitra ny\nfanompoana,\nKa ampodina ny babo indray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He misy rano izay miboiboika\nAny an-efitra maina sy lao,\nFeno ny hobiny ny lohasaha,\nManakoako ny hira vaovao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Indro ny tany sy nosy rehetra\nDia mankalaza ny Tompo\nizao,\nNy fanjakany dia tsy\nmanam-petra,\nMiravoravo ny tany vaovao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_40"},"ffpm_41":{"num":"41","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro Jeso mandondona\nEo am-baravaram-po,\nInjao ny feony mifona\nMba haneho indrafo,\nAoka izy hovohàna,\nFa mitondra famelàna\nHampahery sy hitana\nNy fanahinao sy fo","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Efa novidiny lafo\nMba ho afaka hianao ;\nIzy hiara-misakafo\nSy hifaly aminao ;\nFahasoavana zaraina,\nLova ampanantenaina,\nIray ny vatsy, iray ny aina\n‘Ndrey, ny hasambaranao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_41"},"ffpm_42":{"num":"42","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vohay ny varavaram-po !\nIlay Mpanjaka manan-jo,\nMpamonjy izao tontolo izao\nNo tonga hanasoa anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny teny fanasana atao\nMitondra tena aim-baovao,\nNy fahoriana manjo\nAfahan’ny famindrampo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba mihainoa, maneke,\nFa sambatra izay mandre,\nKa anjakan’ny Tompo to,\nIzay feno antra, mora fo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny andron’aina mitatao\nNo mahafaly fo izao,\nMamiratra sy manome\nFanantenana lehibe.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny vavahady mba vohay !\nFinaritra izay mandray,\nFa tonga ilay Mpanjaka soa\nHanao ny asany tokoa.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Sokafany ny fo izao,\nRy Jeso, mba hidiranao,\nNy fahasoavano anie\nHananay harena be.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Atolotray, ry Tompo ô !\nMba hahatamana Anao ny fo,\nNy famonjena vitanao\nNo iankinanay izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_42"},"ffpm_43":{"num":"43","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Manenoa, ry farara !\nHorohoroy, ry tany !\nKa miantsoa ny maty,\nFa akaiky ny Mpitsara;\n:,: Indro ! Kristy :,:\nAvy amin-drahona !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny feony no hampifoha\nNy any am-pasana ;\nNy teniny no hamory\nNy velona rehetra ;\n:,: Samy handray :,:\nNy valin’ny nataony.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tsy mino hilazany :\n“Mialà voaozona,\nMandehana, mitoera\nAo amin’ny maizina”\n:,: Ry mpanota :,:\nAny ny anjaranao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa ny mino hilazany :\n“Avia, notahina,\nMandrosoa, mankanesa\nHo amin’ny mazava”\n:,: Io, ry mpino :,:\nIndro ! ny anjaranao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_43"},"ffpm_44":{"num":"44","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro Jeso, mba vohay ;\nMba vohay !\nAvy ho Sakaizanao ;\nMba vohay !\nIlay Malala fahizay,\nSady sitraky ny Ray\nTonga ho anao indray\nKa vohay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro Jeso, mba vohay ;\nMba vohay !\nTompo tia ka mba hajao ;\nMba vohay !\nHonina aminao etý,\nHo sakaiza hatrerý\nHo anao mandrakizay\nKa vohay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indro Jeso, mba vohay ;\nMba vohay !\nMbola tia ka mba vohay ;\nMba vohay !\nTena tia ka tsy mandao,\nRaha ela sao dia lao ;\nMoa ho lavinao izao\nKa vohay !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eo am-baravaranao ;\nMba vohay !\nTsy manoa an-ditra izao;\nMba vohay !\nHe! mandona mora re,\nNa dia Tompo lehibe ;\nEfa niandry ela be\nKa vohay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_44"},"ffpm_45":{"num":"45","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, tonga ho antsika\nNy Tompo mora fo,\nMpamonjy, Havantsika,\nIlay mamindra fo ;\nAndeha mba hifaly\nIsika, ry zareo !\nNahazo Mpampifaly,\nKa manandrata feo","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hajao ny Tompontsika,\nMpanjaka lehibe,\nAndriamanitsika,\nMpanala rofy be ;\nAvia mba hidera,\nRy mino tsara fo !\nAvia manatera\nNy saotra ao am-po.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Tompo Zanahary !\nMihira izahay,\nFa teny mahafaly\nNo tonga ho anay ;\nNy andro famonjena\nNo andro sitrakay ;\nFanahy manantena\nNo ifalianay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tomponay !  mandraisa\nNy haja entinay ;\nTsy volamena anefa,\nFa saotra aterinay ;\nRy Jeso Tompo soa !\nIsaoranay Hianao,\nFa lehibe tokoa\nNy fitiavanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_45"},"ffpm_46":{"num":"46","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Mpanefa ny toky rehetra,\nMoa ho ela vao tonga ny\nfetra ?\nTena andrasanay ny\nfihavianao ;\n:,: Aza ela, re :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! izahay fa vahiny mandala,\nIndro manenjika ny fahavalo ;\nKoa henoy re ny senton’ny\nolonao ;\n:,: Aza ela, re :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He ! ny voavotrao dia miandry,\nNa izahay na ireo nodimandry ;\nTompo, Tsinjovy ny fasan’ny\nolonao ;\n:,: Aza ela, re :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ary ny zavatra eto an-tany\nSamy miara-misento ihany,\nKa manantena ny mba \nhihavianao ;\n:,: Aza ela, re :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mbola ho ela ve Ilay \nantenaina ?\nTsia, fa akaiky izao ny\nmaraina ;\nKoa andrandrao sy antsoy\nny Tompo hoe :\n:,: Aza ela, re :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"«Tsy mbola ho ela, fa faingana\nAho,\nAry hanafaka ny mitalaho».\n« Eny, avia, faingàna,\nry Tompo ô ! »\n:,: Aza ela, re :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_46"},"ffpm_47":{"num":"47","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Ziona, mihainoa !\nInjay feo mafy mampifoha\nNy ampakarina izao :\nMbola alim-be ihany,\nFa ny fotoana no lany,\nKa avy ny malalanao;\nAntsoiny hianao\nAlao ny jironao\nKa velomy ;\nDia miaingà hivoaka,\nHitsena ny mpampakatra !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, Ziona ravoravo,\nFa reny izao ny antso avo\nKa velona ny hobiny :\nIndro, avy Kristy Tompo,\nHanafaka anay mpanompo,\nHalainy hampakariny.\nHe, faly re ny fo !\nAvia Tompo ô !\nO, hosana !\nMihaingo izao hitsena Anao,\nRy Kristy, ny malalanao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hira, hoby, fiderana\nAsandratray mba hitsenana\nAnao, Jesosy Tompo ô !\nTsy mba misy mitomany,\nFa mirana izay mankany\nAm-pampakaram-badinao ;\nMahafinaritra ny hiran-danitra\nHaleloia !\nIlaozanay ny trano lay,\nMiakatra ny dianay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_47"},"ffpm_48":{"num":"48","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hevero, ry mpanota ô,\nNy andro fitsarana !\nHiverina ny Tomponao\nHamaly fahotana ;\nNy lanitra hahorona,\nNy tany dia hodorana,\nFa avy Ilay Mahery.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Trompetra no ho levona\nHotsofin’ny anjely ;\nHisokatra ny fasana,\nHivory izay niely ;\nNy maty dia hatsangana,\nIsika koa hakarina\nHanatrika ny Tompo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny boky hovelarina,\nFa io no manambara\nNy asa izay miafina,\nHandraisana anjara ;\nKa aza mba mihevitra\nHahazo mihodivitra\nFa fantatry ny Tompo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompo ô ! hazoninay\nNy tenim-panekena,\nKa mba arovy izahay\nHitana famonjena ;\nNy ranao sy Fanahinao\nNo tokinay raha avy izao\nNy andro fitsarana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_48"},"ffpm_49":{"num":"49","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba jereo ny Tompontsika\nAvy ao an-danitra,\nIndro, avy amin-kery\nAo amin’ny rahona\n:,: Haleloia :,:\nAmbarao ny heriny.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izay rehetra fahavalo\nEfa resiny tokoa ;\nMifalia ry anjely !\nMihobia, ry olona !\n:,: Haleloia :,:\nAmbarao ny lazany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fony mbola teto Izy\nSatro-tsilo nentiny ;\nIzao ny satro-bolamena\nMendrika ny lohany\n:,: Haleloia :,:\nAmbarao ny derany.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Voaeso mafy Izy ,\nBe ny fahoriany ;\nFa izao, asandratara Izy,\nAmbarao ny hajany !\n:,: Haleloia :,:\nHe, ny voninahiny !","type":"verse"}],"id":"ffpm_49"},"ffpm_50":{"num":"50","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mifohaza, ry matory ,\nFa re ny feon’ny Mpamory\nMiantso izao tontolo izao !\nMiangà, ry vovontany,\nFa he ! Jesosy avy any\nAn-danitra hitsara anao.\nRy mbola velona !\nRy ao am-pasana !\nMitsangàna !\nMiandrandra ny lanitra,\nFa ny atý dia tapitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Kristy Tompo avy any,\nKa dia mangovitra ny tany\nFa be ny voninahiny.\nNa ny ratsy na ny tsara\nHanatrika ilay Mpitsara,\nMiandry ny anjarany\nZarainy roa izao\nNy tafavory ao ;\nKa ny tsara\nHoraisiny ao Aminy,\nNy ratsy dia ariany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso ô ! izahay mifaly,\nNa dia be ny mampijaly\nSy mahaketraka atý ;\nHianao mahay manova\nNy fahorianay ho lova\nMahafinaritra erý.\nRy fasa-maizina ô !\nRy fahavaloko !\nAiza moa ny herinao,\nny sabatrao ?\nJesosy no Mpandresy izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_50"},"ffpm_51":{"num":"51","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha tonga anio ny Tompo,\nAmin-kery lehibe,\nKa arahin’ny mpanompo \nSy anjely marobe ;\nMoa ho faly hianao\nKa hidera ny Mpamonjy\nIzay nanavotra aina anao ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! ho simba sy ho rava\nIzao rehetra àry izao,\nKa hifankahita tava\nNy natao sy ny Mpanao,\nMoa ho faly ….sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maso maro no mijery\nIlay nijaly fahizay,\nFa ny mino Azy  ihany\nNo ho faly rahatrizay :\nMoa ho faly ….sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Rehefa tonga re ny Tompo\nMba hitsara izay natao,\nHitomany ny tsy mino,\nFa hanatrika Azy ao :\nMoa ho faly ….sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"O ! avia re, ry Tompo !\nMba hanjaka aminay,\nHahatonga anay mpanompo\nHiara-paly Aminao :\nO! avia, ô ! avia,\nFa ny olonao rehetra\nDia maniry indrindra Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_51"},"ffpm_52":{"num":"52","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa akaiky Jeso Tompo\nIlay Mpamonjinao,\nIndro, tamy Kristy Tompo,\nAvy ho anao ;\nDia tano mafy tsara\nIzay anananao ;\nLova soa, tsara fara,\nIndro, ho anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Efa akaiky ny Mpamonjy\nTa-handray anao ;\nJeso Kristy mahavonjy\nNo sakaizanao ;\nDia tano ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Efa akaiky ny Mpitsara,\nIzay hitsara anao ;\nJeso Kristy raiso tsara\nMba ho havanao ;\nDia tano ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aza mba mangataka andro\nHibebahanao ;\nHe, mazava anio ny andro\nMba hidiranao :\nDia tano ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_52"},"ffpm_53":{"num":"53","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Miposaka ny vonjy,\nEndrey ny hafaliana !\nJesosy no Mpamonjy,\nAndriam-piadanana\nIlay Zanaky ny Avo\nDia nidina tatý\nHahatonga antsika lavo\nHo Zanaka arý,\nManangana olom-bery\nHandova lanitra,\nKa dera, laza, hery\nHo an’Andriamanitra !","type":"verse"}],"id":"ffpm_53"},"ffpm_54":{"num":"54","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy Mpamonjy,\nIlay Tompon’ny aina, no hita\nNidina teto an-tany\nhamonjy antsika :\nO, mba derao !\nIzy Mpanavotra anao,\nKa mifalia, ry mino !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro ny tenin’anjely \nmilaza ny soa !\nTeraka Jeso Mpamonjy\nantsika tokoa :\nO, mba derao !\nTonga ny andro vaovao,\nAndron’ny Filazantsara.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia iventesonao hira\nvaovao re, izany !\nTonga Jesosy hamonjy\nizay mitomany :\nO, mba derao !\nAfaka isika izao !\nIzy Mpisolo antsika !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tonga ny Tompon’ny tompo\nhisolo ny ory,\nKa mifohaza, ry olona\nmbola matory :\nO, mba derao !\nAmin’ny feo vaovao,\nJeso, izay Tompo mahery !","type":"verse"}],"id":"ffpm_54"},"ffpm_55":{"num":"55","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny andron’ny fahasoavana\nMiposaka ho antsika\nManerana izao tontolo izao,\nNy tarany efa hita,\nKa ravo ny olombelona,\nFa lasa ny alintsika.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Niova terý ny alina,\nFa teraka ny Mpamonjy,\nMamiratra re ny lanitra,\nMiseho izao ny vonjy,\nKa lasa tokoa ny aizina,\nMihoby ny voavonjy.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na dia ho nahay nihira re\nNy hazo an-ala rehetra,\nKa afa-mikalo ny ravina\nHidera ny Avo indrindra,\nTsy ampy ho fanandratana\nNy Tompon’ny ain-drehetra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny feon’ny olonao izao\nMisandratra, ry Jehovah,\nHidera ny fitiavanao\nSy ny indrafonao soa\nNiaro ny fiangonanao\nHatramin’ny fahagola.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ho an’ny tanindrazanay\nIzahay re, ry Ray Tsitoha,\nKa hiditra ao an-tranon-dRay\nNomanin’Ilay Mpialoha ;\nNy olonao dia ho tafaray\nHidera Anao tokoa !","type":"verse"}],"id":"ffpm_55"},"ffpm_56":{"num":"56","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Manatona Anao izao,\nRy Jeso, ny madinikao,\nAmpandrosoy ny dianay,\nFa ta-hahita Anao izahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hidera ny Anaranao\nNo zava-tianay hatao ;\nMiravoravo izahay\nFa teraka ny Tomponay","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny lanitra nilaozanao,\nHanavotra ny olonao,\nHo zanak’Andriamanitra\nHifaly ao an-danitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy takatray heverina\nNy fitiavan-dalina,\nIzay nitiavanao anay,\nKa dia misaotra Anao izahay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tariho, Tompo, izahay,\nAmbinonao ny dianay,\nFa samy ta-handray Anao\nIzahay mivory eto izao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"O, ry Sakaiza maminay,\nMba te-ho olonao izahay\nHipetraka eo anilanao,\nFa mamy ny fitianao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Raha manana Anao izahay,\nTsy hisy hatahoranay,\nFa zaza voamarikao\nHo isan’ny arovanao.","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Raha ao an-danitra vaovao,\nIzahay sy ny anjelinao\nHisaotra sy hidera Anao\nHanatrika ny tavanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_56"},"ffpm_57":{"num":"57","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izao Noely mamy izao\nNo ihobiantsika,\nFa noresen’ny aim-baovao\nNy fahafatesantsika :\nNy Zanak’Andriamanitra,\nIzay Tompom-boninahitra,\nNandao ny lapan-dRainy,\nNateraka ho olona\nHamonjy sy hamelona\nAntsika sombin’ainy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Velomy ny fisaorana,\nNa kely monja aza,\nKa aoka izay navotana\nHiara-hankalaza\nNy Zanak’Andriamanitra,\nNiala tao an-danitra\nHanafaka alahelo ;\nRy voavonjy ô ! derao Jesosy\nIlay Mpanjakanao ;\nHe, gaina izao ny helo !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izao Andriamanitra\nDia faly amintsika :\nJesosy, Tompon-danitra,\nNo tonga namantsika ;\nHo re hatrany lavitra\nFa foin’Andriamanitra\nIlay sitraky ny fony\nHitondra fahoriana,\nHiari-pijaliana\nHo solon’ny mpikomy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Na dia tratry ny manjo,\nIzay mampiferin’aina,\nIzaho tsy hamoy fo,\nFa manna-kantenaina ;\nJesosy dia Zokiko,\nKa tsy hohadinoiko,\nFa Izy tia ahy ;\nNy tenim-piadanany\nNo hery anohanany\nNy foko, izay manahy.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Haleloia, fa tapitra\nNy fahoriantsika !\nDerao Andriamanitra,\nIzay efa tia antsika !\nO, ry fanahiko, derao\nJesosy, Izay Mpamonjinao,\nHarena tsy ho lany,\nHaleloia, Haleloia !\nFa azo ny Mpanavotra,\nAnao ny fanjakany !","type":"verse"}],"id":"ffpm_57"},"ffpm_58":{"num":"58","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Alina masina\nTonga ny Mpanavotra ;\nIndro teraka ao Betlehema\nNy Mpanjakan’ny Jerosalema,\n:,: Izay Mpamonjy anao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Alina masina\nNy anjely midina\nKa miara-mihoby hoe :\nIndro ny fiadanam-be,\n:,: Jeso teraka izao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Alina masina\nNisehoan’ny Zanaka ;\nNy mazava niposaka,\nKa ny tahotra afaka ;\n:,: Mifalia izao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_58"},"ffpm_59":{"num":"59","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O! mihobia, fa teraka\nJesosy Tompo, Zanaka,\nMesia nantenaina,\nMpamonjy sitraky ny Ray\nHo avotra mandrakizay,\nKa mendri-koderaina !\nRenao izao\nNy anjely mampiely\nTeny soa :\nKristy teraka tokoa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! tonga ny Mpanavotra\nHanafaka ny tahotra\nMamatotra ny tany,\nMitondra fiadanana,\nKa tena mampihavana\nNy lanitra aman-tany.\nIndro tonga\nNy Mpamonjy mahavonjy\nNy mpanota,\nKa manaisotra ny ota.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Omeo voninahitra\nNy Ray, Andriamanitra,\nIzay Tompom-pamonjena !\nNy Zanaka no raisonao,\nFa fananganana anao\nNy lova dia homena,\nAmen, Amen !\nTeny soa mamy koa,\nIsika lavo koa,\nTonga zanaky ny Avo !","type":"verse"}],"id":"ffpm_59"},"ffpm_60":{"num":"60","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, faly ny fanahiko,\nFa avy Ilay Malalako,\nDia Jeso tonga zaza,\nKa mety ho Mpamonjiko,\nNa dia tsy mendrika aza\nIzaho, ry Jesosy ô !\n:,: Raiso ho Anao ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso Zazakely ô,\nIriko mafy Hianao,\nAvia re, ry Zaza,\nNy foko itoeranao\nNa dia ratsy aza\nKa tsy mba mendrika Anao,\n:,: Ry Jesosy ô :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Endrey ny fitiavanao,\nRy Ray, namoy ny Zanakao ;\nIzahay, izay fahavalo\nKa ivesaran-keloka,\nAvelanao hivalo\nKa hiditra ao an-danitra.\n:,: Enga ka ho ao ! :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Endrey ny fifaliana\nTsy tratry ny fisainana\nAtaon’ireo anjely\nManerana ny lanitra !\nFa any ny Noely\nHitohy tsy ho tapitra,\n:,: Enga ka ho ao ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_60"},"ffpm_61":{"num":"61","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tany Betlehema fahiny\nNisy Zaza teraka ;\nTonga toy ny mpivahiny,\nNefa tena Zanaka,\nIzy no Jesosinay,\nKa mba raiso ho anao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ao ny lapa feno haja\nNisy Azy fahizay ;\nSaotra, dera aman-daza\nTeo anatrehan-dRay,\nIzany no nilaozany\nHamonjena ny atý.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Zaza tsy nanota izy,\nNefa Zaza toa anao ;\nKoa raisinao rankizy,\nMba ho tena havanao ;\nAry mba arahonao\nIzay fanaony hitanao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha hianao tomany,\nIzy hampangina anao,\nIzy koa hampahamamy\nIzay fifalianao ;\nMatokia Hianao,\nIzy no Sakaizanao !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Nefa mba henoy, ry zaza !\nAo an-danitra Izy izao,\nFa ho avy  indray hitsara\nAn’izao tontolo izao ;\nKoa mba fidionao\nIzy ho Mpamonjinao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_61"},"ffpm_62":{"num":"62","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, teraka any Betlehema,\nAo Betlehema,\nNy Tompon’i Jerosalema.\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny vilona :,: nandriany :,:\nNihoby ny anjeliny.\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny magy dia :,: nanatitra :,:\nNy miora sy ny hanitra\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Voaisotra :,: ny helokao :,:\nFa tonga ny Mpanavotrao.\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Isika dia :,: noraisiny :,:\nHiombon-dova aminy.\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Isika koa :,: hianatra :,:\nNy fideran’ny lanitra.\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Isika ao :,: an-danitra :,:\nHo velona finaritra.\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Ho naman’ny :,: anjelinao :,:\nIzahay, ry Jeso Tompo ô !\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"9","lyrics":"Hidera ny :,: Anaranao :,:\nManatrika ny tavanao.\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_62"},"ffpm_63":{"num":"63","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tany finaritra,\nTarafin-danitra,\nIty tanin’ny mpivahiny ity\nKa fihobiana\nNo andehanana\nMankany Paradisa arý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andro mihelina\nIlay sasakalina,\nNefa tsarovan’ny olona\nSatria ny lanitra\nTsy lefy hanitra ;\nMamelon-kira velona.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Anjely marobe\nNo indray mihira hoe :\n« O ! mifalia ry reraka !\nFa fiadanana\nNo andehanana ;\nKristy Mpamonjy teraka ! »","type":"verse"}],"id":"ffpm_63"},"ffpm_64":{"num":"64","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Injany hiran-danitra\nMisasak’alina ;\nLokanga volamena e,\nTendren’ny masina !\nNy tany dia nangina re,\nNandre ny hira vao :\nHo an’ny olona anie\nNy fiadanana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny hiran’ny anjely re\nTsy mba mitsahatra.\nAry ambony rahona\nIreo masina\nMitendry ny lokangany\nAm-pihobiana !\nHo an’ny olona anie \nNy fiadanana !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! ry mivesatra entana,\nRy malahelo ô !\nMba andrandrao ny lanitra,\nHenoy ny hira vao !\nNy hiran’ny anjely re\nDia mampiadam-po.\nO ! mitsahara hianao\nHihaino azy izao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny andron’olombelona,\nHe fandalovana !\nKanefa hisy tany vao\nIzay haharitra.\nEndrey ny fiadanana\nArý rahatrizay !\nNy hiran’ny anjely\nHiredona indray !","type":"verse"}],"id":"ffpm_64"},"ffpm_65":{"num":"65","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Betlehema kely ô !\nSondrian-tory ve ?\nKanefa injay miseho ao\nNy hazavana be.\nNy toky sy ny tahotra\nMihaona ankehitrio,\nFa Kristy Ilay Mpanavotra\nNo teraka anio.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry kintana maraina ô !\nFitarik’andro soa.\nTorio fa tonga aty izao\nIlay Mpanjaka soa !\nKa he ! ny voninahitra\nHo an’Andriamanitra !\nFiadanana tsy tapitra\nHo an’ny olona.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Endrey, mangina fatratra\nNy fampidinana\nNy fitahian-danitra\nAm-po ny olona !\nTsy misy tabataba re,\nFa horakoraka.\nKanefa Kristy tonga anie\nAm-po mangoraka !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Rankizy hendry sy madio\nTsarovy Kristy izao\nFa izy tonga atý anio,\nMba ho Mpamonjinao.\nNa misy aza ny manjo.\nIzao Noely izao\nNo saino fatratra ao am-po\nHampionona anao !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Zaza Masina sy soa,\nRy Zanak’i Maria,\nRy Tomponay, Mpamonjy\nkoa,\nMidina re atý.\nNy feon’ny lanitra no re,\nIndray Noely izay,\nNitondra teny soa hoe :\nHianao no avotray !","type":"verse"}],"id":"ffpm_65"},"ffpm_66":{"num":"66","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry olona ô, avia !\nRy tany, mifalia !\nMba henoy ny teninay ;\nTeraka ny Tomponay ;\nAo an-tranon’omby ao,\nHandeha, mitsaoka Azy izao\nTeraka ny Tompo !\nTeraka Jeso !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry olona ô, avia !\nRy tany mifalia !\nMba henoy, ry havanay !\nMisy zaza hitanay\nZanak’Andriamanitra\nHamoha indray ny lanitra.\nTeraka ny Tompo !\nTeraka Jeso !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry kristiana ô, hobio,\nFa afaka hianao anio;\nResy izao ny rafinao,\nAfaka ota hianao,\nFahasoavan-dehibe\nNo ho anjaranao anie ;\nTeraka ny Tompo !\nTeraka Jeso.","type":"verse"}],"id":"ffpm_66"},"ffpm_67":{"num":"67","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia ry mino !\nHifaly sy hihoby,\nAvia, avia hankany\nBetlehema :\nTeraka Jeso,\nTompon’ny anjely ;\nAvia hitsaoka Azy (in-3)\nIzay Tomponao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tompon’ny tompo,\nAndriananahary,\nNefa mba zana-behivavy koa ;\nZanak’i Maria,\nNefa Zanahary ;\nAvia hitsaoka Azy (in-3)\nIzay Tomponao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Derao, ry anjely,\nMihobia mafy,\nRy mponina an-danitra ao\nAmbony ao !\nDera sy laza\nAtolory Azy ;\nAvia hitsaoka Azy (in-3)\nIzay Tomponao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He, arahaba,\nTonga aty an-tany\nNy Tompo, Mpamonjy sy\nMpanjaka koa,\nTenin’ny Rainy\nVoatafy nofo,\nAvia hitsaoka Azy (in-3)\nIzay Tomponao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_67"},"ffpm_68":{"num":"68","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Re tokoa ny feon’anjely,\nIrak’Andriamanitra ;\nHe, ny teny mahafaly\nAvy ao an-danitra.\nEntiny ny teny tsara,\nHo ety an-tany izao ;\nVoninahitra aman-dera,\nTompo, no omena Anao !\n(in-3)\nVoninahitra aman-dera,\nTompo no omena Anao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Teraka any Betlehema\nIlay Mpanjaka manan-jo\nKa misatro-diadema,\nVoninahi-tsy ho lo,\nMisy ‘zao ety an-tany\nFihavanana tokoa,\nHafalian-tsy holany\nFitahia-mahasoa. (in-3)\nHafalian-tsy ho lany,\nFitahia-mahasoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Be ny lazanao, ry Tompo !\nTsara ny Anaranao,\nZovy re no tsy hanompo ?\nIza no handà Anao ?\nHasina sy arahaba\nNo aterina aminao ;\nFanjakana tsy ho rava,\nRy Mpanjaka ! no Anao (in-3)\nFanjakana tsy ho rava\nRy Mpanjaka ! no Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_68"},"ffpm_69":{"num":"69","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zaza masina sy soa,\nNefa ory Hianao,\nKa nanetry tena koa\nSy nandao ny lapanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Teraka ory sy nahantra,\nTrano tsy nandrianao,\nFa tsy nisy izay niantra,\nBe ny fahorianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fihinanam-bilon’omby\nNo natao fandrianao,\nFa ny trano be tsy omby,\nNisy olo-maro tao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Nofonosin-damban-jaza,\nTonga zazabodo re,\nNefa Tompo manan-daza\nSy Mpanjaka lehibe.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Efa halan’olo-maro,\nNefa kosa tiako ;\nDia avia, ry Mpamonjy !\nHonina ato amiko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_69"},"ffpm_70":{"num":"70","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iza moa io Zazakely\n:,: Ao Betlehema :,:\nAnkalazain’ny anjely\nMisasaka alim-be ?\nInjao ! Mihira avokoa\nRy mponina ao an-danitra,\nKa iza re io zaza soa ?\nMoa zanak’Andriamanitra\nIo no Mpanjaka voatendry,\nSady mahery no hendry\nZanak’Andriamanitsika,\nKoa hobio sy ifalio !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izy no Jeso Mpanjaka,\n:,: Ka mihobia ! :,:\nIzy mamory sy maka,\nAvia, mihobia !\nOmeo voninahitra,\nKa mitehafa tanana ;\nHobio ry tendrombohitra\nSy lohasaha mavana !\nIo no Mpanjaka ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izy no Tompo nahary,\n:,: Ka maneke ! :,:\nZanaky ny Zanahary,\nKa dia maneke !\nRy hazo ao an-ala ô !\nSamia re manandra-peo ;\nRy voninkazo tsara ô !\nAtero fofo-manitra !\nIo no Mpanjaka ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Efitra sy tany foana !\n:,: O ! mihirà ! :,:\nLemaka ary havoana !\nFalia, mihirà ;\nRy ranomasin-dehibe,\nRy voronkely tsara feo,\nIzao rehetra marobe,\nAvia mankalaza re !\nIo Mpanjaka ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_70"},"ffpm_71":{"num":"71","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mihainoa! Mihainoa!\nNy feon'anjely sambatra,\nMilaza fa vao teraka\nNy Zanak'Andriamanitra,\nMihainoa izao!","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mifalia! Mifalia!\nRy zanak'olombelona,\nFa tonga Ilay Mpanavotra\nAntsika izay nifatotra,\nMifalia izao!","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba omeo! Mba omeo!\nNy fonao fa angatahiny;\nNy tenany natolony\nAnao izay malalany;\nMba omeo izao!","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Matokia! Matokia!\nKa manaraha Azy izao;\nIlay Mpamonjy be fitia\nNanetry tena ho anao;\nMatokia izao!","type":"verse"}],"id":"ffpm_71"},"ffpm_72":{"num":"72","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Teraka Jesosy Tomponay,\nTaitra ny olona fahizay,\nNisy anjely nihira teo,\nMahafinaritra, tsara feo,\nSady milaza soa aminay,\nDia hihira anio izahay","type":"verse"},{"num":"Fiv :","lyrics":"Taona fahasambaranay,\nVolana fifalianay,\nAndro firavoravoana Anao,\nJesosy, Zanaka Masina ô!","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Teraka Jesosy be fitia,\nIndro kintana tonga teo,\nAvy hanoro ny Zaza soa:\nFaly ny Magy, fa Io tokoa,\nIo no Mpanjaka mandrakizay\nDia nanaja androtr'izay:\nTaona fahasambaranay, sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Teraka Jesosy Zaza soa,\nZaza Malalan'ny Ray tokoa;\nTonga hamonjy io Zaza io,\nTeraka ao Betlehema anio;\nEnto 'zahay, Fanahy, hankao.\nAndronay mahafaly izao:\nTaona fahasambaranay, sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Sambatra manana Anao ho Ray,\nFaly sy ravo tokoa izahay;\nJesosy Tompo nirahinao,\nTonga ho nofo ny Zanakao;\nTeraka ho Mpanavotra anay\nAvy hifaly eto 'zahay:\nTaona fahasambaranay, sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_72"},"ffpm_73":{"num":"73","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro Zazakely\nZanak'i Maria,\nTompon'ny anjely,\nNefa nankaty,\nIo no Zazalahy,\nZanaky ny Ray.\nTonga mba hitahy:\nIzy no anay.","type":"verse"},{"num":"Fiv :","lyrics":"Mihirà, ry tany,\nSy ny mponina eo.\nHafalian-tsy lany,\nManandrata feo!\nJeso no deraina,\nFa Mpanjaka soa;\nHe! Ny fanjakany\nLehibe tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zaza nantenaina\nFony ela be,\nSady Tompon'aina\nManan-kery be,\nMihirà, ry tany!\nEny, mifalia:\nHoy ny mpaminany,\nIzy no Mesia:\nMihirà, ry tany, sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso Zaza hendry,\nMasina sy to,\nTompo voatendry,\nMpanadio ny fo,\nAoka mba hijery\nZao tontolo izao,\nZaza manan-kery,\nIndro, mba hajao:\nMihirà, ry tany, sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_73"},"ffpm_74":{"num":"74","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tany Betlehema fahiny,\nTao an-tranon'omby re;\nNisy Zazakely soa,\nTampofoan-dreniny,\nJeso Kristy Zaza io,\nZanak'i Maria madio.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nahafoy ny Rainy Izy\nSy nandao ny lanitra,\nTsy nandà ny trano ratsy,\nNefa Andriamanitra:\nToe-pahantrana re\nAn'ny Tompo lehibe.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fony Izy mbola Zaza\nDia nanaiky sy nanoa,\nAry tia reny Izy,\nSy nanetry tena koa,\nZaza Kristiana e!\nManaraha Azy re!","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ka ho hitantsika Izy\nNoho ny fitiavany:\nFa 'Lay Zazakely tsara\nNo mba Tompon-danitra,\nKa isika zanany\nDia hankany aminy.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Nefa tsy mba tranon'omby.\nItoerany izao,\nFa nankao an-danitra Izy.\nSy mitafy laza ao;\nKa ho sambatra any koa\nTahaka Azy ny zaza soa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_74"},"ffpm_75":{"num":"75","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andro malaza sady soa tokoa\n'Lay andro 'zay nisehoan'i Jeso:\n'Zay nantenain'ny mpaminany koa\nMba hampiseho fihavanana,","type":"verse"},{"num":"Fiv :","lyrics":"Mifalia sy mihobia mafy,\nEfa tonga ny Mpanavotrao;\nAvia, ka miderà,\nDerao io Zaza io,\n;,: Hobio, hobio,\nFa Tompontsika io.:,;","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Anjely maro no nihoby tao;\nMpiandry ondry nitsaoko Azy koa.\nNy olon-kendry koa nanasina Azy,\nAndeha mba hankalaza Azy izao:\nMifalia, sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dera sy haja no atolotray\nAnao, ry Jeso 'zay teraka anie:\nKa mba mandraisa ny fanatitray\nHo zava-mani-pofona tokoa:\nMifalia, sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_75"},"ffpm_76":{"num":"76","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miderà anio, ry mino,\nNy Mpanavotra anareo !\nManandrata feo hidera\nAn’i Kristy, Tompo soa ;\nZanaky ny vehivavy,\nNefa Andriananahary ;\nTeraka ho olona,\nMba hanavotra anareo ;\nTeraka any Betlehema\n‘Lay Mpanavotra anareo !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Taitra ny mpiandry ondry,\nAry koa nivadi-po,\nTamin’ny anjely maro\nTonga tany aminy.\nFa isika tsy ho taitra,\nFa ho faly sy ho ravo ;\nSitraky ny Tompo soa\nNidina nankatý ;\nTeraka any Betlehema\nJeso Kristy ,Tompo soa !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza taitra, matokia,\nManatòna, mihainoa,\nMazotoa, ka avia,\nManeke ny Tompo soa,\nArahaba, Tomponay ô !\nTompom-pihavananay,\nTeraka ho Tomponay ;\nTompon’ny fiainanay ;\nArahaba, Tomponay !\nRy Mpanavo-dehibe !","type":"verse"}],"id":"ffpm_76"},"ffpm_77":{"num":"77","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tonga indray re ny Noely,\nAndro tsara sady soa ;\nJeso Tompon’ny anjely,\nNefa nietry tena koa.\nIndro tonga Zazakely,\nHo sakaizanay tokoa,\nSy hamory  ‘zay miely,\nHody amin-dRainy koa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, ny fonay ravoravo,\nRy Noely maminay,\nFa ny Zanaky ny Avo,\nNo nomeny ho anay,\nMba hanarina ny lavo,\nSady ho fiainanay ;\nFeno sy mitafotafo\n‘Zany hasambaranay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! ry androm-pamonjena,\nArahaba, hianao !\nOlo-maro sesehena\nNo mifaly aminao,\nAvy koa mba hitsena\n‘Lay Mpamonjy soa ’zahay,\nKa ny fonay no homena\nAn’i Kristy Havanay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_77"},"ffpm_78":{"num":"78","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Be ny voninahitrao,\nJeso Kristy Tompo !\nLanitra nonenanao,\nMaro no nanompo,\nBe ny mahasambatra,\nFaly re ny fonao ;\nNanam-boninahitra\nTao an-dapan-dRainao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa ny voninahitra\nEfa nialanao ;\nNy haren’ny lanitra\nTsy mba nojerenao,\nTeraka ho olona\nHianao nahery,\nKa avy mba hanavotra\nNy mpanota very.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eny, tonga Hianao\nHonina amin-tany,\nHahazoan ‘ny olonao\nSoa tsy ho lany.\nSarotra ny lalanao,\nBe ny zava-mafy,\nLoza no nanjo Anao,\nMaro no nandrafy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Saotra no aterinay,\nVavaka aman-dera,\nRavo ny fanahinay,\nKa avy mba hihira,\nVitanao ny asanao\nNamonjenao aina,\nKa indro ny Anaranao\nVelona ao an-tsaina !","type":"verse"}],"id":"ffpm_78"},"ffpm_79":{"num":"79","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":1,"lyrics":"Sambasamba, Zanahary\nTamy ny nampidinanao\nNy Zanakao, malalanao,\nMba hisolo ny helokay.\n:,: Tamy ny nampidinanao\nNy Zanakao malalanao,\nMba hisolo ny helokay :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_79"},"ffpm_80":{"num":"80","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, ny hoby ao an-danitra,\nFa Mpamonjy re no teraka,\nIo no Zanak’Andriamanitra,\n‘Lay Tanteraka.\nMifalia, mihobia,\nFa tonga ho anao ny Tompo\ntia\nKa mba hirao sy lazao\nNy famonjena azonao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zava-mahagaga fatratra\nNy fitiavan’Andriamanitra,\nNy mpanota tafasaraka\nTonga sambatra !\nMifalia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! ry tany izay asandratra,\nKa vangian’ny Tompon-\ndanitra,\nInona ary no atolotra\nNy Mpanavotra ?\nMifalia, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_80"},"ffpm_81":{"num":"81","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tao an-tsahan’i Betlehema,\n‘Reo mpiandry ny ondry re,\nNo vangian’ny Serafima\nSy anjely maro be.\nVoninahitra ho an’\nAndriamanitra,\nHo an’Andriamanitra !\nVoninahitra ho an’\nAndriamanitra ,\nAmin’ny avo !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"‘Njany ny hiran’ny anjely,\n‘Zay niredona tokoa\nIndro tonga Imanoely\nZaza masina sy soa.\nVoninahitra, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nofo notafin’ny Teny,\nLanitra nilaozany ;\n‘Ndao isika izao hankany,\nBe tokoa ny lazany.\nVoninahitra, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Voninahitra ao ambony\nHo an’Andriamanitra,\nKa ny hira no redony\nSolon-java-manitra.\nVoninahitra, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_81"},"ffpm_82":{"num":"82","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, Zaza mahasambatra\nNo omena ho antsika !\nVirjina no niteraka\nIlay Andriantsika\nIzay Zanak’Andriamanitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nandao ny voninahitra\nHanavotra ny very ;\nKa saotra no aterinay,\nRy Jeso Kristy Tomponay,\nMpamonjy manan-kery !","type":"verse"}],"id":"ffpm_82"},"ffpm_83":{"num":"83","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ô ! Hianao no\nmahavonjy\nIzay rehetra hiankina aminao ;\nTonga tatý hitady sy hamonjy\nIzay mpanota very Hianao.\nHe ! ry mpanota very atý !\nÔ ! mankanesa ho any aminy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na dia Zana-Janahary aza,\nNa dia Tompo aza Hianao,\nTsy mba nitandro hery\naman-daza,\nTonga olona ory Hianao\nHe ! ry mpanota ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tamin’ny dianao nanaovan-\ntsoa,\nTsy nahalala sasatra Hianao ;\nFa Hianao tsy nanana tokoa\n‘Zay nametrahanao ny lohanao\nHe ! ry mpanota ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia nolatsaina sy nalam-\nbaraka\nSy novonoin’olon-dozabe,\nKa dia maty Hianao Mpanjaka\nHo fanavotana olo-maro-be\nHe ! ry mpanota ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fasanao nambenan’ny\nmahery,\nNefa tsy ela tao ny\nTomponay,\nVelona indray hamonjy\nolom-bery,\nVelon-kanao fifonan-ko anay.\nHe ! ry mpanota ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_83"},"ffpm_84":{"num":"84","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"He ! be ny hasoavana,\nFa tonga ny fotoana,\nKa Kristy Tompo teraka\nHamonjy sy hanavotra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fahotan’ny olona\nDia lova tamin-drazana :\nIsika trany avokoa,\nKa very re ny aina soa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Inty ny zaza masina e,\nIzay neken’ny Rainy hoe :\n“Ny Zanako Malalako,\n‘Zay mamiko sy sitrakao”","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny dera eran-danitra\nOmeo an’Andriamanitra\n‘Zay nahafoy ny Zanany\nHanavotra ny olony.","type":"verse"}],"id":"ffpm_84"},"ffpm_85":{"num":"85","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Avelao isika\nIzay te ho tia\nNy Mpanavotra antsika\nHanaraka Azy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aoka ho fantatsika\nNy fitiavany\nSy ny anton’ny asany\nHiderantsika azy.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Be ny fiantrany,\nNijery ny ory,\nTratran-dRainy nialany\nHo teraka olona.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Be ny fiantrany,\nNijaly ka maty\nHamonjeny ny mpanota,\nKa Izy hisaorana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_85"},"ffpm_86":{"num":"86","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jereo ny Mpamonjy\nIzay miakatra\nHo ao Jerosalema\nHanao ny avotra ;\nNa dia be ny ratsy\nMikendry Azy ao,\nNy mba hamonjy azy\nNo tiany hatao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy biby manan-daza\nNo nitaingenany\nTsy ny hitady laza\nNo nihaviany,\nKanefa manan-kery\nHandresy ho anao.\nNy ratrany irery\nNo aina ho anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ilay voasatro-tsilo\nNoho ny helokao\nDia mety sy maniry\nMba ho Mpanjakanao\nNy rany sarobidy\nOmeny ho anao;\nNy lanitra nihidy\nMisokatra aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ampio mba ho haiko\nHatolotra Anao,\nJesosy ô ny aiko\nHo voninahitrao ;\nVelariko ny foko\nEo anoloanao,\nTsy misy tsy ho foiko\nMba hodiovinao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Hosana ! ry Mpamonjy,\nHiraiko ho Anao\nFa mamin’ny tra-bonjy\nNy fiderana Anao.\nHosana, Tompo tsara !\nSoava dia izao !\nHandresy ny devoly\nNo anton-dianao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_86"},"ffpm_87":{"num":"87","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nitomany ny Mpamonjy\nFa tsy nety ho tra-bonjy\nIsraely olony.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izy dia nanambara\nTaminy ny teny tsara\nFeno fitiavana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka ny jamba, kilemaina\nMoana sy very saina,\nDia nositraniny.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He ! ny soa efa vita\nNefa nody tsy nahita\nNy ankamaroany.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ary lotika ny fony,\nKoa halany ‘lay ony\nFeno rano velona.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry Mpamonjiko malala !\nAoka aho hahalala\nNy fitomanianao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ary hahalala koa\nFa ny soa mahavoa\nRaha tsy ho raisina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_87"},"ffpm_88":{"num":"88","type":"ffpm","title":"","version":["ffpm_88","ffpm_88_v2"],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"‘Lay ora tao Getsemane\nTsaroako tsara izao,\nFa Tompo tia sy lehibe\nNo ory loatra tao :\nTsaroako ‘zao Getsemane,\n‘Zay niaretanao,\nTsy haiko hadinoina re\n‘Lay fahoriana tao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny mpianatrao malalanao\nNatory avokoa ;\nNafoin’izao rehetra izao\nJesosy Tompo soa.\nTsaroako ‘zao ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nanjary ra ny dinitrao\nNoho ny helokay ;\nFadiranovana Hianao\nNisolo voina anay.\nTsaroako ‘zao ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Soraty ao am-poko re,\nHo sary velona ao,\nNy sarin’i Getsemane\n‘Zay niaretanao.\nTsaroako ‘zao ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_88"},"ffpm_88_v2":{"num":"88","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ilay ora tao Getsemane\nTsy mba hadino re,\nRaha Hianao no tsembo-dra,\nRy Tompon’avotra\n:,: Tsahiviko :,:\nNy fahorianao,\nRaha tsinjoko ny ady be,\nIlay tao Getsemane.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nafoin-dRay irery tao,\nNilaozan-kavanao\nHandraisana anay indray\nHo zanaky ny Ray.\n:,: Tsahiviko ..sns :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nandroso mba hijaly tao,\nRy Tompo, Hianao ;\nFadiranovana sy may\nHanavotra anay.\n:,: Tsahiviko ..sns :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa vinitra Jehovah Ray\nNoho ny ditranay ;\nNinianay nolavina\nNy didy masina.\n:,: Tsahiviko ..sns :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ka Hianao nasiana\nHo solo-voina ;\nNy dinitrao, ry Tomponay,\nDia valin’otanay.\n:,: Tsahiviko ..sns :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Fa sitrakao ho afaka\nNy olo-meloka;\nEndrey ny fitiavanao\nAnay navotanao !\n:,: Tsahiviko ..sns :,:","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Raha mila hangatsia-po\nIzaho, Tompo ô,\nMba ampisaino aho re\nNy tao Getsemane !\n:,: Tsahiviko ..sns :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_88_v2"},"ffpm_89":{"num":"89","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, mijaly ny Mpamonjy\nAo Getsemane izao !\nO, ry te-ho voavonjy,\nManaraha Azy ao ;\nIndro ny Mpanavotrao,\nFa mitady ho anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ory ao ny Tompon’aina\nMafy re ny adiny\nKa misento mitaraina,\nToy ny ra ny dininy.\nRy mpanota mijere,\nMihevera ka hendre !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indro tonga ny anjely,\nMba hampahatanjaka\nAn’i Jeso, Izay nijaly\nAmim-panaintainana.\nRy Mpamonjy tia ô !\nMamindrà fo amiko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_89"},"ffpm_90":{"num":"90","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy haiko ny milaza re,\n‘Lay fahorianao\nIrery tao Getsemane\nRy Tompo masina ô !\nTarihonao ny saiko e\nHo ao Getsemane.\nHahita ny fitiavanao\nIzao tontolo ‘zao.\nFitiavana ahy re,\nRy Tompo masina ô !\nNo niaretanao\nIzao mangidy ‘zao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nangorohoro mafy re,\nNy fonao, Jeso tia !\nNy tsembokao’zay nitete,\nNanjary toy ny ra !\nEndrey, ny fahorianao\nNangotraka tokoa !\nTsy maintsy nosotroinao\nIlay kapoaka tao !\nFitiavana ahy ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ho ahy re, ho ahy re,\nNo niaretanao\nIrery tao Getsemane\nJeso malala ô !\nSintoninao ny foko ê\nHo ao Getsemane.\nHahita izay niaretanao.\nHo tena tia Anao !\nFitiavana ahy ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_90"},"ffpm_91":{"num":"91","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"O, fitiavan-dalina,\nNasehonao ilay alina\nIzay namadihana Anao,\nRy Jeso, fototr’aim-baovao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mangoraka erý ny fo,\nSy ory ny fanahiko ,\nRaha mba tsaroako izao\nNy loza izay nanjo Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fadiranovana Hianao,\nNangotraka ny adinao;\nNy dinitrao nanjary ra\nNoho ny fahoriana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izany niaretanao\nNoho ny fitiavanao,\nKa nentinao ny heloko,\nIzay tokony ho nentiko.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Namita fanekem-baovao\nHo famonjena Hianao ,\nNasianao kase izay\nMaharitra mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Misaotra Anao ry Tompo ô !\nFa ravo ny fanahiko\nHandray ny fanomezanao\nEo amin’ny latabatrao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ny teninao inoako,\nKa raisiko ho ao am-po ;\nNy zava tsoa atolotrao\nDia ranao sy ny tenanao.","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Ry Jeso, amboaronao\nNy fonay ho fonenanao,\nKa Hianao ho tianay\nIzao sy ho mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_91"},"ffpm_92":{"num":"92","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry voasatro-tsilo,\nRy voakapoka !\nIndrisy be ny loza\nManafotra Anao !\nNitsaohan’ny anjely\nFahiny Hianao.\nFa henatra sy latsa\nAnjaranao izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Atolotro, ry Jeso,\nNy foko ho Anao,\nHiaraka hitondra\nNy fahorianao.\nRaha henatra sy loza\nNo ho anjarako,\nDia Hianao Mpamonjy,\nNo ifaliako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsarovy aho, Tompo,\nRaha tratry ny manjo !\nTsy mendrika aho, nefa\nMba amindraonao fo !\nNy ratranao no misy\nFanasitranana.\nNy ranao ahitana\nNy fiadanana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_92"},"ffpm_93":{"num":"93","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nampalahelo mafy re\nNy fahorian-dehibe\n‘Zay niaretanao.\nNalaim-baraka Hianao,\nNiaritra ka tsy nandao\n‘Lay asa masinao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny henatra aman-tahotra\nMangeja anay voavotra,\nFa diso izahay.\nAvia, Tompo , mamonje\nMeteza izao ka maneke\nHanavotra indray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ampio ny olonao, Jeso\nHahay handray Anao am-po\nFa mila vonjy izao.\nMonena hanatanjaka\nNy ory sy ny reraka,\nIzay manantena Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_93"},"ffpm_94":{"num":"94","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Gologota no jereo,\nAo ny hazo fijaliana;\nIndro re, mihantona eo\nJeso, sady harabiana.\nMoa mba fantatrao, ry fo,\nNy fitiavan’i Jesosy,\n‘Zay nandefitra tokoa,\nAry koa ninia ho resy ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Famonjena ho anao\nNo netezany hihafy,\nKa hijaly toa izao\nSy hiharitra ny mafy.\nHe, ny rany nitete\nVokatry ny fanomboana;\nVetivety foana re\nDia ho faty ao ny Tompo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mitsangana, miaingà,\nNdeha mankany Gologota ;\nAo no latsaka ny ra\nHamonjena ny mpanota ;\nIo no hany mahadio,\nAntoka tsy hay ravàna\nEny, samy afak’io\n‘Zay rehetra fahotàna !","type":"verse"}],"id":"ffpm_94"},"ffpm_95":{"num":"95","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny hazo nijalianao,\nRy Jeso Tomponay !\nManeho ny fitianao.\nDia iankinanay, (in-3) | *\nManeho ny fitiavanao.  |","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mitazana ny masonay,\nMangoraka ny fo ;\nNa meloka aza izahay.\nNy teninao ho to. (in-3) | *\nNa meloka aza izahay.     |","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny avotr’aina vitanao\nNo itokianay ;\nNy entanay voaesotrao.\nKa afaka izahay. (in-3) | *\nNy entanay voaesotrao. |","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny hazo nihomboanao\nDia voninahitray;\nNy nanalam-baraka Anao\nNo isandratanay ! (in-3)   | *\nNy nanalam-baraka Anao. |\n\n*) Ho an’ny feony (1) ihany","type":"verse"}],"id":"ffpm_95"},"ffpm_96":{"num":"96","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ilay havoana\nNatao hoe Kalvary,\nNo tany namonoana,\nNy Tompo Jesosy;\nO ! tsarovy re !\nMaty ory tao\nJeso Tompo lehibe\nHanavotra anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jereo ny Tomponao,\nTazanonao irý,\nKa andrandrao ny masonao,\nFa io no Kalvary !\nO ! tsarovy re ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hevero Kalvary,\nFa tao ny Tomponao ;\nTsarovinao ny nentiny\nMba hamonjena anao!\nO ! tsarovy re ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsinjovy Kalvary,\nFa Jeso Tomponao,\nNijaly tany raha tetý,\nKa maty Izy tao !\nO ! tsarovy re ! ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_96"},"ffpm_97":{"num":"97","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"‘Lay fonao tia tao Gologota\nNo velona ao an-tsaiko izao.\nNy fonao ‘zay mitady\nmpanota,\nNo voaratra indrindra tao.\nRy fo malala, nihafy loatra,\nLavitra ny mpangoraka Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro ny lefona koa mamely\nKa notrobarana Hianao!\nHe ! malahelo ireo anjely,\nFa naharary re ny fonao !\nIo no fitia tsy misy toa azy,\nZaran’izao rehetra izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Efa hisoka ny antoandro,\nMenatra izao tontolo izao ;\nTsy ela intsony dia maizina\nandro\nKalvary ‘zay nihantonanao !\nFa izaho tsy mba hangataka\nandro\nHampiantrano ny tenanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy sasatra na valaka koa,\nNy fonao tia, ry Tompo ô ;\nMenatra izao ity foko tsy soa.\nTsy hahavaly tokoa Anao ;\nNefa ampio aho hanaiky,\nHanatontosa ‘zay sitrakao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_97"},"ffpm_98":{"num":"98","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro ny Tompo Jesosy,\njereo,\nTena nihafy tokoa !\nHe ! fa nivesatra eso, jereo,\nMba hamonjena anao !\nIndro Jeso, jereo Jeso.\nIzy izao dia mihevitra anao,\nIndro Jeso, jereo !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro ny Tompo Jesosy,\njereo,\nEfa voahombo tokoa !\nHe ! fa nijaly tsy meloka teo,\nMba hamonjena anao !\nIndro Jeso, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indry ny lefo-mandoza\njereo,\nNenti-namely ny Tompo !\nHe ! fa ny rany nirotsaka teo,\nMba hamonjena anao !\nIndro Jeso, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_98"},"ffpm_99":{"num":"99","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry fitiavan’i Jesosy !\n‘Zay voahombo ho anay,\nOny be sy mahavonjy,\nAoka ho lasanao ‘zahay !\nTompo, Zanakondry tsara,\nAmpy re ilay ranao,\nTsy helohin’ny Mpitsara\n‘Zay mpanota afakao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa misento ny fanahy,\n‘Zay etý an-tany ‘zao ;\nMalahelo sy manahy,\nSao ho voan’izay natao.\nTompo, Zanakondry ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny mpanota dia ho very,\nRaha tsy mba miova izao.\nFa hahazo tena hery,\nRaha mino tsara Anao !\nTompo, Zanakondry ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Enga anie ka mba hiely\nHo an’izao tontolo izao\nIlehy Ony mahafaly,\nManadio sy manavao !\nTompo, Zanakondry ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_99"},"ffpm_100":{"num":"100","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Moa mba efa misy va\nFahoriana toy izao !\nJeso ‘Lay Mpanisy soa,\nTompo sy Mpanjaka koa\nEntina tsy meloka,\nEntina any Kalvary ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, ny lanivoany\nVoatsindron-defona !\nTongotra aman-tanany\nVoafantsika avokoa,\nEny, fa ny ainy koa,\nFoiny tany Kalvary.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mafy ‘zay ry Jeso ô !\nMafy nefa zakanao,\nNy fitiavanao anay !\nNo niaretanao izay\nMenatra aho, Jeso ô\nRaha hadino Kalvary.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Taomy aho Jeso ô !\nMba ho any Kalvary,\nKa ny foko tsy madio\nMba diovinao anio !\nEnto aho, Jeso ô !\nEnto any Kalvary.","type":"verse"}],"id":"ffpm_100"},"ffpm_101":{"num":"101","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny hazo fijaliana,\nRy Jeso Tomponay,\nDia tena fitoriana\nFa tianao ’zahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny hazo fijaliana\nDia manambara izao\nFa be ny fahoriana\nNihatra taminao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny hazo fijaliana\nNo mampiseho koa\nFa tokony hariana\nNy ota mahavoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Isaoranay dia isaoranay\nHianao, ry Tomponay,\nFa be ny fitiavana\nNataonao taminay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_101"},"ffpm_102":{"num":"102","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Reharehako ny hazo\nNijalian’i Kristy ;\nManda fiarovana avo\nIalofako atý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Azon-doza maro aho\nTery koa ny làlana ;\nTsy ilaozan’i Jesosy\nMpanome fiadanana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha lany re ny andro\nMampiadana indray,\nTsy hadinoko ny hazo\nNentin’ny Mpamonjinay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny anjara atý an-tany\nTsy mba mahavesatra\nNoho ny hazo fijalianao\nHazo mahasambatra.\nAmen !","type":"verse"}],"id":"ffpm_102"},"ffpm_103":{"num":"103","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny hazo-fijaliana\nTsy maintsy hotsarovana ;\nHenoy, ry fanahiko,\nNy tenin’ny Mpamonjinao !\n\nVakiteny 1","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny teny voalohany\nMihevitra ny rafiny :\n« Mba mamelà ny helony,\nFa jamba ny fanahiny ! »","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho koa Jeso ô !\nDia jamba sady ratsy fo ;\nKa mba jereo sy iantrao,\nFa te ho tonga olonao.\n\nVakiteny 2","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ilay meloka tanilany\nNaniry mba ho raisiny,\nNomeny toky tsara io :\n« Ho any Paradisa anio ! »","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raha avy ny anjarako,\nKa tapitra ny androko,\nMba raiso aho Tompo ô,\nHo any Paradisanao !\n\nVakiteny 3","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Dia hitany ny reniny\nTomany teo akaikiny,\nToy ny tsindronin-defona\nKa feno fisentoana.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Dia Jaona no natolony\nHo zanany ho solony :\n« Mba raisonao, ry Jaona ô\nHo reninao ny reniko ! »","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Tsarovy aho, Tompo ô !\nRaha ao am-pahoriako,\nIraho ny mpianatrao\nHanampy ny mpanomponao !\n\nVakiteny 4","type":"verse"},{"num":"9","lyrics":"Ny teniny fahefatra\nNo tena mampangovitra ;\nNiantso Izy, hoe : « Ry Ray,\nNahoana Aho no afoy ? »","type":"verse"},{"num":"10","lyrics":"Izao no dia nandaozana\nAnao tam-pahoriana ;\nHahafaka ny tahotro,\nRaha tonga ny fotoako.\n\nVakiteny 5","type":"verse"},{"num":"11","lyrics":"Ny otako izay nentiny\nNahory ny fanahiny,\nKa nitarainany hoe :\n« Mangetaheta Aho re ! »","type":"verse"},{"num":"12","lyrics":"Mangidy, ry Jesosy ô,\nNy loza niaretanao,\nKa aoka mba ho mamiko\nNy avotra, izay vitanao !\n\nVakiteny 6","type":"verse"},{"num":"13","lyrics":"Hoy  Izy indray :\n« Tanteraka ! »\nHe ! teny mahasambatra.\nTanteraka ny asany,\nVoavotra ny olony.\n\nVakiteny 7","type":"verse"},{"num":"14","lyrics":"Ny teny farany indray\nNilaza ny rahatrizay :\n« Atolotro ny aiko izao,\nRy Ray, ho eo an-tànanao ! »","type":"verse"},{"num":"15","lyrics":"Izany dia mamiko\nHiorina ao anatiko,\nKa teny hotononiko\nEo amim-pahafatesako !","type":"verse"}],"id":"ffpm_103"},"ffpm_104":{"num":"104","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Raha mijery ny hazo\nNijalian’i Jesosy,\nTsy misy izay malaza\nNa izay mirehareha.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza miavonavona,\nFa indro ny Mpanavotra ;\nNy dian’i Jesosy Kristy\nNo arahina isan-andro.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indro ! ny rany mandeha,\nVoahombo ny tànany,\nNijaly, ka dia maty\nNisolo olo-meloka.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha ahy ‘zao tany izao\nSy ny aminy rehetra,\nTsy ho azoko havaly\nNy fitiavan’i Jeso.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny foko omeko Azy,\nFanahiko hatolotro ;\nTsy mba mendrika Azy ‘zany\nFa Jeso no mety mandray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_104"},"ffpm_105":{"num":"105","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsinjovy   ilay havoana\nArý Jerosalema,\nFa io Golgota !\nMba tadidio ange !\nFa tao, nivesatra ny ota\nNy Tompo Masina\nNijaly sy nolavina\nKa novonoina !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy takatra heverina\nNy entan-dehibe,\nIzay nentin’ny Mpisolo\nKa mba diniho re !\nFa nentiny daholo\nNy heloka natao\nFa tonga Izy hanavao\nIzao tontolo izao","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny helotsika koa izao\nDia nivesarany,\nKa manaraha Azy,\nMba ho mpianany !\nRaha tao Golgota Izy,\nNy rany nitete,\nKa vita ho antsika re\nNy vonjy lehibe !\nNy Ho resy sy ho faty.","type":"verse"}],"id":"ffpm_105"},"ffpm_106":{"num":"106","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro, ny Fitiavana nijaly\nTeo amin’ny hazo-fijaliana ;\nAry ny ratsy nivonona hifaly,\nHandresy ny Zanaka-lahy\nTokana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro, ny Fitiavana mahery,\nNitondra ny heloky ny olony ;\nIzy niady hanafaka ny very,\nNy ainy no avotra ka natolony.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izy nijaly mafy tao Golgota,\nVoahombo ny tongotra\naman-tanany ;\nIzy nisolo antsika izay\nmpanota\nKa fadiranovana ny fanahiny.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O, ry Mpamonjy, mba hazony\naho\nHijery ny hazo-fijaliana !\nOlona meloka aho ka afaho,\nHialoka amin’ny fitiavanao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_106"},"ffpm_107":{"num":"107","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Maniry mafy aho ry Jeso\nTompo ô,\nHialoka eo ambany hazo-\nfijalianao ;\nTsy misy toeran-kafa re izay\ntena mamiko,\nNy hazo-fijalianao no\nfiarovako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny hazo-fijalianao no\nitazanako\nNy tenanao Izay nijaly mba\nho avotro ;\nKa dia kotsan-dranomasom-\npitiavana\nNy tavako, ry Tompo ô, fa\nafa-keloka !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Am-pototry ny hazo izay\nnijalianao\nNo itoerako hohazavain’ny\ntavanao ;\nAtaoko fatiantoka ny zava-\nmora lo,\nNy hazo-fijalianao no\ntombon-dahiko !","type":"verse"}],"id":"ffpm_107"},"ffpm_108":{"num":"108","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny hazo-fijalianao,\nRy Jeso Tompo maminay,\nDia an’izao tontolo izao\nKa famonjena ho anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mivelatra eo ka hitanay\nIzany fitiavana ;\nKa ampianaro izahay\nHo be fitia toa   Anao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He ! latsaka eo ho avotray\nNy ranao masina sy soa ;\nKa mba sasao re izahay\nHo olonao madio tokoa !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Voatolotra eo mba ho anay\nNy famonjena vitanao ;\nKa mba tariho izahay\nHandray ny fahasoavanao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mamiratra eo ka tazanay\nNy lanitra fonenanao ;\nKa mba tantano izahay\nHo mendrika ho mponina ao !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ndrey, tena mahafinaritra\nNy miara-monina   aminao ;\nKa ampio izahay hiaritra\nNy hazo-fijalianao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_108"},"ffpm_109":{"num":"109","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nahafoy ny aiko Aho,\nHanavotako anao,\nKa nalatsako ny rako,\nNisoloako anao ;\nHe ! ny aiko no nomeko,\nRy mpanota very e !\nAiza   izay afoinao re,\nMba ho Ahy Tomponao ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lapan-dRaiko ao ambony,\nVoninahi-dehibe,\nNo nilaozako hamonjy\nSy hanafa-doza anao,\n‘Zay voafitak’i Satana\nSy nozoin-doza be !\nAiza   izay afoinao re,\nMba ho Ahy Tomponao ?","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Soa be sy mahagaga\nNo atolotro anao ;\nFamonjena tsy vidina,\nFamelana otanao.\nFitiavan-tsy voafetra\nLova ao an-danitra ao !\nAiza   izay afoinao re,\nMba ho Ahy Tomponao ?","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Indro, Tompo ! fa omeko\nHo Anao ny tenako,\nKa tsy misy ‘zay tsy foiko\n‘Zay rehetra tianao !\nEso, latsa, tsy ahoako\nFa ny ho mpanomponao\nNo ho zavatra kendreko,\nRaiso re ny zanakao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_109"},"ffpm_110":{"num":"110","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nomeko ho anao\nNy rako masina,\nHanavotra anao,\nIzay tsy marina !\n:,: Ka dia mba inona izao\nNo Ahy taminao ? :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nafoiko ho anao\nNy zava-tsoa be,\nMba hanatonanao\nNy Raiko lehibe !\n:,: Ka dia mba inona ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho Tomponao\nNijaly mafy re,\nHanafaka anao,\nMpanota lehibe !\n:,: Ka dia mba inona ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny vonjy lehibe\nNataoko ho anao,\nNy rako nitete\nHandio ny otanao !\n:,: Ka dia mba inona ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jesosy Tompo ô !\nIzao no teniko :\nAtolotro Anao\nNy aiko sy ny fo !\n:,: Izany no isaorako\nAnao Mpamonjiko ! :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ny foko raisonao,\nOneno hatretý,\nAtaovy lapanao\nNa eto na arý !\n:,: Dia tano aho, Tompo ô,\nMba ho fanananao ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_110"},"ffpm_111":{"num":"111","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Indro ny Mpamonjy,\nMpanavotra antsika,\nIzy no manontany hoe :\n“ Tianao va Aho ? ”","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izaho no Mpamonjy\nSy mpisolo anao ;\nNy rako manontany hoe :\n“ Tianao va Aho ? ”","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fitiavako\nTsy mety miova\nKa mba manontany hoe :\n“ Tianao va Aho ? ”","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso Tompoko !\nMalahelo ‘zahay,\nNy fitiavanay Anao\nMbola tsy toy inona.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Aelezo ao am-po\nNy fitiavanao,\nHahazoanay hamaly :\n“ Tianay Hianao ”","type":"verse"}],"id":"ffpm_111"},"ffpm_112":{"num":"112","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy dia ny hahazo soa\nArý an-danitra\nNo itiavako Anao,\nRy Andriamanitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy noho ny atahorako\nNy fijaliana,\nFa noho ny fitiavanao,\nNo itiavako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Voahombo, voalefona,\nVoalatsa Hianao ;\nNahinjitra ny tànanao\nTambony hazo teo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izaho no niaretanao\nNy fijaliana ;\nNy ranao nanavotana ahy\nIzay fahavalonao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ka moa tsy fitiavana\nHavaliko Anao ?\nNy foko no atolotro\nAnao, ry Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry Jeso Kristy masina  ô !\nDeraiko Hianao,\nFa Hianao Mpanjakako\nSy Andriamanitro !","type":"verse"}],"id":"ffpm_112"},"ffpm_113":{"num":"113","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso, Zanahary !\nMasina sy to,\nNanome ny ainao\nNoho ny olonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy niaro loza\nTamin-tenanao,\nFa mba tonga ory\nNoho ny olonao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nentinao ny ratsy,\nSoa nolavinao,\nLapa nialanao,\nNoho ny olonao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso Tomponay ô !\nTompo masina,\nManomezà soa\nNy mpanomponao !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mamelà ny ota,\nManovà ny fo,\nDiovy ny maloto ;\nAoka ho olonao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Tompo ô, Tsitoha\nVatolampinay !\nSaotra aman-dera\nRaiso ho Anao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_113"},"ffpm_114":{"num":"114","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso no niala aina\nHanavotany anao,\n:,: Iza re no tsy hanaiky\nAzy izao ? :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa ny lapany ambony\nNialany fahizay,\n:,: Hamonjeny olom-bery,\nVery tokoa :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa izay manatona  Azy,\nKa mibebaka ao am-po\n:,: Tsy hariany akory,\nKa matokia ! :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba avia, ry havanay ô !\nManeke ny Tomponao,\n:,: Maneke ny Tompon’aina\nHo Tomponao ! :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Iantrao, ry Tomponay ô !\nNy mialoka aminao,\n:,: Raisonao ‘zahay mpanota\nHo olonao ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_114"},"ffpm_115":{"num":"115","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Tompo lehibe,\nIraky ny Rainy,\nNolatsain’ny maro be,\nTsy mba nohajainy !\nJeso tia, Jeso tia,\nMaty voahombo ;\nMaty tany Kalvary,\nMaty re ny Tompo !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ory loatra fahizay,\nZanak’ondry mora,\nMaty mba ho solonay,\nSady voakora !\nJeso tia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nalahelo, be nanjo,\nNefa tsy nanota,\nFa nijaly sitrapo\nTany Gologota !\nJeso tia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso no Mpamonjy tia,\nNahafoy ny ainy,\nMba hamory ‘zay mania,\nHody amin-dRainy !\nJeso tia, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_115"},"ffpm_116":{"num":"116","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miaingà, ry fo sy saina,\nMba ho any Golgota,\nMaty tao ny Tompon’aina,\nVita tao ny avotra.\nRy mahantra, ry mania,\nSady raiki-tahotra,\nNy Mpamonjy be fitia\nHahitanao avotra !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa ny ainao ry Mpamonjy,\nNisoloanao anay\nHahazoanay ny vonjy\nSy hahafa-trosa anay !\nVatofantsiky ny aiko,\nHianao, Mpamonjy ô !\nRavoravo izao ny saiko\nAfakao ny heloko !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny manjo atý an-tany,\nTsy mba hatahorako,\nFa izaho dia ho any\nAmin’ny Mpanavotro,\nTombon-dahiko tokoa\nNy fahafatesana,\nHahatrarako ny soa,\nDia ny fiainana !","type":"verse"}],"id":"ffpm_116"},
"ffpm_117":{"num":"117","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[
   {"num":0,"lyrics":"(Hiraina in-3 no fanao ity)","type":"other"},
   {"num":1,"lyrics":"O, ry Zanakondry,\nHe ! Hianao nijaly ;\nOry, voahombo,\nAnefa tsy namaly ;\nNy helokay nalainao,\nKa maty re ny ainao.\nMba iantrao izahay, ry Jeso !","type":"verse"},
   {"num":2,"lyrics":"O, ry Zanakondry,\nHe ! Hianao nijaly ;\nOry, voahombo,\nAnefa tsy namaly ;\nNy helokay nalainao,\nKa maty re ny ainao.\nMba iantrao izahay, ry Jeso !","type":"verse"},
   {"num":3,"lyrics":"O, ry Zanakondry,\nHe ! Hianao nijaly ;\nOry, voahombo,\nAnefa tsy namaly ;\nNy helokay nalainao,\nKa maty re ny ainao.\nAmpiadanonao izahay re !","type":"verse"},
   {"num":1, "lang":"fr", "lyrics":"Agneau de Dieu\nTu as souffert pour nous\nTu as été crucifié\nPourtant, tu n’as pas répliqué\nTu as ôté nos péchés\nPar ta mort sur la croix !\nAie pitié de nous, Seigneur !","type":"verse"},
   {"num":2, "lang":"fr", "lyrics":"Agneau de Dieu\nTu as souffert pour nous\nTu as été crucifié\nPourtant, tu n’as pas répliqué\nTu as ôté nos péchés\nPar ta mort sur la croix !\nAie pitié de nous, Seigneur !","type":"verse"},
   {"num":3, "lang":"fr", "lyrics":"Agneau de Dieu\nTu as souffert pour nous\nTu as été crucifié\nPourtant, tu n’as pas répliqué\nTu as ôté nos péchés\nPar ta mort sur la croix !\nDonne nous la paix, Seigneur !","type":"verse"}
],"id":"ffpm_117"},
"ffpm_118":{"num":"118","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba jereo ny Zanakondry\nVoahombo sady ory,\nNefa Tompo masina.\nHe ! ny Rainay tsy namaly,\nRaha ny Zanany nijaly\nTamim-panaintainana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! ny Marina nijaly !\nMba hahaizako mifaly,\nIzay no niaretany.\nO ! ry foko, mangovita,\nManatòna mba hahita\nNy fahafatesany !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eny, ry Mpamonjy tsara\nMba meteza hanambara\nNy harem-pitiavanao ;\nDia hafanao ny foko.\nMba hahaizako hanompo\nSy hanaraka Anao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aoka aho hitomany,\nRaha mihevitra izany\nFahoriana nentinao.\nAzoko ny famonjena ;\nO ! ry foko, manenena\nNoho ny ratsy vitanao !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tompo, manampia ahy,\nMba harisika am-panahy,\nHanompoako Anao\nRaha mbola atý an-tany\nAza afoy fa mba tohany\nTsy hisaraka aminao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_118"},"ffpm_119":{"num":"119","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hianao, ry Tompon’aiko,\nMaty noho ny otako,\nTsy mba takatry ny saiko\nIzany fijalianao\nNefa sitrakao nijaly\nHahazoako mifaly ;\nRy Jesosy, Hianao\nNo isaorako izao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Safotry ny fandatsana\nHianao, Mpanavotra\nHandovako fanjakana\nFeno voninahitra.\nVoaratra, voaeso,\nAry voasatro-tsilo\nNoho ny hadisoako,\nKoa dia isaorako !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tianao izahay mpanota,\nHelokay no nentinao ;\nResinao ny tambin’ota\nIzahay nafahanao ;\nVoaloanao ny trosa.\nIzahay mpanota kosa,\nTonga olom-potsinao,\nKa derainay Hianao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_119"},"ffpm_120":{"num":"120","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry mino ô, avia re !\nHiara-mankalaza\nIlay Mpanjaka lehibe,\nFa tena mahagaga\nSy sarobidy anie\nNy fahasoavan-dehibe\nNomeny ho antsika.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy asa soa vitako\nNo tokiko anefa,\nFa ny Andriamanitro\nNo tsy nisalasala\nHanafaka ny otako,\nNomeny mba ho avotro\nNy Zanany malala !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy faly eram-po\nHamonjy ahy very,\nKa azoko ny indrafo.\nIzay vitan’Izy irery\nIzaho tena afa-po.\nTsy misy atahorako,\nIzaho tsy ho very.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jesosy Kristy Tompo ô !\nIzaho ta-hamaly\nNy teny fiantsoanao :\n« Mba manatòna Ahy !\nIzaho dia ho anao,\nHo Ahy kosa hianao »\nKa manampia ahy.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny ranao soa nitete\nNo nanadio ahy\nNy ainao sarobidy re\nNo nanavotana ahy\nMba hitokiako anie\nNy famonjena lehibe\nNatolotrao ho ahy.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Isaorana  eram-po anie\nNy Tompo Zanahary,\nFa Izy efa nanome\nNy Zanany nijaly,\nKa ny devoly lozabe,\nNy Ho resy sy ho faty.\n\n\nota sy ny heloka","type":"verse"}],"id":"ffpm_120"},"ffpm_121":{"num":"121","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy, ampombay\nFiadanana maharo\nFo sy saina izahay,\nKa mba ampahafantaro,\nRaha ny holatrao jerena,\nFa Anao ny fandresena !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Mpandresy, ambarao\nAminay ny vokatr’ady :\nFamonjena, aim-baovao\nNo andramany sahady :\nRaha ny tafika miseho,\nFiadanam-po omeo !","type":"verse"}],"id":"ffpm_121"},"ffpm_122":{"num":"122","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hitako izao, sakaiza,\nNy fahasambarana,\nKa ny foko faly, ravo,\nManam-piadanana.\nTeo am-pototry ny hazo\nNijalian’ny Tompoko,\nTeo aho no nahazo\nFamelana heloka.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! ny indrafo niriko,\nEfa azoko tokoa,\nKa Jesosy no fidiko,\nFa  Izy fototry ny soa,\nHe ! ny rany sarobidy,\nNanadio ny otako\nIzaho efa voavidy.\nLanitra no lovako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tena soa mahagaga\nIzao nomenao ahy izao,\nFa izaho izay mpanota,\nDia nohavaninao ;\nKa izaho dia hidera\nIzato fitiavanao\nAry koa hanambara,\nJeso ô ! ny herinao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Mpamonjy ô ! mba raiso\nIzao fisaorako izao ;\nKa izay rehetra ahy\nDia atolotro Anao,\nRaha tonga re ny fetra\nHialako sasatra,\nEnto aho hitoetra,\nEo anilanao arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_122"},"ffpm_123":{"num":"123","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Velona Jesosy,\nNitsangana tokoa ;\nNy kristiana marobe,\nMihoby sy mihira hoe !\n:,: Dera ho Anao,\nry Mpandresy ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Velona Jesosy,\nNy helo dia resy,\nTanteraka ny avotra,\nKa afaka ny heloka !\n:,: Dera ho Anao,\nry Mpandresy ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Velona Jesosy,\nKa velona isika,\nHiara-monina  Aminy,\nHohazavain’ny tavany !\n:,: Dera ho Anao,\nry Mpandresy ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_123"},"ffpm_124":{"num":"124","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Nitsangana ny Tompo,\nNeken’ny Ray ny avotra,\nKa ravo ny mpanompo :\nMisokatra ny lanitra !\nIlay Tompom-pandresena\nNandrava fasana,\nAndriam-pamonjena,\nTolory hasina !\nJesosy no Mpanjaka\nAm-boninahitra,\nHiarahako mizaka\nNy zon’ny lanitra !","type":"verse"}],"id":"ffpm_124"},"ffpm_125":{"num":"125","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro, Jeso velona,\nAfaka ny olom-bery,\nRava re ny fasana,\nDia nivoaka Ilay Mahery ;\nKa ny horohorontany\nDia nahato izany !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Resinao ny rafinay,\nRy Jesosy manan-kery,\nKa mpandresy izahay,\nVoavonjinao ny very,\nMatinao ny helok’ota,\nVelona izahay mpanota !","type":"verse"}],"id":"ffpm_125"},"ffpm_126":{"num":"126","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Endrey, izato fahasambarana :\nJesosy dia  velona  indray !\nNy foko mandre fitsaharana\nNoho Izy natsangan’ny Ray,\nTsy any am-pasana  intsony\nFa hitako velona koa\n:,: Ilay Tompon’ny hery\nambony\nMamiratra sy manan-jo ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, velona Izy ! Hafarany\nIzaho izao hampandre\nIreo izay tia  ny Anarany\nNy fampiononana be,\nAnjely no mendri-kilaza ;\nIzaho, mpanompo tsy soa,\n:,: Nirahin’ny Tompo malaza,\nKa ravo sy tretrika koa ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Endrey, izato fahasambarana,\nFa velona mandrakizay\nNy Tompo Izay nifankazarana,\nKa faly ny foko indray !\nNy fasana izay nampisaona\nNo fampiononana koa,\n:,: Fa tao izahay tafahaona\nKa ravo dia  ravo ny fo ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_126"},"ffpm_127":{"num":"127","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tahaka ny masoandro miseho\nToy ny heriny izay mahaleo,\nNa dia takon’ny rahona tao ;\nTahaka izany Jesosy\nMpamonjy,\nIzy nitsangana velona indray\nRy olombelona, izay voavonjy\nMba miderà Azy \nmandrakizay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Saotra aman-dera sy laza sy\nhery,\nAoka ho Azy hatramin’izao\nIzay nanafaka ny olom-bery,\nIndro ny fasana vaky sy lao.\nIzy nanafaka ny vavahady :\nAiza, ry fahafatesana ô !\nAiza ny herinao sahy miady\nAmin’ny mino sy amin’ny to ?","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso Mpamonjy ô ! mba\nhasoavy\nKa mba arovy ny mino Anao,\nKa ny Fanahinao aoka ho avy,\nMba hanazava ny fonay izao ;\nAry tantano izahay tsy hania,\nFa Hianao no Mpiaro anay !\nO ! ry Mpamonjy anay, mba\navia,\nKa mba vonjeo, fa miandry\nizahay !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso, izahay te-hisaotra tokoa\nNoho ny soa nomenao anay ;\nTeraka teto nitondra ny soa,\nDia  ny fiainana  mandrakizay\nSaotra omenay Anao izay\nnijaly,\nNefa natsangan’ny Rainao\nindray ;\nRahatrizay izahay dia  hifaly\nAny an-danitra mandrakizay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_127"},"ffpm_128":{"num":"128","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa velona ny Tompo\nFa nitsangana tokoa ;\nResiny ny fahavalo\nIlay mpihaza aina soa ;\nVelona ny Tomponao,\nResiny ny rafinao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Matokia, ry mpanota,\nAn’i Jeso Avotrao,\nFa ny ota nahadiso\nAfaka tokoa izao ;\nVelona ny Tomponao,\nAfany ny helokao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eny, fa nitsangana ela\nJeso Kristy Tomponao,\nKa mamoha vavahady\nAny mba hidiranao,\nVelona ny Tomponao,\nKa  efa nialoha anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_128"},"ffpm_129":{"num":"129","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Any naraina\n:,: Ilay Avotr’aina :,:\nNatsangan-dRay ;\nResy ny ota\n:,: Ka ny mpanota :,:\nMihoby indray.\nAny naraina, …sns.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hira hiraina\n:,: ny Tompon’aina :,:\nIsaoranay ;\nOry ny fony\n:,: mba hamitony :,:\nNy sentonay.\nHira hiraina, …sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Faly ny very\n:,: tsy manan-kery :,:\nNy helokay ;\nJesosy Tompo\n:,: dia mampanompo :,:\nNy rafinay.\nFaly ny very, …sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hisy maraina\n:,: ny Tompon’aina :,:\nHo avy indray ;\nIzy hizara\n:,: ny lova tsara :,:\nHomena anay.\nHisy maraina, …sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_129"},"ffpm_130":{"num":"130","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hobio, ry olombelona !\nJesosy dia velona,\nNy fasana dia rava ;\nMisokatra ny lanitra,\nDia resin’ny mazava.\nJeso Kristy\nNo deraina sy hajaina.\nFa Mpamonjy,\nTompon’aina mahavonjy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! misy làlana indray\nHo ao an-danitra, izay\nMiandry ao ambony ;\nFa vitan’ny Mpanavotra\nNy vonjy mahasambatra,\nKa sitraky ny fony\nHandray izay\nMitomany, mba ho any\nAmin-dRainy ;\nFa izany dia hainy !","type":"verse"}],"id":"ffpm_130"},"ffpm_131":{"num":"131","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tonga ny andro malaza,\nizay mahafaly,\nIndro nandresy Jesosy\nIlay vao nijaly ;\nVelona indray Izy,\nnatsangan’ny Ray,\nAoka isika hifaly !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Efa nahery Jesosy,\nka resy Satana ;\nMenatra mafy ireo\nfahavalo nitana ;\nKa mba zahao :\nrava ny fasana izao,\nRava, fa tsy nahatana !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Helo sy fahafatesana,\nresy tokoa,\nary ny tambin’ny ota\ndia efa naloa ;\nJeso, Izay maty ka\nvelona indray,\nTompon’ny aina tokoa !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba mihobia,\nry olona mino rehetra ;\nAn’i Jesosy ny hery\nizay tsy voafetra ;\nIzy nanao làlana tsara\nvaovao\nResy ny ratsy rehetra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Faly Isika fa manana\nfanantenana,\nMbola hiantso Jesosy hoe :\n« Mitsangàna ! »\nAmin’izay, velona\nmandrakizay\nNy nodimandry tra-bonjy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_131"},"ffpm_132":{"num":"132","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro, fa velona\nJesosy Tompon’aina !\nFoana ny fasana\nResy izao Satana.\nIza  indray no hitomany,\nRaha nahare izany ?\nRy foko sasatra\nManahy fatratra,\nHeveronao izao ;\nHo afaka ny sentonao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro, fa velona\nJesosy Tompon’aina !\nIzy nitsangana ;\nRavo ny fo sy saina.\nJeso Tompo nolatsaina\nTonga loharanon’aina,\nRy havana, andrandrao\nNy lanitra izao :\nJesosy velona,\nKa azo ny fiainana !","type":"verse"}],"id":"ffpm_132"},"ffpm_133":{"num":"133","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa namangy ny olony\nJeso, izay Tompon’ny aina\nLasa ny alina maizina,\n:,: Tonga indray ny maraina :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maty ny Tompo, nalevina\nNidina nita ny ony,\nNefa nitsangana velona\n:,: Koa tsy maty intsony :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ory ny fon’ny sakaizany,\nAiza Ilay nantenaina ?\nHitany nefa tsy fantany,\n:,: Jeso, Izay \nTompon’ny aina :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Teniny tsy mba mivadika\nAmin’ny olona ory.\nTonga ny Tompo mitsidika\n:,: Ireo mpianany vory :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tonga ny taom-pamangiana,\nTondraka ny famonjena.\nVelona ny fihobiana,\n:,: Aina vaovao no nomena :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Teraka ny fifaliana,\nTonga ny Filazan-tsara,\nAndron’ny fitomaniana\n:,: Mody ho Pasaka tsara :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_133"},"ffpm_134":{"num":"134","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mifaly tokoa ny foko izao\nFa misy manambara\nNy Filazantsara,\n:,: O, mba raisonao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nitsangana Jeso,\nHaleloia re !\nHenoy teny soa\nKa dia minoa\n:,: Fa marina re ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He ! rava ny fasana, ka mijere,\nFa efa niala\nNy Tompo malala,\n:,: Fa velona e ! :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fahafatesana resy tokoa,\nKa tsy mba mijaly\nNy mino, fa faly\n:,: Sy tretrika am-po :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Misaotra, midera Anao\nizahay\nRy Jeso Mpamonjy,\n:,: Ho mandrakizay :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Haleloia !\nTsara ny Pasaka e !\nNy Tompon’ny aina\nIzao hoderaina,\n:,: Haleloia re ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_134"},"ffpm_135":{"num":"135","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Foana ny fasanao,\nJeso Tompon’aina ;\nTo tokoa ny teninao\nKa notontosaina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Foana ny fasanao,\nTompo mana-kery,\nGaga teo ny rafinao,\nResy ‘lay Mahery !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Foana ny fasanao,\nFa efa novohana ;\nMaito ny fatoranao,\nTsy mba nahatana !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Foana ny fasanao,\nZanaky ny Avo !\nAina no nasehonao,\nZava-maharavo !","type":"verse"}],"id":"ffpm_135"},"ffpm_136":{"num":"136","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso, Tompon’aina !\nNalevina Hianao,\nKanefa he, deraina,\nFa velona ao izao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fasana nivoha\nNoho ny herinao,\nFa tsy mba nahatoha\nNy voninahitrao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ireo miaramila\nNahery sy nahay\nDia tsy mba nahatana\nAnao Mpanjakanay !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Nitsangana tokoa,\nHo tena santatray,\nHianao, ry Tompo soa\nSy Kapiteninay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_136"},"ffpm_137":{"num":"137","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vita  izao ny fandresena :\nHaleloia, haleloia !\nAzo koa ny famonjena :\nHaleloia !\nResy re ny fasana\nSy ny fahafatesana\nFahavalo farany ;\nFa Jeso nitsangana\nTonga fanafahana :\nHaleloia ! (in-3)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"To izao izay nambara :\nHaleloia ! haleloia !\nFa ny fototra nivaha\nHaleloia !\nFoana ny fasana,\nJeso re nitsangana\nTamin-kery lehibe,\nKa torio ry mino e !\nEran-tany, mba ho re :\nHaleloia ! (in-3)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia venteso ny hosana :\nHaleloia ! haleloia !\nAoka tsy hihambahamba\nHaleloia !\nFa  efa velona tokoa\nIlay Mpamonjy\ntsy mba roa,\n‘Zay nisolo voina anao ;\nIzy no nisantatra\nNy fiainan-tsambatra :\nHaleloia ! (in-3)","type":"verse"}],"id":"ffpm_137"},"ffpm_138":{"num":"138","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"‘Ty ny andro maharavo,\nOra fifalianay ;\n‘Lay Mpanarina ny lavo\nNo niady ho anay.\nHaleloia !\nHo Anao Mpanjakanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Azonao ny fandresena,\nRy Mpamonjy velona !\nVitanao ny famonjena.\nTafantsagana Hianao.\nHaleloia !\nHo Anao Mpanjakanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Resinao ny fahotana ;\nVoavoha ny fasanao\nTorotoro re Satana ;\nAfaka ny olonao.\nHaleloia !\nHo Anao Mpanjakanay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Mpandresy\nfandozana !\nRaisonao ny hajanay\nRy Mpamonjy,\nmitantàna,\nTano ho Anao ‘zahay !\nHaleloia !\nHo Anao Mpanjakanay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_138"},"ffpm_139":{"num":"139","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Haleloia ! haleloia !\nHaleloia !\nHe ! vita re ny ady izao !\nNy ota efa resy re,\nNy feo mifaly no atao,\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fahafatesana no tao\nFa Kristy naharesy izao,\nNy fandreseny no derao,\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny andro nijaliana e !\nNisolo fifaliam-be,\nKa mihirà izay mandre :\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny gadra voatapany,\nNy efitra efa ravany ;\nKa miderà ny heriny\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Tompo ô ! ny fiainanao,\nMamelona ny olonao,\nKa hoderaina Hianao :\nHaleloia !","type":"verse"}],"id":"ffpm_139"},"ffpm_140":{"num":"140","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Haleloia ! haleloia !\nMiderà ny Tomponao,\nManandratra feo hidera\nAn’i Jeso Kristy ‘zao\nFa nijaly mafy Izy,\nNefa indro velona Izy\nAo an-danitra tokoa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Eny, velona  ny Tompo,\nMba ho santatsika koa\nKa ho velona ny mino\nSy hitsangana tokoa ;\nDia  handray ny lova soa\nSatro-bolamena koa,\nKa hidera ny Mpamonjy\nSy ho sambatra avokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Haleloia ! haleloia !\nHaja, hery, saotra anie\nNo hatolotra ny Tompo,\n‘Zay Mpandresy lehibe,\nHoderaina lalandava\nFa Mpanjaka manan-jo,\nHaleloia ! haleloia !\nHoderaina eram-po !","type":"verse"}],"id":"ffpm_140"},"ffpm_141":{"num":"141","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa resy izao na dia ny fasana\naza\nKa asandrato re ny hira sy ny\nfeo\nJesosy nampikoy ‘lay rafy \n‘zay nandoza,\n“Ry fahafatesana ô ! aiza\nmoa ny herinao ?”","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lasa ilay tahotrao, ry foko\n‘zay malemy\nFa torotoro ‘zao ny\nfahavalonao,\nTsy nahatohitra ny sandrin’i\nJesosy\n“Ry fahafatesana ô ! aiza\nmoa ny herinao ?”","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Efa lasa tokoa ny ozona\nrehetra,\nNasehon’i Jeso miharihary\nizao,\nNy fitiavany izay tsy misy\nfetra !\n“Ry fahafatesana ô ! aiza\nmoa ny herinao ?”","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Kristy no santatra : ny làlana\nmankany\nHo ao an-tranon-dRay,\nmivoha tsara izao,\nNy fifaliana manerana ny\ntany !\n“Ry fahafatesana ô ! aiza\nmoa ny herinao ?”","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Kristy no fiainana : izay\nmatahotra Azy\nOmeny tanjaka, fanahy, fo\nvaovao,\nKa atony velona, Mpandresy\ntahaka Azy.\n“Ry fahafatesana ô ! aiza\nmoa ny herinao ?”","type":"verse"}],"id":"ffpm_141"},"ffpm_142":{"num":"142","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tafatsangana tokoa,\nHaleloia !\nJeso Kristy Tomposoa,\nHaleloia !\nMaty nefa velona\nHaleloia ! \nMihirà, ry olona,\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Foana ny fasana,\nHaleloia !\nIndro, Jeso velona,\nHaleloia !\nToky tsy mamitaka,\nHaleloia ! \nMihirà, ry olona,\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Andro lehibe tokoa,\nHaleloia !\nAndro fihobiana,\nHaleloia !\nAfaka ny tahotra,\nHaleloia ! \nMihirà, ry olona,\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Haja, laza, aterinay\nHaleloia !\nJeso ô, Mpanjakanay,\nHaleloia !\nRaiso re ny saotranay,\nHaleloia ! \nRaiso koa ny tenanay\nHaleloia !","type":"verse"}],"id":"ffpm_142"},"ffpm_143":{"num":"143","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vita izao ny fandresena,\nHaleloia !\nJeso Kristy no hobiana,\nHaleloia !\nAzo re famonjena,\nHaleloia ! \nVerinay tarý Edena\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka izao dia arahabaina,\nHaleloia !\n‘Lay Mpanjakanay\nhajaina,\nHaleloia !\nKa na zovy mitaraina\nHaleloia ! \nMisy vonjy azo maina\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Betlehema niandohana,\nHaleloia !\nKalvary niafarana,\nHaleloia !\nFasana tsy nahatana,\nHaleloia !\nToro teo ‘lay menarana\nHaleloia !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Saro-bidy re ny rany !\nHaleloia !\nNy fitiavany tsy lany\nHaleloia !\nNy fatoranay vahany,\nHaleloia ! \nKa hobionareo, ry tany\nHaleloia !","type":"verse"}],"id":"ffpm_143"},"ffpm_144":{"num":"144","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! avia, mba hidera,\nAndro jobily anio ;\nKa faingàna, manatera\nSaotra, laza, ka hobio\nIndro, tonga ny anjely\nKa ny vato mikodia !\nTantaraina mba hiely :\nVelona (in-3)\nNy Tomponao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ifalio ny famonjena,\nAndro jobily anio ;\nAfaka ny firenena,\nVoavonjy androtr’io\nGaga teo ny mpanakora\nSy ny rafy marobe\nKa miaiky moramora :\nVelona (in-3)\nNy Tomponao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba venteso re ny hira\nAndro jobily anio ;\nResy ny mpaniratsira\nKa ny tahotrao ario\nHe ! ny fasana efa foana\nTsy nahazona  Azy tao\nTsy naharitra hateloana\nVelona (in-3)\nNy Tomponao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Efa resy ‘zao  Satana\nAndro jobily anio ;\nNy fatoranao vahana\nKa hobio sy ifalio !\n‘Lay Mpamonjy nolatsaina\nVelona ho avotrao,\nIo no mendrika\nhoderaina\nVelona (in-3)\nNy Tomponao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_144"},"ffpm_145":{"num":"145","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa velona tokoa\nHianao, ry Tomponay !\nKa ny herinao tsy toha\nNo manjaka hatrizay ;\nFa ny fasana, ny ota\nNoresenao avokoa.\nTantaraina mba hiely :\n:,: ‘Zay no tokinay mpanota\nTanjakay sy hery koa :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Efa velona tokoa\nHianao, ry Tomponay !\nLasa nanamboatra koa\nFitoerana ho anay :\nTany tsy mba misy ota\nTsy hidiran’ny manjo ;\n:,: Tany soa sy madio\nMaharavoravo fo :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Efa velona tokoa\nHianao, ry Tomponay !\nKa misolo vava koa\nSy mifona ho anay ;\nNy Fanahinao omena,\nMba hitari-dalana\nHe ! ny sentonay dia renao,\nJeso tena Havana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Efa velona tokoa\nHianao, ry Tomponay !\nAry mbola ho avy koa,\nAvy mba handray anay\nMaminay, ry Tompo tsara ;\nHiara-monina Aminao\nEny, tena manan-jara\n‘Zay mby eo akaikinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_145"},"ffpm_146":{"num":"146","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"(Hira Paska)","type":"verse"},{"num":"1","lyrics":"Anao ny dera,\nry Zanaky ny Ray ;\nAnao ny fandresena,\nRy Mpanjakanay\nNy fasana nivoha,\nNoho ny herinao\nNy Anaranao Tsitoha\nTsy voatana tao.\nAnao ny dera,\nry Zanaky ny Ray\nAnao ny fandresena,\nRy Mpanjakanay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao nandresy,\nlao re ny fasana ;\nNy fanjakan’ny ota koa\nho lasana\nNy herin’i Satana,\nvato nikodia,\nNy Anaranao nandresy\nHaharitra doria,\nAnao ny dera,\nry Zanaky ny Ray\nAnao ny fandresena,\nRy Mpanjakanay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He, ravo aho :\nIzy no santatra ;\nIzaho koa hifoha,\nMba ho sambatra ;\nNy fandresen’i Jeso,\nLovako tokoa ;\nNy Anarany Tsitoha\nHanangana  ahy koa.\nAnao ny dera,\nry Zanaky ny Ray\nAnao ny fandresena,\nRy Mpanjakanay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_146"},"ffpm_147":{"num":"147","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Lasa ny Mpanavotsika\nAo an-danitra arý,\nMba hanoman-trano tsara,\nHitoerantsika ao.\n:,: Mifalia :,:\nHo tafiditra ao tokoa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lasa ny Mpisorontsika,\nAo an-danitra arý,\nHo Mpisolovava koa,\nHo an’olo-marobe.\n:,: Matokia :,:\nTsy ho very hianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Lasa ny Mpanjakantsika\nAo an-danitra arý,\nMba handray ny fanjakana\nMety ho anjarany.\n:,: Mihobia :,:\nAsandrato re ny feo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_147"},"ffpm_148":{"num":"148","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry varavaran-danitra ô !\nAmpandrosoy ny Tomponao,\nFa fandresena lehibe\nNo efa vitany tatý","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Moa iza izao Mpanjaka\nizao ?\nMpandresy iza re izao ?\nNy lazany manerana\nNy tany sy ny lanitra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Io no Kristy Mpamonjy soa\nNisolo olo-meloka,\nKa satro-boninahitra\nNo mendrika ny lohany.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Anjaranao, ry foko ô !\nHanompo sy hanaraka\n‘Lay Kapiteny lehibe\nNialoha ao an-danitra ao !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Kristy ô ! Mpanavotray !\nIrinay mba ho hita koa\nIzany voninahitrao\nSy ny fiandriananao !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha tapitra ny andronay,\nVohay ny varavaranao,\nNy trano namboarinao\nHonenanay mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_148"},"ffpm_149":{"num":"149","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa lasa Jeso Tompo,\nHanamboatra izao\nFitoera-mahafaly\nIza re no tsy hankao ?\nFa ao ankoatr’i Jordana,\nAo an-danitra ao ambony,\nMisy fitsaharan-tsara\nHo an’ny madio.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tany tsy idiran’ota,\nTany masina sy soa,\nKa izay rehetra hankany\nDia ho masina avokoa !\nFa ao ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa izay matoky tena,\nNy tsy mety mino koa,\nTsy havelany hankany,\nFa ho laviny tokoa !\nFa ao ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny mandao ny fomba ratsy,\nNy mahazo fo vaovao,\nNy navotan’i Jesosy,\nDia  izy no hankao !\nFa ao ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry mpanota saiky very !\nMibebaha re anio ;\nManiria hovonjena,\nKa ny fahotana ario !\nFa ao ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_149"},"ffpm_150":{"num":"150","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! tsara ny fonenanao,\nAndriamanitra ô !\nZiona tendrombohitrao,\nTanàna masina ;\nKa iza no hiakatra ao ?\nIzay mahitsy fo,\nIzay madio tànana,\nIzay manao ny to,\nKa mino ny Mpanavotra,\nIreo hiakatra ao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba misandrata faingana,\nRy varavarana !\nHidiran’ny Mpanjakanay\nBe voninahitra.\nMoa iza izao Mpanjaka izao ?\nAndriamanitra\nMahery sy mandresy koa,\nMpanjaka masina ;\nHe, Izy ‘Lay Mpanjakanay\nBe voninahitra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miantranoa, Tompo ô !\nMba hifalianay ;\nVoavoatra ny tranonao,\nMidira aminay !\nJehovah no Mpanjakanay,\nMpanjaka tianay :\nNy hery, voninahitra,\nSy ny fisaorana,\nAnao tokoa, ry Tomponay,\nMandrakizay doria !","type":"verse"}],"id":"ffpm_150"},"ffpm_151":{"num":"151","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miakara, miakara,\nRy Mpanjaka lehibe !\nVitanao ny famonjena\n‘Zay nalehanao tatý,\nMihobia, ry anjely !\nKa derao ny Tomponao,\nVoninahitra sy haja\nAtolory Azy izao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Miakara, miakara,\nRy Mpandresy lehibe !\nEso, latsa, fahoriana\nNo anjaranao tatý ;\n‘Zao ny lanitra miandry,\nMiandry hiverenanao ;\nRenao ao ny feo manako,\nFeno fanajana Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miakara, ry Mpamonjy !\nRavo ny navotanao ;\nIzahy atý an-tany,\nFaly te-hidera Anao ;\nRaisonao ny fiderana\n‘Zay atolotray izao ;\nHaleloia ! Haleloia !\nHo Anao Mpanavotray !","type":"verse"}],"id":"ffpm_151"},"ffpm_152":{"num":"152","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Niakatra ao :,: an-danitra :,:\nNy Zanak’Andriamanitra,\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka monina ao :,: an-danitra :,:\nJesosy Tompon-danitra,\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izao zavatra :,: rehetra izao :,:\nRy Jeso ô, hazoninao,\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Isaoranay :,: ry Tompo ô :,:\nNy herinao sy indrafo !\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Fa ny devoly resinao\n:,: he resinao ! :,:\nNy ratsy nofongoranao,\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry tany sy :,: ry lanitra :,:\nDerao Andriamanitra !\n:,: Haleloia ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_152"},"ffpm_153":{"num":"153","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ao an-dapany, Jesosy\nDia derain’ny tapitrisa,\nFa ny lanitra sy tany\nDia samy mankamamy\n:,: Ilay Mpandresy mora fo ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Tompo dia ho avy\nHo Mpitsara atý an-tany,\nNa ny ratsy na ny tsara\nSamy hanana anjara,\n:,: Valin’ny natao tatý ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpiantra be fitia,\nIantrao izahay mania ;\nRaiso ho Anao, tahio,\nHafanao, ampifalio,\n:,: Ento any Aminao ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_153"},"ffpm_154":{"num":"154","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izao Jesosy Tompontsika\nDia nasandratry ny Ray\nAo an-tsezam-panjakany ;\nIzay rehetra nialany\n:,: Voarainy  indray :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy hadinony anefa\nIzay nilaozany tatý,\nFa omeny ny Fanahy\nMba hitondra sy hitahy\n:,: Ny mpianany :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ao anilan-dRainy Izy\nManam-boninahitra,\nKa miderà Azy any\nIzay rehetra anjakany\n:,: Eran-danitra :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tompom-pitsarana Izy,\nSamy mba hatsangany,\nNa ny ratsy na ny tsara,\nKa homeny izay anjara\n:,: Valin’asany :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"He ! hohitantsika Izy,\nDia ny tena endriny,\nKa ny lova soa homena\nIzay nandray ny famonjena\n:,: Voatendriny :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_154"},"ffpm_155":{"num":"155","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"An-tsezam-panjakany,\nAmbony kintana,\nNo lapan’i Jesosy\nIlay nasandratra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Atý an-tany iva,\nAnilam-pasana,\nNo ipetrahantsika\nZoim-pahoriana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Kanefa mety  ihany\nNy monina atý,\nHiomana ho any\nAn-danitra  arý.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Isika tsy kamboty,\nNa dia nilaozany ;\nNomeny ny Fanahy\nHo solon-tenany.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fahoriantsika,\nDia efa maivana,\nNy fahafatesantsika\nDia afa-tsindrona.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ny ain’i Jeso Tompo\nIainantsika atý ;\nTsy ela dia hiseho\nIndray ny tenany.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ka hira no venteso\nRy havany izao,\nNy senton’alahelo\nMba atsaharonao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_155"},"ffpm_156":{"num":"156","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Mpanjaka tokana\nNa aiza misy olona :\nNy fanjakany hanerana\nNy tany sy ny lanitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Vavaka sy fisaorana\nHakarin’ny navotana ;\nHaharitra tsy tapitra\nHanolo-boninahitra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny firenen-drehetra anie\nHidera ny fitiavam-be ;\nNy zaza aza hanatitra\nNy hajam-boninahitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny tany izay alehany\nDia feno fitahiany ;\nNy voagadra afaka,\nMiadana ny reraka.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Izao rehetra izao anie,\nHanatitra fisaoram-be\nHo an’ny Tompo tokana,\nIzay Mpanjakan-danitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_156"},"ffpm_157":{"num":"157","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hobio, ry tra-bonjy,\nFa indro ny Mpamonjy\nMiakatra indray ;\nTsijonvy Izy any\nMandray ny fanjakany\nAo an-kavanan-dRay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny hiran’ny anjely,\nManako sy miely\nArý an-danitra ;\nInjay, ry Ray Tsitoha,\nMiarahaba koa,\nMandray ny Zanaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, miaingà, ry foko,\nFa aza mitoloko\nAtý an-tany  izao ;\nMiandrandrà, jereo\nIlay voahombo teo !\nTsitoha Izy ao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Naharitra ny mafy,\nNiady sy nihafy\nNy Tomponao tatý !\nTahafonao izany,\nFa he ! ny fanjakany\nMiandry anao arý !","type":"verse"}],"id":"ffpm_157"},"ffpm_158":{"num":"158","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha  afaka entana aho atý\nKa tody any an-danitra arý,\nNy hanakaiky Ilay Tompo tia\nNo hifaliako mandrakizay.\nSatriko re ny hanome\nSaotra tokoa eran’ny fo\nAn’Ilay maty fa velona\nindray,\nHatrehiko ao anilan’ny Ray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"‘Ndrey ny haren’izao antrany\nizao !\nIzay handovako ilay tany\nvaovao !\nFa ny hahita ny tavany ao\nNo hiadanako mandrakizay.\nSatriko re ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hava-malala hihaonako ao,\nHobin-tra-bonjy hiaraha-\nmanao ;\nMamy indrindra anefa izao ;\nKristy hatrehiko\nmandrakizay.\nSatriko re ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_158"},"ffpm_159":{"num":"159","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Satrohy voninahitra,\nAnjely masina ô !\nIlay voasatro-tsilo teo,\nDia Jeso, Jeso, Jeso,\nTompo tokana !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry afa-pahoriana,\nIzay ao an-dapany !\nNombany tao an-dalana,\nKa saotra, laza, hery,\nAoka ho Azy re !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Taranaky ny lavo ô,\nIzay natsangany,\nEkeo Izy eram-po,\nKa saotra, laza, hery,\nAoka ho Azy re !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry firenena marobe\nAmbany lanitra !\nMiankohofa, maneke\nFa Jeso, Jeso, Jeso,\nNo Mpanjaka re !","type":"verse"}],"id":"ffpm_159"},"ffpm_160":{"num":"160","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Kristy Mpanjaka,\nMendrika  hoderaina\nIzy no mitàna\nAntsika ho velona  aina,\nDerao, derao\nIlay Mpanjakanao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Kristy Mpanjaka,\nMendrika  ho hajaina ;\nIzy no mifona\nHo antsika novonjena\nHajao, hajao\nIlay Mpanjakanao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Kristy Mpanjaka,\nMendrika  ho hobiana ;\nIzy no hitsena\nNy olo-notahiana,\nHobio, hobio\nIlay Mpanjakanao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_160"},"ffpm_161":{"num":"161","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mivelatra eo imasoko\nNy fiandrianan-dehibe\nItoeran’ny Mpamonjiko,\nDia Jeso Ilay nandresy re.\nFa niakatra  Izy ka nandao\nIty tany fandalovana ;\nManjaka ao an-dapany,\nKa feno voninahitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Anjely no manotrona\nArahin’ny olo-masina\nIreo dia mandohalika\nAm-panajana fatratra,\nNy Tompo eo afovoany,\nMamiratra ny tavany,\nKa feno hasambarana\nIzay mahazo taratra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Kanefa tsy mipetraka\nHo endriky ny lanitra\n‘Lay Zanak’Andriamanitra\nFa miasa tsy mijanona.\nRenao va ny fifonany,\nHo an’ny Fiangonany\n‘Zay novidiny tamin-dRà,\nKa tiany hampakarina ?","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ekeo, ry Fiangonana ô !\n‘Lay hany Mpanalàlana\n‘Zay mandohalika amin-dRay,\nKa mitomany hoa anao !\nRy Tompo aza sasatra,\nIfony lalandava e !\n‘Zahay izay navotanao.\nFa te-hankao an-danitra !","type":"verse"}],"id":"ffpm_161"},"ffpm_162":{"num":"162","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Amen, Jeso no Mpifehy\nAmen, ny Fanahiny,\nAmen, Amen re ny teny\nMbamin’ny fandraisany\nAmen, ny batisany,\nAmen, ny fiainany.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Amen, Jeso no Mpanjaka,\nAmen, ny Anarany ;\nAmen, Jeso tonga maka\nAhy ho anjarany\nAmen, Amen ary to\nIzy, Izay inoako !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Amen, ny fanantenana\nZavatra maharitra ;\nAmen re, ny fifindrana,\nRaha  mankao an-danitra\nAmen, ny fiadanana,\nAmen, ny fiainana !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aoka  isika hihira Amen,\nAmen ho mandrakizay !\nJeso, mba valio Amen,\nDia  ho faly izahay ;\nAmen, no ho hiranay\nRaha  mby Aminao izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_162"},"ffpm_163":{"num":"163","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, Jesosy Tokintsika !\nTompon’ny fiainana\nTonga eto amintsika\nOlon-kovangiana.\nIzy no hitory teny\nSoa, mahavelona,\nFa ny ainy no nomeny\nMba ho solo-voina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andrandraonao ka andraso\nNy Mazava lehibe\nDia  Ilay tsy hita maso,\nMpanazava, Mpanome ;\nFa ny ainao dia ho very,\nRaha tsy arahinao\nIlay Mpanjaka manan-kery\nIzay nanavotra anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eto afovoantsika\nIlay Mazava tokana ;\nSambatra izay mahita\nAzy fa ho velona.\nRy Jesosy, iresaho\nIzahay mpianatrao\nHafanao sy hatanjaho\nNy finoanay Anao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_163"},"ffpm_164":{"num":"164","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy irery  ihany :\nFilazantsara soa !\nNentin’ireo mpanompo,\ntorina aminao\nMaizina avokoa izao rehetra\nizao,\nNefa he, ny mazava naposaka\naminao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy irery  ihany :\nno ivavahana,\nNy Anarany irery no\nfanavotana,\nNy olona rehetra no \nhandohalika\nEtý an-tany ka hatrany \nan-danitra !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy tsy miova\nomaly sy anio\nAry mandrakizay,\nfa tsy mamitaka,\nMifona ho antsika eo\nan-kavanan-dRay\nJESOSY IRERY IHANY re\nno isaorana !","type":"verse"}],"id":"ffpm_164"},"ffpm_165":{"num":"165","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Haleloia ! Miderà !\n:,: Asandrato re ny feo :,:\nMiderà ny Ray Tsitoha,\n:,: ‘Zay Mpamorona anareo :,:\nFa Mpanjaka manan-jo,\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Haleloia ! Mihirà !\n:,: Lehibe sy masina :,:\n‘Lay Mpahary anareo.\n:,: Ao ny ranomasina :,:\nSy ny biby marobe\n‘Ndray mihoby ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Haleloia ! Mifalia\n:,: 'Lay Mpamonjy be fitia :,:\nSy Mpanavotra anareo.\n:,: O, ry olom-bery ô :,:\nManatòna, mihobia\nHaleloia, Haleloia !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raiso re, ry Tompo ô,\n:,: Ny mpanota toa anay :,:\n'Zay miantoraka Aminao.\n:,: Mba henoy ny vavakay :,:\nHo fanatitra madio\n'Zay atolotray anio !","type":"verse"}],"id":"ffpm_165"},"ffpm_166":{"num":"166","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Derao ny Tompo lehibe,\nNahary izao rehetra izao ;\nHaleloia ! Haleloia !\nNy lanitra sy ny tany koa,\nSamia midera avokoa ;\nAsandrato izao ny dera :\nHaleloia !\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry fo voadion’ny rany soa ;\nAnkalazao ny Tompo tia ;\nHaleloia ! Haleloia !\nRy voavela heloka ô !\nTsarovy re ny indrafo,\nAsandrato izao ny dera :\nHaleloia !\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miraisa fo ka miderà,\nFa Izy niahy hatrizay\nHaleloia ! Haleloia !\nDerao ny Ray sy Zanaka\nSy ny Fanahy Masina\nAsandrato izao ny dera :\nHaleloia !\nHaleloia ! Haleloia !\nAmena !","type":"verse"}],"id":"ffpm_166"},"ffpm_167":{"num":"167","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Midera ny Anaranao\n‘Zahay, ry Tompo ô !\nKa hira no Ventesinay\nHoe : haja, saotra, hery,\nMba raiso ho Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! voahombo Hianao\nNisolo heloka,\nKa mendrika hanaovanay\nHoe : haja, saotra, hery,\nMba raiso ho Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Endrey ! ny fitiavanao\nEndrey ! ny herinao,\nTra-pamonjena izahay,\nKa haja, saotra, hery,\nMba raiso ho Anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha tonga ao an-danitra\n‘Zahay mpanomponao,\nHitohy re ny hiranay\nHoe : haja, saotra, hery,\nMba raiso ho Anao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_167"},"ffpm_168":{"num":"168","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ! ny Anaranao\nDia maminay tokoa ;\nMihira sy miderà Anao\nIzahay navotanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy takatry ny hevitra\nNy fitiavanao :\nTsy tambonay tononina\nNy hasoavanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tsara eran-danitra\nSy eran-tany koa,\nTsy azo anoharana\nNy fitahianao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ho toy ny loharano e,\nNy fonay olonao ;\nTsy hanam-pitsaharana e,\nNy hiderana Anao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_168"},"ffpm_169":{"num":"169","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo Andriamanitra,\nMpanao izao rehetra izao !\nMidera Anao ny lanitra\nNy tany koa mitsaoka Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao no Ray mandrakizay,\nMpanao izao tontolo izao,\nTongava re, ka mba tahio\nNy vavakay atao anio.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Kristy ô, Mpanavotra,\nMpamonjy be fitia tokoa,\nHianao no Zanaky ny Ray,\nKa mendrika haja, saotra koa !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fanahy Masina ô, avia,\nSasao ho voadio izahay,\nHanoa sy hanara-dia\nIlay Mpamonjy Tomponay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Anao ny voninahitra\nSy dera tsy mitsahatra,\nRy Telo Izay Iray, Tsitoha\nRay, Zanaka, Fanahy koa !","type":"verse"}],"id":"ffpm_169"},"ffpm_170":{"num":"170","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ny fitiavanao\nNo ifalianay\nFa voavono Hianao\nHisolo voina anay,\nMba raisonao re\nNy saotra aterinay izao,\nHo fanajana\nAnao, Mpamonjy tia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mahery ny fitiavanao,\nKa itokianay ;\nIzay mikamabana Aminao\nDia tsy hangaihay,\nMba raisonao re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ambony ny fitiavanao,\nKa tsy mba takatray ;\nKanefa noho ny herinao,\nHiezaka izahay,\nMba raisonao re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hiezaka izahay, Jeso !\nKa mba ho tia Anao,\nKa tsy hatahotra eso koa,\nNoho ny Aminao !\nMba raisonao re, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_170"},"ffpm_171":{"num":"171","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso, Mpanjaka Malaza,\nNo Tompo Mpanjakanay ;\nMahery sy tsara indrindra,\nKa Izy no Aronay.\nMendrika hankalazaina\nNoho ny heriny ;\nEran-tany sy lanitra koa\nNy zo aman-dazany :\nRy Tompo, Mpanjaka\nMahery ô ! Mihainoa !\nAvy manaiky tokoa  izahay\nFa Tompon’ny hery rehetra\nHianao,\nTsy misy mihitsy ny toa Anao\nTsy tratry ny saina ny herinao\nNy fiderana izay entinay,\nRaiso re ! Raiso re !\nNy haja  atolotra  Anao etý.\nRaiso izao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tompo, Mpandahatra hendry,\nMpanao izao rehetra izao,\nNy zara sy tendry ataony\nDia tsara sy mahasoa ;\nMendrika ny hoderaina\nNy fandaharany ;\nAtolory ho Azy ny saotra,\nFa Izy tandrifin’io :\nRy Tompo, Mpanjaka ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tompo, Mpanjaka Tsitoha,\nKanefa be indrafo ;\nDeraina eram-po eran-tsaina,\nDeraina mandrakizay ;\nHe ! ny mpanompo voavonjy,\nSamy mihoby hoe :\n“ Haleloia, ho amin’ny Avo,\nFa Jeso no Tomponay ! ”\nRy Tompo, Mpanjaka ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_171"},"ffpm_172":{"num":"172","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hoderaiko lalandava\nJeso Ilay Mpanavotro\nNoho ny fitiavana ahy,\nMaty mba ho soloko,\nHoderaiko, hoderaiko,\nFa ny rany masina\nNentiny hanavotra  ahy\nAfaka ny heloko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Holazaiko lalandava\nNy tantara mamiko,\nIzay nitadiavana ahy,\nVery noho ny heloko :\nHoderaiko, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hohiraiko lalandava\n‘Zao ny voninahiny\nFa ny fahafatesana aza,\nResy noho ny heriny ;\nHoderaiko, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_172"},"ffpm_173":{"num":"173","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hosana ! Hosana !\nHosana !\nHosana no asandratray\nHo an’i Jesosy\nFa Izy no Mpanjakanay\nSy Tompo tia koa ;\nHosana no atolotray\nAnao, ry Tomponay !\nIty no andro Jobily,\nJobily, Jobily, Jobily,\nIty no andro Jobily,\nKa hifalianay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hosana ! (in-3) *\nHosana ho Anao anie,\nRy Kristy Tomponay !\nFa avy Hianao tokoa\nHanjaka aminay !\nHosana no atolotray, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hosana ! (in-3) *\nHosana ! fa ho sambatra\nIzay mpanomponao ;\nTsy hisy fahoriana\nEtý an-taninao !\nHosana no atolotray, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hosana ! (in-3) *\nHosana ! fa miomana\n‘Zahay vahoakao\nHitsena Anao Mpanjakanay\nRaha  avy Hianao !\nHosana no atolotray, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Hosana ! (in-3) *\nHosana ! raisonao tokoa,\nRy Tompo tianay,\nNy dera, laza, saotra koa,\nIzay aterinay !\nHosana no atolotray, ..sns.\n\n*Ho an’ny feo (1) ihany\n\nNY FANAHY MASINA","type":"verse"}],"id":"ffpm_173"},"ffpm_174":{"num":"174","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fanahy Masina ô !\nNy hevitray izao\nOvay ho vao ;\nVonoy ny otanay,\nDiovinao izahay,\nKa ny fanahinay\nOnenonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fanahy Masina ô !\nTsinjovinao izao\nNy olonao ;\nMpananatra ô ! ovay\nNy eritreritray ;\nNy hadisoanay\nEsorinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fanahy hendry ô !\nJereo izahay izao,\nKa hazavao !\nAdala izahay,\nMania ny hevitray ;\nDia atoroy anay\nNy lalanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fanahy Masina ô !\nMba asehoy izao\nNy antranao ;\nBe tahotra izahay,\nHenoy ny hatakay,\nKa ny fanahinay\nOnoninao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_174"},"ffpm_175":{"num":"175","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, Fanahy ô,\nFanahy Masina ô !\nMidina eto aminay\nHitari-dàlana !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa diso làlana\nKa ory izahay ;\nNy sainay dia maizina,\nNy fonay ratsy koa","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Midina Hianao,\nRy Mpanazva anay,\nHanaisotra ny maizina,\nAtý anatinay !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Avia, Mpananatra ô !\nMombà anay tokoa ;\nAmpahatsiarovinao\nNy teny mahasoa.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Mpampianatra  ô !\nAmpionao izahay,\nKa aoka re ho marina\nIzay ianaranay !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mitomoera atý\nAnatin’ny fonay ;\nIzany indrindra, ry Tompo,\nNo angatahinay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_175"},"ffpm_176":{"num":"176","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, Fanahy Masina ô !\nMidina eto aminay ;\nFenoy ny hasoavanao\nNy fonay noforoninao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tongava, ry Mpananatra ô !\nNomen ‘Andriamanitra\nHo loharano velona\nHiboiboika ao am-po.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Sokafy ny fanahinay\nHidiram-pitiavana ;\nNy tenanay malemy koa,\nAmpaherezonao anie !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Reseo ny fahavalonay ;\nOnòny koa ny tahotray ;\nTantano ao an-dalana\nHahatraranay ny lanitra !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tahio mba hitiavanay\nNy Ray sy Jeso Zanany\nSy hitokianay Anao\nIzay Fanahy Masina !","type":"verse"}],"id":"ffpm_176"},"ffpm_177":{"num":"177","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Fanahy Mpanazava !\nMitariha anay izao !\nHianaranay ny teny\n‘Zay nampanoratinao !\n:,: Dia hifaly :,:\nIzahay tarihinao ! (in-2)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Fanahy Mpanazava !\nMaminay ny anatrao,\nFa matanjaka sy hendry\n‘Zay ampianarinao !\n:,: Hatanjaho :,:\nIzahay mpianatrao ! (in-2)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Fanahy Mpanazava !\nAoka tsy hangia anay\nNy angano sy tantara\n‘Zay hamily dia anay !\n:,: Mba sakano :,:\nTsy handavanay Anao ! (in-2)","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Fanahy Mpanazava !\nNy Baiboly taminao\nDia fanilo sady toky\nHanatonanay Anao !\n:,: Mba tsilovy :,:\n‘Zay miankina Aminao (in-2)","type":"verse"}],"id":"ffpm_177"},"ffpm_178":{"num":"178","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, Fanahy ô !\nMidina Hianao\nHanova ny fo vatonay,\nHo tonga fo vaovao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izay afafinay,\nTondrahan-drano koa,\nTsy mety misy vokatra\nRaha tsy ambininao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fenoy ny herinao\nNy fon’ny olona,\nHamelona finoana\nSy fitiavana !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fanahy Masina ô !\nTahio ny asa atao,\nAmpandrosoy am-po\nNy hasoavanao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_178"},"ffpm_179":{"num":"179","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny Fanahy Masina efa tonga\ntokoa,\nMba homba ny mpitory Teny\nmahasoa.\nKoa mitsangàna izao,\nandeha ry mahery fo,\nHatramin’ny faran’ny tany,\nTorio ny Teny soa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Voasaron’aizim-pito ny\nNosinao ;\nNy ody sy ny sampy no\nnotompoiny tao ;\nNy fahazarana koa, nangeja\nmafy tokoa,\nKanefa tonga ny mazava :\nResy ny aizina ao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry fanahy voatafy hery,\nny Tompo anie\nKa efa miandry anao,\ninjay miteny hoe :\n« Angony, eny antsoy,\nhanatona avokoa\nNy firenena eran-tany,\nHo mpianatro tokoa  ! »","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tompo tia ô, ekeko ny\nantsonao ;\nHafoiko ny hareko,\nny tenako izao,\nHo vavolombelona, hijoro,\nhanafaka,\nHitory sy hamafy koa ;\nTafio ny herinao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_179"},"ffpm_180":{"num":"180","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny Tompo, raha vao nanao\nVeloma ny tatý,\nNamela ny Mpananatra\nHo arony.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Dia tonga Izy hanome\nNy hery mahasoa,\nDia hery fanadiovana\nNy fo tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Malemy ny fibitsiny,\nKanefa mora re,\nMahazo fiononana\nIzay mandre.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsinjovy, ry Fanahy ô !\nKa iantrao izahay ;\nAmboary ho tempolinao\nNy tenanay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_180"},"ffpm_181":{"num":"181","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fanahy Mpanazava,\nNy foko hazavao\nManiry lalandava\nNy Pentekositrao.\nNy aizina ao am-poko,\nFongary re ho lao ;\nNy foko mitoloko,\nManiry indrindra Anao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fanahy Mpanadio,\nNy foko mba sasao.\nDiovy re anio\nHo tena lapanao ;\nNy hevitray misoko\nIzay te-handroaka Anao,\nDia ota te-hijoko,\nEsory sy fafao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fanahy Mpampahery\nIzay rerakao sy voa,\nNy foko re dia tery\nHiantoraka Aminao.\nIzay mandrebireby,\nRoahy re izao,\nNy fo mitebiteby,\nHiondana Aminao !\nAmen.","type":"verse"}],"id":"ffpm_181"},"ffpm_182":{"num":"182","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny Pentekosta tonga  izao ;\nFanahy ô, ny jironao\nVelomy ao anatiko\nHahafantarako ny to.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ampisehoy, Fanahy ô\nFa Jeso no fiainako,\nKa Izy dia làlana\nHo amin’ny fiainana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia mba tarihonao ny fo\nTohano ny fanahiko ;\nAmpio ny finoako\nHahita ny Mpanavotro.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa Hianao, Fanahy ô !\nHanova ny fanahiko,\nKa raiso sy diovinao\nNy foko ho fonenanao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny hazo-fijaliana,\nAnjara hivesarana,\nFa Hianao, ry Heriko,\nMba miaraha amiko.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mba asehoy ho fantatra\nNy soa tsy ho tapitra,\nNy satro-boninahitra\nHomen’Andriamanitra.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"O, ry Fanahy Masina ô !\nAmpaherezonao ny fo,\nKa hazavao ny lalako,\nRaha  avy ny hodiako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_182"},"ffpm_183":{"num":"183","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Midina, ry Fanahy ô !\nMidira ao anaty fo,\nAmpio ny mihafy,\nFa Hianao no Mpanome\nNy to sy fahazavana be ;\nNy vavanay sokafy\nIzao, hanao\nSaotra tsara, hanambara\nNy Mpamonjy,\nFa satria voavonjy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka raha re ny teninao,\nDia mba avia, hazavao\nNy hevitry ny teny ;\nMba ambarao aminay\nNy fomban’ny Mpanavotray,\nLazao ny famonjeny,\nIzahay, izay\nVory eto, andreheto\nJiron’aina,\nHialan’ny aizin-tsaina !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny maizina onenanay,\nTsy mety afaka aminay,\nKa tena mahavery,\nRaha Hianao tsy tonga izao\nMitondra filazam-baovao\nSy toky mampahery ;\nOvay izahay,\nHamasino ny te-hino\nAmpidiro\nEto aminay ny jiro.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba hafanao re izahay,\nAmpio hitiavanay\nIndrindra ny Mpamonjy,\nNy rany mba ho avotray,\nNy didiny harahinay,\nHananay ny vonjy,\nJeso, Jeso\nNo torio sy bitsiho\nAo an-tsainay,\nMba hamelona ny ainay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_183"},"ffpm_184":{"num":"184","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Fanahy Mpanazava anay !\nMidina eto aminay,\nTarihonao ny sainay ;\nNy alahelonay savao,\nNy toetray havaozinao,\nVelomy re ny ainay !\nSento renao\nMba valio, ka tahio\nNy mahantra,\nRy Fanahin’ny Mpiantra !","type":"verse"}],"id":"ffpm_184"},"ffpm_185":{"num":"185","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! ry Fanahin’ny Ray ao\nambony\nAndriamanitra mandrakizay,\nAza avela hisaraka intsony\nNy olo-mino, fa aoka hiray ;\nTaomy ho an’i Jesosy\nMpamonjy\nNy mbola maizina ka hazavao,\nHahafantarany tsar any vonjy,\nDia ho faly ny mino Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O ! ry Mpiantoka ny\nfamonjena,\nAzo ny antoka tsara izao ;\nTonga ny iraka be fahendrena\nMba hanambara ny sitraponao,\nKa ny lelafo noraisin’ny mino\nSy ny fiteniny tonga vaovao\nDia nahagaga, ka tena\nnampino\nOlona maro hanaraka Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpampionona ô ! mba\nsitrano\nFa voaratran’ny ota izahay ;\nKa izay ory mba ampiadano,\nNy malahelo falio indray !\nO, mba ovaonao tokoa ny\nsainay,\nTaomy ka ampahareto ny fo ;\nKa raha ory, arovy ny ainay,\nMba tsy hafoinay intsony\nny to !","type":"verse"}],"id":"ffpm_185"},"ffpm_186":{"num":"186","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fanahy, Mpanavao anay,\nSimban’ny ota izahay,\nKa amboaronao indray,\nHavaozy ny fanahinay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Avia, ry Afo masina,\nNy ratsy aoka ho levona ;\nRy Loharano velona,\nTondrahonao ny efitra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny lohataonanao anie\nMba hampaniry soa be\nSy hampamony ho Anao\nIzao tany karankaina izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny efitra sy tany lao\nHihoby sy hidera Anao,\nFa olom-potsy no ho ao ;\nMpanompo teo fa afakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry lohataona maminay !\nMidina faingana aminay,\nFanahy Mpanavao anay,\nNiandry ela izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_186"},"ffpm_187":{"num":"187","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny lanitra sokafinao,\nMidìna, ry Mahery !\nAmpisehoy ny sandrinao,\nRy Tompo manan-kery !\nHe! manakora izao\nNy fahavalonao,\nKa maro no mandà\nNy afo masina\nNarehitrao, ry Jeso.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O, ry Mpitia olona,\nMpanjaka voahombo !\nNy teninao dia velona,\nMahery sy mitombo ;\nAmpahafantaronao\nIzao tontolo izao,\nFa tsy mba foana\nNy ranao masina\nNalatsakao fahiny.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba ampiraiso hina re\nNy olom-boafidy,\nKa akambano mafy e,\nFa lova sarobidy,\nNy fitiavana\nMadio sy marina\nNo aoka hanavao\nNy fiangonanao,\nHandraisanao ny dera.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny Nosinay, ny tranonay,\nNy vava aman-tsainay,\nDia samy mba havaozinao,\nRy fototry ny ainay !\nAmpiononinao\nNy manina Anao !\nAvia, ka mamonje,\nAvia, mampandrese\nNy olonao mahantra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_187"},"ffpm_188":{"num":"188","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Fanahin’aina,\nMpanazava saina,\nMpampionom-po !\nO, mba akekezo\nIreto miambezo\nHamindranao fo !\nHazavao\nNy olonao,\nMba handraisanay tokoa\nFanomezan-tsoa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba ampivavaho,\nHafanao re aho\nHanakalaza Anao !\nHataka sy sento\nAsandrato, ento,\nKa valionao !\nAnehoy\nSy ampinoy\nNy famindrampo mamonjy\nIzay te-ho tra-bonjy !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! mba amosahy\nFahazavam-panahy\nNy fisainanay,\nKa ny tarafo,\nAndreheto afo,\nNy fanahinay,\nKa ombay\nRe izahay,\nRaha  antsoinao hanambara\nNy Filazantsara !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O ! ry Andon’aina !\nTany karankaina\nMba vontosinao !\nDia ho vanom-boa,\nHahavoka-tsoa\nRe ny volinao !\nIndrafo\nSy teny to\nNo harena antenaina\nHanavao ny aina.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"O ! mba areheto\nSy ampahareto\nNy finoanay !\nIzahay afaho,\nAmpahatanjaho\nNy fanahinay !\nTompo ô !\nMiraiki-po\nAminao ny olom-bery\nTonga manan-kery.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha mitoloko,o\nTano re ny foko\nTsy handao Anao,\nKa tsilovy dia,\nTsy haniasia,\nHahatody ao\nAminao\nNy Zanakao\nAo ny lova andrandraina\nFahasambaran’aina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_188"},"ffpm_189":{"num":"189","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Fanahy Masina ô !\nMba midira ao anaty fo !\nTaomy ny mania\nHody avokoa ;\nEny, mitahia,\nManomeza soa,\nMiantrà, ry Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O, ry Mazava lehibe,\nHazavao ny teny izay ho re !\nAsehoy Jesosy,\nAmbarao ny vonjy ;\nIasao ny Nosy\nMba ho voavonjy.\nMiantrà, ry Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Afom-pitiavana ô !\nMba levoninao ny lolompo,\nAmpiraiso dia\nIreto ondry vitsy\nMba hifankatia\nHo iray mihitsy.\nMiantrà, ry Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Mpampifaly tsara ô !\nMba omeo toky re ny fo,\nMba hanantenanay\nFa ho voavonjy,\nAry handresenay\nNoho ny Mpamonjy.\nMiantrà, ry Tompo ô !\n\nNY TELO IZAY IRAY","type":"verse"}],"id":"ffpm_189"},"ffpm_190":{"num":"190","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Fanahy Mpanazava !\nMiandrandra Anao izahay !\nAza ela, fa tongava,\nTaomy ny fanahinay,\nMba ho fantatray mazava\nIzay lazain’ny teninao ;\nAreheto lalandava\nAo am-po ny afonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jesosy ! mitenena\nAraka ny fombanao,\nAminay izay manantena\nMba handre ny teninao ;\nFo marary sy manahy\nMba tsaboy sy iantrao ;\nNy te-hino fa tsy sahy,\nAnehoy ny holatrao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Rainay, Mpanome ny soa,\nMba henoy ny hatakay\nKa ny tananao tsy toha\nIarovinao anay ;\nNy tanora mba tahio,\nNy vaventy hafanao,\nMba ho hitanay anio\nFa atý ny tenanao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_190"},"ffpm_191":{"num":"191","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teny sy Fanahinao,\nRy Ray, mba avelao\nHandroso tsara, hanavao\nIzao tontolo izao.\nMitombo, mihabe\nNy ratsy izao, odrey !\nFa vitsy ny mpanomponao\nIzay ifalianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Vonjeo, ry Jesosy ô !\nNy Fiangonanao,\nFa misy marobe izao\nIzay mody  olonao,\nAnefa tsy manao\nIzay tena sitrakao.\nO, ry Mpanjaka lehibe !\nMba mamonje anie.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fanahy ô ! mba raisonao\nIzay vavakay izao ;\nNy fonay mba havaozinao,\nNy maso hazavao,\nHahafantaranay \nIzay alehanay,\nMba hamoazanay izao\nIzay voa tianao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_191"},"ffpm_192":{"num":"192","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andriananahary, Aba, Ray,\nIzay ianteheranay,\nMba raiso re ny vavakay ;\nEsory sy vonoy ny helokay,\nVonjeo re, izahay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso Zanak’Andriamanitra,\nMpitarika ho an-danitra\nMpanolo-tsaina marina,\nMpamonjy tia ka nolavina,\nVonjeo re, izahay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpampionona\nmandrakizay,\nAmpiomano izahay\nHandray ny famindramponao,\nNdrao very amin’otanay\nizahay,\nVonjeo re, izahay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_192"},"ffpm_193":{"num":"193","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tahio re, ny teninao\nAnkalazao ny Zanakao,\nIzay nasandratrao ry Ray,\nHo kiady sy ho aronay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso ô ! Mpanjakanay,\nAmpandreseo izahay ;\nHo menatra ny rafinao,\nRaha hitany ny herinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpampionona anay,\nAmpikambano ho iray\nNy sampam-piangonana,\nHiray am-pitiavana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_193"},"ffpm_194":{"num":"194","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andriananahary ô, endrey ny\nvoninahitrao !\nNy tany sy ny lanitra \nmamelatra ny lazanao,\nNy asanao rehetra e,\nny famonjena lehibe,\nMitari-dàlana anay hidera ny\nAnaranao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Zanakondry masina,\nJesosy Izay Isaoranay !\nHe, Hianao niantra anay, ka\nnentinao ny otanay,\nNy menarana resinao,\nny fasana vinakinao,\nKa Hianao nanokatra ny\nlanitra hidiranay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, ry Fanahy Masina,\nIzay mitarika anay\nHanetry tena sy hanaiky fa\nmpanota izahay,\nMitaona sy mananatra anay\nhandray ny avotra,\nKa manamasina anay, mba\nraiso ny fisaoranay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny voavonjy mbamin’ny\nanjely mankasitraka,\nNy tany sy ny lanitra \nmikambana hanandratra\nAnao, ry Ray sy Zanaka,\nAnao Fanahy Masina,\nIzay maneho famonjena\nfeno fitiavana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_194"},"ffpm_195":{"num":"195","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andriamanitra Ray\nloharanon’ny aina,\nMasina, masina re, Hianao ka\nderaina\nFa manome fahasoavana be,\nSoa tsy tratrin’ny saina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O, ry Jesosy Mpamonjy,\nMpanjaka mahery,\nTonga tatý mba hampody ny\nzanaka very,\nRaiso izao ny fiderana Anao,\nSaotra aman-daza sy hery.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpampionona ô,\nMpanazava ny sainay,\nMba ampinoy izahay, ka\nhavaozy ny ainay,\nMba hazavao ny manantena\nAnao ;\nRaiso ny hira hirainay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_195"},"ffpm_196":{"num":"196","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Rainay ao an-danitra ô,\nIzay mendrika hoderaina,\nMahery sy be indrafo,\nTsy takatry ny saina,\nIzahay dia tonga zanakao,\nKa faly manana Anao :\nMihoby sy miravo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izahay miondrika Aminao,\nMidera Anao tokoa,\nFa be ny fitiavanao,\nRy Ray mpanisy soa ;\nAnao izao rehetra izao,\nHo vitanao izay tianao,\nAndriananahary.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jeso Kristy Tomponay\nMpanjaka manan-kery,\nIzay any ankavanan-dRay,\nMpanavotra ny very,\nHe, any no ifonanao\nHo an’izay navotanao,\nFa resinao ny ota.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny ranao no nalatsakao,\nFanati-tsaro-bidy !\nNy ainao ho atohanao\nNy olonao mpiady.\nNa atý na ao an-danitra\nJesosy Kristy tokana\nHo avotra sy vonjy.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Mpampianatra mahay\nFanahy Mpanazava,\nAmpianaro izahay\nHandroso lalandava,\nTariho ny fanahinay,\nHonenanay rahatrizay\nArý an-danitra Amen !","type":"verse"}],"id":"ffpm_196"},"ffpm_197":{"num":"197","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Haleloia, deraina\nAndriamanitray,\nMpanjaka fototr’aina,\nMpikarakara  anay,\nNy zava-boahary\nDia eo an-tananao,\nKa tena lavorary\nNy fandaharanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Haleloia, deraina\nHianao, Mpamonjinay\nNijaly, noratraina,\nKa maty solonay,\nAnefa naharesy\nNy fahavalonay,\nNatsangana handresy\nMba ho fiainanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Haleloia, deraina\nHianao, Fanahy ô !\nNy herinao ny aina\nHamelona tokoa ;\nHianao mikarakara\nNy fiangonanao,\nManova, manatsara\nIzao tontolo izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Haleloia, deraina\nNy Telo Izay Iray !\nHobina sy hiraina,\nFa Andriamanitray,\nHe, Tompo foto-tsoa\nIainanay atý,\nFa ho izany koa\nMandrakizay doria.","type":"verse"}],"id":"ffpm_197"},"ffpm_198":{"num":"198","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Isaoranay Jehovah,\nFa Tompo lehibe,\nIzay tsy mba manova,\nNy famindramponao.\nMiorina aminay izao\nNy fiangona-masinao ;\nTorina aminay\nNy teny mampiray,\nKa ravoravo izao\nIzahay miderà Anao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Derao Jesosy Tompo,\nIzay Mpamonjinao,\nHiraonao re, ry foko,\nNy fitiavany.\nHaleloia ! haleloia !\nHaleloia ! haleloia !\nJesosy avotray\nDia Zanaky ny Ray\nNy ainy no voaray,\nHisolo helokay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Derainay, ry Fanahy,\nIzao ny asanao,\nTsy misy mampanahy,\nIzay tarihinao,\nKa anjakao re, ny fonay,\nArovy ny fiangonanay,\nVelomy izahay,\nAtaovinao mahay\nManoka-po izao\nHandray ny aim-baovao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_198"},"ffpm_199":{"num":"199","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaora ! misaora an’i\nJehovah,\nRy olona atý an-tany ô !\nFa lehibe ny indrafony\nKa maharitra mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Misaora ! misaora an’i Jesosy,\nRy olona atý an-tany ô !\nFa vitany ny famonjena,\nKa misokatra ny lanitra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Misaora ! misaora re ny\nFanahy,\nRy olona atý an-tany ô !\nFa fahazavana no omeny\nAry fanavaozana am-po.","type":"verse"}],"id":"ffpm_199"},"ffpm_200":{"num":"200","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Rainay ô Masina !\nTompon’ny lanitra,\nIzay tia anay ;\nKiady sy mandanay\nHo fiarovana,\nIzay hitokianay\nMandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso ô, Tomponay !\nLalana marina\nAmin’ny Ray !\nFahamarinana\nAry fiainana\nAzonay aminao\nRy Tomponay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fanahy Masina ô !\nIrak’i Jesosy\nTonga etý ;\nManazavà anay\nAmin’ny maizina ;\nNy hevi-dratsinay\nEsorinao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Andriamanitra ô !\nTelo fa tokana,\nTompo iray ;\nAza mandao anay,\nOry sy reraka\nNoho ny heloka\nIzay momba anay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Aza tsaroanao\nNy hadisoanay,\nRy Tompo ô !\nFa mamelà anay,\nNoho ny Zanakao\nKa manomeza anay\nNy fo madio.","type":"verse"}],"id":"ffpm_200"},"ffpm_201":{"num":"201","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Midina, Tomponay !\nAmpionao izahay\nHidera  Anao ;\nRay soa tia  anay,\nHery sy Tanjakay,\nIzay hotompoinay\nMandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Avia, Jeso ô !\nReseo ny rafinay\nHo lovanao ;\nArovy izahay\nAmin’ny herinao ;\nNy fitarainanay\nHenoinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fanahy Masina ô !\nTariho izahay\nHanaiky izao ;\nMahery Hianao,\nNy fonay anjakao,\nAza ilaozanao\nMpananatra ô !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Telo izay Iray !\nDera mandrakizay\nOmena Anao ;\nNy voninahitrao\nAoka ho hitanay,\nKa raisonao izahay,\nHo Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_201"},"ffpm_202":{"num":"202","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Ray malala ô !\nMba raisonao\nNy haja entiko\nHidera Anao.\nNy fitiavanao\nNo maiko izao\nIzaho dia Anao,\nRy Raiko ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso tia  ô !\nMpanavotra,\nTa-hankalaza Anao\nNy vavako ;\nNy avo-dehibe\nManafaka  ahy e !\nIzaho dia  Anao,\nRy Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fanahy Masina ô !\nMpananatra,\nMahiratra tokoa\nNy masoko,\nMazava re izao\nNy lalako hankao ;\nHe ! fifaliam-be\nNo ahy izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_202"},"ffpm_203":{"num":"203","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Rainay be fitia,\nMpamelona anay !\nTariho tsy hania,\nHazoninao izahay ;\nFa be ny fahavalo\nMitady ny ainay,\nMamely tsy mimalo\nIlay ratsy hatrizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Zokinay malala !\nRy Jeso havanay !\nToroy mba hahalala\nNy mety izahay ;\nNy miaraka  Aminao re,\nRy Jeso Tompo ô !\nNo mahasoa ny saina,\nNy fo, fanahy koa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fanahy Mpanazava\nSy Mpanadio ny fo !\nTomoera lalandava,\nMonena ao am-po ;\nKoa dia ampidino\nNy hasoavanao,\nOvay sy hamasino\nNy toetray izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompo be fiantra !\nRy Telo izay Iray !\nNy tananao miantra,\nAtsory aminay ;\nRehefa tapitra andro\nKa hody izahay,\nMba raiso re, ry Tompo\nMba raiso izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_203"},"ffpm_204":{"num":"204","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mamy ny fitianao,\nRy Jehovah Tompo ô !\nNahafoy ny Zanakao\nHanavotanao anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mamy ny antranao,\nRy Jeso Mpamonjy ô !\nTa-hamonjy Hianao\nSy hanafa-keloka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamy ny fitaomanao,\nRy Fanahy Masina ô !\nNy Fanahinay ovay\nHankatò ny anatrao.\n\nNY SORATRA MASINA,\nTENIN’ADRIAMANITRA","type":"verse"}],"id":"ffpm_204"},"ffpm_205":{"num":"205","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teninao rehetra,\nRy Tompo tia  anay !\nNo tsy mba manam-petra,\nFa tò mandrakizay ;\nHo levona avokoa\nIzao rehetra izao,\nHaharitra tokoa\nIzao teninao izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny tenin’ny Baiboly\nNo sambatra entinay\nHandresy ny devoly,\nIlay fahavalonay ;\nRaha misy mampahory,\nKa osa izahay,\nNy teninao mahery\nManjary tanjakay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa teny mamy koa\nHo an’ny mpakatò\nKa loharano soa\nMiboika ao am-po,\nHo fanomezan-toky\nNy azon’ny manjo,\nSy hani-mahavoky\nMamelona ny fo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa teny mampisava\nNy aizim-be atý,\nFanilo manazava\nNy dia ho arý ;\nManolo-pahendrena,\nMananatra ny fo,\nMilaza famonjena\nSy lova tsy ho lo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_205"},"ffpm_206":{"num":"206","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teny masinao,\nJehovah Tompo ô !\nNampanoratinao\nIreo mpanomponao,\nDia tiako ka tanako,\nHo lova sy fananako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny teny masinao,\nIzay noteneninao\nMilaza amiko\nNy hasoavanao ;\nIzay harena atolotrao\nHo entiko hidera Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny teny masinao,\nAndriamanitra ô !\nManeho ny fitia\nNataon’ny Zanakao,\nIzay maty tany Kalvary,\nHamonjy ny mpanota etý.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny teny masinao,\nNo mampianatra\nNy saiko tsy mahay\nMba hahafantatra\nNy zavatra miafina\nIzay momba ny hasoavanao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny teny masinao,\nDia  tsy mba mety lo ;\nIzay ambarany\nTsy misy tsy ho to.\nNa levona aza ka tsy ao\nIzao rehetra àry ‘zao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_206"},"ffpm_207":{"num":"207","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Mamy ny teninao,\nJehovah Masina !\nSy to ny teninao\nTsy azo ovana :\nNy lanitra ho levona,\nFa tsy simba ny teninao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Madio ny teninao,\nKa tsara indrindra,\nDia fahendrena\nHo an’ny adala :\nMahafaka ny maizina\nKa mitondra ny mazava.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Soa ny teninao,\nMahatsara ny fo,\nFa ao no hitanay\nMisy Mpanavotra ;\nJeso, Loharanon’aina,\nMahasasa ny meloka.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Irin’ny foko koa\nNy teny masina\nNoho ny harena\nNa fananana be :\nNy teninao no tanako\nHo lovako mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_207"},"ffpm_208":{"num":"208","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teny masinao\nTorina hatrizao ;\nMaharitra tsy lo,\nMamabo izany fo,\nFa marina ka tianay\nHiainana mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny teny masinao\nMitondra herivao,\nMandrava ny manjo\nIreo izay ory fo ;\nKa mendrika ho tanana\nAnaty, ho fananana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny teny masinao\nDia tsy mba mankaleo ;\nFa hery velona\nMamelombelona ;\nKa satrinay ho re indray\nRy Andriananaharinay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny teny masinao\nNo feo manorina ;\nNy teny masinao,\nNo feo manarina\nKa tianay hanenika\nNy tany sy ny lanitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_208"},"ffpm_209":{"num":"209","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy tena kiady\nSy reharehanay,\nNamoha vavahady,\nNy Tanindrazanay ;\nNampiditra ny teny\nHampahalala  anay\nNy Ray, ny fahendreny,\nMba hianaranay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na betsaka mifofo\nNy Baibolinay,\nMihaza sy milofo\nMoa ketraka  izahay ?\nJesosy no Mpiaro\nKa moa ho kivy ve ?\nVao mainka mihamaro\nNy mpankasitraka e !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mbola Izy no Filoha\nMpitarika anay,\nHitory ka hamoha\nIreo namanay :\nVahoaka an-tapitrisa\nNo mbola hasondrotray,\nHahita Paradisa\nHo zanaky ny Ray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso, hatanjaho\nNy fiangonana,\nHijoro, ho  tena taho\nMamoa mandrakizay.\nHianao anie no sandry\nIzay tena tanjakay,\nNo sady hany andry\nIzay hijoroanay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jesosy soa malala !\nTsy foinay Hianao,\nNy fonay dia handala\nIty lova taminao.\nFanahy ravoravo\nNoho ny teninao,\nRy Zanaky ny Avo,\nIzao misaotra Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_209"},"ffpm_210":{"num":"210","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao\nTompo Andriamanitra ô !\nTeny mahasoa, aina, hery koa\nMba ho an’izay manoa.\nSoa tsy manam-paharoa ny\nfitsipikao\nIravoanay, fa harena be\nSarobidy, tsy afoy, izany\ndidinao,\nFamonjena ho an’izay\nmandre.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maizina izahay, kely fantatray\nNefa ao ny teninao :\nJiro sy fanilon’ny tongotray,\nHankanesana  Aminao.\nSoa tsy manam-paharoa ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha alaim-panahy itony \nzanakao\nIndro, ao ny teninao,\nSabatry ny fo, hanoheranay\nIlay ratsy hatrizay,\nSoa tsy manam-paharoa ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fifalianay, odi-tahotray\nNy Baiboly taminao :\nAvy ny manjo, nefa kosa, Ray\nAo tokoa ny tavanao\nIravonay ..sns.\nSoa tsy manam-paharoa ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Jesosy ô Mpampianatray !\nMaminay ny teninao ;\nTaomy izahay, mba \nhahaizanay\nHankatò ny didinao.\nSoa tsy manam-paharoa ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_210"},"ffpm_211":{"num":"211","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ilay Boky izay nodorana\nDia may, nefa tsy levona ;\nIzay natao ho lavenona,\nLasa vato fanorenana ;\nNoheverina ho foana,\nKanjo mainka koa velona ;\nIlay nafenina, nalevina\nNo nisandratra, nivelatra !\nIza moa no hahasakana\nEny, iza no hanohitra\nIlay teny voasoratra,\nDia ny tenin’Andriamanitra ?\nIzao rehetra izao ho levona\nFa ny Teny dia haharitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Rasalama nolefonina\nNisy hafa koa nodorana\nHantsana no namarinana,\nTora-bato: fahafatesana\nDia tao ireo nampinomina,\nNoterena mba hiozona :\nMoa izany nampivadika\nKristiana be finoana ?\nValin-teny voasoratra\nNentiny nandresy lahatra\nFeo tony, tava mirana,\nFeno hery, hasambarana :\n« Tsy mba misy atahorako\nAfa-tsy  Hianao, \nry Tompoko ».","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ilay teny masina sy to\nManambara ny Mpamonjiko,\nTena saro-bidy ao am-po,\nKa vakiko sy ianako.\nFifaliako, fiarovako,\nFahazavana ao an-dalako ;\nKoa tanako ho lovako \nSy isaorako ny Tompoko,\nMaty aho, nefa velona\nFa Kristy no ahavelomako,\nMaty Izy, nohomboana,\nNoho  ny fahotana vitako\nNefa Izy dia natsangana,\nSantatry ny hitsanganako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_211"},"ffpm_212":{"num":"212","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Velona sy mahery\nNy tenin’Andriamanitra,\nKa na dorana aza\nDia tsy ho levona ;\nNy Sekoly Alahady\nDia mivelona aminy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Sabatra roa lela\nMaranitra, manindrona,\nMampisaraka aina\nSy fanahy, tonona ;\nFantany avokoa \nNy am-po miafina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hotsaraina isika,\nKa ilay teny velona\nNo hanavaka antsika\nAry koa hanavotra,\nKoa  minoa ny teny,\nTeny fahasoavana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_212"},"ffpm_213":{"num":"213","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry fanahy mangetaheta,\nMila fitsaharana ;\nAza kivy, mahareta,\nSentonao hifarana !\nFa ny tenin'i Jehovah,\nSoa mangarangarana ;\nLoharano tsy miova,\nAo no hasambarana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry tontolo mila vonjy,\nTe ho afa-patotra,\nAo ny tenin'ny Mpamonjy\nDia  Kristy Mpanavotra !\nTeny velona sy mamy,\nFeno fananarana ;\nHotorina eran-tany \nFa fampihavanana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpanjakan'ny mpanjaka,\nAo, tendreo ny lelako\nMba hitory sy hizaka,\nHampandre ny havako,\nDia  tahio ny Teny reny\nTsy ho very hasina,\nKa hamoy zato heny\nNy Baiboly masina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_213"},"ffpm_214":{"num":"214","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Finaritra ry Tompo ô !\nNy mankafý ny teninao\nSy mankatò ny didy.\nNy helony esorinao,\nNy sainy hohavaozinao,\nKa afaka hifidy\nNy lova sarobidy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny teninao no rakitra\nSy tokin'ny mpandefitra,\nFa teny manan-kery ;\nHe ! ao dia voasoratra\nNy Aminao Mpanavotra,\nFa Hianao irery\nNy avotry ny very.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny teninao no vatsinay\nManohana ny dianay,\nSakafo mahasoa \nSy ampy hivelomanay,\nKa ao am-parany indray\nHo azonay tokoa\nNy lovan'ny mpanoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_214"},"ffpm_215":{"num":"215","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teny masina sy to\nNampilazainao, Tompo ô !\nNo manan-kery mahavoa\nNy fahavalonao tokoa,\nKa dia itokianay\nNa aiza no alehanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mitaona ny fanahinay\nNy teninao, Mpanavotray,\nMananatra sy manambara\nNy ratsy ary koa ny tsara ;\nMpilaza mahafatra-po\nNy teninao ry Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny teninao no sabatray\nSy mpampionona anay ;\nNy teninao no mofon'aina\nSy mpanazava fo sy saina ;\nMpiaro sady tanjakay\nNy teninao, ry Tomponay !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ampinganay ny teninao\nAo amin'izao tontolo izao,\nKa raha levona ny tany,\nNy teny mbola ao ihany,\nDia izy iankinanay\nHo antoky ny avotray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_215"},"ffpm_216":{"num":"216","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teninao ry Tompo ô,\nDia  ranon'aina soa, \nIzay mahalonaka ny fo\nMangetana tokoa,\nJereo ny tanimbolinao,\nFa tena mila io,\nHo feno voa ho Anao\nHatramin'ny anio","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny teninao dia sabatra\nMaranitra tokoa,\nMitsara sy mamantatra\nNy fonay sy ny voa.\nHetseho izao tontolo izao\nHandray ny teninao,\nO, asehoy ny herinao,\nHamorona  aim-baovao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny teninao izay tokinay\nFanilon-dianay,\nNoraisinay ho lovanay\nSy fifalianay.\nAmpianaro izahay\nHanoa ny didinao,\nAtaovy izay hitiavanay\nNy teny masinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_216"},"ffpm_217":{"num":"217","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy Tomponay !\nIndreto izahy mivory,\nNefa tsy mahay mandray\nIzay ambaranao akory :\nKa iraho ny Fanahy\nMba hanampy sy hitahy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maizin-tasina izahay,\nFa taranaka mpanota ;\nSimba ny fanahinay,\nTena voasoron’ota,\nTompo tsara ô, tongava,\nAposahy ny mazava.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mazava lehibe,\nTaominao ny fo malaina ;\nTairo mba hifoha re,\nKa handray ny tenin’aina ;\nNy fivavakay valio,\nNy ataonay mba tahio.","type":"verse"}],"id":"ffpm_217"},"ffpm_218":{"num":"218","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba miangavy, Tompo ô !\nIraho ny Fanahinao,\nVangio ny mpanomponao,\nAmpianaro izy izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ampalasio ny sofinay\nHandraisanay ny teninao,\nTendreo koa ny lelanay,\nHahaizanay hidera Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hiely be ny lazanao\nAmbara-pahatonganao\nHitsara izao tontolo izao,\nHampody ny navotanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fanahy, Zanaka sy Ray,\nMba raiso ny fisaoranay ;\nKa raha hiala atý izahay,\nHidera Anao rahatrizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_218"},"ffpm_219":{"num":"219","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Mpampianatra mahay\nFanahy Mpanazava,\nAmpianaro izahay\nHandroso lalandava,\nNy indrafon’ny Tomponay,\nVelaro eo imasonay\nHo fantatray mazava.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mivory eto izahay\nHandre ny tenin’aina,\nKa hazavao ho fantatray\nNy hevitra lazaina ;\nOvay ny sainay sy ny fo\nHamantatra sy hankatò\nNy tenin’ny Mpamonjy.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha  hodimandry izahay\nKa tonga ny anjara,\nBitsiho ao an-tsofinay\nNy tokon’aina tsara ;\nAtaovy mora hitanay\nNy tavan’ny Mpanavotray,\nIzay hery mahavonjy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_219"},"ffpm_220":{"num":"220","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Tompo Avotray,\nMitomoera aminay,\nAidino ny Fanahinao,\nTahio izahay izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny sitrakao mba ambarao\nHo fantatray ny hevitrao ;\nNy fonay amboaronao\nHahay handray ny teninao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny vavanay hasinonao\nHahaizanay hisaotra Anao,\nFa be ny soa azonay\nNomenao, ry Mpanavotray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Rahatrizay ny olonao\nHihoby sy hidera Anao,\nFa masina, fa masina,\nFa masina i Jehovah.","type":"verse"}],"id":"ffpm_220"},"ffpm_221":{"num":"221","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mivory eto izahay,\nJeso Tompo ô ;\nAvia hanazava anay,\n:,: Hinoanay Anao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maniry mafy izahay,\nHihaona Aminao ;\nOmeo hosotroinay,\n:,: Ny rano velona :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny mofon’aina mba zarao\nHo anay, ry Tompo ô !\nTahio re ny irakao,\n:,: Ho voninahitrao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fonay dia atolotray\nAnao, Jesosy ô !\nOmeo hery izahay\n:,: Hanao ny sitrakao :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raha tapitra ny andronay,\nIzay voafetranao,\nDia  ento mody izahay\n:,: Ho any Aminao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_221"},"ffpm_222":{"num":"222","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ry Lela afo masina\nNilatsaka fahiny\nTan-dohan’ny mpianatra\nSy tao anaty fony,\nMiandry fatratra Anao\nIzahay mivory eto izao :\nAvia ry Fanahy !\nAvia, ry Jesosy ô !\nAtreho ny mpianatrao\nHo velona am-panahy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_222"},"ffpm_223":{"num":"223","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba avia, malakia,\nRy mangetaheta ô !\nTeny tsara no ambara,\nKa Henoy eram-po,\nFa Jesosy ranon’aina\nNo torina sy lazaina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Mpamonjy  mahavonjy,\nMahatonga soa be,\nKa tsy maintsy ho tra-bonjy\nIzay manatona Azy re ;\nKa henoinao ny teny\nManambara ny omeny.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba tariho  sy  tahio\nAho, ry Jesosy ô !\nMba ho ahy ny fanahy,\nHanazava ao am-po.\nHampahery fo sy saina,\nKa hamelona ny aina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_223"},"ffpm_224":{"num":"224","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tafavory izahay ka manatona\nAnao\nZanahary nahary anay ;\nKa mba raiso izao\nIzahay Zanakao ;\nAza lavina re izahay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tafavory izahay ka miantso\nAnao\nRy Jeso Mpamonjy anay ;\nMihainoa Tompo ô !\nMitenena izao,\nFa mitady Anao izahay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tafavory izahay ka miandry\nAnao\nRy Fanahy Mpananatra anay ;\nAidino ilay afonao fahizay,\nAreheto atý aminay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_224"},"ffpm_225":{"num":"225","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Atý an-tranonao izao\nNo iangonanay\nHitady soa Aminao\nHahafaka ota anay ;\nHiantso ny Anaranao,\nHandinika ny teninao,\nIzay mahavelona anay,\nKa mba ambinonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na vitsy aza eto izao,\nNa be no tonga atý,\nDia aza mba lalovanao,\nAtreho izahay !\nRaha  tonga eto Hianao\nDia ampy izany ho anay ;\nNy fofonain’ny Tomponay\nNo mahavelom-po.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha misy mangatsia-po,\nMba hafanao, ry Ray ;\nIraho ny Fanahinao\nHamelona anay.\nHanetsika ny mafy fo\nHo tonga mpino mankatò\nIzay lazain’ny teninao\nHataon’ny zanakao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izay rehetra tonga atý\nAmpirisihonao ;\nKa aoka samy hankafý\nNy fanavotanao.\nNy fonay mba sokafinao\nHandray ny fananaranao ;\nAo aminao ny hery be,\nEfao ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ambinonao ny irakao\nHitory teny izao ;\nTolorinao ny hevitrao,\nNy fony hafanao ;\nSokafy re ny vavany,\nTendreo koa ny lelany\nHilaza tsara aminay\nNy sitrakao, ry Ray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_225"},"ffpm_226":{"num":"226","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Tompo ô ! mba te-hihaona\nAminao ny olonao.\nKa ny oran-dohataona\nAmpombay ny teninao ;\nNy Fanahinao iraho\nAminay izay mitalaho ;\n:,: Mba vokiso zava-tsoa\nNy mangetaheta  Anao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_226"},"ffpm_227":{"num":"227","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Eto afovoanay Hianao,\nry Tompo soa,\nKa tahio ny vavakay\nMba ho maminao tokoa ;\nRaisonao ny fideranay,\nKa savao ny fahantranay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mitoera aminay\nNa hariva na maraina ;\nAza mahafoy anay\nMandra-pialanay aina ;\nKa ny dera tsy ho lany\nDia ho Anao ihany.","type":"verse"}],"id":"ffpm_227"},"ffpm_228":{"num":"228","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Tafangona atý indray\nNy fiangonanao, ry Ray\nKa dia mba tahio !\nIraho ny Fanahinao\nHitarika ny zanakao\nHivavaka anio,\nAnao izao\nSaotra, laza, dera, haja,\nFa nomena\nHo anay ny famonjena.","type":"verse"}],"id":"ffpm_228"},"ffpm_229":{"num":"229","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy ô ! mba hasoavinao\nNy asanay, izay atombokay\nAmin’ny Anaranao ;\nKa mba ombay,\nSy tahio, Tompo ô !\nIzao atao izao\nDia tena sitrakao\nKa ho tanterahinay,\nMba ho fifalianay\nSy ho voninahitrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy ô ! derainay Hianao,\nFa feno famonjena olona\nNy Anara-masinao !\nNy herinao manome\naim-baovao.\nNy teny masinao\nDia iankinanay\nKa Hianao isaoranay\nSy ankasitrahanay\nEto sy rahatrizay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy ô ! ny fanorenana\nIainanay sy hahafatesanay\nDia ny Anaranao, fa Izy no\nManome toky be,\nKa hitsangananay\nHo velona indray ;\nDia mba horaisinao\nIzahay navotanao\nAmin’ny Anaranao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_229"},"ffpm_230":{"num":"230","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba trotroy ny olona ory,\nRy Jesosy Tompo ô !\nTsy hirenireny saina,\nFa handray ny teninao.\n:,: Olona  osa, olona  osa,\nEnto mora, Tompo ô :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Faly izahay, Jesosy,\nTratr’izao anio izao,\nTafavory ka hihaino\nNy Filazantsaranao.\n:,: Raisonao re, raisonao re\nIzao fisaoranay izao ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy Tomponay Tsitoha !\nTaomy ny sakaizanay\nMba ho tonga mpino koa\nSy hiankina Aminao.\n:,: Mba tariho, mba tariho\nIzy ho mpanomponao ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_230"},"ffpm_231":{"num":"231","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tomponay Tsitoha !\nIlay Izy hatrizay,\nAvia, hampifoha\nNy fiangonanay\nAtreho ny mpivory,\nFa manantena Anao ;\nFohazy ny matory\nHandray ny teninao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Iraho ny Fanahy\nMba hanavao anay,\nKa homba sy hitahy\nNy teny inoanay\nNa lehibe na kely,\nAmpio sy hafanao\nHazoto hampiely\nAtý ny lazanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny asam-pamonjena\nIzay natombokao,\nAmbino tsy hihena\nTahio sy tontosao !\nNy herin’i Satana\nFolahy hatrizao,\nHo afa-pahotana\nIzahay navotanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Arovy ny finoana\nIzay naorinao ;\nVonoy ny hevi-poana\nMandà ny teninao\nIzahay na be na vitsy,\nHazony tsy hania,\nMba ho Anao mihitsy\nMandrakizay doria.","type":"verse"}],"id":"ffpm_231"},"ffpm_232":{"num":"232","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny Alahady andronao,\nJeso Tompo masina ô !\nFotoana nitsangananao,\nKa maminay mpianatrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Anio, mivory izahay,\nTahaka  ireo mpianatrao ;\nKa enga anie ho hitanay\nNy hazavan’ny tavanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Omeo anay, omeo indray\nNy herin’ny Fanahinao ;\nHavaozy ao anatinay\n‘Lay Pentekosta fahizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_232"},"ffpm_233":{"num":"233","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! Ray Malala, asehoy\nNy hasoavanao ;\nSasao ho afa-keloka\nIzahay ho zanakao ;\nHo mafy ny fiezakay\nHandia ny lalanao\nTsy hisy hijanonanay\nRaha  tsy an-tranonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O ! Ray Malala, mba henoy\nNy feonay zanakao ;\nTantano ao an-dalana\nHankany Aminao ;\nHo mafy ….sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! Ray Malala, hitanao\nNy hasambaranay ;\nNy avotr’ain’ny Zanakao\nNo itokianay ;\nHo mafy ….sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_233"},"ffpm_234":{"num":"234","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mahery Hianao,\nJehovah Tompo ô !\nMombà anay mpanomponao,\nKa miarova anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mpanjaka Hianao,\nRy Zanahary ô !\nAvia, anjakao izao\nNy ao anatinay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miaro Hianao,\nAndriamanitra ô !\nHidera sy hisaotra Anao\nNo iangonanay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Miantra Hianao,\nRy Tompo tia ô !\nTongava aminay izao\nMba hifalianay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fanomezan-tsoa\nIzay maminay tokoa\nDia  Jeso ‘lay malalanao\nNafoy ho avotray.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mba raisonao, ry  Ray !\nNy saotra entinay,\nNy dera, laza, hery koa\nAnao Mpanjaka soa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_234"},"ffpm_235":{"num":"235","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tafavory izahay\nEto anatrehanao,\nRy Jehovah Tomponay !\nMba hivavaka aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Te-hianatra izahay\nMba hanao sy sitrakao,\nMihainoa ny vavakay ;\nManampia anay izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa mangataka aminao\nFanampiana izahay ;\nRaha tsy ampianao; \nDia ho diso izahay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izay rehetra anananay\nEntinay miderà Anao,\nAoka hazoto izahay\nMba hanao ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Aoka handroso izahay\nMba hanompo tsara Anao,\nDia  hifaly izahay\nAmin’ny fitianao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_235"},"ffpm_236":{"num":"236","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, Tomponay !\nAtrehonao izahay ;\nFiderana no atolotray\nHo Anao ry Tomponay ;\nTongava atý an-tranonay,\nHandray ny dera atolotray,\nAvia, Tomponay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Avia, Tomponay !\nAtrehonao izahay ;\nEnga ka ho tonga olonao\nIzao izahay rehetra izao !\nNy vavanay hidera Anao,\nNy fonay mba diovinao ;\nAvia, Tomponay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Avia, Tomponay !\nAtrehonao izahay ;\nAmpidino ny Fanahinao\nHo atý an-tranonay ;\nAmpionao koa ny olonao,\nHilaza anio ny teninao :\nAvia, Tomponay !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Avia, Tomponay !\nAtrehonao izahay ;\nFiderana no atolotray\nHo Anao , ry Avotray !\nMba raisonao ny deranay,\nEfao tokoa ny hatakay :\nAvia, Tomponay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_236"},"ffpm_237":{"num":"237","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah Tomponay !\nTafavory izahay ;\nAvy hankalaza Anao\nIzahay vahoakanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Faly, ravo izahay\nNoho ny soa azonay ;\nTonga mba hisaotra Anao\nIzahay voavotrao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Saotra tsara entinay,\nHira no asandratray,\nMba ho fiderana Anao,\nRain’izao rehetra izao,\nAmen.","type":"verse"}],"id":"ffpm_237"},"ffpm_238":{"num":"238","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mivory eto izahay\nHiantso ny Anaranao,\nJehovah Masina ô !\nDia manomeza anay anio\nNy soa avy taminao,\nHo fitahiana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny vavaka  tononinay\nMiakatra any Aminao,\nMpamonjy tia anay !\nMba raiso ao an-danitra\nHo zava-mani-pofona\nIzay ho tianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny saotra izay aterinay\nMba raisonao, Jehovah ô,\nAndriamanitray !\nNy vokatry ny molotray\nDia aoka ho fanatitra\nAnkasitrahanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ankehitriny, Tompo ô !\nOmeo ny Fanahinao\nHitoetra aminay.\nHo fanalana aizina,\nSy fanoloran-kevitra\nHo an’ny olonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_238"},"ffpm_239":{"num":"239","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso !  vory izahay,\nFa andronao anio\nDia avy mba hivavaka\nAtý an-tranonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka na aiza na aiza ny olonao\nNo vory toy izao\nNy herinao mba asehoy,\nEfao ny teninao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny hira ikambananay\nAtý an-tranonao.\nEkeo ho fanandratana\nNy voninahitrao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny vavaka  tononinay\nEo anatrehanao.\nMba raiso ho fanatitra\nAnkasitrahanao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny teny  fitarainana\nAtaon’ny ory koa\nSoloy fifaliana\nHisaoranay Anao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ny teninao halahatra\nHambininao anie\nHamelom-pitiavana\nAm-pon’izay mandre.","type":"verse"}],"id":"ffpm_239"},"ffpm_240":{"num":"240","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Alahady andro tsara,\nAndro fitsaharanay,\nNitsangananao ry Tompo,\nAndronao, Mpanavotray !\nEny maminay ny andro\nAndro fiangonanay\nHiderana Anao, Mpamonjy,\nSy ny voninahitrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tovy aminay ny teny\nIzay nataonao fahizay,\nTamin’ny Apositoly\nFony vory toy izao :\nRaha misy roa na telo\nAmin’ny ny Anarako\nVory mba hiantso Ahy,\nAo no hiangonako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba soraty ao am-ponay,\nTompo ô ! ny didinao.\nHiasanay saina tsara\nEto anatrehanao .\nMba avia, ry Jeso Tompo !\nTomoera aminay.\nHitandremanay ny andro\nIzay atokana ho Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_240"},"ffpm_241":{"num":"241","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ô !  midina,\nJereo izahay izao ;\nAtreho sao variana,\nKa tsy mahita Anao,\nHazoninao ny saina,\nHijery tsara Anao,\nMba tsy ho very maina\nIzao fivoriana izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso !  hamasino\nNy toe-piainanay,\nKa dia ampidino\nNy hery ho anay ;\nNy bitsika mangina\nAtaovinao izao,\nHamelom-paniriana\nHanao ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jeso ô !  monena,\nMidira Hianao,\nNy fonay mamantena\nHandray Anao izao ;\nKa izay misalasala\nAmpaherezonao,\nDia  taomy hahalala\nNy fitiavanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny hatakay mangina\nHenoy ka valio,\nKoa dia mitenena\nHianao ankehitrio,\nRy Jeso ! Mpanazava\nNy dianay atý,\nOmàny lalandava\nNy fonay ho arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_241"},"ffpm_242":{"num":"242","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaotra Anao izahay,\nry Ray !\nFa tsy nafenina anay\nIzay tena sitrakao tokoa\nMba hahazoanay ny soa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka mitariha anay izao\nHandray ny toro-hevitrao\nIzay lazain’ny teninao\nHanaoavanay ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ampahirato izahay\nHahaizanay mahita anio\nNy zava-mahagaga anay\nAo amin’ny lalànao soa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ampianaro izahay\nHo tia  tokoa ny teninao,\nKa hankatò ny didinao,\nHanaiky hotapahinao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny asan’ny Fanahinao\nMba tanteraho aminay\nHampiorina ao anatinay\nIzay lazain’ny teninao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_242"},"ffpm_243":{"num":"243","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mivory eto izahay,\nHandre ny teninao\nIzay hambara aminay,\nAndriamanitra ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tolory fahendrena,\nKa ampio ny irakao,\nIzay hitory aminay\nNy teninao izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fon’izay mihaino koa\nSokafy rahateo,\nHo tia  sy hirakitra\nNy teny mahasoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_243"},"ffpm_244":{"num":"244","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ! mba henoinao\nNy feonay mpanomponao\nIzay mivavaka  Aminao,\nMitady fitahiana","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Vokiso ny Fanahinay,\nNy teninao no haninay,\nHahaizanay mamahana\nNy reraka ao an-dalana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ampaherezonao izao\nNy tànanay mpanomponao,\nHanohana ny olonao\nMiraviravy tanana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Omeo fo mazoto re !\nTolory fahendrena be ;\nTarihonao ny hevitray\nTendreo koa ny molotray.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"He ! tsinontsinona izahay\nMalemy sady tsy mahay ;\nKa dia ampaherezonao\nHanaovanay ny sitrakao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_244"},"ffpm_245":{"num":"245","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ray ô ! asehoinao\nAminay ny antranao,\nRaisonao ny zanakay\nAtsangana ho Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zanak’Andriamanitra ô !\nMba ekeo ny hatakay,\nTrotrinao ny zanakay\nTaomy ho mpanomponao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Fanahy Masina ô !\nMitoera aminay,\nIndro re ny zanakay\nAmpianaro, hazavao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jehovah Izay Iray !\nNefa Telo, dia ny Ray,\nZanaka, Fanahy koa !\nMba tahio ny zanakay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_245"},"ffpm_246":{"num":"246","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zazakely entinay\nMba hatao batisa izao ;\nIzy no atokanay\nSy atolotray Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Rano tsy mba mahasoa,\nRano tsy mba mahadio :\nKa tahionao izy izao,\nJeso ô, be indrafo !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ary ny Fanahinao\nDia ataovy ao am-po\nMba hitarika azy, sao\nHisy loza izay hanjo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jehovah be fitia !\nRy Jesosy Tomponay !\nRy Fanahy koa, avia\nMba handray ny zanakay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_246"},"ffpm_247":{"num":"247","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo ô ! tsinjovinao\nNy mila famonjena\nSatria manantena,\nNy tany namboaranao\nHo an’izay mpianatrao\nHo lovany tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa Hianao dia tsy mandà\nNy ory sy mpanota\nIzay nandatsahanao ny rà\nHanaisotra ny ota ;\nKa tonga izahay izao\nMitady hodiovinao ;\nMba raisonao ny fonay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mifona, Tompo, izahay\nIzay efa voaisa\nHo olonao, izay nandray\nNy soan’ny batisa ;\nAmpaherezonao ny fo\nMba tsy hafoinay ny to\nAmbara-pahafaty !","type":"verse"}],"id":"ffpm_247"},"ffpm_248":{"num":"248","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nitondra ny zaza\nny reny tao Salema,\nMba hotahin’i Jeso Kristy\nbe indrafo ;\nNolavin’ny mpianatra izy,\nNefa hoy Jesosy hoe : \n“Avelao ny zaza \nhanatona  izao”","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa Ahy ny zaza\nka tiako indrindra,\nMpiandry zanakondry Aho\nka aza mandà ;\nFa raha manantona Ahy izy,\nHotahiko tsara e :\n“Avelao ny zaza \nhanatona  izao”","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Endrey mahagaga\nNy fiantran’i Kristy,\nFa indro zazakely aza\nasiany soa ;\nAvia, manatòna ilay \nMpiandry zanakondry, ka\n“Avelao ny zaza \nhanatona  izao”","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jesosy Tompo !\nampanatony Anao re\nNy zazakely tafavory\neto izao\nIzay mandrara mba rarao.\nHo tò anie ny teninao :\n“Avelao ny zaza \nhanatona  izao”","type":"verse"}],"id":"ffpm_248"},"ffpm_249":{"num":"249","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompon’ny lanitra ô !\nmba tahio\nIzy izay ta-hanatona  Anao,\nKa ta-handray ny batisa anio\nSady maniry mba ho Zanakao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ampifalio ny fony, izay ory,\nSady miaky ny ota natao\nAry ny ratsy maniry fongory,\nKa mba omeo ny aina vaovao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izay manaiky hitana ny soa\nSady mandà ny devoly izao ;\nAoka hiseho ho mpino tokoa\nAmin’ny fomba sy asa \nvaovao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Afon’ny lanitra ô ! mba avia,\nKa ateraho ny fony izao\nAry tarihonao mba tsy hania\nFa te-ho sambatra ao Aminao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Andriamanitra Ray be fitia,\nTaomy ny maro hanatona \nAnao\nNy Fiangonanao, ho be\nmpitia,\nHo marobe ny ankohonanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_249"},"ffpm_250":{"num":"250","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Atolotray hatao batisa\nNy zanakay Jesosy ô !\nIrinay izy mba ho isan’\nNy zaza arovanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izahay izao efa nifidy\nAnao handray ny zanakay ;\nKa raiso izy fa voavidy\nNoho ny ranao soa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Soraty izy mba handova\nNy lanitra fonenanao,\nKa ny Fanahinao hanova\nNy fony ho Anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tahio ny fahazazany\nHo fanorena-marina ;\nAmpianaro azy izany,\nMivavaka Aminao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tantano izy mandra-pita,\nHo tonga ao an-danitra,\nKa aoka izy mba hahita\nAnao an-dalany.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ka amin’ny fotoana feno,\nHandaozany ity tany ity,\nOmeo toky, iteneno :\n« ‘Ndeha hody, anaka ».","type":"verse"}],"id":"ffpm_250"},"ffpm_251":{"num":"251","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Zana-Janahary\nSy fototry ny aim-baovao !\nMba aniraho ny Fanahy\nIzao madinikao izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fahafatesanao nandresy\nNo aoka hitombonany,\nNy herinao tsy mety resy\nNo mba ho fiarovany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka ny Anaranao hajaina\nDia mba omeo ny zanakay ;\nKa io no hialany aina\nSy hitsanganany indray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tantano izy tsy ho osa,\nRaha lavitra ny diany ;\nFa raha fohy izany kosa,\nMba raiso ny fanahiny.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ka mba soraty ao am-pony\nRy Tompo, ny Anaranao,\nKa ny anaran’ny mpanompo\nSoraty ao an-tananao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_251"},"ffpm_252":{"num":"252","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"« Mba avelao ny zaza\nHanatona Ahy re,\nFa an’ny toa azy\nNy fanjakan’ny Ray ! »\nIzany teny tsara\nNo ifalianay,\nKa dia tsy rarana\nNy zazakelinay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ao amin’ny batisa\nTrotroiny izahay,\nKa tena voaisa\nHo zanany indray,\nAtsangany handova\nNy fahasambarana,\nFainan-tsy miova\nSy fiadanana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Sakaizanay malaza\nRy Jeso, Hianao,\nFinaritra ny zaza\nMiankina Aminao.\nAmpio, ry Mpamonjy,\nNy ondrikelinao,\nHo tonga voavonjy\nAo anatrehanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_252"},"ffpm_253":{"num":"253","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, ry Mpanavotra.\nTahio ny fandraisana\nSakafo namboarinao\nIzao hatoninay izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ireo zava-masina\nAroso mba hohanina\nHo famelana heloka,\nHo aina sy ho tanjaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsaroanay ny dianao,\nNy ra sy fijalianao,\nNy nisoloanao anay,\nNy nitsangananao indray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny teninao natolotra,\nNy ranao dia nalatsaka,\nSakafo iombonanay,\nHo tena sy fanahy iray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_253"},"ffpm_254":{"num":"254","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, ry mangetaheta ô\nKa aza dia mba mamoy fo,\nFa indro misy rano velona\nIzay omena mba hamelona\nAnao mahantra sy variana\nRy zanakondry very làlana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny mofon’aina no atolony\nAnao manaiky mba ho olony\nNy tenany no ho fihinana,\nMba hahazoana fiainana ;\nKanefa tsy mba hovidina anie,\nFa tena fanomezan-dehibe.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy Tompo no nanolotra\nNy rany masina ho avotra\nIzany raiso mba ho tanjaka\nSy toky ho anao, ry reraka\nRy mpivahiny sasatra ao\nam-po,\nAvia re, ka manaràna fo !","type":"verse"}],"id":"ffpm_254"},"ffpm_255":{"num":"255","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny ran’ny Zanakondry latsaka\nNamelona  ahy tany Golgota,\nKa io no tena vatofantsika\nMaharitra ny tafio-drivotra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha voaratra noho ny otako,\nKa lany foana ny heriko,\nNy rany masina nalatsaka\nNo nahitako fahasitranana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izao hira vao izao no mamiko,\nKa tonga tsy misaraka amiko\nNy ran’ny Zanakondry no\nmahay\nManavotra ahy mba ho an’ny\nRay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha ketraka sy kivy re ny fo,\nVelomiko indray ny hirako\nNy amin’ny Jesosy sy ny rà\nKa afaka erý ny tahotra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_255"},"ffpm_256":{"num":"256","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mivoaka ao Golgota\nIlay renirano soa\nIantsoana ny mpanota\nHo any avokoa ;\nNy ratran’ny Mpamonjy\nNo loharanon’io,\nKa ony mahavonjy\nSy tena mahadio.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mamelona ny tany\nIty ony soa ity,\nIzay rehetra ombany\nMiadana erý,\nVahoaka an-tapitrisa\nIzay misotro ao,\nMahita Paradisa\nSy fiainana  vaovao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fo izay maratra\nKa entina mankeo\nNy ory sy mahantra\nIzay manatona eo,\nMahita fanafody,\nKa sitrana avokoa,\nNy ota sy ny rofy\nDia  afaka tokoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fanahy be ahina,\nAvia misotro ao,\nFa io no mampangina\nNy alahelonao ;\nFanahy ô, hatony\nIty ony soa ity,\nFa io no mahatòny\nNy fanirianao atý.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Hianao, ry Tompon’aina !\nIsaoranay tokoa,\nNanaiky horatraina\nHandefa ony soa,\nNy ranao tao Golgota\nNo iankinanay,\nFa mahadio ny ota,\nMamelona aina anay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_256"},"ffpm_257":{"num":"257","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy ô ! indreto\nIzahay nasainao eto\nAmin’ny latabatrao,\nMba tolory mofon’aina,\nO ! omeo ranon’aina,\nDia ny ra aman-tenanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O ! ry Loharanon’aiko,\nTonga aho, fa ilaiko\nHianao Mpamonjiko,\nRaiso ka diovy aho,\nAtafio izay mitalaho\nNy fahamarinanao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpiandry tsara indrindra,\nTaomy aho mba hifindra\nAo am-balan’ondrinao ;\nMamonje ka mitahia\nIreto ondrinao nania,\nEnto any Aminao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O ! ry Fahazavan’ny saiko\nSady tanjaky ny aiko,\nTonga aho ka vonjeo ;\nNoana ka mitaraina,\nMba vokiso mofon’aina,\nRano velona omeo !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Indro, miankohoka aho,\nTompo ô ! ka mitalaho\nEto anatrehanao ;\nAza mba manary ahy,\nIzay misento sy manahy,\nMamelà ny heloko !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry Mpisolo ny mpanota,\nIzay nandoa ny tambin’ota,\nLatsa-dra ny tenanao,\nRaisiko am-panajana,\nFa nataonao fanasana\nIreto zava-masinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_257"},"ffpm_258":{"num":"258","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Manaraka ny hafatrao,\nTafangona izahay,\nMba hahatsiarovanay\nAnao, ry Tomponay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy azo hadinoina\nNy fahorianao,\nNy dinitrao izay toy ny ra\nTsaroanay izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny hazofijalianao\nDia tazanay izao\nRy Zanakondry masina ô !\nTsaroanay Hianao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Nijaly mafy Hianao,\nNisolo voina anay ;\nRaha mbola velona izahay\nTsaroanay Hianao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raha tapitra ny andronay,\nKa tonga Hianao\nMba haka ny fanahinay,\nTsarovinao izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_258"},"ffpm_259":{"num":"259","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny latabatrao, ry Jeso !\nDia atrehinay izao ;\nNy fanahinay vokiso\nAmin’ny fitianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy nitady zo sy laza\nHianao, ry Tomponay !\nFoinao ny ainao aza\nNanavotanao anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso ô ! ny ranao soa\nNo nataonao avotray,\nMba hanafaka avokoa\nIzay tsy mahadio anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Manomeza mofon’aina\nTompo ô ! ho tanjakay ;\nMihainoa  ny mitaraina,\nMamalia ny hatakay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fanahinay ry Tompo !\nRaiso, fa atolotray ;\nFaly izahay hanompo\nSy hanao ny sitrakao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_259"},"ffpm_260":{"num":"260","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Kristy ô ! malalako,\nSakafon’ny fanahiko,\nManaraka ny hafatrao,\nTsarovako ny teninao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mangorakoraka ny fo,\nFa voavono Hianao !\nKa saotra no atolotray\nAnao, ry Ilay nalatsa-dra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny teninao izay raisiko\nFiainako vaovao tokoa ;\nNy ranao izay sotroiko\nNo manadio ny foko koa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Kristy ô ! ampitomboy\nNy fitiavako Anao.\nNy toe-piainako fenoy.\nNy tena hamasinanao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Atolotro anio indray\nMba hoa Anao mandrakizay\nNy tenako, ny ananako,\nNy heriko, ny asako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_260"},"ffpm_261":{"num":"261","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ankehitrio no isehoanao,\nRy Jeso Tompo, izay \nmalalanay !\nAnkehitrio no anandramanay\nNy hafaliamben’ny lanitrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ampiomany ao am-po izahay\nHampahadio ny eritreritray,\nHahatakaranay ny avotrao\nIzay namboaranao tao\nKalvary.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eto no anoloranao anay\nNy mofon’aina, rano velona ;\nEto no ialanay sasatra\nAmin’ny adinay  sy  rafinay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso ô ! miandry izahay\nNy fihavian’ny voninahitrao,\nHo toy ny andro vao miposaka\nHo toy ny rano mahavelona.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"“Raiso ny Tenako” no teninao\n“Ary ny Rako ho fiainana”\nAm-pitiavana no andraisanay,\nNa dia tsy mendrika aza\nizahay.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mombà anay, ry Tompo tia ô !\nAza miala amin’ny fonay,\nAoka ny tavanao hazava re,\nAmin’ny làlana alehanay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_261"},"ffpm_262":{"num":"262","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indreto izahay,\nRy Jeso ô !\nManaraka izao,\nNy hafatrao,\nNy fahorianao,\nTsaroanay izao,\nFa fatratra tokoa\nNy nentinao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny mofo haninay,\nRy Jeso ô !\nMilaza aminay\nNy tenanao ;\nNy fanavotanao\nMahafaka anay,\nFa saotra re izao\nAtolotray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Misotro ny divay\nIzahay izao\nHahatsiarovanay\nNy antranao ;\nNy ra nilatsaka\nNo manadio anay,\nManafaka tokoa\nNy olonao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tarihonao ny fo,\nRy Jeso ô !\nHo tia sy hankatò\nNy didinao ;\nKa tsy ny sitrakay,\nFa ny Anao, Jeso,\nNo aoka ho maminay,\nRy Tompo ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_262"},"ffpm_263":{"num":"263","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Mandrenesa ry sofina,\nMifalia, ry fo ;\nNy feon’ny Filazantsara\nManatona anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry olon’ota rehetra,\nRy ory sy noana,\nIzay mameno ny kibony\nAmin-java-poana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jehovah no mamboatra\nIzay mofon’aina,\nHo an’izay rehetra\nMety hihinana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Kraist’sy ny fitahiany\nIzany mofo izany,\nFa Izy no mamelona\nNy maty mosary.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Avia, ry mosarena,\nKa manarana fo ;\nNy mofon’aina tsy lany\nFa ampy ho anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_263"},"ffpm_264":{"num":"264","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He mahagaga anay\nNy fitiavana\nNasehonao, ry Jeso ô !\nMba ho anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fijalianao\nIlay tao Golgota,\nIndrisy ! lalina tokoa\nNy ngidiny.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na mafy aza izay\nTsy nandosiranao,\nNataonao tsinontsinona\nNy teninao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fitiavanao,\nFa tsy ny fantsika,\nNo anton’ny nihantonanao\nTao Golgota.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny ra nalatsakao\nNo vidin’ny ainay,\nNo fijaliana nentinaonao\nNo avotray.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Tsaroanay izao,\nDerainay avokoa\nIlay fitiavanao anay,\nRy Tompo soa !","type":"verse"}],"id":"ffpm_264"},"ffpm_265":{"num":"265","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny fitiavanao\nNo mahagaga anay,\nRy Zanak’Andriamanitra ô !\nRy Jeso Tomponay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hanavotra aina anay\nNo nijalianao,\nKa famonjena lehibe\nNo azonay izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny mofo sy divay,\nIzay haninay izao,\nDia mampiseho aminay\nNy fitiavanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Avia, Jeso ô !\nAvia ankehitrio,\nKa ny fanahinay sasao\nHo tsara sy madio.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mampaneke anay\nHanao ny sitrakao,\nKa aoka tsy ho tianay\nIzay tsy tianao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Monena aminay,\nRy Tompo be fitia !\nKa aza ilaozanao izahay\nMandrakizay doria.","type":"verse"}],"id":"ffpm_265"},
"ffpm_266": {
   "num": "266",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "Ry Jeso Tompo, Hianao\nIsaorako tokoa izao,\nNy ranao sy ny tenanao\nNo nihinanako izao.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "1",
         "lang":"fr",
         "lyrics": "A Toi, Seigneur Jésus Christ\nJ’adresse ma gratitude\nPour ton sang et ton corps\nQue tu m’as offerts",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": "Ry foko faly, ambarao\nNy soa azonao izao ;\nJesosy monina ao am-po\nEndrey ny hafaliako !",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lang":"fr",
         "lyrics": "Mon cœur joyeux proclame\nTous tes bienfaits\nJésus, tu habites en mon cœur\nÔ ! combien je suis heureux.",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_266"
},
"ffpm_267":{"num":"267","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, ny andon’ny maraina\nLatsaka ao an-tsaha re,\nKa mamelona ny maina,\nIzay maniry rano be !\nRavoravo e, ny tany,\nFa he, ny andro maina efa\nlany,\nKa mitsahatra ny fahantrany,\nManaroka ny hazo be.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fanahy karankaina\nMisy rano velona,\nFa Jesosy andon’aina\nManome fiainana :\nVelona ny jentilisa,\nNy tany hay dia tonga\nParadisa\nMarobe no efa voaisa\nHandray ny lova masina !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Misy làlana mizotra,\nIzay mankao Ziona re ;\nAny no mitanjozotra\nNy vahiny marobe ;\nKa Ziona dia mivoha\nHidiran’ny navotan’ny \nTsitoha ;\nAo no ivorian’ny mifoha,\nFa an’ny Tompo lehibe.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He, mikambana ny mino\nAmim-pifaliam-be.\nKa ny hobiny maneno\nTahaka ny rano be !\nAo mitovy avokoa,\nTsy misy Tompo sy \nmpanompo koa,\nEny, razana iray tokoa\nNy mponina ao Ziona re !","type":"verse"}],"id":"ffpm_267"},"ffpm_268":{"num":"268","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy no Mpiandry\nNy Fiangonanay ;\nNy feon’izy ireny\nNo feo fantatray,\nKa tsy mba vala maro\nNy Fiangonanay ;\nIray tsy hay zaraina,\nTapahin-Tompo iray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Iray no Vatolampy\nIzay iorenanay,\nIray no Fehizoro\nIzay ikambanany,\nIray no Mofon’aina\nFihinanay etý,\nIray no antenaina\nHo azonay arý.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tabain’ny hevi-diso,\nKanefa mbola iaraý ;\nNy saina tsy mitovy\nTsy mahazara anay ;\nFisoko maromaro,\nKanefa vala iray\nNy Tompo no mpiaro\nNy Fiangonanay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny teny samy hafa,\nNy fomba tsy miray,\nTsy misy maharava\nNy fikambananay ;\nNy fanenjehana aza\nVao mainka mampiray\nSy mahatsara laza\nNy Fiangonanay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Jeso ! hatanjaho\nNy Fiangonanao,\nNy fony halalaho\nMba hitoeranao ;\nIzay firaisan-tsaina\nMiseho hatretý,\nVelomy hanana aina\nHitohy hatrarý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_268"},"ffpm_269":{"num":"269","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! tianay ny monina eto,\nFa maminay ny valanao,\nTsy tianay, fa mampisento,\nNy lavitra ny tranonao,\nHe ! tianay ny monina eto,\nFa maminay ny valanao,\nTsy tianay, fa mampisento,\nNy lavitra ny tranonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! tianay, fa misy aina,\nRy Tomponay ny valanao !\nTsy tianay, fa tany maina\nNy lavitra ny tranonao,\nHe ! tianay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fehezinao, Mpiandry tia,\nMilamina ny valanao ;\nTsy misy tsy mifankatia\nNy ondry izay tarihinao,\nHe ! tianay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fanimban’ny fahavalo\nDia lavitra ny valanao ;\nMitazan-davitra mandalo\nNy rafinao tsy tia Anao,\nHe ! tianay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fototra izay mahatsara\nNy valanao, ry Tomponay !\nDia Hianao Mpiandry tsara\nNo miara-monina aminay.\nHe ! tianay, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_269"},"ffpm_270":{"num":"270","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo, Izay nanangona\nAnay ho vato velona !\nHazony tsy handao Anao\nNy vato voarafitrao ;\nFa maro no mandronjina\nHandevona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy Fehizoro ô,\nMpifehy mora sady to !\nTohano mafy izahay\nMba tsy hirodana indray,\nFa indro ny mpisompatra\nMandrirotra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Vato fampiraisana !\nTariho mba hikambana\nNy vato voapaika re,\nHo tonga trano lehibe,\nTsy zakan’ny mpandevona\nHarodana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Kristiana marobe\nMba ampiraiso tsara re,\nHiray am-pitiavana,\nHo velona finoana,\nKa mba hiaraka hanao\nNy asanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_270"},"ffpm_271":{"num":"271","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba mivavaha raha vao\nmaraina,\nTsarovinao Ilay Mpanao\nanao.\nIzay niaro ny fanahy sy aina\nMba ho salama toy  izao ;\nTsarovy re ny Tomponao \nIzay Mpiaro  anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Rehefa tonga koa ny\nantoandro,\nO ! miambena tsara hianao,\nFa manangoly saina isan’andro\nIlay devoly rafinao ;\nTsarovy re ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha alina mangina ka\nhatory\nTsarovy eo ny ota izay natao\nKa dia ifony sy itsory\nFandrao maningotra anao ;\nTsarovy re ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Na aiza na aiza Hianao\nmitoetra\nSatana fahavalo ao tokoa,\nKa aza kivy na mba \nmanjoretra\nFa mivavaha tsy ho voa ;\nTsarovy re ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_271"},"ffpm_272":{"num":"272","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Faly izahay nandre\nHavan-tia nanao hoe :\n“ Miaraha aminay,\nTrano soa halehanay ”.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Efa tonga izahay\nMba hivavaka Aminao :\nRy Jehovah Tomponay,\nMitahia ny olonao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miandrandra Anao izahay,\nKa mangataka  Aminao\nHanomezanao anay\nSoa avy Aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia sambatra izahay,\nFa mitoky Aminao ;\nKa ho tanterahinay\nIzay rehetra sitrakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Hoderainay Hianao\nAndro aman-alina,\nMbamin’ny Anaranao,\nFoto-piadanana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_272"},"ffpm_273":{"num":"273","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! vokatra ny tany,\nJehovah Tompo ô !\nFa be tsy mety lany\nNy hasoavanao :\nNy andro fararano\nNo ifalianay ;\nVoataona ao an-trano\nNy vokatra azonay :\nSaotra tsara entinay\nHo Anao tokoa,\nNy olonao rehetra  izao\nMifaly avokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny tany tsy misaona,\nFa sambatra tokoa,\nTsy tapaka isan-taona\nNy fanomezan-tsoa ;\nEndrey, nahazo maina\nIzao rehetra izao ;\nNy zava-manana aina\nMifaly Aminao :\nSaotra tsara ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tontosa izay nirina,\nNahazo izahay,\nFa misy taona zina\nNataonao ho anay ;\nTsy diso isan-taona\nNy fitahianao.\nNy olonao mihaona\nMba hankalaza Anao\nSaotra tsara ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_273"},"ffpm_274":{"num":"274","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tao an-tany karakaina\nNisy olo-maro be,\nTsy mba nampodina maina,\nTao Jesosy  nanome.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na dia mofo kely aza\nTonga nahavoky  ireo,\nFa nitombo mahagaga,\nSamy faly izy  ireo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa ny herinao, ry Jeso,\nIzay namonjy fahizay\nNo miasa lalandava\nHahavoky soa  anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia tahio ny fambolena\nHahavokatra tokoa ;\nMiantrà ny firenena\nTsy ho diso zava-tsoa.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Na dia voky fatratra aza,\nMora reraka  izahay ;\nAo ambony ny mateza\nIankinan’ny ainay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_274"},"ffpm_275":{"num":"275","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raisonao ry Tompo soa,\nNy fanatitray izao ;\nHamasino avokoa\nIzay atolotray Anao,\n:,: Raiso re, ho Anao,\nHo fanati-tsitrakao ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, Anao, ry Tompo soa\nIzay rehetra anananay\nNy harena, vola koa,\nTaminao, Jehovah Ray,\n:,: Raiso re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na dia kely aza, Tompo,\nKa tsy mendrika Anao,\nRaiso ho entina hanompo\nSy hanao ny sitrakao.\n:,: Raiso re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Indro, Tompo, raiso koa\nTena, fo, fanahinay,\nMba ho fiasana koa\nEo an-tananao izahay.\n:,: Raiso re, ..sns.\nHo voninahitrao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_275"},"ffpm_276":{"num":"276","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah, Ray Mpahary\nSy Mpamelona anay,\nTsapanay fa tsy manary\nHianao Mpitondra anay ;\nHe, mandrotsa-pitahiana\nSesehena Hianao,\nKa dia feno fifaliana\nIzahay mpanomponao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Noteneninao ny tany,\nNotarihinao izahay,\nKa nitobaka  aoka  izany\nIzao ny vokatra azonay.\nFeno hika isan-taona\nNy fitiavanao anay,\nKa aoreno tsy ho foana,\nTompo ô ! ny asanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! mba raiso re, ry Tompo,\nIzao fanatitray izao ;\nEnga anie ka mba hitombo,\nHandrosoan’ny hanitrao.\nRaiso koa sy hamasino,\nNy fonay hiasanao ;\nNy Fanahy ampidino\nHampahery, hanavao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_276"},"ffpm_277":{"num":"277","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro, Tompo, vory eto\nAnatrehanao izahay,\nMba hanatitra ireto\nVokatry ny asanay,\n:,: Raiso re, raiso re !\nHo fanati-tsitrakao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao no mampaniry\nSy mampisy vokatra ;\nIzahay dia mpitahiry,\nFa Anao ny zavatra.\n:,: Raiso re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ary na tsy mendrika aza,\nAoka tsy holavinao,\nFa ho enti-mankalaza\nNy Anaran-tsoanao.\n:,: Raiso re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raiso koa re, ry Tompo,\nHo Anao ny tenanay,\nAmboary ho mpanompo\nMahafatra-po izahay.\n:,: Raiso re, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_277"},"ffpm_278":{"num":"278","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba ampio, ry Tompo soa\nIzahay navotanao,\nFa mikasa mba hanoa\nSy hanaraka Anao ;\nHitanao fa kely hery\nIzahay mpanomponao,\nTsy mahefa raha irery,\nKoa mba tarihonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izahay manolo-tena\nMba hiasa ho Anao,\nKa maniry, manantena\nFa hanampy Hianao ;\nHitanao fa kely hery, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tianay hiara-dia\nAminao, ry Tomponay,\nKa tantano tsy hania\nAmin’ny alehanay.\nHitanao fa kely hery, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_278"},"ffpm_279":{"num":"279","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raisonao, ry Tompo soa\nIzato asan-tananay,\nFa nomenao avokoa\nIzay rehetra anananay\nSimba izahay rehetra,\nSady very hatrizay,\nNefa soa tsy misy fetra\nNo novalinao anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao nanetry tena,\nTsy nitandro henatra,\nBe fiantra ka onena\nNy tra-pahoriana,\nMba tsarovanay izany,\nKoa dia tahafinay,\nNefa fiasana  ihany\nAo an-tananao  izahay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Arosoy sy ampitaro\nAminay ny teninao ;\nHazavao ny olo-maro\nIzay tsy mahalala Anao !\nNy misaona mba vangio,\nNy kamboty iantrao,\nIzahay izay tonga anio\nMba ataovy irakao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eny, ry Mpamonjy tsara,\nAmboary izahay\nMba ho tonga mpanambara\nNy fitianao anay ;\nAry dia mba tahio\nIzato fikambananay,\nHafanao, ampirisiho,\nHamasino izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_279"},"ffpm_280":{"num":"280","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompom-boninahitra,\nJereonao izao\nIreto izay milahatra\nHo tena irakao ;\nNy fanasana fatratra\nOmaninao izao,\nIlà-mpitondra hafatra\nHamory izay hankao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hitety sampan-dàlana\nSy vohitra  izahay\nHanetra fisakanana\nSy ady mahamay ;\nKa aoka hotafiana\nNy fiadianao,\nFa tena fanafihana\nIzay hatao izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, ry Fanahy Masina,\nMonena aminay !\nKa aoka ho fanasina\nTokoa izahay,\nFihino tsy hihemotra,\nAtaovy irakao\nManefa zava-tsarotra\nHo voninahitrao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompom-boninahitra,\nNy voninahitrao\nNo aoka mba hitaratra\nAn-tavanay izao,\nKa raha ao an-danitra\nFonena-masinao,\nDia  mainka vao hamiratra\nHo voninahitrao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_280"},"ffpm_281":{"num":"281","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vory eto izahay\nHihevitra ny asanao,\nTompo, manatreha  anay\nKa asehoy ny sitrakao.\nAoka Hianao no mba hitarika\nanay \nTompo, tahio izahay\nMba ho voninahitrao ny\nasa vitanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hahavita inona\nNy saina aman-kevitray ?\nTena tsinontsinona,\nRy Tompo ô ! ny herinay,\nKa mba midina eto afovoanay\nHanana aina masina ny \nfivorianay !\nTompo, tahio izahay ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hianao no nanome\nNy asa hoheverinay,\nTena adidy lehibe\nNo voatolotra anay,\nEnga anie ny sitrakao irery\nno hatao !\nAoka tsy ho vanona izay\ntsy sitrakao !\nTompo, tahio izahay ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Areheto aminay\nNy afom-pitiavanao,\nMba hahaizanay miray\nMitory ny Anaranao,\nHahavory marobe hanatona\nAnao,\nHampamirapiratra ny \nvoninahitrao !\nTompo, tahio izahay ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_281"},"ffpm_282":{"num":"282","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Manaraka ny famakian-teny voalohany)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso, Tompo velona,\nMpiandry sy Mpamelona\nNy Fiangona-masinao,\nAtreho izahay izao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indreo (Inty*) mpanomponao\nvaovao\nAtokanay, ka raisonao\nHanao ny raharahanao,\nHamahana ny ondrinao.\n\n(Manaraka ny faharoa)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tany no nakana anay,\nMihelina ny andronay,\nKa vetivety izahay\nDia hody vovoka indray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso ô, Mpitia anay,\nIzay Mpanjaka hatrizay,\nEndrey ny voninahitrao,\nManerana ny lapanao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny deranao hasandratra\nHitohy tsy hitsahatra ;\nHazava toy ny kintana\nNy tsara fanompoana.\n\n(Manaraka ny fahatelo)","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mba raison y mpanomponao,\nKa aoka hamboarinao\nHo mpanambara mankatò\nNy hafatrao, ry Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Omeo Afo Masina\nSy vava mampionona ;\nNy sainao sy ny feonao\nOmeo ny mpanomponao.\n\n(Manaraka ny fahefatra)","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Raha misy tafio-drivotra,\nTohano tsy hatahotra,\nHahery sy hisakana\nNy rafim-piangonana.","type":"verse"},{"num":"9","lyrics":"Ka mba ampirisihonao\nHanaraka ny dianao :\nTantano raha mbola atý,\nHandresy ka ho tonga arý.\n\n(Manaraka ny ordinasiona)","type":"verse"},{"num":"10","lyrics":"Ka mba ampirisihonao\nFa kely ny finoany ;\nNy ranao masina anie\nHanafaka ny helony !","type":"verse"},{"num":"11","lyrics":"Ampio mba haharitra,\nRaha mbola atý an-efitra ;\nRaha avy ny hodianay,\nMba hazavao ny làlanay !","type":"verse"},{"num":"12","lyrics":"Raha tonga ny harivany,\nKa ao ny ady farany,\nDia raiso ny mpanomponao\nHiala sasatra Aminao !\n\n*) Inty, raha olona iray no\natokana","type":"verse"}],"id":"ffpm_282"},"ffpm_283":{"num":"283","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Manan-jara, ry Jesosy,\nNy mpanomponao,\nIzay natokanao hitondra\nNy Anaranao :\nNofidinao ho mpitory\nNy fitiavanao,\nNitokianao ho mpamory\nNy vahoakanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao no zara fanompoako\nVoatendrinao,\nKa ny mafy tsy ahoako\nHahefako izao ;\nTsy handosi-pahoriana\nNy mpiasanao,\nFa ny hazo fijaliana\nLova taminao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na ho voky na ho noana\nNy mpanomponao,\nTsy handao ny fanompoana\nNametrahanao ;\nSitrakao ny fihafiana,\nKa mba tiako koa ;\nZakanao ny tsy fisiana,\nKa zakaiko  koa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy ahiko ny handany,\nHolanina koa,\nFa famoizan-tsoa no hany\nAhefany soa ;\nNa ny saiko, na ny aiko,\nAndro, vola koa,\nTsy mba misy holalaiko,\nFoiko avokoa.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Nefa raha  izaho irery\nTsy mahefa  izao,\nKa mangataka ny hery\nEo an-tananao,\nAoka ho feno ny Fanahy\nNy mpanomponao,\nMba ho tena lehilahy*\nVoahosotrao..\n\n*) na : « vehivavy »","type":"verse"}],"id":"ffpm_283"},"ffpm_284":{"num":"284","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mangataka aminao ny olonao\nry Tompo !\nMba hitahianao ny havan-\ntianay\nIzay atokanay hitondra sy\nhanompo\nNy Fiangonanao, henoy ny\nvavakay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tafio ny hery fa tsy mahefa\nirery,\nFenoy ny hevitrao ho toy ny\nzanakao.\nMpitady ny mania, mpikaroka\nny very.\nHitondra ireo ho tia ny\nvalan’ondrinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny sainy hazavao hahazo\nfahendrena\nHahay hitondra izao vahoaka\nbe izao.\nAmpianaro koa mba tsy\nhatoky tena,\nTolory saina soa hiankina\naminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha ory, aza afoy, tohàno sy\nonòny;\nMarary, mba tsaboy ;\nmahantra, mba jereo ;\nApetraka aminao ny ainy sy\nny fony ;\nKa mba tsinjovinao, arovy sy\nvonjeo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_284"},"ffpm_285":{"num":"285","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mivory maro eto\nIzahay navotanao,\nNy saotranay no ento\nHo voninahitrao ;\nMifaly sy mihoby\nMandray ny irakao,\nKa eto no mitoby\nMangataka aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Kristy tena Andry\nSy Vatolampinay !\nRy Lohan’ny mpiandry\nSy Tompo tokinay !\nTohano mba hijoro\nIty mpanomponao,\nTinendry ho mpanoro,\nMpilaza hafatrao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Handray ny asa mafy,\nKoa aza ilaozanao ;\nHitory, ho mpamafy,\nKa dia mba hazavao.\nVokiso lalandava\nNy saina tianao ;\nOmeo ny andro lava\nHanao ny asanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tahio mba ho salama\nHahefa ny anao,\nHo iraka mafana\nAmpian’ny herinao ;\nMandrava manda mafy\nMba hampanjaka  Anao,\nKoa  aoko mba hihafy,\nFa  izay no sitrakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fitaizam-panahy\nAdidy lehibe,\nAmpio mba tsy hanahy\nNy asa maro be,\nKa dia tahio ny asa\nHataony ho Anao ;\nNy fony no mikasa\nHanoa izay didinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_285"},"ffpm_286":{"num":"286","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Mpitarika hendry !\nTsinjovy ny olom-boatendry\nTolory ’zay hevitra hendry\nHandinika sy hahakendry.\nRy Tompo Mpanjaka mahery ;\nVangio raha ory sy tery\nTohano raha mahatsiaro fery\nVimbino ‘ndrao saraka irery.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha miasa dia miasa ny\nsaina\nKanefa ny tany no maina,\nKa mila ho kivy ny aina.\nTondrahy fandrao karankaina.\nNy mpiasa izay voafidy\nHamoha ny fo izay mihidy\nHitari-panahy saro-bidy,\nTantano hanaraka didy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_286"},"ffpm_287":{"num":"287","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! miaingà izao, ry\nmiaramila soa,\nAntsoin’ny Tomponao hiady\nhianao.\nNy fahavalo ao, kanefa\nmandrosoa,\n:,: Mahery re no momba\nanao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao tontolo izao izay feno\nfahotana\nNo iantsoana anao mba\nhotafihinao\nIndreo mihoraka ao ny\nfehin’ny Satana\n:,: Jeso anefa momba anao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny aizim-be izay mandrakotra\nny tany\nNo iantsoana anao ka andeha\nmba savao ;\nN Tompo no tafio, alao ny\nhazavany,\n:,: Tsilovy izao tontolo izao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fahoriam-be izay\nmanarona eto\nNo iantsoana anao, ka moa\nve handà ?\nAmpiononinao ny ory sy\nmisento\n:,: O ! mazotoa ka miaingà :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Na inona hanjo mbola ao ny\nfamonjena\nHahery hianao ! izay no\nantenao ;\nAmpoizinao tokoa izao ny\nfandresana,\n:,: Mahery Ilay arahinao :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"O ! mahereza izao, ry\nmiaramila soa !\nNy hatrotrahanao iareto sy\nzakao.\nJesosy no jereo, ka matokia\ntokoa.\n:,: Fa Izy re no herinao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_287"},"ffpm_288":{"num":"288","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Sambatra izay voafidy\nHo mpiasanao\nKa hanohy ireo adidy\nIzay natombokao.\nHo mpitaiza ny fanahy\nToy ny vitanao\nHo mpiady tena sahy\nTarikao Jeso.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Dia mpiasa tsy an-tery\nKa mafana fo\nTe-hanangona ondry very\nMarobe tokoa.\nTe-hitaona ny tanora\nSy ny zaza koa\nTsy hifidy asa mora,\nFa ho mpankatò.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hianao, ry Jeso Tompo,\nNo nampianatra\nNy olonao mba hanompo\nTsy mitsahatra.\nTsy handala ny talenta\nIzay natolotrao :\nFa ny aina re no fetra\nEntina manao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Nefa tsy matoky tena\nFa malemy moa,\nKa dia mila fahendrena\nMila hery koa ;\nHo mpiasa mahavita\nIzay anjara etý,\nMandra-pody ao am-pita\nAminao arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_288"},"ffpm_289":{"num":"289","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hitsangana izao\nIzahay, ry Tompo ô !\nMba hanompoanay Anao,\nAmpionao izahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fahotana be\nIzay vitanay tatý,\nDia ibebahanay izao,\nKa mamelà anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tsy finoanay\nNo nijanonanay\nTsy nanatonanay Anao\nIzay ela be izay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Sasao madio izahay,\nAsio fo vaovao\nHo ao anatinay izao,\nRy Jeso Avotray !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Inoanay tokoa\nFa maty Hianao,\nHisolo olo-meloka\nNo nijalianao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mba manampia anay\nHiankina aminao,\nFa tokinay ny avotrao\nNatao tao Kalvary.","type":"verse"}],"id":"ffpm_289"},"ffpm_290":{"num":"290","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indreto fa mivory izao\nZatovo vonon-kanavao\nIlay fanekena tsara ;\nMba raisonao, Rainay ô !\nNy fitarainanay izao.\nOmeo toky tsara,\nHenoy, fenoy\nAim-panahy, mba ho sahy\nLalandava\nHo mpanaiky ny mazava.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mandà ny ratsy izy izao,\nManaiky fa ho zanakao\nHandia ny lalan’aina ;\nRy Ray ô ! mba tsarovinao\nIreto voasoratrao\nAo amim-bokin’aina ;\nTezao izao\nTsy ho resy, fa handresy,\nKa omeo\nAzy hery mahaleo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Natsanganao ho zanakao\nSy ondry mba handrasanao,\nKa tena sarobidy ;\nArovy re ny ondrinao,\nTantano ny malalanao.\nRy Tompo Izay nifidy \nAnay handray\nLova soa tsy miova,\nKa hazony\nTsy handao Anao intsony !","type":"verse"}],"id":"ffpm_290"},"ffpm_291":{"num":"291","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa tonga zana-dRay Tsitoha\nhianao,\nRy tanora, tamin’ny batisa\nmasina ;\nIzany no tenin’ny Tompo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Koa aza manadino ny\nbatisanao,\nZava-tsoa sarobidy efa\nazonao\nTamin’ny ranon’ny aina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Famelana heloka sy\nfahasoavana,\nFanavaozana ny fo sy\nfiadanana,\nSamy nomen’ny Mpamonjy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia arahonao Jesosy, fa\nMpamonjinao ;\nAoka hahafaly Azy ny\nfiainanao,\nTovy izay sitrapony !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mivavaha, miambena ao\nan-dalana !\nMisy fahavalo fetsy\nta-hamitaka\nNy ondrikelin’ny Tompo.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mahatoky ny Mpamonjy,\naza kivy fo,\nIzy hampionona raha avy ny\nmanjo ;\nAzy ny hery rehetra.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ary raha tapitra ny andronao\natý,\nEndrey ny fifalianao rehefa\n‘mby arý\nAmin’ny Tompo Jesosy !","type":"verse"}],"id":"ffpm_291"},"ffpm_292":{"num":"292","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izahay natao batisa,\nVoarain’ny Tomponay,\nAry efa voaisa\nMba ho Zanaky ny Ray ;\nVoavelany tokoa\nNy fahadisoanay ;\nNefa mbola mora voa,\nMora resy izahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na ny asa, na ny teny,\nNa ny hevitra ao am-po,\nMbola tsy madio ireny,\nKa diovy Tompo ô !\nMora aminay ny ratsy,\nSarotra aminay ny to ;\nMba ampio tsy ho resy\nIzahay, ry Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha mbola atý an-tany\nIzahay izay zanakao,\nMba ampio tsy ho lany\nNy finoanay Anao.\nRy Jesosy Tompo soa,\nTano mafy izahay,\nMba ho azonay tokoa\nIzay anjara lovanay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_292"},"ffpm_293":{"num":"293","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izaho nentina nanatrika\nNy Tompo sy ny fiangonana,\nNy ray sy reny no niantoka\nHitaiza sy hitari-dàlana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka faly aho fa noraisina\nNatao batisa mbola zaza re,\nNanaovam-panekena masina\nHo zanaky ny Tompo lehibe.","type":"verse"}],"id":"ffpm_293"},"ffpm_294":{"num":"294","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ampio aho, Zanahary ô !\nHanaraka ny « eny » masina,\nIzay nataoko taminao, ry To,\nKa tsy mba hisy fivadihana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Tompoko, Izay\nnanomboka\nNy asa tsara ao anatiko,\nArovy aho ho tanteraka,\nMba tsy ho faty ny finoako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_294"},"ffpm_295":{"num":"295","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miorena mafy tsara\nAmin’Ilay Vatosoa,\nMandrosoa, mifahara,\nMifikira mafy koa,\nHe ! ny Tompo manambara\nFa ho sambatra tokoa,\nKa ho tsara miafara\nNy mpanompo mahasoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha misy fahoriana\nIzay midona aminao,\nRaiso re ho fitahiana\nIzay omen’ny Tomponao ;\nFa ny lalam-pijaliana\nIzay alehanao izao\nDia mamelom-paniriana\nHitomboan’ny herinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miadia ny ady tsara,\nHo mpandresy hianao ;\nTontosay izay anjara\nEo am-pelatananao ;\nJeso Tompo no mijery\nSy mahita ny atao,\nKoa dia tsy mba hisy very\nIzay rehetra vitanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jesosy ! hatanjaho\nIty mpanolo-tenanao,\nMiangavy, mitalaho,\nKa iteneno, Tompo ô !\nAoka re ho tena taho\nIzay mikambana aminao.\nKa ny foko halalaho,\nDiovy ho Tempolinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_295"},"ffpm_296":{"num":"296","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ankehitriny\nJereo ry Ray !\nNy mpivahiny\nMiampy   indray ;\nKa manomeza hery\nNy fiangonanao,\nMba tsy hiasa irery\nNy olonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Avia hitahy\nNy olonao ;\nKa ny Fanahy\nOmeonao ;\nHo hery izay handrava\nNy toetra ratsinay,\nHo jiro hanazava\nNy lalana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Tompo tia !\nTarihonao\nHifankatia\nNy olonao,\nMba tsy ho rava  intsony\nNy fikambananay,\nHamantana ao ambony\nNy dianay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_296"},"ffpm_297":{"num":"297","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry havanay malala !\nManolo-tena izao,\nFotoana mahafaly\nIraisantsika anio ;\nFaly izahay mandray anao,\nHiara-manompo ny Ray,\nJeso anie handray anao !\nMba ho sakaizany tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hajao ny fanekena,\nAdidinao efao\nAtaovy tsy terena\nIzay andraikitrao.\nJereo Jeso, ka matokia,\nFa Izy no hiahy anao,\nKa mandrosoa sy mifalia\nHanefa izay anjaranao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_297"},"ffpm_298":{"num":"298","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aina no fetra, ry Tompo\nMpanjaka !\nAina no fetra anarahana Anao\nKa ny faneva tsy maintsy ho\nzaka,\nNy fanompoana tsy maintsy\nhatao.\nIndreto izahay hilanja faneva :\nIlay hazo izay nanavotana\nanay.\nAn-tsitrapo no anoloranay\ntena,\nKa tano  mba ho Anao  izahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aina no fetra ho enty-manoa\nIlay Zanakondry nisolo anay ;\nFandavan-tena sy fanaovan-\ntsoa\nNo fianarana atolotra anay,\nIndreto izahay ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aina no fetra, ry Tompo\nmalala !\nAino no fetran’ny fitiavanay ;\nKa sanatria izay handao na\nhiala ;\nMandrakizay, ho Anao izahay.\nIndreto izahay ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aina no fetra, ny hofo anefa\nMora mirona ho lavo indray,\nKa manampia, ry Mpandresy\nmahefa !\nO ! mba tantano, hazòny\nizahay.\nIndreto izahay ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Aina no fetra, ka ampio,\nry Fanahy !\nAina no fetra, vonjeo e,\nry Ray !\nAina no fetra, izahay re no\nsahy ;\nAina no fetra, handresy\nizahay.\nIndreto izahay ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_298"},"ffpm_299":{"num":"299","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo mahery Tsitoha,\nFaly izahay mahatsiaro,\nFa Hianao Izay Loha\nEfa niantso olo-maro.\n:,: Mba hitohizan’ny asa,\nAsa natomboka teto :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raiso ny saotra aman-dera\nNoho ny zavatra vita,\nFa Hianao nampahery\nNy mpiasanao izay tafita.\n:,: Raiso fa Anao samy irery\nNy fahefana sy hery :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia hamasino ny asa\nSy ny fiezahana mafy,\nEfa nataon’ilay mpiasa\nTamin’ny fo sy ny hafy.\n:,: Ho voninahitrao, ry Tompo\nIzay niantso  azy  hanompo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ary izahay izay mandova\nSy ta-hanohy ny asa,\nAoka ny toetra ho lova\nHoraisinay, enti-miasa.\n:,: Ho voninahitrao, ry Tompo\nIzay efa niantso  mpanompo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_299"},"ffpm_300":{"num":"300","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny tany izay vangianao,\nRy Jeso Masoandronay,\nTsy maintsy lasanao, Jeso,\nMba hanjakanao avokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fo sy tany lasanao\nHo feno hasambarana,\nNy loza hosakananao,\nNy soa hampidinina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny vavakay sy dera koa\nTsy manam-pitsaharana,\nHiakatra Aminao tokoa\nHitady fiadanana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ireo olona voaforona,\nDia àry ho Anao tokoa :\nHohasoavinao ireo\nHanjary masina avokoa.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny maty hovelominao,\nNy ratsy hohavaozinao,\nNy very hotadiavinao,\nNy diso, re, horaisina.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry vazantany efatra !\nRy Nosy tanindrazanay !\nMba raiso Ilay Mpanavotra\nHo Tomponao mandrakizay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_300"},"ffpm_301":{"num":"301","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, sahanao, Mpamonjy ô,\nIzao rehetra izao.\nKa be izao ny vokatrao,\nFa vitsy ny Mpanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indreto, tonga izahay\nHivavaka Aminao,\nHanolotra ny tenanay *\nHiasa ho Anao.\n\n* na Haniraka ny namanay","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny firenena marobe\nSy nosy mba tahio,\nIndrindra fa ny Nosinay,\nRy Tompo ô tahio.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Vimbinonao ny irakay,\nNy feony hamamio,\nIndrindra fa omeonao\nNy zotom-po madio.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tahio re ny olonao\nHihaino sy hanoa,\nMba hahitany Aminao\nNy antra mahasoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_301"},"ffpm_302":{"num":"302","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miandry ao ny Tomponao,\nSamia manendry tena,\nFa be ny asa izay hatao ;\nAtreho ny firenena !\nTopazy maso kely\nNy ondry izay mania\nIlay zandry lasa niala\nAtaovy hoe : modia.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Miandry ao ny namanao,\nMoa ve tsy hovonjena ?\nHatòny re dia ilazao :\nKristy no famonjena.\nTopazy maso ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hevero e ! ny Nosinao\nIty Madagasikara !\nMba efa aiza izy izao\nAra-Pilazantsara ?\nTopazy maso ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_302"},"ffpm_303":{"num":"303","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! mandrosoa,\nry mpanaraton’i Jeso,\nIzay no baiko azontsika,\nka mandrosoa ;\nJesosy Tompo no mibaiko,\nmandrosoa :\nRaiso ka  arotsahy\nny haratonao.\nMiaingà, namako ô !\nJeso no mibaiko\nMandrosoa, mandrosoa,\nmandrosoa tokoa ;\nAza kivy koa,\nna dia  tsy mahazo :\nMandrosoa amin’ny lalina\nkokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O ! mandrosoa,\nry mpanaraton’i Jeso,\nSaina mora kivy\naoka ho lavinao ;\nNy mora kivy\ndia hanenina tokoa ;\nRaiso ka  arotsahy\nny haratonao.\nMiaingà, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! mandrosoa,\nry mpanaraton’i Jeso,\nMbola ao ny hazandrano\nho azonao ;\nTsy azonao anio,\nampitso mandrosoa,\nRaiso ka  arotsahy\nny haratonao.\nMiaingà, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba mitoera,\nJeso ao an-tsambonay\nMba ho renay lalandava\nny teninao ;\nNy baikonao, ry Tompo,\nhankatoavinay\nKa harotsakay izao\nny haratonay.\nMiaingà, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_303"},"ffpm_304":{"num":"304","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! ali-maizim-pito e !\nSao very ao ny marobe,\nSatana no manjaka ao,\nMivadi-po ny olona ao :\nAvia, ry Masoandronay,\nMba hazavao ny taninay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa ny mazava ho anay\nAo Aminao, Jehovah Ray !\nMamirapiratra tokoa\nIlay Fitarikandro soa.\nAvia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jeso Masoandronay !\nMiandry eto izahay ;\nMba misehoa Hianao\nFanilon’ny fanahy ô !\nAvia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia hazavao ny taninay,\nAndrao very eto izahay ;\nSavao ny aizim-be izao\nHizorany mankaminao\nAvia, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_304"},"ffpm_305":{"num":"305","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! miasà, sakaiza,\nJeso no herinao ;\nNa misy mafy aza,\nIzy tsy handao.\nDia matokia tokoa,\nFa Jeso momba  anao,\nKa hisy vokan-tsoa\nHifalianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maro ny andro lasa\nIzay tsy nanaovanao,\nKa mbola be ny asa\nIzay tsy vitanao,\nKoa dia mitsangàna,\nHanao tokoa izao,\nHahavitanao tsara\nNy anjaranao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indro fa mihariva,\nFohy ny andronao ;\nMoa tsy mba fantatrao va\nKa tsy hitanao ?\nEny, fa manakaiky\nJeso Mpitsara re,\nAry efa ‘mby akaiky\nNy hodianao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Rehefa tonga Jeso,\nTompon’ny asanao,\nAry hamaly soa\nNy mpiasany.\nMandrakizay doria\nNo hifalianao,\nRaha mpanompo tsara\nMahatoky e !","type":"verse"}],"id":"ffpm_305"},"ffpm_306":{"num":"306","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mamafaza voa,\nka  aza mba malaina\nFa tsy fantatrao re\nizay ho vanona\nNa  amin’ny hariva,\nna  amin’ny maraina\nMamafaza voa,\ntsy mijanona.\nMatokia re,\nmatokia re,\nHisy amboara,\nho anao anie !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mamafaza voa\namin’ny mahantra,\nKa  aza mba mifidy\nizay hasian-tsoa ;\nFa ny fo mazoto\nsady feno antra\nDia  homen’ny Tompo\nvalisoa tokoa,\nMatokia re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamafaza voa \namin’ny malemy,\nAry mba ampio izay\nreraka ao am-po ;\nAsehoy Jesosy\nloharanon-kery,\nAo no anovozy\nizay ilain’ny fo.\nMatokia re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Miasà sakaiza ! \nmilofosa tsara\nDieny misy asa\nazonao atao ;\nMatahora sao\ntsy vita ilay anjara\nIzay napetraky\nny Tompo aminao\nMatokia re, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_306"},"ffpm_307":{"num":"307","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iza no hanompo an’i Jeso\nsoa ?\nIza no hanaiky mba ho Azy\nmoa ?\nHe, ny hatsarany ! he, ny\nantra be !\nFa Izy ta-hamonjy, ka meteza\nre !\nJeso Tomponay ô !\nIndreto izahay\nAvy mba hanaiky,\nKa mandraisa anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Iza re no mety, iza re, lazao,\nHanome ny fony mba ho Azy\nizao ?\nHe, miantso mafy Jeso\nTompo tia,\nIzay rehetra mety, ô ! avia,\navia !\nJeso Tomponay ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Iza no mba sahy, sahy ao\nam-po\nHo miaramila fehin’i Jeso ?\nIza no hiady ady tsara re,\nFa ny fahavalo dia marobe ?\nJeso Tomponay ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Iza re no homba Azy\nankehitrio\nMba hamonjy  ireny azon’ny\nmanjo ?\nIza no hihafy sady hanome\nAndro, hery, saina ?\nMamalia e !\nJeso Tomponay ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Iza no hazoto mba hiasa\nmoa ?\nIza no handroso mba ho\nhendry koa ?\nIza no hanaiky, iza re ?\nlazao !\nMba ho an’i Jeso, izao anio\nizao ?\nJeso Tomponay ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_307"},"ffpm_308":{"num":"308","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! miaingà, miasà izao,\nIrak’i Jesosy hianao ;\nNy masoandro miposaka ao\nMba hanazava ny dianao,\n:,: Ka dia mazotoa ô :,:\nO ! miaingà, miasà,\nmitoria,\nAza ho kivy, fa mba\nmihafia ;\nDia mba lazao ny nataony\ntatý,\nMba hanazava ny maizina\natý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O ! miaingà, miasà izao,\nKa afafazo ny voanao\nHo ao an-tany mahantra ao ;\nJeso Mpamonjy no aronao\n:,: Hitahy ny asanao :,:\nO ! miaingà, .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! miaingà, miasà izao,\nAoka hiezaka fatratra ;\nJeso hanambina anao atý\nMandra-pahazo ny vokatra\n:,: Izay valin’ny asanao :,:\nO ! miaingà, .. sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O ! miaingà, miasà izao,\nFa mby akaiky ny Tomponao\nMba hanome valisoa anao,\nAraka izay voa  nafafinao,\n:,: Ka dia miasa izao :,:\nO ! miaingà, .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_308"},"ffpm_309":{"num":"309","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iza no hitantara\nNy Tompo Jesosy,\nIlay nandao ny lapa\nKa nidina tatý ?\nNitafy nofo Izy,\nNanetry tena koa ;\nKa maty ho Mpisolo\nIzao rehetra  izao\nIza no hitantara (in-3)\nNy Tompo Jesosy ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Iza no hitantara\nNy fitiavany ?\nFa tia ny mpanota\nMahantra, very koa ;\nKa izay manatona Azy\nDia tsy hariany,\nFa raisiny tokoa\nMba ho sakaizany ;\nIza no hitantara (in-3)\nNy fitiavany ?","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Iza no hitantara\nNy zava-marobe ?\nIzay raisin’ny voavonjy\nAmin’ny alalany ?\nTsy mbola hita maso,\nNa ren’ny sofina,\nNa takatry ny saina,\nNy hasoavany ;\nIza no hitantara (in-3)\nNy hasoavany ?","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Iza no hitantara\nNy soa be arý ?\nHe! lova tsara fara\nHasolo ny atý ;\nAny an-danitra any\nBe haravoana,\nFa ao ny Tompo Jeso\nIzay hifaliany ;\nIza no hitantara (in-3)\nNy soa arý ?","type":"verse"}],"id":"ffpm_309"},"ffpm_310":{"num":"310","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misy maro ao an-tsaha\nmitaraina\nKa ento ny jiro mba hankao,\nTsy mba misy antoandro\nna maraina,\nFa maizina re ny ao ;\nIndro olo-maro be\nNo maniry mafy hoe :\nMba midína mankatý,\nItondray Baiboly re\nIzy ireo, fa ta-handre\nAn’i Kristy Tompo soa ;\n« Mandehana, »\nhoy ny Tompo\n« Mandehana ho amin’izao\ntontolo izao ».\nMitsangàna ary,\neny mitsangàna,\nFa Izy no homba anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mandehana mba hitarika\nny jamba,\nMba ampifalio ny ory fo ;\nNy mahantra ilazao fa misy\nlamba\nTsy miova, tsy mety lo ;\nJeso Mofon’aina soa,\nSady Ranon’aina koa,\nAsehoy ho hitany,\nTena Andriamanitra,\nTompo tao an-danitra,\nAmbarao ho fantany :\n« Mandehana, » ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mandehana hanatanjaka ny\nosa,\nOmeo toky re ny ketraka ;\nNy anjaranao, ataovy ho\ntontosa,\nKa aza dia reraka,\nMandehana hianao, ka vitao\nny asanao,\nFa ny tambinao arý ;\nMbola any ihany re\nNy handraisan-tamby be,\nDia rehefa tsy etý,\n« Mandehana, » ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_310"},"ffpm_311":{"num":"311","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miely lavitra any\nNy olo-marobe\nKoa iza no hankany,\nHamonjy azy re ;\nHanorina sekoly,\nHitory teny koa,\nHamaky ny Baiboly\nMilaza zava-tsoa ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indreny olona ory\nTsinjovy rizareo !\nTsy misy ny mpitory,\nKa moa hafoinareo ?\nTsarovy Jeso Tompo\nNandao ny lapa soa,\nKa tonga mba hanompo,\nNanolotra aina koa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Lohan’ny mpiandry !\nTendreo ny irakao,\nFa reraka mandry\nNy ondrikelinao ;\nIraho ny mpitory\nHandeha ankehitrio,\nKa tsy handà akory\nHanao veloma anio.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny tia famonjena\nMiaramila soa ;\nIzay manolo-tena\nNo iraka tokoa ;\nNa lavitra ny tany,\nHanendry tena hoe :\n“ Izaho no hankany,\nIraho aho e ! ”","type":"verse"}],"id":"ffpm_311"},"ffpm_312":{"num":"312","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mitoera, ry Jesosy !\nAo an-tanimbolinao,\nKa amboary izao ny voly\nMba hitombo sy hamoa,\nTomoera ;\nIasao ny nosinay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba onenonao ny lasy\nItoeranay izao,\nKa ovay ny Malagasy\nMba ho tena zanakao,\nO ! nomena ;\nHazavao ny nosinay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Akekezo ireo mpania\nTafaverina Aminao,\nKa tantano mba ho tia\nNy miresaka Aminao,\nO ! tariho\nHo Anao ny nosinay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia fohazy ny mpitory,\nMba hanao ny asanao,\nKa hamoha ireo matory\nMba handre ny sitrakao,\nHamasino\nHo Anao ny nosinay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"O ! Jesosy feno antra !\nDera, laza, ho Anao,\nNy lohalika rehetra\nHandohalika Aminao,\nMitoera,\nFa Anao ny nosinay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_312"},"ffpm_313":{"num":"313","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miantra ny firenena,\nRy Jesosy Tomponay !\nAmbarao ny famonjena\nIzay nataonao fahizay ;\nAsehoinao ny hery\nNamonjena marobe ;\n:,: Ry Mpamonjy olom-bery !\nMamonje indray anie :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba heveronao ry Nosy\nItoeranay izao ;\nIantraonao, ry Jesosy,\nNy tsy mahalala  Anao ;\nIantrao ireo faritany\nAnjakan'ny aizim-be,\n:,: Mba ho tonga faingana any\nNy mazava lehibe :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Be ny tany tsy voasa,\nVitsy ny mpanomponao ;\nKoa izahay mpiasa\nAo an-tanimbolinao\nMba omeo fo minia\nHankato ny teninao,\n:,: Ka aoka mba hikely aina\nIzahay hiasa ao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mankanesa, ry Mpitory !\nAo an-tany lavitra ao,\nBe tsy mahalala  akory\nAn'i Jeso Tomponao,\nHe, ny fahantrany, indrisy !\nHe, ny hadalan'ny ao,\n:,: Fa ny olona tsy misy\nHampianatra azy ao :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny harena anomezo\nSy ny fahendrena koa,\nEny, Kristiana ! aelezo\nIzay rehetra mahasoa ;\nMankanesa re izay tia\nNy Mpamonjy lehibe ;\n:,: Miantrà ka manampia\nNy mahantra marobe :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_313"},"ffpm_314":{"num":"314","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Injany, misy feo !\nKa iza no tsy mandre ?\nRy Kristiana, raiso\nAdidy lehibe,\nManerana ny tany\nNy antso avo izao,\nHo an'i Jeso Tompo\nIzao tontolo izao,\nMihobia\nSy mitoria\nNy teny mahafaly\nIzay voarainareo ;\nIzao no tena fetra :\nHo an'i Jeso soa\nNy olona rehetra ho Azy\nAvokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy ho antsika irery\nNy fahasoavam-be,\nFa ho an'ny olom-bery\nTsy an-kanavaka  e !\nNy fiantran'ny Tompo\nTsy misy fetra, koa\nLazaonareo mpanompo\n'Lay fitiavan-tsoa.\nMiasà.\nKa milazà\nNy teny mampionona\nMahafa-po ;\nVoarainareo ny baiko :\nHo an'i Jeso soa\nNy olona rehetra ho Azy\nAvokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Tompo no milaza :\n« Andeha mitoria, »\nKa na dia sarotra aza\nNy asa, matokia ;\nFa tsy mandeha  irery\nIzay mitondra soa,\nFa omban'Ilay Mahery\nNy irany tokoa,\nKa sahia\nDia  mitoria\nNy famonjena lehibe\nVoarainareo ;\nVoatsangana ny saina :\nHo an'i Jeso soa\nNy olona rehetra ho Azy\nAvokoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompo sy Mpanjaka !\nAmpio ny olonao\nHanoa sy hanahaka\nKa hankalaza  Anao,\nDia aoka hokendreny\nIzay katsahinao.\nKa  hahita famonjena\nIzao rehetra izao,\nRy Tsitoha !\nMba manehoa\nNy hery mahagaga izay\nAnananao :\nTongava mba hanjaka :\nKa  angony avokoa\nNy olona navotanao\nRy Tompo soa !","type":"verse"}],"id":"ffpm_314"},"ffpm_315":{"num":"315","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Ziona, mitsangàna,\nKa mihazavà izao ;\nAndrandrao ny fahazavana,\nIzay miposaka  aminao","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maizina ny firenena\nAmin-tany fantatrao,\nFa tsy manam-pamonjena,\nNefa ankohonanao","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Atopazy re ny maso !\nMarobe ny zanakao ;\nToy ny tany feno hazo,\nEo anatrehanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Asandrato ny fanilo\nHanazava lavitra,\nMba ho marobe no hino,\nAn'Andriamanitra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Jesosy, notahianao\nAnie ny lovanao ;\nOlo-maro izay irinao,\nTaomy mora ho Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_315"},"ffpm_316":{"num":"316","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Maizina ny firenena,\nKoa diso lalana,\nTsy mahita famonjena,\nTia zava-poana ;\nEndrey, ny haverezan-tsainy\nLany foana ny ainy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lehibe ny aizin'ota,\nTakona ny lalana,\nHandosiran'ny mpanota,\nNy fahaverezana ;\nIndrisy, very re ny aina !\nInjay ny feo mitaraina !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mitsangàna izao, ry mino,\nMandehàna faingana,\nEnto aminy ny jiro,\nAtoroy ny lalana ;\nHianao va tsy onena\nNy tsy manam-pamonjena ?","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia ento ny mazava\nIzay naseho taminao ;\nMazotoa hampisava,\nIzany aizim-pito ao,\nKa ny namanao mahantra\nItorio ny Mpiantra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Eny, tsara sy mahery\nNy Filazantsara re !\nAfaka ny olom-bery,\nSambatra ny mahare ;\nKa mitandrina tokoa !\nIzany teny mahasoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_316"},"ffpm_317":{"num":"317","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Rain’ny fahazavana\ntsy milentika !\nAvy izahay mitondra ny\nfisaorana ;\nAloky ny fasanay\nno nipetrahanay,\nNefa andro no nasolonao\nny alinay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Enga ka handroso tsara\nny mazava e,\nMba ho fantatray tokoa\nIlay manoa hoe :\n« Izaho no fahazavan’izao\ntontolo izao ».\nHanazava sy hanitsy\nizay alehanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Fitarikandron’aina\nefa hita re,\nManazava na ny kely\nna ny lehibe.\nMahasoa, mahahendry,\nmahasambatra,\nKa akory re ny andro\nizay hiposaka !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mitsangàna, ry Ziona,\nka mihazavà !\nVoninahitry ny Tompo\nno miposaka ;\nAtopazy manodidina\nny masonao.\nNy haren’ny firenena\ntonga aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_317"},"ffpm_318":{"num":"318","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mandrosoa, ry mpanarato,\nAza ketraka izao !\nMandrosoa tsy miato,\nJeso re no herinao ;\nKa ny jentilisa maro,\nHavana sy tapaka,\nMba toroy, ampahafantaro\nAn’Ilay Mpanafaka !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mandrosoa, ry mpanarato,\nMiezaha fatratra,\nKa na iza hisahato,\nAza mba matahotra,\nNotolorana adidy\nHianao ka miasà !\nNa ho mamy na mangidy,\nAza fay na mba handà !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mandrosoa, ry mpanarato,\nAo an-drano lalina !\nMisy ve hitora-bato ?\nAnehoy fitiavana !\nRaha kivy ny mpanota\nNoho ny haratsiny,\nEnto any Gologota\nAmin’ny Mpamonjiny.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mandrosoa  re no baiko\nIzay mifehy ahy  izao,\nKa ny tena sy ny aiko\nRaiso, Tompo, ho Anao !\nHe, afoiko manontolo\nIzay ananako izao\nKoa raisonao daholo\nMba ho voninahitrao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_318"},"ffpm_319":{"num":"319","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba iraho ny Fanahy,\nRy Jesosy Tompo ô !\nMba hanampy sy hitahy\nNy mpiasa irakao.\nTany mafy no asaina,\nNefa kely izahay ;\nMarobe no tsy misaina\nRaha itorianay !\nTanteraho re ny toky,\nIzay nomenao fahizay.\nKa mombà anay mpitory\nMandra-podi-mandrinay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O, ry Masoandron’aina,\nHazavao ny namanay,\nMba fafazo andon’aina,\nFa  efa toy ny tany hay ;\nTapa-kazo no hajainy,\nKa tsy fantany ny To ;\nFeno aizina ny sainy,\nEfa momoka sy lo ;\nNy sikidy mahavery\nNo ataony solonao,\nSampy vato, hazo kely\nNo hajainy toa Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Averenonao ireny\nMba ho tonga olonao ;\nTadiavo tsy ho very,\nRaiso re fa lovanao !\nEntonao ny famonjena\nKa ovay ny fony izao ;\nAoka hisy sesehena\nNy hanaiky ho Anao !\nDia  hiova re ny tany\nKa hanjary lonaka,\nAry hisy voa mamy\nIzay ho tena vokatra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aoka re mba tsy ho rava\nNy mazava hitanay !\nMba handroso lalandava\nNy anjara asanay,\nMba ho dera aman-daza\nHo Anao, ry Tomponay !\nHatanjaho ny mpiasa,\nDia tsy mba hety fay ;\nAoka re ny olo-mino\nMba hamory ho Anao,\nKa hitombo be ny mpino\nHiandany Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_319"},"ffpm_320":{"num":"320","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Manana fiorenana\nNy fiangonan'i Kristy ;\nEla, fa he, tsy levona\nIzy na maro na vitsy ;\nVavan'ny olo-masina\nMety ho voatampina,\nNefa tsy maty ny feo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fiangona-masina\nTrano tsy mety mikoa,\nIzy no vato velona\nRafitry ny Ray Tsitoha ;\nJeso no fehizorony,\nIsika mirafitra aminy,\nMonina ao ny Fanahiny.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nefa mba misy koa atý\nTrano nataon-tanantsika\nHo voninahitr'i Kristy,\nMendrika ho tiantsika ;\nFa ao no andrenesana\nNy tenin'Andriamanitra,\nMamin'ny olona mino.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ao ny Batisa masina,\nIzay tena ranon'ny aina ;\nAo Ilay Mpihaino vavaka,\nTokin'izay mitaraina ;\nAo koa ny Fandraisana,\nDia ny sakafo masina,\nTena aman-dràn'i Jesosy.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Enga ka mba ho fantatra\nAmin'ny tany rehetra ;\nIlay loharano velona,\nSady tsy mety ho ritra !\nRaha  ny lakolosy velona,\nFaly izay mpivavaka,\nFa manantena hihaona.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raiso, ry Kristy, ho Anao,\nNy fideranay anio !\nAmpandrosoy ny teninao,\nNy ondry very vorio\nMandra-pikambany hiray,\nAmin'ny valanao indray,\nFa Hianao no Mpiandry.","type":"verse"}],"id":"ffpm_320"},"ffpm_321":{"num":"321","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy Tomponay\nRavoravo izahay ;\nTonga izahay izao\nMba hihaona Aminao ;\nIndro misy tranonao\nHitokananay izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka mangataka  Aminao\nIzahay, ry Tompo ô !\nAoka mba horaisinao\nIzay nataonay ho Anao :\nTrano fiangonana\nTrano fivavahana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aoka mba ho fantatray\nEto ny alehanay,\nFa vahiny izahay,\nKa ny tanindrazanay\nDia any Aminao ;\nKoa mba tarihonao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aoka ny Anaranao\nMba hohamasininao ;\nAoka ny Fanahinao,\nMba ho tonga hanavao\nNy mpanota marobe,\nDia hovoavonjy re !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ka ny fiadananao\nAmpombay ny olonao,\nHampikambana ny fo,\nKa ho toy ny iray tam-po,\nMba hifankatiavanay\nIzao sy rahatrizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_321"},"ffpm_322":{"num":"322","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indro, Tompo, misy trano\nIzay namboarinay ho Anao,\nAngatahanay tsodrano,\nItokananay ho Anao\nTompo ô, mba hamasino\nHo fihaonana Aminao,\nHo tempoly tian'ny mino\nFivavahana Aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Diovy, Tompo, mba ho trano\nIzay hajaina ho Anao,\nKa omeo sy itokano\nMba ho fideràna Anao.\nTompo masina ô, idiro\nMba ho mendrika Anao\nKa aoka  Hianao ho jiro\nIzay hamirapiratra ao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba tahio, ry Ray Mpitahy,\nHo tempoly masinao\nHo Betelan'ny fanahy,\nVavahady ho Aminao.\nItoero, mba ho kianja\nMahamanina ny fo,\nMba ho trano mendri-kaja,\nMampivavaka ny fo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mandrosoa ka midira\nHo mpanjaka tokana  ao\nKa ny vavaka sy hira\nMba tahio ho sitrakao,\nNefa tsy ny trano ihany\nNo atolotray, ry Ray,\nIndro koa mba itokany\nHo Anao ny tenanay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_322"},"ffpm_323":{"num":"323","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vory ny mpanomponao\nEto anatrehanao,\nRy Jesosy Tomponay !\nHe ! faly ny fonay,\nFaly, faly, faly,\nHe ! faly ny fonay,\nVory maro toy izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba atrehonao iizahay \nFa mitokana  eto izao\nNy trano ho Anao :\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eto hitorianay\nAn'i Jeso Tomponay,\nMpamonjy lehibe :\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eto hanomezanao\nTsara ny Fanahinao\nMba hanadio ny fo :\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Eto no hanananao\nLaza saotra ho Anao ;\nNy maro mba vonjeo :\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Aoka re ny tranonay,\nTrano iangonanay,\nMba ho tempolinao :\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_323"},"ffpm_324":{"num":"324","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Andriananaharinay !\nIsaoranay ny Anaranao ;\nNambininao ny tranonay\nKa vita tsara ho Anao :\n(Feo 1-2)\nFenoy, fenoy, fenoy\nNy hamasinanao\nNy tranonay ho tranonao.\n(Feo 3-4)\nFenoy, fenoy\nny hamasinananao\nFenoy ny hamasinanao\nNy tranonay ho tranonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso ! avy izahay\nHitokana ny tranonao,\nNy trano izay naorinay\nHo voninahitrao anie :\nFenoy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Avia, Fanahy Masina ô !\nHitoetra eto aminay,\nNy aizinay mba hazavao,\nHanananay fo be fitia :\nFenoy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba raisonao ny deranay\nIzay enti-mankalaza Anao ;\nNy trano itokananay\nEkeo tokoa ho tranonao :\nFenoy, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_324"},"ffpm_325":{"num":"325","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah Tompo soa !\nVory eto izahay,\nKa mifaly avokoa,\nRaisonao ny vavakay !\nAndro fitokanan-trano,\nFifaliam-be izao,\nAmpidino ny tsodrano\nAvy ao an-danitrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jesosy ! mandrosoa\nFa Anao ny tranonay,\nHiderana Anao tokoa,\nKa henoy ny hatakay !\nNefa tsy ny vatan-trano\nNo honenanao izao,\nFa ny fo no itokano,\nItoero, hafanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Fanahy Mpanazava !\nAnjakao tokoa izahay,\nDia hazava lalandava,\nNy fanahin-janakao ;\nKa fenoy fanahy mino\nHo tempolinao tokoa,\nHatrizao dia hamasino\nKa hitombo sy hanoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_325"},"ffpm_326":{"num":"326","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Atreho ny mpanomponao\nIzay mivory eto izao\nKa efa nametrahanao\nAdidy masina hatao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao, izay Tompon’ezaka\nNifidy anay tsy mendrika\nKa efa nampirisika\nHandroso tsy hiherika.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"‘Ndrisy mpanompo tsy manoa\nIzahay izay nofidinao.\nMpiasa tsy mba mahasoa,\nTompo ô ! mifona Aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Na dia kely aza izao\nNo azonay atolotra,\nAoka re mba ho sitrakao\nHaroso ho fanatitra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Dia saotra no omena Anao\nKa raiso re, ry Tomponay\nNy fonay koa onenonao\nSy anjakao mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_326"},"ffpm_327":{"num":"327","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Isaoranay Anao,\nRy Tomponay Tsitoha,\nNy nanomezanao\nMpiasa mahasoa.\nKa nony vao nandre\nIlay antso taminao,\nDia roso ka nandeha\nNanao ny asanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Natokanay ho Anao,\nNy taona maro be ;\nIlay fitiavanao,\nNataony rehareha.\nNa nisy ny manjo,\nTsy kivy sanatria\nHianao ilay ao am-po\nNanao hoe: « Matokia ».","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izay nataony anie,\nHambininao tokoa,\nHitombo be dia be\nHitera-boka-tsoa,\nHianao Ilay Tompo tia\nNo angatahanay ;\nTongava, manampia\nIzay vitany ho anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ka mba tsinjovinao,\nSikino hery indray,\nIty mpanomponao,\nAnio sy rahatrizay,\nIlay teny taminao\nHo aminy anie ;\nMpanompo sitrakao\nSatria nahefa be.","type":"verse"}],"id":"ffpm_327"},"ffpm_328":{"num":"328","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba tahio, Jeso ô !\nHira, hatakay sy teny ;\nMba tarihonao ny fo\nHanarahanay ireny ;\nHianao no Tompon’aina,\nSady mendri-koderaina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izahay mpanomponao\nHody ao an-tokantrano,\nFaly manana Anao,\nKa vimbino sy tantano ;\nAza avela ho irery,\nIzahay, fandrao ho very.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Saotra no atolotray,\nRaha mbola atý an-tany ;\nAo an-danitra indray\nDia dera tsy ho lany\nNo hatao sy hohiraina\nHo Anao ry Tompon’aina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_328"},"ffpm_329":{"num":"329","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Saotra, dera, no homena\nHo Anao Mpanavotray,\nHianao manetry tena\nMba hanandratra anay.\nMba tariho Tompo ô !\nNy fanahy sy ny fo ;\nTianay ny hiara-dia\nAminao ka tsy hania.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha ory sy mijaly\nEto aza izahay,\nTsy ho kivy, fa hifaly\nAmin’ny anjaranay.\nHianao ry Tomponay,\nNo mba iankinanay,\nKa inoanay homena\nHo anay ny famonjena.","type":"verse"}],"id":"ffpm_329"},"ffpm_330":{"num":"330","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Sambatra ny mankatò\nIzay lazain’ny Tompon’aina ;\nSy manaiky eram-po\nFa hanolotra ny saina,\nKa mitandrina ny didy\nToy ny zava-tsarobidy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Sambatra izay mandà\nRaha taomina hanota,\nKa na dia halatsa-drà,\nTsy mba mety resin’ota,\nTsy ekeny ny mpanimba,\nNa ireo mpanazimba.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Sambatra ny olona\nIzay misaina ao am-pony\nAndro aman-alina\nNy lazainao, ry Mpamonjy ;\nFa ataonao toy ny hazo\nMaitso tsara, tsy malazo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_330"},"ffpm_331":{"num":"331","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Mba soraty ao am-poko\nJeso, ny Anaranao ;\nMba arovy tsy haloto\nNy kasen’ny tananao.\nHianao, Jesosy ô !\nNo ho voninahitro :\nHianao, ry voahombo,\nNo Mpanjakako sy Tompo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_331"},"ffpm_332":{"num":"332","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Finaritra ny olonao\nJesosy Tompo ô !\nFa manana ny aim-baovao\nKa ravo eram-po.\nNy famonjena vitanao\nDia efa voaray  izao.\nNy fifaliany atý.\nHitohy hatrarý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izaho va Jesosy ô,\nMba isan’ny Anao ?\nNy solika fitaizako\nMoa misy va izao ?\nHevero ry fanahiko,\nKa aza mety afa-po\nAmbara-pahafantatrao\nFa Jeso no anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_332"},"ffpm_333":{"num":"333","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hody Tompo, izahay\nMiaraha aminay,\nKa tahio ny teninao\nMba hamorona aim-baovao,\nSao mivory foana\nIzahay mpiangona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Marobe ny rafinay\nTa-hamandrika anay ;\nTompo, miarova anay,\nSao dia very izahay ;\nMitoera aminay\nAo an-tokantranonay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Efa renay taminao\nFa anay ny lanitrao,\nEfa namboarinao\nMba ho an’ny olonao ;\nKa tariho, Tompo ô,\nHody ao ny Zanakao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_333"},"ffpm_334":{"num":"334","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Sambatra ny sofiko\nFa nandre ny teny,\nTenin’i Jesosiko,\nTenim-pamonjeny.\nHe ! izaho tiany\nMba hiara-dia\nSy hianatra aminy\nAry tsy hania.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Sarotra ny làlako\nSady mampanahy,\nNefa ny Mpamonjiko\nMahatoky ahy ;\nVetivety foana\nDia  ho avy Izy\nAmim-boninahitra,\nKa handray ny Azy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_334"},"ffpm_335":{"num":"335","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Hody izahay, Zanahary !\nTahio tsara izahay ;\nAmpifalionao ny fonay\nAmin’ny fitianao :\n:,: Ampifalio :,:\nIzahay etý an-tany.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mankasitraka Anao izahay\nNoho ny teny soa\nIzay nampianaranao\nSaina hahasoa anay.\n:,: Tomoera :,:\nAminay isan-andro.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha ho faty izahay\nKa handao ity tany,\nDia ampifalio izahay,\nEnto ho an-danitra ;\n:,: Dia faly :,:\nIzahay mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_335"},"ffpm_336":{"num":"336","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ampodio izahay, Jehovah,\nAmin’ny fitianao ;\nNa  aiza na  aiza no haleha\nAoka hovimbininao :\n:,: O, ambino :,:\nIzahay mpanomponao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa ny teny renay any\nAoka ho tadidy koa,\nKa mba hiasanay saina\nHahazoanay ny soa\n:,: Isan-andro :,:\nIzay hiainanay  atý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_336"},"ffpm_337":{"num":"337","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah, Tompo ô !\nTompo masina sy to,\nAzonay ny teninao\nMampandre ny antranao ;\nAoka mba harahinay\nKa ho masina aminay,\n:,: Mba hanao ny sitrakao\nIzahay mpanomponao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hody izahay izao\nAmin’ny Anaranao ;\nMitoera aminay\nAo an-tokantranonay,\nMba ho velona aminao\nIzahay navotanao ;\n:,: Be ny fahavalonay\nKa arovy izahay :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_337"},"ffpm_338":{"num":"338","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Arovy aho, Tompo,\nAtolotro izao\nNy tenako hanompo\nSy hankalaza  Anao.\nOmeo ahy hery\nSy faharetam-po,\nArovy tsy ho very\nIzay anjarako !","type":"verse"}],"id":"ffpm_338"},"ffpm_339":{"num":"339","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ry Jesosy, mba ampio\nAho ho madio fo ;\nRaha mivily ahitsio\nHanarahako ny to.\nMba ampaherezo aho\nHanompoako Anao ;\nRaha ory hatanjaho\nMba hifikitra Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_339"},"ffpm_340":{"num":"340","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Tompo ô ! mba hasoavy\nSy arovy izahay ;\nTompo ô ! mba aposahy\nAminay ny tavanao ;\nTompo, mitodiha  anay,\nDia hiadana izahay ;\nRay sy Zanaka, Fanahy,\nMitahia anay, Amen !","type":"verse"}],"id":"ffpm_340"},"ffpm_341":{"num":"341","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo ô ! ampitandremo\nIzay lazainao izahay ;\nHazavao ka mba omeo\nHery ny fanahinay ;\nKa ny fo ampionony\nTsy hitebiteby intsony ;\n:,: Mba diovy, hamasino\nIzahay, ry Tompo ô ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka rehefa hodimandry\nIzahay, ry Tomponay,\nTsy ho taitra, fa hiandry\nNy handraisanao anay,\nRy Jesosy Tompon’aina,\nHianao no antenaina,\n:,: Hianao no hanazava\nNy hodianay arý :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_341"},"ffpm_342":{"num":"342","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ny fahasoavan’ny Jesosy\nKristy\nSy ny fitiavan’Andriamanitra\nAry ny firaisana  amin’ny\nFanahy Masina\nHo amintsika rehetra anie,\nAmen !","type":"verse"}],"id":"ffpm_342"},"ffpm_343":{"num":"343","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ry Jeso Tompo soa,\nRy Vatolampiko !\nEsory avokoa\nNy hevi-dratsiko.\nOmeo ahy hery,\nArovy tsy ho very\nNy ondry kelinao,\nMba hifalianao ;\nJesosy ô ! henoy re, henoy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_343"},"ffpm_344":{"num":"344","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Fiadanana be,\nHasambarana re,\nNo miandry antsika  ao\nan-danitra e !\nKa handeha handao\nIzao tontolo izao,\nKa hitady tokoa ilay\ntany vaovao.\nMiaingà hody ao !\nMiaingà hatrizao !\nMba modia hianao (izao)\nAo amin’i Jesosy !","type":"verse"}],"id":"ffpm_344"},"ffpm_345":{"num":"345","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Mba tarihonao, ry Raiko,\nNy fanahy sy ny foko,\n:,: Mba ho any Aminao ! :,:\nO, ry Loharanon’aiko,\nIzao ihany no ilaiko,\n:,: Dia ny hahita Anao ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_345"},"ffpm_346":{"num":"346","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teninao, Jehovah ô !\nVoatory aminay\nTahio tsy ho levona,\nVelominao anie !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izay voatory tsy anay,\nFa avy Aminao,\nKa dia  ny fanambinanao\nNo mba ilainay koa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa tsy mba ampy ho anay\nNy toriteninay,\nKa tsy ho tokinay ireo,\nRaha  tsy ambininao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia  ampitoeronao izao\nHo eto aminay\nNy herin’ny Fanahinao,\nMba hahasoa anay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_346"},"ffpm_347":{"num":"347","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Derao Andriamanitra,\nFa Izy Loharanon-tsoa\nDerao ny Tompo tokana,\nRay, Zanaka, Fanahy koa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_347"},"ffpm_348":{"num":"348","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Andriamanitra !\nTahio ny mihaino ;\nNy tsy manoa vava-poana\nHahazo ny iriny,\nAndriamanitra\nHo masoandrony ;\nKa ny Fanahy Masina\nMpitari-dàlana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny Anaran’i Jeso\nNo voninahiny ;\nNy hamarinan’i Kristy\nNo fihaingony,\nTiavo Jesosy,\nRy mino ny teny !\nKatsaho fihavanana,\nRy tsy mino rehetra !","type":"verse"}],"id":"ffpm_348"},"ffpm_349":{"num":"349","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Dera re, laza anie !\nHo an’Andriamanitra !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aoka ny tany re,\nMba hiadana anie !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ary ny olony\nAoka hankasitrahany !\n\nNY FIAINANA KRISTIANA\n1. NY ANTSON’NY FILAZANTSARA","type":"verse"}],"id":"ffpm_349"},"ffpm_350":{"num":"350","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hianao, ry Ray, no mibaiko\nHanaovanay ny asanao,\nKa ny handà e mba tsy haiko,\nNa sarotra aza ny atao.\nNy fitoriana lalaina,\nNatomboky ny mpianatrao\nDia tsy azo atao very maina,\nFa he, tohizanay izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa mbola  adidin’ny mazava\nMitondra ny fanala izao,\nHiainga, handeha hampisava\nNy aizina  ao an-ala ao.\nIreo rahalahy sy rahavavy\nDia be tsy mahalala  Anao\nKoa indro, Tompo, aho avy\nHitory ny Anaranao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Kanefa tsy ny eto ihany\nNo anirahanao anay,\nFa na ny any lavitra any\nDia samy mbola  adidinay.\nHiezaka, hikely aina,\nHamafy koa ny teninao\nIzay hany tena mofon’aina,\nHo an’izao tontolo izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_350"},"ffpm_351":{"num":"351","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy hangina re ny hoby,\nnoho hianao ry Ziona ;\nFa miposaka aminao\nny fahazavana soa ;\nNy fanilom-pamonjena,\nindro fa torina\nHanazava ny olona tokoa.\nMivoaha, asandrato ny\nfaneva soanareo ;\nTsenao re ny Mpanjaka,\nfa avy aminao\nNy famonjeny sy ny lova\nizay atolony anao\nSatria hianao dia tsy foiny.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Voninahi-panjakana\nisaloranao\nSy anaram-baovao no\niantsoana anao\nFampakaram-bady, fety\nanaingàna anao\nMba ho an’i Kristy,\nIlay Tomponao.\nMivoaha, asandrato ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! Ry mpiambina tinendry\neo ambony manda,\nAza  avelanao hangina re\nny feonao\nKa hijoro izao ny mino,\nfa tsy hisy banga\nEo an-tobin’i Jeso Tomponao.\nMivoaha, asandrato ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_351"},"ffpm_352":{"num":"352","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fantatrao va ny Mpamonjy,\nIlay Tompon-danitra ?\nJeso, Kristy sy Mpanjaka,\nZanak’Andriamanitra.\nIlay nandao ny lapan-dRainy\nFeno voninahitra,\nTompo tonga mba hanompo,\nNoho ny fitiavana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Eny, zava-mahagaga,\nFietrena lalina :\nSaro-bidy ka tsy foiny\nIsika olombelona.\nIlay Mpisorona Ambony\nIzao no asa sorona,\nKa manolotra ny ainy\nMba ho fanavotana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ao ny lanitra mivoha\nMiantso anao hiakatra ;\nAoka tsy hiroa saina,\nManapaha hevitra.\nHe mitsotra moramora\nMba handray ny tanany ;\nMitodiha : izao no ora,\nManeke ho zanany.","type":"verse"}],"id":"ffpm_352"},"ffpm_353":{"num":"353","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba sainonao ange,\nSao tsy mba fantatrao\nNy zava-dehibe\nNataoko ho anao :\n:,: Hevero, ka lazao, lazao\nIzay mba vitanao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny lapako tarý,\nNy fahefako tao,\nNilaozako tatý\nHanavotra aina anao :\n:,: Hevero, ka lazao, lazao\nIzay mba foinao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Heveroronao ange,\nNy nisoloanao anao ;\nNangidy indrindra anie\nNy nahazoana anao :\n:,: Hevero, ka lazao, lazao\nIzay mba nentinao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Endre ! ny aiko koa\nNomeko ho anao ;\nTsy misy zava-tsoa\nTsy foiko ho anao :\n:,: Hevero, ka lazao, lazao\nIzay mba taminao :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Tompo be fitia !\nEndrey, ity vitanao ;\nIzaho izay mpania\nTsy mahavaly izao :\n:,: Ny aiko no mba raisonao\nHanao ny sitrakao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_353"},"ffpm_354":{"num":"354","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny Mpamonjy no mitady\nFihavanana aminao ;\nIzy no manambitamby\nHanatonanao izao ;\nSao manjary fandatsana\nNy fifonana aminao,\nKa ny mety, mihavàna\nAmin’ny Mpamonjy izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Dieny misy hafanana\nKa mangoraka ny fo,\nManatòna ny Mpamonjy\nSao dia mangatsiaka indray\nIzao no andro famonjena,\nKa vonjeo sao neninao ;\nRy mpanota, miverena\nIzao ankehitriny izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Sao ity no toriteny\nFara-fanasana  anao ;\nSao anio no fotoana\nFara-fahavelomanao :\nKa aza mba misalasala,\nSao manjary neninao,\nRaha tsy mety mahalala\nIzao fotoana mety izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Indrisy ! be ny fahotako,\nBe ny ratsy vitako ;\nSao tsy raisin’ny Mpamonjy\nNy mpanota tahaka  izao ?\nMiverena, fa ny rany\nAmpy hahadio anao ;\nManatona hosasany\nIzao ankehitriny izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_354"},"ffpm_355":{"num":"355","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry namako mahantra\nManaram-po izao !\nNy ota no mandratra,\nSao simba hianao ;\nIzay anao rehetra\nHo lasa avokoa,\nFa tsy mba misy fetra,\nHo levona avokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny Tompo be fiantra\nMangora-po tokoa\nMahita anao mahantra\nFa tsy mahita soa ;\nNatolony ny ainy\nHo vidin’ny ainao,\nNalatsany ny rany\nMba hanadio anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Tompo malahelo,\nTsy foiny hianao,\nNy feo mamelovelo\nMibitsika aminao ;\nOnena anao ny fony\nKa mitaraina hoe :\nNy ota ajanòny,\nMba ajanòny re !","type":"verse"}],"id":"ffpm_355"},
"ffpm_356": {
   "num": "356",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "Ry mpanota ! mihevera,\nFa miantso Kristy izao :\nIzy ta-handray mpanota\nManatòna hianao :\n:,: Mihainoa, mihainoa,\nKa ario ny ditranao :,:",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "1",
         "lang": "fr",
         "lyrics": "Pécheur, réfléchis\nCar Christ t'appelle maintenant\nIl veut recevoir les pécheurs\nApproche-toi.\nÉcoute, écoute\nAbandonne ton obstination",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": "Ry mpanota ! miverena\nAo am-balan’i Jeso ;\nAza dia mirenireny,\nSao iharan-doza izao\n:,: O ! modia, O ! modia,\nIalao ny ditranao :,:",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "3",
         "lyrics": "Ry mpanota ! manatòna\nDieny misy antso izao\nFa ho avy ny fotoana\nMbola hanenenanao :\n:,: O ! avia, O ! avia,\nIzao ankehitriny izao :,:",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "4",
         "lyrics": "Ry mpanota ! matokia,\nTompo mora fo Jeso ;\nIzy dia tena tia\nIzay mibebaka tokoa :\n:,: Matokia ! matokia,\nMibebaha re izao :,:",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "4",
         "lang": "fr",
         "lyrics": "Pécheur, aie confiance\nLe Seigneur Jésus est compatissant;\nIl aime\nCelui qui se repent sincèrement.\nAie confiance, aie confiance\nRepens toi maintenant.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "5",
         "lyrics": "Ry Sakaizan’ny mpanota,\nEnto aho ho Anao ;\nHe ! ny tenako rehetra\nNo atolotro izao :\n:,: Raisonao re, raisonao re,\nHo fanati-tsitrakao :,:",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_356"
},
"ffpm_357":{"num":"357","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa tonga atý izao\nTeny fiainana :\nRaiso mba ho fiainanao,\nTeny fiainana.\nHe ! ny teny tsara,\nTeny manan-kery ;\nTenin’ny Ray\nTsara tokoa\nTeny fiainana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Io no Filazantsara soa,\nTeny fiainana :\nTeny mamy indrindra koa,\nTeny fiainana.\nRaisonao ny teny,\nTeny soa nomeny :\nTenin’ny Ray, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry mpanota ! henoy izao,\nTeny fiainana :\nFa fiainana ho anao,\nTeny fiainana.\nKristy no nomena\nMba ho famonjena :\nTenin’ny Ray, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_357"},"ffpm_358":{"num":"358","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! ry namako mahantra,\nIndro Jeso Tompo tia,\nIlay Mpamonjy feno antra,\nNo mitady ny mania ;\nOlom-bery tsy mba foiny,\nKa na diso aza re,\n:,: Mbola tiany sy antsoiny\nHanam-pifaliam-be :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! fa tsy mba misy fetra\nNy homena lova soa\nFa ny olona rehetra\nSamy tiany avokoa ;\nNefa  izay be hataka  andro\nDia hanenina tokoa ;\n:,: Misy fetra ny fotoana\nAzo amindrana fo :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Manatòna ankehitriny, \nRy mpanota ory fo !\nMba hesoriny ny tsiny\nKa hadio indray ny fo ;\nFa ny ota hosasany\nDia ho afaka avokoa,\n:,: Izany re no fikasasny\nKa tsy maintsy to tokoa :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa izay mandà ny teny\nSy maditra, mafy fo,\nHampangain’ny teny reny,\nFa tsy nety nakatò ;\nJeso Tompo no hitsara\nSy hamaly ny natao,\n:,: Nefa kosa ny anjara\nDia miankina aminao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_358"},"ffpm_359":{"num":"359","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy renao va ny feon’ny Ray,\nRy malahelo fo !\nMiantso hoe : « Avia, avia,\nModia hianao ! »","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny Rainao be fitiavana\nHifaly aminao,\nKa hanome malalaka,\nRaha hody hianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na diso aza hianao,\nMitebiteby koa,\nNy Rainao ta-handray anao\nHo sambatra tokoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Modia an-tranonao arý,\nMahantra hianao ;\nTsy misy zava-tsao atý\nHahafa-po anao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny lamba efa rovitra\nHesorina aminao,\nKa hafa tsara lavitra\nNo hitafianao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mba maneke ny teniny\nAnkehitriny izao,\nFandrao dia hisy loza re\nHihatra aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_359"},"ffpm_360":{"num":"360","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba hevero, ry mpanota !\nNy nataon’ny Tomponao :\nIzy tsy mba manana ota\nNefa tonga solonao ;\nHe ! ny lanitra nafoiny\nMba hidinany tatý\nOlom-bery no antsoiny\nMba handova ny arý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba hevero, ry mpanota !\nFa nijaly Jeso tia,\nMaty tany Gologota\nMba hamory ny mania,\nIndro, latsa-dra ny Tompo\nNefa tsy mba diso re !\nFa nisolo ny mpanompo\nIzay  nanohitra   elabe.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba hevero, ry mpanota !\nAlatsaho ao am-po ;\nMahavery re ny ota\nRaha tsy voadio ny fo,\nMangataha ankehitriny,\nDia hodiovin’i Jeso,\nFa izany no iriny\nMba handraisanao ny soa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba hevero, ry mpanota !\nNy fifonana aminao\nHahafoizanao ny ota\nTena fahavalonao.\nManatòna hovonjena\nSao hiharan-doza be !\nManatòna, fa homena\nFifalian-dehibe.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mba hevero, ry mpanota !\nInona ary no hatao ?\nAza mety resin’ota,\nTiavo Jeso Tomponao ;\nNy lalàny no araho\nSitrapony tontosay ;\nNefa Izy angataho\nHomba anao mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_360"},"ffpm_361":{"num":"361","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Manatòna, ry malala !\nAn’i Jeso Tomponao ;\nRaiso re ny famonjena,\n:,: Tsy ho faty hianao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro Jeso, fa miandry\nMba handray anao izao ;\nMiverena aza kivy,\n:,: Mazotoa, sy matokia :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza mba mangataka andro,\nSao dia tratra hariva etý\nTahotra sy horohoro\n:,: Hampivadi-po anao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ao ny tany soa homeny\nMampifaly fo erý\nSady tsy mba misy ratsy,\n:,: Mandrosoa ho tonga arý :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_361"},"ffpm_362":{"num":"362","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy fantatrao va Ilay namonjy\nanao ?\nRy havako ory izao ?\nMitady anao Ilay namonjy\nanay.\nManiry hamonjy anao ;\nMihainoa ny hamonjy anao\nManao hoe : “ Manatòna\nanio,\nNa dia be aza ny ratsy\nnatao,\nDia mety ho afaka  izao. ”","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa tonga tatý Ilay namonjy\nanay\nKa nampijaliana tokoa ;\nNy rany izay namonjeny\nanay\nHamono ny helokao koa ;\nMihainoa ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Misento anao Ilay namonjy\nanay,\nRy olo-mahantra atý !\nTomany anao Ilay namonjy\nanay\nFandrao dia ho very arý ;\nMihainoa ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Henoinao izao ny hamonjy\nanao,\nHiadam-pinaritra am-po ;\nFaingàna handray ny homeny\nanao\nDia lova tsy mety ho lo ;\nMihainoa ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_362"},"ffpm_363":{"num":"363","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry olo-mahantra\nMihainoa izao !\nSaino tsara ny teny\nIzay lazaina aminao ;\nRy olo-mahantra !\nModia, modia,","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa ela dia ela\nHianao no nania,\nTsy nahita ny tsara,\nTsy nahazo ny soa ;\nRy olo-mahantra ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy misy mpiantra\nMba hitsinjo anao\nAfa-tsy ny Mpamonjy,\nIzay mitady anao ;\nRy olo-mahantra ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsarovy ny Rainao\nMalahelo anao\nKa miandry tokoa\nHampandroso anao ;\nRy olo-mahantra ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_363"},"ffpm_364":{"num":"364","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry mpanota ! ry mpanota !\nRaiso Jeso Tomponao,\nAza mba misalasala,\nManatòna Azy izao.\nKa ekeo ny feon’i Jeso\nIzay nifona ho anao\nTeo ambony hazo avo\nMaty Izy ho anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro Jeso, ry mpanota !\nFaly hohatoninao,\nSady Tompo tsy mandatsa,\nFa mamindra fo tokoa,\nKa miteny moramora\nTa-hamela heloka :\nManatòna, ry mpanota !\nMba handray ny avotrao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry mpanota ! ry mpanota !\nMisy vonjy ho anao,\nKa toneo ny alahelo\nMampahory fo anao ;\nAza mety resin’ota,\nFa jereo ny Tomponao ;\nIzy no handresy tsara\nIzay miady aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hianao tsy manan-toky\nHo mpamela heloka,\nAfa-tsy ny Tompo Jeso,\nIlay nanavotra aina anao ;\nKa aza mba misalasala,\nRy mpanota very ô !\nFa azonao ny lova tsara,\nRaiso Jeso Tomponao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_364"},"ffpm_365":{"num":"365","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! ry mpanota ana, sasatra,\nMitondra fahoriana lehibe ;\nJeso mpanavotra olo-meloka\nNo mahavonjy ny fanahinao.\nMatokia ny mpamela helokao,\nAza kivy, tsy ho faty hianao ;\nMatokia re, matokia re,\nMatokia,\nJeso tsy handao anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro ny fitiavan-dehibe !\nNy ainy tsy nataony ho\nzavatra\nHamonjy ny mpanota meloka\nSy manana entana mavesatra.\nMatokia re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba mahareta, Jeso aminao\nNy tanany mahery hiambina\nAza malaky resin-tahotra,\nFa Izy tsy hiala aminao :\nMatokia re, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_365"},"ffpm_366":{"num":"366","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andeha, ry hava-malala !\nAndeha hiaraka izao,\nHitady fonenana tsara\nHonenana mandrakizay\nAo amin’ny tanin’ny Tompo\nNy fahasambarana be,\nNy ota tsy miditra akory,\nTsy misy ny loza manjo,\nDia aoka hiaraka  isika,\nRy hava-malala izao !\nHitady fonenana tsara\nHonenana mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny trano dia maro tokoa,\nMifaly ny mponina ao,\nTanteraka soa ny aleha,\nFitia omena ny ao ;\nMiara-midera ny Tompo,\nMpanavotra be indrafo ;\nMiara-mandova ny soa,\nMitafy ny lamba madio.\nDia aoka hiaraka ..sns.\n\n3-Na ety ny lalana aza,\nNa maro ny zava-manjo,\nDia aza matahotra akory,\nMandroso ny mety hatao ;\nAnjely tsy tambo isaina\nHirahin-kanampy anao ;\nMpanompo ny Avo indrindra\nHitoby hiaro anao.\nDia aoka hiaraka ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_366"},"ffpm_367":{"num":"367","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry zanako mania !\nHenoinao izao :\nIzaho be fitia\nMangora-po anao ;\nRy zanako ! modia,\nSao maty hianao,\nFa be ny bibidia ;\nModia re !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny zavatry ny tany\nSao mahasimba  anao,\nHarena mety lany\nTsy mahavonjy anao ;\nIzaho irery ihany\nNo hiadananao ;\nKa mbola manontany :\nTsy hody va ?","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamiratra jerena\nNy lalan-tsitrapo\nFa akoso-bolamena\nMamitaka ny fo ;\nNy sitrapon’ny tena\nMamery ny ainao,\nArio ka miverena,\nModia re !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izaho Tompon’aina,\nNijaly ho anao,\nKa he, manolotra  aina\nMba hamonjena anao ;\nNy rako mitaraina,\nModia hianao ;\nKa aza mba malaina,\nModia re !","type":"verse"}],"id":"ffpm_367"},"ffpm_368":{"num":"368","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Manatòna ry mpanota\nOry, jamba, very koa !\nHianao simban’ny ota,\nIndro, ao ny Tompo soa\nRy tsy mendrika hovonjena,\nMisy izay miantra  anao ;\nFifaliam-be homena,\nFamelana helokao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba henoy ny teny tsara\nIzay lazaina  aminao,\nSao very ny anjara\nSoa tadiavinao ;\nFeno antra, manan-kery,\nJeso no mitaona anao,\nKa ny mino tsy ho very,\nManatòna re izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny miato tsy mba tsara,\nNy halainanao ario ;\nSao helohin’ny Mpitsara,\nManatòna re anio ;\nHe ! miandry ny Mpamonjy,\nMba faingana hianao ;\nRaha te ho voavonjy,\nAza ela hianao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_368"},"ffpm_369":{"num":"369","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Faingàna ry hava-malala,\nHatòny ny Tompo izao,\nNy fo sy ny feo asandrato,\nDerao Ilay nanavotra anao,\nNy avotra ny famonjena,\nIzay vitany tao Kalvary,\nNo fanantenan’ny mpanota\nHahazo fiainana arý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He Izy mitondra irery\nNy mafy, nisolo anao,\nKa maty hamonjy ny very ;\nNy rany nandriaka tao.\nNiaritra latsa sy eso,\nNy hombo sy lefona koa ;\nNivesatra ota Izy teto\nHanananao fiainana koa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Endre ! ny fitiavan’i Jeso,\nRy olo-mahantra, jereo !\nNijaly hamonjy, hevero,\nNy ota mahazo ekeo ;\nEkeo, fa ny fo mihamafy,\nDia loza manenjika anao ;\nFaingàna hamonjy ny ainao,\nHararaoty ny andro izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny masom-panahy atopazo,\nNy lanitra no andrandrao ;\nNy Tompo maniry hamonjy,\nHenoy fa miantso anao.\nFaingàna, ry hava-malala !\nModia an-tranon’ny Ray ;\nMiandry anao re ny lova,\nFiainana mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_369"},"ffpm_370":{"num":"370","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba henoy ny feon’i Jeso,\nRy mpanota very ô !\nAtsaharo re ny ota,\nIzay mamery aina anao ;\nJeso Tompo no miantso,\nAoka tsy ho lavinao ;\nDieny mbola re ny antso,\nManatòna hianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao no tenin’ny Mpamonjy\nIzay lazainy aminao :\n“ Manatòna Ahy, Vonjy\nSy Mpamela helokao ;\nIzaho, Tompo feno antra,\nHanome anao ny soa,\nKa ny helokao rehetra\nDia ho afaka tokoa ”","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho koa no Vavahady\nIzay hidiranao izao,\nSady Lalan-toratady\nIzay mankao an-danitra ao ;\nIzaho dia Mofon’aina\nSady Raon’aina koa ;\nTsy mba misy miala maina\nIzay rehetra tia tokoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Indro, efa maty Aho\nHanavotako anao ;\nMoa tsy hatolotra Ahy\nNy fanahinao izao ?\nRy mpanota ! mihevera,\nAoka izay ny ditranao,\nManatòna, manatòna\nAhy, Jeso Avotrao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_370"},"ffpm_376":{"num":"376","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mpanota ory sy mahantra\nHenoy ny teny ho anao\nJesosy Tompo be fiantra,\nNisolo voina anao,\nKa Izy feno indrafo\nMitaona anao hiova fo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy Tompo sy Mpamonjy\nMiantso ny anaranao\n« Mpanota very mila vonjy\nMinoa Ahy hianao ;\nNy sainao aoka ho vaovao,\nNy fomba ratsy ialao ! »","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy koa mampahery\nNy sasatra ao an-dalana ;\nNy rany soa manan-kery\nHahafaka ny entana ;\nJesosy tsy mandroaka\nNy ory izay manatona.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ka itokianao ny teny\nNaloaky ny vavany !\nNy mino Azy hovonjeny\nHanatrika ny tavany.\nSakaizako mahantra ô !\nArio ny famoizam-po.","type":"verse"}],"id":"ffpm_376"},"ffpm_377":{"num":"377","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy mba hisy tonga arý\nan-danitra\nRaha tsy mandrombaka\ntokoa ;\nNy mpiady tsara izay\nmaharitra\nNo handray anjara lova soa.\nEty sady tery ny vavahady ao,\nKely sy mideza ny lalana\nmankao ;\nNefa aza kivy, ry havako izao,\nFa izay malaina dia ho very.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maro no mitady hisakana\nanao,\nKoa mba tohero, ry sakaiza ;\nMba reseo mafy ny\nfahavalonao.\nFetsy izy  ireo ka mahaiza,\nIzay rehetra mamin’izao\ntontolo izao\nDia avelao, fa mamandrika\nanao ;\nAoka mba Jesosy no\nhifalianao,\nEny hifalianao tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Satroboninahitra tsy ho\nazonao\nRaha tsy katsahinao tokoa\nFa hevero kosa ny fifalianao\nRaha tonga ao an-dapa soa,\nFa hahita maso ny Tompo\nhianao,\nKa hifaly amin’\nAndriamanitrao.\nKoa miomàna re,\nry sakaiza ô !\nMba ho faly ao am-pitsarana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia miangavy, mangataka\naminao,\nMba modia, ry mpirenireny !\nFa ny Tomponao ta-handray\nanao izao.\nHianao tsy sitrany ho very.\nIzy dia mananty ny tanany\nizao\nKa ny fonao simba mba\natolorinao\nHosoloan’i Jeso fo tsara sy\nvaovao ;\nIzany mba hevero, ry sakaiza !","type":"verse"}],"id":"ffpm_377"},"ffpm_378":{"num":"378","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ho aiza, ho aiza izao hianao\nRy havako izay mbola tia\nNy fomban’ny nofo manimba\nanao ?\nAvia ry olo-mania !\nHenoy fa miantso ny Tompo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ho aiza, ho aiza izao hianao,\nRy havako mbola tamana\nAo amin’izao fivelomana izao,\nKa fatra-pikiry hitana\nIzay zavatra halan’ny\nTompo ?","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hevero fa tsy mba mahafaka\nanao,\nKa tsy mba heken’ny Mpitsara\nNy fahamarinana ao aminao ;\nNy an’i Jesosy no tsara,\nKa dia katsaho ny Azy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ekeo ny tenin’ny Tompo soa\nInoy ny toky nomeny,\nKa dia ho hita ny lalam-\nbaovao,\nIzay voatoron’ny teny :\nJesosy no lalana tsara.","type":"verse"}],"id":"ffpm_378"},"ffpm_379":{"num":"379","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Torotoro va ny fonao,\nRy mpanota re, izao ?\nKa ifonanao tokoa\nVa ny hadisoanao ?\nHianao va mitomany\nKa maniry mba ho any\nAmin-Jeso, Izay nandany\nRe ny ainy ho anao ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny Fanahin’ny Mpamonjy\nMoa nangatahinao\nHampandray anao ny vonjy\nHahamasina anao ?\nMoa fantatrao tokoa\nFa ny rany mahasoa\nDia avotra naloa\nMba hahafa-trosa anao ?","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maro no manaiky  ihany\nAraka ny vavany,\nFa hanoa ny Mpamonjy,\nKa ho tena havany.\nNefa kosa mbola tia\nFomba ratsy, ka mania,\nDia tsy handray fitia\nRaha ao am-parany.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Koa dia miangavy\nAho, ry sakaizako\nMahereza mba hitady\nFiadanana ao am-po\nMba hatòny ny Mpamonjy,\nAngatahonao ny vonjy\nDia tsy maintsy ho tra-bonjy,\nJeso no mamindra fo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_379"},"ffpm_380":{"num":"380","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba mifohaza re, henoy izao\nNy hafatra ataon’ny\nTomponao,\nNy Tompo, izay Mpanjaka\nmanan-kery\nMikatsaka anao,\nry olom-bery !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Dondòniny ny fo, ka hianao\nMandrindrina ny\nvaravaranao !\nTandremo sao dia sasatra ny\nfony,\nSao lasa Izy ka tsy avy\nintsony.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa indro Izy mbola atý izao\nMitady hampiverina anao\nKa aza lavina ny Tompo tsara,\nSao hianao ho ratsy fiafara.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Faingàna ary, ka ampandrosoy\nIlay Sakaiza Izay nahafoy\nNy ainy hoanao mpanota very,\nTsy misy Mpamonjy afa-tsy\nIzy irery","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ifony aminy ny helokao,\nHariany ka tsy ho hitanao,\nKa hianao izay mendrika ho\nvoa\nHatsangany ho zana-dRay\nTsitoha","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ka raha renao ao anaty fo\nNy fiadanana izay mahatò\nNy famelana ny helokao\nrehetra\nDia aoka mba handrasanao ny\nfetra.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Akaiky re ny fahafahana,\nKa mba zakao ny\nhatrotrahana,\nHo avy faingana Jesosy\nTompo\nKa dia ho afaka  ady ny\nMpanompo.","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Rehefa hitanao ny Tomponao\nDia  afaka ny hasasaranao,\nHijanona ny sento sy taraina\nFa hobin-danitra no\nhohiraina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_380"},"ffpm_381":{"num":"381","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, ny  fiantsoana\nFeno fitiavana,\nTeny masina sy to\nHo anao, ry ory fo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hoy Jesosy Tomponao :\n« Manatòna Ahy, re,\nRy miasa fatratra\nSy mavesatra entana! »","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"« Fa Izaho hanome\nFitsaharan-dehibe\nSy fiainana vaovao\nHahasambatra anao »","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Mpamonjy tsara ô !\nSaotra no atolotro ;\nKa ampio aho izao\nFa manaiky ho Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_381"},"ffpm_382":{"num":"382","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry olo-matory ô ! mba\nmifohaza,\nFa indro Kristy,\nIlay Fahazavana Izay tena\nmalaza,\nDia tonga atý,\nKa aza matory,\nFa mba atolory\nNy fonao izao\nMba hanazavany anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Atý dia matevina sady mahàna\nNy zavona be ;\nNy sento, taraina sy\nfitomaniana\nDia misy anie,\nRy olo-mahantra,\nJereo ny Mpiantra\nHenoinao izao\nJesosy nanavotra anao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Atý dia mangentana sady be\nady,\nKa maro no voa ;\nTsy tambo isaina ireo mitady\nFiadanana am-po\nDia  aza tomany,\nFa eto ihany\nIlay nanome\nNy fahasoavana be !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O, miandrandrà ka jereo ao\nambony,\nFa  antoandro izao,\nFalia toa zaza, tahafo ny fony,\nNy Tompo derao,\nNa misy ny onja\nSy ota mandoza,\nDia mbola derao\nJehovah Mpiaro anao !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"O, mendrika hankalazaina\nJehovah\nIzay manome\nNy lalana sy fahamarinana\nkoa\nSy fiainana be\nTsilovy, ry Kristy,\nNy lala-mahitsy\nIzorako izao,\nTantano re ny zanakao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_382"},"ffpm_383":{"num":"383","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry mpanota, aza mandà,\nJeso miantso, ka miovà ;\nMba manatòna Azy izao,\nIzy hamonjy anao.\nHe, mivoha izao ny lanitra,\nRy mpirenireny lavitra ;\nIndro Jesosy, Izy no ao ;\nAiza no hisy anao ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Be ahiahy va hianao\nNo tsy mandroso faingana\nizao ?\nDia tapaho ny hevitrao,\nKa miovà hatrizao.\nHe, mivoha ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba miverena re hatrizao,\nKa hararaoty ny andronao,\nFa ny atý ho simba sy lao,\nKa mba modia izao.\nHe, mivoha ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_383"},"ffpm_384":{"num":"384","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry olom-bery, tsy ho very\nFoana ny androanao,\nRaha ‘mby an-tsainao, fa ny\nainao\nTsy fanananao,\nNy hery misy, nefa indrisy,\nResim-pahalainana !\nAtý an-tany mora lany\nNy fiainana.\nMba mazotoa, ry havako,\nKa aoka hoheverinao\nNy andro lasa, sao ny asa\nTsy ho vitanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka manenena, miambena,\nMivavaha hianao !\nEfao ny ady, ao ny kiady\nVoninahitrao.\nMba ahitsio ankehitrio\nNy dia sisa hatrizao,\nFa be ny simban’ny\nmpanimba\nKa migadra izao.\nSakaiza, ô fantaronao,\nFa nijalian’ny Tomponao\nNy fahotana tsy ialana,\nIlalaovanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia mba ampio sy tahio\nIzahay, ry Tomponay,\nFa mba hiady ka hitady\nVonjy ho anay.\nHomenao soa ny manoa\nAmin’ny fotoanao.\nO, ry Mpanjaka avia haka\nNy malalanao,\nNy olonao dia te hankao\nAn- danitra fonenanao.\nRy Jeso tia, mba avia\nFaingana izao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_384"},"ffpm_385":{"num":"385","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Mpamonjy be fitia\nNo miantso hoe: Avia !\nRy mahantra, raiso izao\nFamonjena ho anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hoy  ny Tompo :\nRy mpanota,\nManatòna, fa ny ota\nVoavela, anaka \nAfaka ny helokao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Teny mamy, re izany,\nFaly ireo mitomany,\nKa araho hatrizao,\nDia ho sambatra hianao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jesosy, Izay Mpiantra,\nIzaho ory sy mahantra,\nKa ampio aho izao\nFa Mpamonjy Hianao !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Efa azoko ny teny\nKa hazoniko ireny ;\nHianao, Jesosy ô,\nAmpy hiankianako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_385"},"ffpm_386":{"num":"386","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy Tompo soa\nNo miantso mafy hoe :\n« Manatòna avokoa\nRy mpanota marobe !\nFa izay manatona  Ahy\nTsy mba ho horoahiko ;\nAza manana ahiahy,\nRaisonao ny teniko »","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza mba misalasala\nKa mihevitra hoe ;\nSao ny Tompo tsy hamela\nAhy efa diso be.\nTsia, tsia, ry mpanota,\nMatokia marina,\nAnenenonao ny ota,\nJeso hanamarina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He, ny rany sarobidy\nNo mahafa-keloka\nNy mpanota voavidy\nKa miaiky  heloka.\nEny, afaka ny revo\nNoho ny Mpanavotra,\nNy devoly manandevo\nEfa resy lahatra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny Mpamonjy mampifidy,\nTsy manao an-keriny,\nKa antsika ny hifidy\nSy handray ny teniny.\nKoa raha misy very,\nDia tsy avy aminy ;\nNy manao ny mahavery\nDia tsy mba maminy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_386"},"ffpm_387":{"num":"387","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ampihetsehin’inona\nIzao ireo vahoaka,\nAry iza no arahiny\nNo dia samy maika erý ?\n:,: Ry jamba ô, fantaronao,\nJeso mandalo anao izao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy Iraky ny Ray\nDia samy mety no mahay\nManafaka ny rofinao\nSy mampahiratra anao ;\n:,: Koa mitsangàna hianao,\nJeso mandalo anao izao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, ry mivesatra entana,\nHantòny ny Mpanafaka !\nRy zaza very hatrizay\nModia ao an-tranon-dRay\n:,:Ry jamba ô, heveronao\nJeso mandalo anao izao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny lalan-tsarotrao atý\nTsy misy tsy nalehany,\nNy rofy nositraniny,\nNy maty novelominy,\n:,: Ny jamba faly nahare ;\nIndro Jeso mandalo re ! :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny indrafony mbola  injao,\nMitety izao tontolo izao:\nNy tranontsika alehany,\nNy fo mihidy doniny.\n:,: Ampandrosoy Izy hoe :\nJeso ô ! aza mandalo re ! :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Fa raha tsy ahoanao\nIzao fandalovany izao,\nKa nony efa farany\nVao tia ny hovangiany.\n:,: Indrisy tsy ho hitanao\nJeso Izay efa nandalo tao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_387"},"ffpm_388":{"num":"388","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy maintsy hateraka indray\nhianao\nIzay ta-handova\nNy lanitra sy ny fiainam-\nbaovao,\nIzay tsy miova ;\nNy havan’ny Tompo ihany\nNo tena hahazo izany.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fo vatolampy esory izao,\nFa tsy hovonjena ;\nKatsaho ny fo feno aina\nvaovao\nFa io no ekena\nHoraisina any ambony,\nKa tsy hitomany intsony.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Tompo mitondra ny hery\nvaovao ;\nFanahy sy afo,\nIzay mampiova ny fonao izao\nHo tonga fo nofo ;\nNy olona lasan-ko babo\nHo afaka sady hiravo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Masina ô, ateraho indray\nIzay mitaraina,\nVelomy ny maty hifoha,\nhandray\nIlay tena aina ;\nMba raiso, ry Ray be fitia,\nNy zanaka adala mania !","type":"verse"}],"id":"ffpm_388"},"ffpm_389":{"num":"389","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny perla madio, ny perla\nvaovao\nNo tonga hampanan-karena\nny very,\nNy perla madio katsaho izao ;\nArio ny ota, izay mahavery ;\nTapaho ny gadra, izay\nmahamay,\nFa sao ho anjaranao\nmandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny ota nataonao, ry havana e,\nMiteraka gadra, izay\nmahafaty ;\nKanefa ny maro miezaka re,\nHahazo ny voan’ny ota, ka\nmaty ;\nReseo ny ota, reseo izao,\nKatsaho indrindra ny perla\nvaovao","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Avia, mpanota, faingàna izao,\nFaingàna ka dia hahazo hijery\nNy perla madio, ny perla\nvaovao,\nIzay tonga hampanan-karena\nny very.\nRy Jeso, Izay perla madio\nvaovao,\nAvia hampanan-karena izao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_389"},"ffpm_390":{"num":"390","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, Jesosy Tomponao\nMalahelo, mitomany,\nFa izao tontolo izao\nMbola mihomehy ihany,\nKa ho ratsy fiafara,\nFa manda ny Tompo tsara !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro, tevana no ao,\nFa tsy hitan’ny mpanota,\nIzay mandihy faly izao\nSy manaram-po manota.\nRy adala miverena,\nSao ho very famonjena.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba heveronao izao\nFa ny tenanao ho faty ;\nKoa ny fifonanao\nAza ataonao matimaty !\nHe, ny Tompo mitomany !\nSa tsy azonao izany ?","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Latsa-dranomaso be\nSy onena ny Mpamonjy ;\nKoa mifohaza re\nManatòna ho tra-bonjy,\nFa Jesosy be fitia\nMitomany ny mania.","type":"verse"}],"id":"ffpm_390"},"ffpm_391": {
   "num":"391",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "Mpanota ô, mba mihevera\ntsara,\nFa mora tapitra ny andronao,\nHevero, fa ho avy ny\nMpitsara\nHandinika ny raharahanao.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": "Akaiky izao ny fararanon’\naina\nIzay hijinjana izao tontolo\nizao\nKa dia tsrovy, fa ny Tompon’\naina\nHanolotra izay ho anjaranao.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "3",
         "lyrics": "Izay mamafy araka ny nofo\nHijinja fanimbana lehibe ;\nIzay mamafy tsara amin-joto\nHomen’ny Tompo\nfitsaharambe.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "4",
         "lyrics": "Izany fitsaharana izany\nDia vokatry ny ran’ny\nTomponao,\nIzay nalatsany tatý an-tany\nHamonjy sy hanavotra anao.",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "5",
         "lyrics": "Henoy ny Mpamonjy be fitia,\nIzay voahombo noho ny helokao !\nMiantso mafy Izy hoe : Avia\nHandray ny lanitra ho lovanao.",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_391"
},
"ffpm_392": {
   "num":"392",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": " O, mba raiso izao\nMisy lovanao ao,\nIndro, Jeso miandry anao !\nFa ny helokao be\nDia navelany e\nKa fiainana omeny anao ;\nNovidina hianao\nKa ekeo hatrizao\nIzay omen’i Jesosy anao.\nO, mba raiso izao\nMisy lovanao ao,\nIndro, Jeso miandry anao.\n",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": " Moa hadinonao va\nFa ny olo-mandà\nHo tra-nenina rahatrizay ?\nIzay ataonao atý\nHotsaraina arý\nKa tsy azo ovana indray\nNy Mpamonjy anao\nNo hatòny izao\nAry Izy hihaino.\nMoa hadinonao va\nFa ny olo-mandà\nHo tra-nenina rahatrizay ?\n\n",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "3",
         "lyrics": " Izao tontolo izao\nDia mamitaka anao\nKa afoizo fandrao\nmanindao.\nHe, Jesosy nandao\nIzao tontolo izao\nAry Izy miantso anao.\nIzy tonga indray\nAo an-dapan’ny Ray,\nKa ho velona mandrakizay.\nIzao tontolo izao\nDia mamitaka anao\nKa afoizo fandrao\nmanindao.\n",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_392"
},
"ffpm_393": {
   "num":"393",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "Misy Havana ao alatrano ao,\nVohay ! vohay !\nKa indro, Izy miandry ao,\nVohay ! vohay !\nNy lohany lenan’ny ando izao,\nVohay ! vohay !\nMangataka hampandrosoinao,\nVohay ! vohay !",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": "Mikasa hanao soa aminao,\nVohay ! vohay !\nManiry hamelona anao,\nVohay ! vohay !\nNy rany nomeny ho avotrao,\nVohay ! vohay !\nNy fonao omeo ho Azy izao,\nVohay ! vohay !\n",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "3",
         "lyrics": "Ka Jeso Kristy no Anarany,\nVohay ! vohay !\nHo hitanao ny hatsarany,\nVohay ! vohay !\nHo tiany mandrakizay hianao,\nVohay ! vohay !",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_393"
},
"ffpm_394": {
   "num":"394",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "O, avia, ry mpanota !\nO, avia hianao,\nFa miandry Kristy Tompo\nMba handray anao izao ;\n:,: Manatòna, manatòna,\nManatòna Azy izao ! :,:",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": "O, avia, ry mahantra !\nHo finaritra izao,\nFa akaiky ny Mpiantra\nHampifaly fo anao ;\n:,: Manatòna, ..sns. :,:\n",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "3",
         "lyrics": "O, avia, ry malemy !\nAza kivy hianao,\nFa ny vavakao ho ren’i\nJeso Kristy herinao.\n:,: Manatòna, ..sns. :,:\n",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "4",
         "lyrics": "O, avia sao ho very,\nDitra mba esorinao ;\nNy Mpamonjy no mijery\nSady ta-handray anao ;\n:,: Manatòna, ..sns. :,:zay hianao,\nVohay ! vohay !",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_394"
},
"ffpm_395": {
   "num":"395",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "Modia, modia,\nô, ry mpanota ô !\nTsy mba hitsangana va\nMba hiadananao?\nTsy handosiranao va\nIzao fomba ratsy izao ?\nIndro mitady anao\nAndriamanitra.\n:,: Ka ta-hampiditra anao,\nAny an-danitra ! :,:\nMoa mba tianao va\nNy mba ho velona ?\nKoa dia aza mandà\nAzy Mpamelona anao.\nJeso miantso anao,\nKa ma henoinao,\n:,: Raiso ny teniny izao,\nMba hamonjena anao :,:\nO, ry mpanota, miovà,\n:,: Fa ho sambatra tokoa,\nRaha mody hianao :,;",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": "Modia, modia,\nô, ry mpanota ô !\nTsy mbola azonao va\nNy fiantsoany ?\nSa hianao ta-handà\nNy fitiavany ?\nMba mankanesa atý,\nIndro mivoha izao\n:,: Tranon’ny Rainao erý,\nKa mba idironao :,:\nO, mba modia hianao,\nSao dia ho neninao,\nSao dia handatsa anao\nNy fikirizanao ;\nKoa katsaho izao\nNy voninahitra\n:,: Efa miandry anao,\nAny an-danitra:,:\nO, ry mpanota, ..sns.",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_395"
},"ffpm_396":{"num":"396","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aizan’ny lanitra hianao,\nRy zanak’olona ô ?\nMoa mba efa niditra tao\nSa ao ivelany ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lapan’Andriamanitra ao\nKoa tsy mankao\nAfa-tsy izay mandray fo\nvaovao :\nOlona masina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Any ny masina marobe\nVelona mandrakizay,\nKa fiderana tsara no re,\nEran’ny lanitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tapitra irina izay tonga ao,\nSambatra mandrakizay ;\nAny ny Paradisa vaovao,\nIzay hiadanana.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Aizan’ny lanitra hianao,\nRy zanak’olona ô ?\nO, mba hevero izay toetrao\nMbamin’ny asanao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_396"},"ffpm_397":{"num":"397","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry olona mbola tamana\namin-dratsy,\nHevero ny loza hihatra\naminao\nFa indro Satana izay lohan’ny\nratsy\nMandefa tsipika hamono\nanao.\nKanefa ny Tompo izay\nZanahary\nNo tonga hamonjy, fa tsy mba\nmanary ;\nAvia, ry olo-mahantra, hihary\nNy tena harena tsy mety ho\nlo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy mamoha anao,\nry matory,\nFa Izy maniry hitarika anao,\nIlaozy ny ota, fa he,\nmampahory,\nHenoy ny feo miantso anao !\nJereo Ilay kintana, Izay tsy ho\nrava,\nFa indro ny aizina dia hisava ;\nAraho Jesosy, fa tena mazava,\nIzay hanazava tokoa anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Tompo mamelona ny efa\nmaty,\nKa aoka hitsangana re\nhianao !\nFadio tokoa izay mahafaty,\nKatsaho indrindra ny aina\nvaovao !\nJesosy Mpamonjy no mba\nitafio,\nKa dia tandremo fa lamba\nmadio !\nRy olo-mahantra mba raiso\nanio\nJesosy, Izay mahavonjy anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jesosy Mpamonjy mitondra\nny teny\nIzay hahavelona mandrakizay ;\nKa dia henoy ny toky nomeny,\nRy olo-maniry ho amin’ny\nRay !\nFainganà tokoa, ry efa mifoha\nFa indro ny lanitra efa mivoha,\nKa faly indrindra ny Tompo\ntsitoha\nHitsena ny zanany velona\nindray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_397"},"ffpm_398":{"num":"398","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iza no hiara-dia\nHo arý an-danitra,\nKa hanaiky sy ho tia\nAn’Andriamanitra ?\nRy mikatsaka ny To,\nAtolorinao ny fo ;\nIzao tontolo izao ario,\nKa ny lanitra fidio.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Sao ho lany amin’ota\nNy anjara andronao,\nKa ny helo valin’ota\nNo hanjary lovanao ;\nMiovà re hatrizao,\nMiverena hianao ;\nTadiavinao tokoa\nNy Mpamonjy Tompo soa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba avia, mianara\nIzay fitondrantena vao ;\nMikeleza aina tsara,\nKa reseo ny nofonao,\nAza mba mamindra fo\nAmin-dratsy ao am-po,\nFa ongoty avokoa\nIzay misakana ny soa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy mba misy lalan-kafa\nHiakaranao ho ao,\nKoa andeha manahafa\nNy nataon’ny Tomponao.\nTsy mba mahavonjy anie\nNy fahaizan-dehibe ;\nRaha ny nofo no hajaina,\nDia ho very re ny aina.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Dia ny lanitra katsaho\nHo anjara lovanao ;\nNy Mpamonjy angataho\nHo mpitarika anao ?\nFa izay mpianany\nDia hotantanany\nIza no hiara-dia ?\nMitsangàna ka avia !","type":"verse"}],"id":"ffpm_398"},"ffpm_399":{"num":"399","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny sento ajanòny\nRy malahelo ô !\nKa aza misy intsony\nIzay hamoy fo !\nFa indro ny Mpamonjy\nDia eo anilanao,\nKa tonga mba hamonjy\nSy hitondra anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy no nitory\nNy teny soa re,\nNy rera-po sy ory\nAntsoiny mba handre ;\nMinoa fa ny ota\nDia voavelany,\nSakaizan’ny mpanota\nNo anarany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miposaka ny taona\nAnkasitrahana,\nKa be ny voataona\nAm-pitiavana.\nHevero, ry mahantra,\nIzay anjaranao !\nJesosy be fiantra\nNo Mpamonjinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_399"},"ffpm_400":{"num":"400","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo Tsitoha, izahay\nmifona,\nMba mihainoa, ô mba\nmanatòna !\nKa mamindrà fo aminay\nmpanota,\nHo afaka ota.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha averina aminay mpanota\nIzay mendrika ho anay ho\nvalin’ota,\nDia ho anjaranay re ny hijaly,\nFa tsy hifaly.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indro izahay, fa vovoka sy\ntany,\nReraka, osa, sady mitomany,\nTraty ny mafy\nmampiferinaina,\nKa mitaraina.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Noho Jesosy Zanaka malala,\nIzay nijaly solonay adala,\nDia mba vonjeo izahay\nmahantra,\nRy be fiantra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ray be fitia, tokin’ny\nmahantra,\nMba manampia anay,\nry be fiantra,\nFa miandrandra izahay\nmijery\nAnao irery !","type":"verse"}],"id":"ffpm_400"},"ffpm_401":{"num":"401","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izaho nivily, ka simba ny fo,\nNafoiko ny làlana tery ;\nIzaho nanary ny soa sy to,\nKa resin’ilay  mahavery.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka nony adala sy mafy ny fo,\nDia tonga ny Filazantsara\nNaneho ny teny mazava sy to,\nDia teny izay manambara.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa tonga ny Tompon’ny \nlanitra izao\nHamonjy izay olom-bery ;\nModia anio, ry havako ô,\nAraho ny làlana tery.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jesosy nijaly nisolo anao ;\nNy fony, ny ainy nijaly ;\nArio ny ratsy, fidio izao\nNy soa izay mahafaly.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Izaho fahiny nahery nandà\nTsy nety nifidy ny soa,\nFa nohon’ny herin’ny afo\nsy ra,\nNanaiky ny foko fa voa.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Izaho izao dia tretrika am-po\nFa afaka tsara sy sahy\nHiala amin-dratsy, hitady\nny to ,\nKa mino fa Jeso no ahy.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ry Jeso Mpamonjy, arovy\nny fo,\nAhiko ny fandrika maro !\nIzaho mikasa ao anatin’ny fo\nHanaraka Anao, ry Mpiaro.","type":"verse"}],"id":"ffpm_401"},"ffpm_402":{"num":"402","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ory sady mitomany\nAho, ry Jesosy ô,\nFa tsaroako izany\nVesatry ny heloko ;\nKoa mba todihonao,\nRaiso ho mpianatrao,\nNy fanahiko sitrano,\nAtsanganonao ka tano !","type":"verse"}],"id":"ffpm_402"},"ffpm_403":{"num":"403","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ry Jeso Tompo tsara ô !\nHe, resy lahatra aho izao\nFa be ny ratsy vitako\nMandifotra ny tenako !\nMilela-paladia, re,\nFa efa diso lehibe ;\nEsory tsy ho hitanao\nNy mariky ny otako,\nAmpiasao ny indrafo\nKa mamelà ny heloko !","type":"verse"}],"id":"ffpm_403"},"ffpm_404":{"num":"404","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny fasika amoron’ny rano\nTsy tambo isaina, fa maro ;\nNy kintana an-danitra koa\nTsy azo isaina avokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny otako toraka izany,\nNy isany tsy hita lany ;\nIzaho nanary ny soa,\nKa dia mahantra tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indrisy, izaho nania,\nKa very ny valim-pitia ;\nNy foko tsy mety mangina,\nFa maro ny heloka ahina.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izaho maniry hahazo\nNy lova izay tsy halazo ;\nIriko ny ho tafafindra\nHo amin’ny Avo indrindra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Jeso Mpamonjy Mahery,\nVariana aho fa very,\nKa noho ny ranao madio,\nNy heloko re mba ario !","type":"verse"}],"id":"ffpm_404"},"ffpm_405":{"num":"405","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy Kristy Tompo ô !\nMba mamindra fo, e !\nFa raha tsy hatoninao,\nMahantra aho  re !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mifona sy mangataka\nIzaho Tompo ô,\nNoho ny ranao latsaka,\nVonoy ny heloko.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny famonjena vitanao,\nTsy hain’ny hafa  atao ;\nNy teny sy ny herinao\nDia  ampy  hanavao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ho heriko ny indrafo\nSy ny fitiavanao,\nKa faly ny fanahiko,\nFa velon-ko Anao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny hazofijaliana\nAnjarako atý,\nFa satro-pifaliana\nHo azoko arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_405"},"ffpm_406":{"num":"406","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Manenina aho, Ray Masina ô !\nFa simba ny tsirin’ny aina ;\nIzay nambolenao tanatin’ny fo\nDia  lanin’ny  ota ka maina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indrisy ny fahadisoako, re,\nFa maro, tsy tambo isaina,\nKanefa, ry Tompoko, mba\nmamonje\nIty ory, izay mitaraina !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Havaozy indray ny fanahiko\nizao\nAndrao lasa ho babon’ny\nhelo ;\nKa ny fivalozako mba\nraisonao,\nVonjeo ny fo malahelo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_406"},"ffpm_407":{"num":"407","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ry Raiko izay malala,\nTonga aho zanakao,\nIzay nania, fa adala, \nKa mifona Aminao ;\nMamelà ny fahotako\nTeo anatrehanao ;\nAry ny fahadalako\nAza mba heverinao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, izaho nanantena\nIzao fiainana izao,\nKa nandà ny famonjena,\nIzay lazain’ny teninao ;\nKanjo hitako tokoa,\nFa izao tontolo izao\nTsy mba manan-java-tsoa\nHampiadana ny fo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Enga aho, izay mahantra,\nMba ho isan’ny Anao ;\nHianao ry Ray Mpiantra,\nMiantrà ny zanakao,\nAry nohon’ny Mpamonjy,\nIzay nanavotra ahy re,\nRaiso aho ho tra-bonjy,\nHa Anao, ry Ray ! Amen !","type":"verse"}],"id":"ffpm_407"},"ffpm_408":{"num":"408","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah, Ray mahari-po,\nIzay tia sy mamindra fo\nO, mihainoa ny hatako :\nMba mamindrà fo amiko !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izaho izay mangataka\nTsy azo hamarinina ;\nIndrisy ! be ny tsiniko ;\nMba mamindrà fo amiko !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy tamboko isaina re\nNy fahotako marobe,\nKa be tokoa ny tahotro ;\nMba mamindrà fo amiko !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He ! misy hanatonako\nAnao, Mpandray mpibebaka :\nIzaho diso fatratra ;\nMba mamindrà fo amiko !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Fa Jeso no Anarana\nIzay entiko mangataka\nNy hamelanao heloka :\nMba mamindrà fo amiko !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Tsinjovy re ny zanakao\nMiverina Aminao izao\nFa mitaraina Aminao :\nMba mamindrà fo amiko !","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"O ! mba jereo ka iantrao\nIzaho miandrandra Anao ;\nNy heloko vonoinao,\nFa mampisaraka Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_408"},"ffpm_409":{"num":"409","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"« Ry zaza mpiodina,\nmba miverena ! »\nAntsoin’ny Ray ;\nIsika hamaly am-po\ntsy terena :\n« Indreto izahay\nMiaiky fa ratsy\nMaratran’ny rafy ;\nSitrano izahay,\nFa simba ny toetranay. »","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"« Indrisy, nanota\nka mendrika ho faty\nSy very izahay !\nNy razanay dia nanompo ny\nmaty\nKa narahinay.\nRy Ray ô, jereo\nKa dia vonjeo,\nMba ho zanakao\nIzahay mitanondrika izao »","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"« Sitraniko ny \nfihemoranareo,\nRy zanako ô !\nTsy ampanjomboniko\naminareo\nNy tavako koa. »\nIzany irinay\nHo re ao am-ponay,\nFa Ray Hianao\nMampionona ny olonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_409"},"ffpm_410":{"num":"410","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ô ! jereo,\n‘Ndrao maty, ka vonjeo ;\nRy Kristy, Vonivatonay !\nMba raiso izahay,\nMahantra izahay,\nKa ory ny fonay ;\nRy Tompo be fiantra ô !\nMba miantrà anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mpanavotra ô ! jereo,\nAndrao very, ka vonjeo ;\nRy Kristy, Orimbatonay !\nAvoty izahay,\nMpanota izahay,\nMaloto ny fonay ;\nRy Zanak’Andriamanitra ô !\nVonoy ny otanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpanjaka ô ! jereo,\nAndrao lavo, ka vonjeo ;\nRy Kristy, Harambatonay !\nArovy izahay,\nMalemy izahay,\nKa kivy ny fonay ;\nRy Tomponay mahery ô !\nTantano izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_410"},"ffpm_411":{"num":"411","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Zanahary Tomponay,\nMpanao izao rehetra izao !\nTsinjovy re ny olonao,\nKa miantrà ny lovanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Tokinay sy Tanjakay !\nMba mitalaho izahay ;\nTsarovy re ny zanakao,\nKa mamelà ny helokay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Tomponay, Mpamonjy \nsoa !\nTariho izahay izao\nHanompo sy hanoa Anao,\nHo voninahitrao tokoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Rehefa hody izahay,\nMba raiso ny fanahinay\nHandray ny hasambarana\nAtolotrao, Mpanavotray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_411"},"ffpm_412":{"num":"412","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah Tompo ô !\nIndreto izahay\nMifona Aminao ;\nFa be ny helokay ;\nHenoy  izao, ry Ray !\nHenoy ankehitrio,\nHenoy ny vavakay,\nHenoy ka mba valio.\nRy Andriamanitray !\nmijere !\nJeso Kristy Tomponay !\nmamonje !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Vonjeo, vonjeo, ry Ray !\nVonjeo ny olonao ;\nMifona izahay,\nIsao ho zanakao ;\nHenoy  izao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpanota izahay,\nMba mamelà anay ;\nMaloto ny fonay,\nSasao ho voadio ;\nHenoy  izao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jereo ny Zanakao\nMisolo vava  anay ;\nIlay Malalanao,\nMifona ho anay ;\nHenoy  izao, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_412"},"ffpm_413":{"num":"413","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Mpamonjy, Tompo soa !\nAvy izahay izao,\nMba hanaiky sy hanoa,\nKa hiverina Aminao,\nHianao no ranon’aina\nMahavelona ny fo ;\nHianao no antenaina\nMba hanala ny manjo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indreto izahay mpanota\nEfa diso taminao,\nMamonje sy manavota\nNy fanahinay izao,\nHianao no mahavonjy\nIzay miankina Aminao ;\nKoa raiso, ry Mpamonjy !\nNy fifonanay izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jesosy be fitia !\nMba tantano izahay,\nFa ho lavo sy hania\nRaha tsy hazoninao.\nTsy mba misy mety very\nEo am-pelatananao,\nFa Aminao no misy hery\nMahatanjaka ny fo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tompo ô ! mba tanteraho\nIzay rehetra mahasoa,\nKa ny otanay afaho,\nFa manimba anay tokoa,\nMampianara anay haniry\nMba hanao ny sitrakao,\nHahazoanay ny hery\nEo am-pelatananao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_413"},"ffpm_414":{"num":"414","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso, Vatolampinay !\nO ! arovy izahay,\nKa ny fonay mba sasao\nManafaha  anay izao,\nMba tsy hisy  izay hanjo\nOlon-tsy mahitsy fo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy ny asa izay atao\nMahatò ny didinao ;\nTsy ny hazotoam-po\nNo mahazo manadio ;\nTsy ny ranomasonay\nNo mahafa-trosa anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsinontsinona  izahay,\nSady be ny helokay ;\nRy Mpiaro lehibe,\nJeso Tompo !  mamonje,\nFa miankina Aminao\nIzahay mpanomponao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tomoera aminay\nRaha  ho faty izahay,\nAry raha  hiakatra ao\nMba hiseho Aminao,\nJeso, Vatolampinay !\nO ! arovy izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_414"},"ffpm_415":{"num":"415","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mifona Aminao izahay,\nAndriamanitra ô !\nMba mamelà ny helokay,\n:,: Fa diso izahay :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mivavaka  Aminao izahay,\nRy Jeso Tompo ô !\nAvoty ny ranao izahay,\n:,: Fa very izahay :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mangataka  Aminao izahay,\nFanahy Masina ô !\nVelomy ny fanahinay,\n:,: Fa maty izahay :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jehovah ô ! Izay iray,\nKanefa Telo koa,\nMba atokàny izahay,\n:,: Ho olonao tokoa :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_415"},"ffpm_416":{"num":"416","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Mamindrà fo amiko,\nRy Jehovah Tompoko !\nFa miantra Hianao,\nMamelà ny heloko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Iza no mamindra fo\nToa an’Andriamanitra ?\nIza no Mpanavotra\nAfa-tsy ny Zanany ?","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso Kristy no mahay\nMamonjy ny mpanota\nIzay miankina Aminy\nKa tsy mandoka tena.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aza mahafoy ahy,\nRy Jehovah Tompoko !\nMamindrà fo amiko,\nMamelà ny heloko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_416"},"ffpm_417":{"num":"417","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nandao Anao ela aho,\nRaiko ô !\nIzao dia  te-hody aho ; \nManiry hiankina an-tratranao\nIzao dia  te-hody aho,\n:,: Inty tamy aho, Raiko\nmalala ô\nRaiso ny tanako :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maniry hanana fiadanam-po\nIzao dia te-hody aho,\nSy mba hivesatra ny zioganao\nIzao dia te-hody aho,\n:,: Inty tamy aho, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Itambesaran’ny ota natao\nIzao dia te-hody aho,\nMatoky anefa fa horaisinao\nIzao dia  te-hody aho,\n:,: Inty tamy aho, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha tsy mendrika ny ho\nzanakao,\nIzao dia  te-hody aho,\nAtaovy ho isan’ny \nmpanomponao\nIzao dia  te-hody aho,\n:,: Inty tamy aho, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Indro fa tazako ny sandrinao\nIzao dia  te-hody aho,\nMitsotra mba hisakambina re,\nIzao dia  te-hody aho,\n:,: Inty tamy aho, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_417"},"ffpm_418":{"num":"418","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Amorony fo madio\nAho, ry Jehovah ô !\nKa havaozinao anio\nNy fanahiko izao.\nBe ny ratsy vitako\nKa ny heloko sasao ;\nMamindrà fo amiko,\nRy Jehovah Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Amorony fo madio\nAho, ry Jehovah ô !\nKa diovy ankehitrio\nNy fiainako izao.\nSimba ny fanahiko,\nKa amboary ho vaovao ;\nAza esorina amiko,\nNy Fanahy Masinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Amorony fo madio\nAho, ry Jehovah ô !\nKa ny foko ahitsio,\nHamasino ho Anao.\nTaminao dia taminao\nNo mba nanotàko, Ray ;\nKa ny heloko avelao\nNy fanahiko ovay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Amorony fo madio\nAho, ry Jehovah ô !\nKa ny fo omeko anio,\nRaiso ho fanananao ;\nFo mangorakoraka\nNoho ny ratsy izay natao ;\nFo miaiky heloka,\nKa mba raiso, Tompo ô.","type":"verse"}],"id":"ffpm_418"},"ffpm_419":{"num":"419","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô !\nEfa nanota teo imasonao\nIty Zanaka mahantranao ;\nNinia niala teo an-tranonao\nMangovitra ny feoko,\nTorovana ny foko,\nKanefa tazako Hianao\nKa mamelà, mamelà,\nRaiko ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô !\nHo tanterahiko ny anjarako ;\nMandao ny lalako taloha;\nIzay nanalavitra ahy taminao\nTratrariko ny eo aloha,\nIlaozako ny lasa,\nInoako ny famindramponao\nKa mamelà, mamelà,\nRaiko ô !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô !\nAtsory amiko ny tananao\nHamelona ny heriko\nFa reraka aho, ka tantanonao\nNy fitiavanao, Ray ô !\nFanilo sady toky\nAndraisako fiadanam-po,\nKa mamelà, mamelà,\nRaiko ô !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Raiko ô ! Ry Raiko ô !\nHo olom-baovao itý zanakao\nRaha tonga eo akaikinao\nFa ho sasan’i Jeso Tompo tia\nTsy tapitra ny antranao,\nFa manana amby ampy\nDia manantena aho izao\nKa mamelà, mamelà,\nRaiko ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_419"},"ffpm_420":{"num":"420","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Raiko feno antra,\nInty aho fa ory ;\nMijaly sy mahantra,\nKa tsy mahatraka  akory,\nJesosy no nilonjy\nNy ota vitanao ;\nNy rany mahavonjy,\nNomeny ho anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nandao ny tavanao,\nNikaro-java-tsoa ;\nKorana sy lalao,\nSambo-drivotra avokoa.\nJesosy ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho fahavalo\nFa tsy narianao,\nNy loza natakalo\nHasambaram-baovao.\nJesosy ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hanompo no iriko\nFa zanaka nania,\nRy hany itokiako\nMba ho Tompoko  doria.\nJesosy ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_420"},"ffpm_421":{"num":"421","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andriamanitra ô, Ray\nMpamindra fo !\nAvy mankalaza Anao\ntokoa izahay  ;\nN'inon'inona midona,\nzavatra manjo\nEo ambany elatrao,\nmatoky izahay.\nMamindrà fo amiko,\nAndriamanitra ô !\nAvelao ny heloko,\nJeso Mpamonjy ô !\nHazavao ny lalako,\nFanahy Masina ô !\nFa izay no fahasambaran'\nny fanahiko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Kristy Tompo sy\nZokinay,\nMiaraka Aminao\nafa-tahotra tokoa,\nHetraketrakin'ny tany\ntsy hanimba anay,\nIzay mialoka Aminao\nho ampoky ny soa,\nMamindrà fo ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Fanahy Masina\nMpanavao,\nHazavao re, ny ao am-poko\nmiafina ao\nKa ny lalana ombàko mba\ntarihonao,\nNy ota mahazatra mba levony\nkoa ho lao,\nMamindrà fo ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_421"},"ffpm_422":{"num":"422","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Andriananaharinay !\nNy hamasinanao\nDia tena lehibe tokoa,\nRaha te-hahita Anao\nizahay,\nTsy maintsy tsara fo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny mason'ny anjelinao\nMahita Anao tokoa,\nKa tsy mba manjambena\nireo,\nNa dia mamirapiratra,\nNy hamasinanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa tsy nanota taminao\nAkory izy ireo,\nTsy meloka, tsy menatra,\nKa misy hahazoany\nHijery tsara Anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa izahay, maloto fo,\nRaha te-hahita Anao,\nTsy mana-mahamendrika,\nFa zanak'olombelona ;\nAhoana no hatao ?","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Andriananaharinay !\nNy ran'ny Zanakao,\nNy asan'ny Fanahy koa,\nNo zava-mahamendrika\nAnay hahita Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_422"},"ffpm_423":{"num":"423","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He maharavoravo,\nJeso, ny fitiavanao ;\nIzaho dia mpanota lavo,\nNefa Jeso, nareninao.\nMamin'ny foko loatra,\nNy fanavotana vitanao ;\nHe ! ny foko tsy afa-\nmanoatra\nJeso, hihira ho Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izaho mpanota adala\nNo nanehoam-pitiavan-tsoa\nNy heloko, Jeso malala,\nNavelanao tokoa tokoa.\nMamin'ny foko .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Endrey ny hafaliako :\nNy heloko navelanao,\nHe ! maivana ny fahoriako\nNoho ny fanavotanao.\nMamin'ny foko .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_423"},"ffpm_424":{"num":"424","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsaroako dia tsaroako\nRaiko ô, Raiko be fitia !\nFa ny fahadisoako\nNodiovinao satria\nNoho Jeso Mpamonjy soa,\nInty izaho fa afaka,\nHe ! azoko tokoa tokoa\nNy famelana heloka.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny aizim-pahotàna\nRaiko ô, Raiko be fitia !\nMisolo hazavàna\nMamiratra erý.\nNy lalako mahitsy izao\nMitory olona afaka\nNoho ny hery vaovao \nNy famelanao heloka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Endre, ny hafaliako\nRaiko ô, Raiko be fitia !\nFa maivana ny diako\nAvy any Kalvary.\nNy tahotaho-poko tao\nTsy reko intsony, afaka ;\nAn-tanako tokoa izao \nNy famelana heloka.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Deraiko lalandava\nRaiko ô, Raiko be fitia !\nNy vavako hilaza \nNy vitanao tetý.\nFa mbola misy marobe\nManiry te-ho afaka,\nHo azy  ireny koa anie\nNy famelana heloka.","type":"verse"}],"id":"ffpm_424"},"ffpm_425":{"num":"425","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Ny ratsy efa tiako,\nTsy tahotro, tsy henatro\nFa zava-bao no hitako :\nTe-hijery izany aho.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ao ny hazo fijaliana\nAo ny Tompo efa maty :\nIzy no nijery ahy\nTsy tezitra, fa niantra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hoy ny fijeriny ahy\n« Hianao mamono Ahy »\nDia  hitako mahantra aho\nNy heloko namono Azy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aiza no handosirako\n'Ndrao hidiran-doza aho ?\nIza no hamonjy ahy,\nFeno ota, feno loto ?","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Nijery ahy indray Izy :\n« Avelako ny helokao \nFa ny ràko no manadio\nHahazoanao fiainana ».","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Maty Kristy, be ny ota,\nMaty i Jeso ! be fitia.\nFaly malahelo aho,\nSambatra, manana ody aina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_425"},"ffpm_426":{"num":"426","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nanatona Anao, \nMpanavotra ô !\nNy olo-mahantra fahiny,\nNy rofiny be, ny senton'ny fo\nNaneho fa soa no niriny.\nTsy nety ho sasatra Hianao,\nTsy nisy nolavina akory,\nFa samy nandray ny\nindrafonao,\nKa ravo ny olona ory.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Manatona Anao, ry be\nindrafo,\nNy olo-mahantra anio,\nFa be siasia, sy reraka am-po\nKa raisonao ankehitrio !\nNy maty omeonao aina\nvaovao,\nNy sasatra ampiadano,\nNy masonay jamba mba\nhazavao\nNy rofin'ny fonay sitrano.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka rahatrizay hanatona Anao,\nNy tsy ho farofy intsony,\nFa hisy ny Alahady vaovao\nKa sitrana tsara ny fony.\nIzay tany soa misy Anao\nNo hisy ny olonao koa,\nHahita ny voninahitrao ao,\nRy Zoky malala Tsitoha.","type":"verse"}],"id":"ffpm_426"},"ffpm_427":{"num":"427","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ho vavolombelonao\nN'aiza n'aiza no aleha\nIzay no faniriana vao\nSy ataoko rehareha,\nKa raha asa no atao\nInty tokoa fa vonona\n( ho vonona aho )\nTsy hiala na handao,\nTompo ô, iraho aho !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ho vavolombelonao\nEran-tany raha ilaina\nToy ny loharano vao\nIzay mamelombelona  aina\nHanasoa ny tany hay\nEfa mihamaina taho\n( mihamaina )\nTompo ô, inty indray\nAlefaso, vonona Aho.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ho vavolombelonao\nAo anaty fitsapana,\nKa hijoro ho Anao,\nNa fefena, na rarana,\nTsy hiahotra ny dia :\nFa Hianao naniraka Ahy\n( naniraka Ahy )\nTsy hiahotra aho satria\nAmiko Hianao Mpitahy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_427"},"ffpm_428":{"num":"428","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Reko izao, ry Tompo,\nIzany antsonao\nMiantso izany mpanompo\nMba ho irakao !\nInty ! inty !\ninty aho Jeso !\nInty ! inty !\niraho aho Jeso !\nEkeko re,\nny ho miaramilanao\nHo vonona hanao\nny sitrakao,\nKa iraho !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O ! diovy Tompo\nizany molotro !\nKa ny fo madio hanompo\nno atolotro.\nInty ! inty ! …sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy handeha irery,\nFa hiaraka  Aminao,\nKa dia mba omeo ny hery\nsy Fanahinao.\nInty ! inty ! …sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Reko izao ny toky hoe :\n\" Momba ahy Hianao,\nRy Jesosy Tompo\nsy Zoky\nVonona aho \" izao.\nInty ! inty ! …sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_428"},"ffpm_429":{"num":"429","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Inty ny olona, Jeso Tompo ô !\nFa nandre ny antsonao\nHe, maniry mba hotarihinao\nHo akaikinao kokoa.\nMba tariho aho, Jeso\nTompo ô !\nEo akaikinao kokoa,\nMba tariho aho, Jeso\nTompo ô !\nMba ho olonao tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy ny sitrako, fa ny sitrakao\nNo iriko mba hatao,\nFa navotanao ny\nmpanomponao\nKa Manaiky ho Anao.\nMba tariho aho, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha mitokana mba hivavaka,\nKa miresaka Aminao,\nVelombelona ny fanahiko,\nTafakambana Aminao.\nMba tariho aho, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha avy re izay hodiako,\nHody Aminao indray,\nAo ny saiko vao tena afa-po\nTonga ao an-tranon-dRay.\nMba tariho aho, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_429"},"ffpm_430":{"num":"430","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Endrika sariaka\nNo anompoako Anao,\nJehovah Ray\nFa tapaka ny hevitro :\nIzaho dia olonao\nmandrakizay.\nHe ny foko afa-jaly\nTena ravo, sady falifaly,\nKa : endrika sariaka\nNo anompoako Anao\nJehovah Ray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa tsaroan’izany saiko,\nMandra-maty\nho tadidiko,\nNy nanavotanao\nny aiko,\nIlay fanahy sarobidiko.\nFa nomena fahendrena\nIzay ekena\nfa ny famonjena,\nKa : endrika ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Be ny zavatra mihatra\nMampahory\nsy mandrera-po ;\nKanefa ireny\ntsy handratra\nNy arovanao,\nry Ilay Tsitoha.\nFa ny fony tena tony\nTsy mba kivy, \ntsy mba taitra intsony,\nKa : endrika ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Misy ve ny mampanahy\nSy ny zava-manahirana ?\nHe, tsy kivy ny fanahy\nFa hijoro, ka ho mirana,\nFa Jehovah,\nRay Mahery,\nMiandany\nsady koa mijery,\nKa : endrika ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_430"},"ffpm_431":{"num":"431","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Na be no mahareraka,\nTsy mety kivy ny mino ;\nNy Tsitoha no heriny\nNy lehibe no tohany.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny hani-mandrakariva\nMofo avy an-danitra\nNy sotroin’isan’andro\nDia rano mahavelona.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Manda afo no arony\nFinoana no ampingany,\nVavaka no fofon’ainy,\nOdiaina no tànany.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ho lavorary ny diany,\nHo resy ny fahavalony,\nDia sitraka no hitany,\nVoninahitra no azony.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mahereza ilay malala,\nAza ketraka hanompo,\nLasa ny Mpitari-dàlana,\nHanamboatra ho anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_431"},"ffpm_432":{"num":"432","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mandra-pihavin’ny\nTompo, mivavaha ;\nNy teny tsara nomeny\ntadidio,\nNy adidinao, tontosay\nsy efao,\nMijery ny ataonao\nny Ray.\nRaha mpanompo tsara\nhianao,\nHe, ny Tompo faly\naminao,\nKoa tanteraho ireo\nadidinao,\nMba ho mpanompo\nmahasoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mandra-pihavin’ny\nTompo, miasà ;\nAmpitomboy ireo\ntalenta azonao :\nVola, fahaizana, aina,\nhery koa\nNo anompoy ny Tompo\nTsitoha.\nRaha mpanompo ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Moa tianao va\nIlay Mpamonjy \nTompo soa ?\nNy rany anie\nnanavotany anao !\nNy hafany tanteraho\nsy hajao\nValio ny fanavotany\nanao.\nRaha mpanompo ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_432"},"ffpm_433":{"num":"433","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba taominao ny fo izao,\nRy Jeso be fitia,\nHanarahako Anao,\nKa mba tsy hania.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba taominao ny fo izao,\nHamoizako ny tany,\nFa izao rehetra izao\nDia mora lany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba taominao ny fo izao,\nHanaraka ny dia,\nIzay nomban’ny olonao\nTsy naniasia.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba taominao ny fo izao,\nHahaizako hifaly,\nFa atý ny olonao\nOry sy mijaly.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mba taominao ny fo izao,\nHo any amin-dRainao,\nMba ho reko hatrizao\nNy hafin’ny ainao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_433"},"ffpm_434":{"num":"434","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny foko, ry Mpamonjy,\nAtolotro Anao ;\nMaloto ka diovy,\nMba ho fonenanao.\nNy ranao izay nalatsaka,\nNo aoka mba hanafaka\nIzao fahotako be izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fahoriam-poko\nAtolotro Anao ;\nFa he, mampitoloko,\nManindry mafy ao ;\nO, ry nijaly an-tsitrapo,\nTohàny ny fanahiko\nMba tsy hamoy fo izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fifaliam-poko\nAtolotro Anao ;\nArovy tsy haloto,\nDiovy ho Anao,\nAmpio ho tanteraka,\nHo tonga ao an-danitra\nHanatrika ny tavanao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny tenako rehetra\nAtolotro Anao ;\nAnao tsy misy fetra,\nAnao, re, hatrizao,\nKa raiso ho fanananao\nHanompo\nsy hanaja Anao,\nRy Tompo\nsy Mpanjaka ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_434"},"ffpm_435":{"num":"435","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iza no hanoa\nny Tompo lehibe ?\nIza no hanaja\nAzy tsara re ?\nIza no hitady\nolon-kafa koa,\nMba hanaiky\nsy handray \nNy Tompo soa ?\nIndreto Jeso Tompo !\nizahay izao\nAvy mba hanompo,\navy ho Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy an-tery re\nno ilatsahana\nToy ny olom-bery\nnandevozina ;\nTa-hanompo tsara\nizahay izao\nTa-hamely koa izay\ntoherinao :\nEny, Jeso Tompo !\nta-hanao tokoa\nIzahay mpanompo\nizay nasian-tsoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na dia ta-hanompo\naza izahay,\nBe ny fahavalo iadianay ;\nIzahay malemy\nfeno tahotra,\nMba tsy horeseny,\nmanampia anay,\nKapiteny sahy !\nentonao izao\nMba hitomban-dahy\nny mpiadinao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mafy re ny ady,\nmaro be no voa,\nMisy tsy mahandry,\nbe ny maty koa ;\nIzahay mpanompo\nmiandrandra Anao ;\nTompo izay tsy toha !\nmba herezonao :\nTompo manan-kery !\nhatanjahonao\nIzahay, sao very \nka afaka Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_435"},"ffpm_436":{"num":"436","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny foko, ry Jehovah ô !\nMba ento ho Anao,\nDiovy ho fonenanao,\nHo tsara sy vaovao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fanahin’Andriamanitra ô !\nMidína ato koa,\nOvay ny saiko mba hadio\nSy masina tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny aiko no navotanao,\nRy Jeso be fitia !\nMba hanompoako Anao,\nRy Tompoko, avia !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry sofiko, mba mihainoa !\nRy maso, mijere !\nRy tongotra aman-tanako,\nHajao ny Tompo e !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry tena sy fanahy koa !\nAvia hankatò\nNy tenin’ny Mpanavotra,\nIzay masina sy tò.","type":"verse"}],"id":"ffpm_436"},"ffpm_437":{"num":"437","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Kristy Tompo,\nO ! ampio ny olonao !\nAmpianaro mba hanompo\nSy hanao ny sitrakao ;\nMalemy aho re,\nKa omeo ny herinao,\nTsy hivily, tsy hania,\nFa hanara-dia Anao.\nO ! vonjeo, o ! vonjeo,\nKa tantano sy jereo ;\nAza afoy izahay,\nFa Hianao no Avotray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny foko mba diovy,\nRy Mpamonjy lehibe !\nKa ambeno sy arovy,\nSao dia very aho re,\nIriko indrindra koa\nNy hitombo sy hamoa,\nKa ny voka-tsoa rehetra\nHo Anao, ry Jeso ô !\nO ! vonjeo, .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba raisonao, ry Tompo !\nHo Anao tokoa izao\nIzay ananay rehetra,\nKa anarano fo izao,\nFa maty Hianao\nNoho ny fitiavanao,\nKa tsy hainay hadinoina\nNy fitiavanao anay :\nO ! vonjeo, .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_437"},"ffpm_438":{"num":"438","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, Jehovah Tomponay,\nHandray ny vavakay,\nFa mitaraina izahay,\nValio ny hatakay :\n:,: Avia :,: handray ny fonay,\n:,: Avia, :,:\nry Tomponay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Savao ny alahelom-po,\nMba hifalianay ;\nNa mafy aza ny manjo,\nMatoky izahay :\n:,: Avia :,: handray .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Avia, ka taomy izahay,\nHo tonga zanakao ;\nMba averenonao indray,\nFa te-ho olonao :\n:,: Avia :,: handray .. sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Manolo-tena izahay\nMba ho mpanomponao ;\nNy fonay no atolotray,\nKa raiso ho Anao :\n:,: Avia :,: handray .. sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raha avy ny hodianay\nHo any Aminao\nMba raiso ny fanahinay\nHo ao an-dapanao :\n:,: Avia :,: handray .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_438"},"ffpm_439":{"num":"439","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba taomy aho e,\nRy Tompo ô !\nHo tonga zanakao\nMadio am-po,\nMba taomy aho e,\nHo tia Anao tokoa !\nNy fo atolotro\nMba raisonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tariho aho e,\nRy Jeso ô !\nAza ilaozanao,\nFa be manjo.\nTrotroy an-tratranao\nNy ondrikelinao,\nKa ento mody izao\nIlay nania.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Diovy aho e,\nFanahy ô !\nDiniho sy hazavao,\nNy toetro.\nDiovy aho e,\nNy fo ovay ho vao,\nKa ny fanahiko\nOnenonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_439"},"ffpm_440":{"num":"440","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Kristy ô, Mpanjakako !\nNy foko ho Anao ;\nNy feoko hasandratro\nHihira ho Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba raiso ny fanahiko\nHanao ny sitrakao ;\nNy tenako, ny heriko,\nDia ento ho Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tongotro, ny tanako,\nHiasa ho Anao ;\nNy androko, ny volako,\nOmeko ho Anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izaho dia tsy mendrika\nAnao, ry Tompo ô !\nKanefa re, mba raisonao\nNy foko ho Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_440"},"ffpm_441":{"num":"441","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raiso aho, Tompo ô !\nFa te-ho mpanomponao ;\nRaiso koa ny androko,\nKa  anarano fo izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raiso re ny tanako\nMba hanao ny asanao ;\nRaiso koa ny tongotro\nHo fanirakirakao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raiso ny fahaizako,\nEnto mba hanaja Anao ;\nRaiso koa ny volako\nHo Anao tokoa izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raiso re ny vavako\nHampiseho ny hafatrao ;\nRaiso koa ny feoko\nHo mpanandratra Anao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raiso ny fanahiko\nDiovy ho tempolinao ;\nRaiso aho, Tompo ô !\nHo Anao mihitsy izao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ho Anao manokana,\nRy Mpamonjy,\nTompo soa !\nHo Anao dia  Anao\ntokoa,\nHo Anao mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_441"},"ffpm_442":{"num":"442","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Endre ! ity fahotana,\nMamely ao am-po,\nO! ady mampahana,\nKa mafy ny manjo ;\n:,: Vonjeo, ry Mpiantra !\nIzaho zanakao,\nFa tery sy mahantra\nMiady lava izao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Antoky ny aiko !\nIzay mahafatra-po,\nRy Toky antenaiko !\nIzay tanjaky ny fo ;\nNy tena sy fanahy\nApetraka  Aminao,\nKa  ataovy lehilahy\nMpandresy toa  Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho no Mpamonjy,\nKa matokia  tokoa,\nIzaho mahavonjy\nKoa  antenao ny soa ;\nNy sandriko mahery\nNo iankinanao,\nHianao dia tsy ho very,\nMinoa hianao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompo manan-kery !\nNy fitiavanao\nFitia feno hery,\nKa raisiko izao ;\nNy dera aman-daza\nNo mendrika ho Anao\nNy foko hankalaza,\nNy voninahitrao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_442"},"ffpm_443":{"num":"443","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raiso ho Anao ny foko,\nRy Jehovah Raiko ô !\nMitoera atý am-poko\nMba ho tompon-\ntrano ao,\n:,: O, ry Raiko !\nMitoera ao izao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raiso ho Anao ny foko,\nRy Jesosy Tompo ô !\nTsy mba vola, fa ny foko\nNo atolotro Anao :\n:,: Raiso, Tompo !\nFa fanati-tsitrapo :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raiso ho Anao ny foko,\nRy Fanahy Masina ô !\nHazavao ny ao am-poko,\nDiovy ho tempolinao :\n:,: Indro, raiso !\nItokany ho Anao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy harindriko ny foko,\nFa vohako ho anao ;\nKa midira atý am-poko,\nManjakà irery ao :\n:,: Eny, Tompo !\nRaiso aho ho Anao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_443"},"ffpm_444":{"num":"444","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Raiko feno antra !\nInty ny zanakao,\nNy foko dia mahantra\nRaha  lavitra aminao ;\nFa tany karankaina\nIzao tontolo izao,\nKa reraka ny aina\nMihataka aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nivezivezy aho\nNikaro-java-tsoa,\nIzay rehetra hita\nNandramana avokoa ;\nNandany taona maro\nNanaran-tsitrapo,\nKanefa tsy nahazo\nIzay mahafa-po.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamitaka mihitsy\nIzao tontolo izao,\nNy mamy dia  mangidy,\nIzay tena soa tsy ao ;\nKoa  aza mba adalainy\nIntsony re, ry fo !\nAndeha mba ho hendry\nHatramin’ny anio.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso, Mofon’aina\nSy Ranon’aina koa !\nHianao no mahatòny\nIzay filan’ny fo ;\nHianao no mahavoky\nHianao no manome\nIzay irin’ny foko,\nDia  hasambaram-be.","type":"verse"}],"id":"ffpm_444"},"ffpm_445":{"num":"445","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso mora fo indrindra,\nTsara sady mahasoa,\nTsy miova, tsy mifindra,\nTompo be fitia tokoa.\nMba iriko ho toa Azy\nTsy mba mety soso-po,\nKa hionona ny foko\nRaha avy ny manjo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso tia, nanetry tena\nSy nandefitra tokoa,\nNefa Tompo be harena\nSy Mpanjaka foto-tsoa.\nMba iriko ho toa Azy\nIzay ninia  ho ory koa ;\nKa ny sainy no fidiko,\nFa fiainana tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He ! manolo-tena aho,\nHo Anao, ry Tompo soa !\nKa ny heloko rehetra\nMba sasaonao avokoa.\nEnga ka homenao ahy\nFo madio sy vaovao,\nMba hahaizako manefa\nIzay rehetra sitrakao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_445"},"ffpm_446":{"num":"446","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Atolotro Anao\nny tenako, ry Raiko !\nFa Hianao no tena\nloharanon-tsoa\nIzao tontolo izao\nmanintona ny saiko\nHiataka Aminao\nho babony tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Atolotro Anao\nny tenako, ry Raiko !\nHo eo an-tananao\nhosakambininao,\nHohatanjahanao\nny tena sy ny saiko\nHisikina tokoa\nhiady ho Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Atolotro Anao\nny tenako, ry Raiko !\nFa izany indrindra re\nno hetahetako ;\nNy ran’ny Zanakao\nmitory ao an-tsaiko\nMba hanolorako Anao\nny tenako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_446"},"ffpm_447":{"num":"447","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hianao, ry Kristy\nTompo,\nNo hasiniko izao,\nAvy aho, fa mpanompo,\nHiankohoka Aminao,\nRaiso re ny dera saotra\nTena mendrika\nho Anao ;\nHe ! ny foko faly loatra,\nFaly mba hanaja Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao no tena faniriako :\nNy ho velona  Aminao,\nKa hitoeranao ny foko,\nFa tsy holalovanao ;\nEny, Tompo ô ! monena,\nMba monena ao tokoa,\nIzay no tena famonjena\nIzay no mahafatra-po.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy ho orin-java-tsoa\nIzay rehetra itoeranao,\nTena sambatra tokoa,\nRaha ny fo no lapanao,\nMandrosoa, fa vohako\nHo Anao ny foko izao ;\nEny, Tompo, fa vohako,\nKoa  midira Hianao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_447"},"ffpm_448":{"num":"448","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo ô ! tariho\nNy ondrikelinao,\nTantano sy vimbino\nHanao ny sitrakao ;\nRaha  misy hafaliana,\nDia  taomy mba ho tia ;\nRaha sendra fahoriana,\nSakano tsy hania :\nRy Jeso ô ! tazano\nNy lalanay izao,\nTariho sy tantano\nHo ao am-balanao ;\nAnio dia mikasa\nHanolo-tena koa,\nFa nenina ny lasa\nHiezaka tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Anio ho hafaliako,\nNy foko lasanao,\nNy maminao no tiako,\nHatao ny sitrakao,\nNy androko rehetra,\nAtolotro Anao ;\nAnao tsy misy fetra,\nKa raiso, anjakao :\nRy Jeso ô ! tazano .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_448"},"ffpm_449":{"num":"449","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Njay reko, Tompo ô\n‘Njay re ny feonao ;\nMiantso ahy Hianao\nHankany Kalvary,\nTompo lehibe,\nRaiso aho e !\nMba sasao ny ranao soa\nIzay tao Kalvary.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Malemy aho e,\nKa mitaraina hoe :\nVonjeo ny aiko,\nTompo ô !\nVonjeo ny olonao :\nTompo lehibe, .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fiadanam-po\nMandresy ny manjo ;\nEsorinao ny tahotro,\nRy Tompo ô ! vonjeo\nTompo lehibe, .. sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mpanota tsy mandà,\nRy Tompo, mamelà !\nNy fahotako lehibe\nIfonako tokoa ;\nTompo lehibe, .. sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny foko tsy madio\nMba diovinao anio\nMaloto aho, \nry Tompo ô !\nSasao ho voadio\nTompo lehibe, .. sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ny foko no sasao,\nKa diovinao izao ;\nNy fahotako marobe\nLevòny avokoa\nTompo lehibe, .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_449"},"ffpm_450":{"num":"450","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Kristy be fiantra !\nMba Jereo izahay\nVery amin’ota.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao Mpiandry tsara,\nRaisonao izahay\nVery toy ny ondry.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fombanay ny tia ratsy,\nMba ovay ho vaovao\nNy fonay izay ratsy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Zazabodo sy mahantra,\nIzahay raha  atý,\nTsy mba manan-kery.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Hianao no Vatolampy,\nTanjakay, Avotray,\nHery sy Ampinga.","type":"verse"}],"id":"ffpm_450"},"ffpm_451":{"num":"451","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo ô ! tsy takatry ny saiko\nNy fitiavanao tsy nohajaiko ;\nKanjo io no hany antenaiko\nMba hamonjy ahy  izao.\n(Hamonjy izao)\nTompo ô, voababonao\nIzany foko ho Anao\nMamy re !\nIzany fitiavanao, ry Jeso ô !\n\n( Feo II )\nTompo ô ! dia resinao ny\nfoko ilay nandà,\nVoababonao tokoa tokoa ;\nKa nasandratrao ho Zanak’\nAndriamanitra,\nHotarihinao an-danitra.\nMamy dia mamy re, tsaroan’\nny aiko izao\nIzany fitiavanao, ry Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fandavan-tenanao tsaroako\nFa fandavan-tena nahitako\nNy fitiavanao izay inoako\nFa mambomba ahy izao.\n(Mambomba izao)\nTompo ô, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jesosy, tsy mba misy haiko\nAfa-tsy manolotra ny aiko\nEo an-tananao izay\nandrandraiko\nHampijoro ahy  izao\n(Hijoro  izao)\nTompo ô, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_451"},"ffpm_452":{"num":"452","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo ô ! ovay ny foko\nMba ho mora anarina\nToy ny any zazakely\nTsotra sady marina,\n:,: Tsy mialona, tsy maditra,\nFa manao ny sitrakao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zaza, ka tsy te-hifidy\nIzay homenao ahy anio ;\nNy ho azoko ampitso\nDia  ankinina  aminao ;\n:,: Koa tsy manahy aho,\nFa efa niantohanao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Zaza tsy maharo tena,\nFa miankina amin-dray.\nTsy mahery, tsy mba hendry,\nAry tsy mahay mandeha ;\n:,: Hianao no Raiko tia,\nRaiko be fahari-po :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_452"},"ffpm_453":{"num":"453","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mihirà, ry mponina ao\nan-danitra\nTonga izao ny very fahizay,\nFa ny Rainy faly sy finaritra\nMba handray ny zanany indray\nMihobia, re, ry lanitra,\nKa derao Andriamanitra.\nEny, mihobia re , ry mino ô,\nKa hirao ny fihiram-baovao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mihirà, ry mponina ao\nan-danitra\nFa ilay very dia hita  izao,\nVoaray ho Zanak’\nAndriamanitra,\nEfa tonga olona vaovao.\nMihobia, re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mihirà, ry mponina ao\nan-danitra\nLehibe ny fifalianay,\nKa derao izao Andriamanitra,\nFa ny maty velona indray !\nMihobia, re, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_453"},"ffpm_454":{"num":"454","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Veloma no apetrako,\nFa tapaka ny hevitro,\nHandao ny fahazarako,\nFa Kristy no harahiko.\nVeloma Hianao,\nRy izao tontolo izao !\nIzaho tsy tamana atý,\nVeloma Hianao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny làlan’ota hitako\nNamono ny fanahiko,\nFa he, erý dia tazako\nIlay tany soa mamiko\nVeloma ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpanota ô, nahoana\nNo tsy miaraka aminay,\nFa mbola misy toerana\nIzay ho anao  sy ho anay.\nVeloma ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Veloma, fa  ao aloha ao\nNo tany izay honenako,\nKa maika aho mba hankao\nHandray ny fitsaharako.\nVeloma ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jerosalema tazako,\nKa velona ny hirako,\nFa any no honenako\nHidera ny Mpanjakako.\nHo any aho izao,\nHo any aho izao,\nIzaho tsy tamana atý,\nHo any aho izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_454"},"ffpm_455":{"num":"455","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny androm-pahasoavana\nManeho zava-baovao ;\nMahazo fahasambarana\nIzao tontolo izao.\nRavoravo ny efitra maina\nMbamin’ny tany karankaina ;\nHe, torina ny teny soa,\nKa dia afaka avokoa\nNy olom-bery maniry ho\nvelona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka miandrandra ny lanitra\nNy malahelo izao ;\nMihoby izy fa sambatra\nNahazo aina vaovao.\nHe, vahàna ireo migadra,\nAfaka ny midradradradra,\nMitsambikina ny mandringa,\nFaingana izy sady kinga,\nAry mihoby ny lelan’ny\nmoana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny very no tadiavina\nMba hody amin’ny Ray ;\nNy maty dia velomina\nKa ravo mandrakizay,\nIzy dia mifady ny ota,\nNoho ny lova tsy ho tonta,\nSady manaraka Azy Tompo,\nIzay voaeso sy voahombo,\nAmabara-podiny any\nan-danitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_455"},"ffpm_456":{"num":"456","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, sambatra ny navelanao\nNy helony, ry Jehovah !\nNy otany voasaronao,\nKa tsy mba isaina koa ;\nHe, sambatra ny mahitsy fo,\nFa azy ny lovasoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fo nony nampaginiko,\nNy heriko nihalany ;\nNy ota izay nafeniko\nNo dia nahatonga izany,\nKa ketraka ny fanahiko,\nNisento sy nitomany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny otako dia nambarako,\nNiantso ny Tompo aho,\nNiaiky ny fahadisoako,\nNivalo sy nitalaho,\nKa dia nomeny indrafo,\nMba ho afa-keloka aho.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jehovah no fialofako\nSy manda miaro ahy ;\nNy rano, na dia tondraka,\nDia tsy hahatratra ahy ;\nNy hobin’ny afa-keloka\nNo ampihirainao ahy.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry olon’Andriamanitra,\nVonjeo ny andro soa,\nNy otanao izay miafina,\nItsorinao avokoa ;\nRaha mita ilay ony maizina,\nDia  aronao ny Tsitoha.","type":"verse"}],"id":"ffpm_456"},"ffpm_457":{"num":"457","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso hany  iriko\nLoharanon’aiko\nSy Sakaiza soa !\nMamiko indrindra\nNy ho tafafindra\nAny Aminao,\nNa dia toa takona,\nHianao ao an-tsaiko,\nSady tohan’aiko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Loza tsy misava,\nSento lalandava\nNo mitranga izao ;\nNotrotroiny aho,\nKa ny fahavalo\nTsy mahazo ao.\nNa be aza ny manjo,\nTsy ho kivy ny fanahy,\nJeso mbola  ahy.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny haren’ny tany,\nNa dia tsara ihany,\nTsy ahoako ;\nHianao irery\nLova tsy ho very,\nReharehako !\nKa na fahoriam-be\nNo mihatra amin’ny aiko,\nHianao tsy foiko.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha ao am-poko\nHianao, ry Tompo,\nKa manjaka ao,\nIreo ahiahy,\nNahavalaka  ahy,\nDia  afakao,\nNa mavesatra  entana\nHianao no antenaiko\nSady Tohan’aiko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_457"},"ffpm_458":{"num":"458","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo tia ô, midina,\nMitoera aminay,\nKa fenoy fifaliana\nAo anatin’ny fonay.\nHianao, ry be fiantra,\nTomponay Mpamindra fo,\nNo mpamangy ny mahantra,\nKa midira ao am-po.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aoka re ny fofon’ainao\nHahavelona anay,\nHanahafanay ny sainao\nHampiadana anay.\nNy fitiavanay ny ota\nMba vonoy, ry Tomponay,\nManafaha anay mpanota,\nRy Andriamanitray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny mpanomponao ampio\nMba handraisany Anao,\nAza afoy fa mba tahio,\nAoka ho tempolinao,\nHianao no hotompoinay,\nRy Andriamanitra,\nHianao no hoderainay\nHatrarý an-danitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tanteraho ao am-ponay\nNy fiainana vaovao,\nNy fanahy sy ny sainay\nMba fenoy ny herinao,\nAmboary sy havaozy\nIsan-andro izahay\nMandra-pahatonga any\nAminao mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_458"},"ffpm_459":{"num":"459","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso, Loharanon’aina,\nJeso, Masoandronay !\nIzao ny fonay mitaraina,\nMba velomy izahay !\nO, savao ny zavon-tany\nAo am-pandehananay,\nDia Hianao ihany\nNo ho Masoandronay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso, Mofon’aina soa,\nMba vokiso izahay,\nJeso, Làlana tokoa,\nMba tariho izahay !\nAlfa sy Omega tsara\nHianao, Mpamonjinay ;\nTeny soa manambara :\nJeso no fiainanay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_459"},"ffpm_460":{"num":"460","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ario ny tahotrao,\nRy olona  osa fo !\nIzay lazain’ny Tomponao\nTsy hisy tsy ho tò ;\nNy fisentoanao\nDia reny avokoa ;\nNy feon’ny fitarainanao\nValiany tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mpanjaka lehibe\nNo itokianao ;\nNy tanany mahery re\nNo hamonjena anao ;\nTsy misy mahalà\nIzay tiany hatao :\nHandositra amin-tahotra\nNy fahavalonao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fitondràny soa\nNo iankinonao ;\nKoa  aoka hofidiny koa\nIzay halehanao ;\nNa dia tsy takatrao\nNy sainy lalina\nIzay tendreny ho anao\nEkeo ho marina.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompo tsara ô !\nMba mijere anay,\nNa reraka  aza re ny fo\nTohanonao izahay :\nOvay ny hevitray,\nNy fonay hazavao,\nIzay atoronao anay\nHizoranay izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_460"},"ffpm_461":{"num":"461","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aoka ho an’Andriamanitra\nNy fanendrena ny lalanao,\nFa hovimbininy  hianao\nAmin’ny lalan-tsarotra ;\nFa toky tsy mamitaka\nNy tenin’Andriamanitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa inona no azonao\nAmin’ny fitahiana ?\nTsy afaka  ory hianao\nNoho ny fisentoana ;\nNa be herehina hianao,\nHo be ny alahelonao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Lefero kely, maneke\nIzay sitrak’Andriamanitra,\nNy zavatra tinendriny\nTsy maintsy mahasoa anao ;\nIsika nofinidiny,\nKa tsy ho foiny indray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa fantatr’Andriamanitra\nIzay andro hifaliana\nIsika no hodioviny\nAmin’ny fahoriana ;\nTsy maintsy hofantenana\nVao afa-pahoriana.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Dia aza atao fa hianao\nAfoin’Andriamanitra ;\nFa Izy dia mananatra\nNy zaza izay tiany,\nKa dia mba manomana azy\nHandova ny an-danitra.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Misaora ny Anarany,\nFa aza ketraka hianao\nFa ho tanteraka aminao\nNy soa lazain’ny Teniny ;\nFa toky tsy mamitaka\nNy Tenin’Andriamanitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_461"},"ffpm_462":{"num":"462","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Eo an-tananao, ry Raiko !\nNo apetrako izao\nNy fiainako rehetra,\nMba tahio ny zanakao ;\nMarobe ny fahavalo\nTa-hamely ahy e ;\nRy Jehovah, Ray Mpiaro !\nMba arovanao anie.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha mbola eto aho,\nZaza be fisiasia,\nTia ratsy noho ny soa,\nKa mandà ny Tompo tia ;\nAza mba manary ahy,      \nRy Mpamonjy tsy mandao !\nAza manalavitra ahy,\nAndrao dia takona Aminao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na ho lava, na ho fohy\nNo hiainako etý,\nTsy mba sitrako akory\nNy handà ‘zay tendrinao ;\nRaha tonga anio ny andro\nIzay handaozako ity,\nEo an-tànanao no tiako,\nRaiso aho ho arý.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eo an tànanao, ry Raiko !\nNo apetrako izao\nAina, tena sy fanahy,\nMba vonjeo ny Zanakao,\nAmpianaro hahazaka\nFitondrana tianao ;\nIlazao mba hahalala\nFa izao no sitrakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Eny Raiko ! mba valio\nIzao fivavako izao,\nE, jereo ka mba tahio\nIzaho miandrandra Anao ;\nMba sasao ny ranao soa,\nDia hadio aho izao ;\nRy Mpamonjy ! mihainoa\nNy mpanomponao izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_462"},"ffpm_463":{"num":"463","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah no Ampinga\nSy Masoandro koa,\nHiaro amin-doza\nSy hanazava koa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka tsy handresy ahy\nIzay fahavaloko ;\nNa ota na devoly\nHo resy avokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka raha alaim-panahy\nNa misy izay manjo,\nHanatona Azy aho\nHakako hery koa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Rehefa tapitra andro,\nKa tonga amiko\nIzay hialako aina\nDia tsy ho tahotro.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny lanitra haleha\nSy hitoerako ;\nHidera an’i Jeso\nMandrakizay doria.","type":"verse"}],"id":"ffpm_463"},"ffpm_464":{"num":"464","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo manan-kery,\nMiarova anay !\nRy mpitady ondry very,\nMamonje anay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Tompo be fitia,\nMitsinjova anay !\nNy fanahinay mania,\nMiantrà anay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso Tompo be fiantra,\nMijere anay !\nNy fanahinay mahantra,\nMitahia anay !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso Tompo mahalala,\nMananara anay !\nNy fanahinay adala,\nMitariha anay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_464"},"ffpm_465":{"num":"465","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ô ! ry Jeso !\nNy foko lazanao,\nKa Hianao irery\nNo Tompoko izao ;\nTsy manan-tahotra aho,\nHianao no aroko ;\nNy lalako mazava,\nHianao faniloko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mitaona dia mitaona\nNy zava-poana ;\nAnkoso-bolamena\nMamirampiratra ;\nAnefa ry Mpamonjy !\nIzay ampianao\nDia haharesy tsara\nIzao tontolo izao,\nRy Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny nofoko malemy,\nKa be ny sitrapo ;\nBe koa ny fitsapana\nMahazo ahy izao ;\nAnefa Jeso tia !\nRaha re ny feonao,\nMahazo hery aho\nHanao ny sitrakao,\nRy Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso ô ! ry Jeso !\nMba tovy amiko\nIlay teny maharavo\nHoe “Sakaizako” ;\nIriko lalandava\nHiaraka Aminao,\nMba hahitako tsara\nNy fitiavanao,\nRy Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny dianao jereko\nEtý an-dàlana,\nAmbara-pahatratra\nIlay fitsaharana,\nOmeo hery aho\nHanompo tsara Anao ;\nFa fantatrao, ry Jeso !\nNy foko lazanao.\nRy Jeso ô ! ry Jeso ! ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_465"},"ffpm_466":{"num":"466","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ô ! ry Jeso ô ! \nNy fonay tia Anao,\nKa manomàna anay izao,\nHo any aminao :\nFa sambatra avokoa\nIzay tonga ao aminao ;\nIzahay maniry koa\nHo eo ankilanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso ô ! ry Jeso ô ! \nAmpionao izahay\nHihevitra ny lanitrao\nIzay hodianay :\nFa sambatra ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jeso ô ! ry Jeso ô ! \nMaloto izahay\nTsy mendrika ny lanitrao,\nDiovinao izahay :\nFa sambatra ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso ô ! ry Jeso ô ! \nNy fahavalonay\nMamely ny fanahinay,\nReseo, fa rafinao :\nFa sambatra ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Jeso ô ! ry Jeso ô ! \nSao reraka izahay\nMiandry ny hodianay,\nTohanonao ‘zahay :\nFa sambatra ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_466"},"ffpm_467":{"num":"467","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba manampia anay,\nRy Jeso Tompo soa !\nKa dia ny fiainanay\nHambinina avokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny tadiavinay\nDia fihavanana,\nTsy hisarahana aminao\nIzay Fiainana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ampionao izahay\nMba hahalala Anao,\nKa aoka mba harahinay\nNy nodiavinao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia mankalaza Anao\nIzahay ry Tompo ô !\nFa he, ny fitahianao\nDia tena mahasoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_467"},"ffpm_468":{"num":"468","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Irinay Jeso tia,\nMpanota izahay,\nKa misy alahelo\nAtý anatinay ;\nIrinay ny Mpamonjy\nHiseho ho anay,\nHanafaka ny ota\nMba hifalianay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Irinay Jeso tia,\nMba hanazava anay,\nFa maizina ny sainay,\nKa diso izahay ;\nIrinay Jeso Kristy\nHanolo-trsaina anay,\nIrinay Jeso hendry\nMba hianaranay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Irinay Jeso tia,\nHo tonga aminay,\nHiantra sy hiaro\nSy hanadio anay ;\nNa dia malemy aza\nKa reraka izahay,\nRehefa voavonjy,\nMatanjaka izahay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tomponay malala !\nRy Jeso tianay !\nRy Havanay mahery !\nRy Rahalahinay !\nVonjeo izahay mpanota\nMiankina aminao,\nTahio izahay mahantra\nMivavaka aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_468"},"ffpm_469":{"num":"469","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso ô, Mpitia anay !\nMaminay ny teninao,\nOsa ny fanahinay,\nFa mahery Hianao ;\nMamy, ry Jeso ! (in-3)\nNy fitiavanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso ô, Mpitia anay !\nMahadio Hianao ;\nKa ny halotoanay,\nAoka ho voasasanao :\nMamy, ry Jeso ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso ô, Mpitia anay !\nTompon’aina Hianao ;\nMaro ny aretinay,\nNefa samy afakao :\nMamy, ry Jeso ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso ô, Mpitia anay !\nAoka hotarihinao ;\nAza mba mandao anay,\nMandra-pahafatinay :\nMamy, ry Jeso ! ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_469"},"ffpm_470":{"num":"470","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny foko, ry Mpamonjy,\nMangetaheta Anao,\nManiry lalandava\nHikambana Aminao.\nTsy afaka ao am-poko\nNy faniriana Anao ;\nOneno re ny foko\nHo lapanao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny androm-pahoriana,\nRaha lapanao ny fo,\nManjary fitahiana,\nIzay manadio ny fo :\nTsy afaka ao ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny ora fifaliana,\nRaha ao anilanao,\nMamelom-paniriana\nHanao ny sitrakao :\nTsy afaka ao ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ho lao ny fahotako\nRaha akaikezinao,\nTsy misy hadalako\nIzay tsy afakao :\nTsy afaka ao ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Finaritra ny saiko\nRaha ipetrahanao,\nFa reraka ny aiko\nRaha halavirinao :\nTsy afaka ao ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_470"},"ffpm_471":{"num":"471","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, sambatra aho, Jeso,\nraha miaraka Aminao,\nFa ny làlanao dia lavi-\npahoriana ;\nNy ali-mampahory,\nny raho-mitatao\nEo anilanao dia mody\nfitahiana.\nTano aho, Jeso, hiaraka\nAminao\nIzay làlana ombako, e ! mba\nhazavao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao no faniriako, manetsika\nny fo :\nHo sakaizanao mandrakizay\ndoria ;\nNa inona mihatra, na inona\nmanjo,\nHianao no antenaiko hitàntana\nny dia.\nO ! avia Jeso, tano aho e !\nTantanonao ny diako,\nTompo mamonje !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izay sakaizanao, Jeso, no\nampoky ny soa,\nFeno haravoana sy lavitra\nmanjo ;\nIzay rehetra ilaina anananao\ntokoa,\nRaha miaraka Aminao,\nmionona ny fo\nSambatra aho, Jeso,\nTretrika tokoa,\nRavo ny fanahiko, toloranao\nny soa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Inona no mamiko mihoatra\nnoho Hianao ?\nTompo manan-kery sy\nloharanon-tsoa ?\nIzay zavatra ilaiko azoko\nAminao\nKoa onenanao ny foko, ho\nlapanao tokoa.\nManjakà, Jeso, ato am-poko\nHianao\nIzay fahotako e ! ry Tompo\navelao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_471"},"ffpm_472":{"num":"472","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iriko e, ry Jeso !\nHitovy Aminao,\nIzay tsy manan-keloka,\nFa masina tokoa ;\nIriko e, ry Jeso !\nHo tonga toa Anao,\nNamonjy sy nanafaka\nFanahy, aina koa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Iriko, ry Mpamonjy !\nMba ho sakaizanao,\nHiaraka ory Aminao ;\nKa tsy handao Anao ;\nIriko, ry Mpamonjy !\nHanar-dia Anao ;\nNy hazofijaliana\nHo entiko izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Iriko, ry Mpandresy !\nHiaraka Aminao,\nHo eo an-toby lehibe,\nHo miaramilanao ;\nIriko, ry Mpandresy !\nHanaraka Anao ;\nMitondra ny fanevanao,\nHandray ny herinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Iriko, ry Mpanjaka !\nHo ao an-dapanao\nHiara-paly Aminao,\nFa tonga Zanakao ;\nIriko, ry Mpanjaka !\nHo eo anilanao\nHandray ny lova atolotrao,\nMpanjaka be fitia !","type":"verse"}],"id":"ffpm_472"},"ffpm_473":{"num":"473","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mombà anay, ry Jeso \nTompo ô ! \nFa maizina ny alina atý ;\nTsy misy vonjy raha tsy\nAminao ;\nMpamonjy tia ô !\nmombà anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mandalo koa ny andronay etý\nKa mihalo ny fifalianay ;\nMiovaova izao rehetra izao\nRy tsy miova ô !\nmombà anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza mba mivahiny aminay,\nAza mihevitra ny helokay ;\nAoka ho be ny famindranao\nfo ;\nRy Jeso Tompo ô !\nmombà anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy mahaleo tena izahay,\nFa mora resy, mora kivy koa ;\nRy Jeso Tompo ! aoka\nhonenanao\nEtý an-dasin’ny \nmpanomponao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny teninao no fifalianay ;\nNy masonao mitari-dalana ;\nAry ny herinao no tanjakay ;\nSakaiza tsara ô ! mombà anay.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Izay ombanao afa-tahotra,\nTsy mety kivy na mamoy fo ;\nTsy misy fahoriana izay\nHaninona ny fo arovanao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Rehefa tonga ny fotoana\nHitànay ilay ony maizina,\nAoka ny tavanao hazava ao,\nAmin’izany re mombà anay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_473"},"ffpm_474":{"num":"474","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy ô, Hianao no faleha !\nMba hankanesana amin’ny Ray,\nKa mitariha anay mba handeha\nAmin’ny làlana marina indray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa Hianao no Mpamonjy voatendry,\nZanaka mandrakizay Hianao ;\nKa Hianao no Mpitarika hendry,\nLalana amin’ny Ray Hianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Diso ny tsara, ka dia nizotra\nTamin’ny lalana ratsy izahay ;\nKoa mamerena anay mba hizotra\nAmin’ny lalana tsara indray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa Hianao no mitondra ho any\nAmin’ny lanitra fonenanao ;\nAry tsy misy mahazo mankany\nAfa-tsy amin’ny alalanao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Maro ny zavatra izay mampahory,\nFa Hianao no Mpiaro anay ;\nAoka izahay tsy ho reraka Akory,\nRy Mpanalalana amin’ny Ray !","type":"verse"}],"id":"ffpm_474"},"ffpm_475":{"num":"475","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Mpamonjy, Mpiandry\ntokoa \nAmpivereno hanaraka Anao ;\nOndry mania, manary ny soa,\nAza avela hiala aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Taomin’ny ratsy, fitahin-tSatana,\nMila ho lasan-ko babo izahay,\nFa Hianao no mahery mitana\nTsy hahavery ny ondry iray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Varivariana, salasalaina,\nBe ahiahy, jereo izahay ;\nAmpianaro ny tsy hary saina,\nAmpitsaharo ny fanianay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aina nomenao hisolo ny very,\nAry ny ranao nanvotra anay,\nFa Hianao no nitondra irery\nFampijalian-kanitsy anay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Fa ny fiainan-tsi-hita resenao\nVelona mandrakizay Hianao ;\nDia fiainana an-danitra omenao\nIzay ondry mety manaraka Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_475"},"ffpm_476":{"num":"476","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny eo akaikinao, ry Ray,\nNo mamiko izao,\nHanjary tena tafaray\nNy foko sy ny Anao,\nSoa re, ry Raiko ô !\nRaha eo anilanao ;\nNy hazo fijaliana\nHo tonga maivana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny eo akaikinao, ry Ray,\nNo herin-janakao ;\nHianao irery no mahay\nManampy ahy izao.\nSoa re, ry Raiko ô !\nRaha eo anilanao ;\nNy ota tsy hanapaka\nNy olona afaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny eo akaikinao, ry Ray,\nNo mandako tokoa ;\nNy ratsy dia tsy hahay\nHandrombaka ahy koa,\nSoa re, ry Raiko ô !\nRaha eo anilanao ;\nNy ora izay manjombona\nHo fiadanana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny eo akaikinao, ry Ray,\nNo fifaliako izao,\nNy tanako dia hifandray\nAmin’ny tananao.\nSoa re, ry Raiko ô !\nRaha eo anilanao ;\nFenoinao fanambinan-tsoa\nIlay kapoakako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_476"},"ffpm_477":{"num":"477","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Oram-be mivatravatra,\nArotsahy, Tompo ô !\nFa mangetaheta loatra\nIzahay mpanompona.\nO ! valio, O ! valio,\nMitaraina ka valio.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! malazo re ny voly\nIzay maniry tsy mamoa ;\nNefa raha omenao aina,\nDia ho vokatra tokoa.\nO ! vangio, O ! vangio,\nSao dia maty, ka vonjeo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tovy eto, ry Mpamonjy !\nIzay nambara fahizay,\nKa iraho ny Fanahy\nAmin-kery lehibe.\nO ! henoy, O ! henoy,\nKa valio ny vavakay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He ! toa kivy ka manahy\nIzahay mpiasanao ;\nAza ela, ry Fanahy !\nAsehoy ny herinao.\nO ! avia, O ! avia,\nMisehoa, Fanahy ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_477"},"ffpm_478":{"num":"478","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny hirako izao,\nRay be fitia,\nNy ho akaikinao\nBebe kokoa,\nIzay re no hirako,\nMandra-pahafatiko ;\n:,: Akaikinao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha mba sarotra\nNy diako\nKa zary maizina\nNy làlako,\nRy Ray ! akaikinao\nNo tian’ny zanakao :\n:,: Akaikinao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ao no hiseho re\nNy tohatra\nMba hanatonako\nNy lanitra,\nAnjely miantso ahy\nAkaikinao, ry Ray !\n:,: Akaikinao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fahoriana\nSy loza koa,\nRaha eo anilanao\nDia mody soa,\nKa dia tano aho\nHo ao akaikinao ;\n:,: Akaikinao :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Na dia hilentika\nNy androko,\nAry izao hita izao\nHilaozako,\nMbola ho hirako\nRy Andriamanitro !\n:,: Akaikinao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_478"},"ffpm_479":{"num":"479","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso no anjara soa\nIzay mahafa-po tokoa,\nSoa tsy manam-paharoa,\nAhy Jeso : Ampy   izay.\nAhy Jeso hatretý,\nAhy Jeso hatrarý\nAhy Jeso Zoky tia\nMandrakizay doria, doria.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Vola sy harena be\nMaro tia tokoa anie ;\nNefa mamiko ny hoe :\nAhy Jeso : Ampy  izay.\nAhy Jeso hatretý, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fahefana, laza soa\nMahafatifaty koa ;\nNefa izao no tena soa :\nAhy Jeso : Ampy  izay.\nAhy Jeso hatretý, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eny, izao rehetra izao\nTsy hamoizako Anao,\nFa Jeso izay tsy mandao !\nAhy Jeso : Ampy  izay.\nAhy Jeso hatretý, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jeso, aina, hery, zo ;\nJeso, lova tsy mba lo ;\nJeso fiainam-po ;\nAhy Jeso : Ampy  izay.\nAhy Jeso hatretý, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_479"},"ffpm_480":{"num":"480","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mamin’ny foko, ry Jeso ô !\nNy famonjena izay vitanao,\nNy hadisoako navelanao,\nTena afaka aho mandrakizay.\nJeso malala ô ! Mpamonjy soa !\nIndro ny aiko raiso ho Anao ;\nVelon-kanompo, velon-kanoa\nVonon-kanao izay sitrakao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tano ny foko, ry Jeso tia !\nZaza tsy mahasaraka Anao !\nMbola malemy, mora mania,\nTano hifikitra ao Aminao.\nJeso malala ô ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aoka ny foko sy ny fonao\nHiara-mitepo tena iray ;\nAoka ny saiko sy ny sainao\nHiray safidy mandrakizay.\nJeso malala ô ! ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_480"},"ffpm_481":{"num":"481","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo be fitia !\nIzaho zanakao\nTantano tsy hania\nHiaraka aminao ;\nFa mamiko tokoa\nNy eo ankaikinao ;\nTsy orin-java-tsoa,\nIzay sakaizanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Harena be an-tany\nMamilivily fo,\nFa tiana mora lany\nKa tsy mampionom-po ;\nIzany aniriako\nHifikitra aminao ;\nAtolotro ny foko\nHo eo an-tananao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa raha Izaho irery\nVoasakan-tsitrapo,\nMandeha manirery,\nKa maro no manjo ;\nIzany no ilàko\nHiaraka aminao,\nVimbino aho, Raiko !\nHo eo an-tananao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy hitako mihitsy\nIzay mahafa-po,\nTsy misy etý akory\nIzay tsy mety lo ;\nFa ao am-paradisa\nNo feno zava-tsoa,\nTsy mahadisadisa,\nFa sambatra tokoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_481"},"ffpm_482":{"num":"482","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah ô ! Hianao nandinika\nahy,\nKa fantatrao ny toe-piainako ;\nNy fo sy saina mbamin’ny\nfanahy\nTsy miafina aminao, ry\nTompoko !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka na mipetraka aho, na\nmandeha\nIzay rehetra ataoko hitanao,\nHe, fantatrao ny lalana haleha,\nNy androko dia eo an-tananao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na velona aho, eny, maty aza,\nNy tenako dia eo imasonao,\nKa toerana aiza, lalana\nmankaiza\nNo hialako tsy ho hitanao ?","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompo ! tena mahagaga\nloatra\nNy asanao sy ny fisainanao ;\nTsy misy saina mety\nmahatratra\nNy fahendrenao sy ny herinao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Izao no hany zavatra iriko ;\nVelaro indrindra ny fitiavanao,\nHahaizako hametraka ny foko\nHionona eo am-pelatananao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_482"},"ffpm_483":{"num":"483","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zanahariko Tsitoha\nTompo, Hery sy Fitia,\nRay hatramin’ny taloha,\nAhy anio, ka ho doria.\nManjakà mandrakizay\nAo am-poko, Tompo soa ;\nDera, laza, Anao ry Ray !\nZanaka, Fanahy koa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny finoakao Anao,\nHatanjaho mba hamoa\nHiasako ny asanao,\nHamafazako ny voa.\nAoka ny Fanahinao\nJiro mba hitarika ahy\nKa apetrako aminao\nNa ny tena na fanahy.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Antenaiko, Hianao, Jeso\nIzay Mpitsara lehibe\nHanamarina ahy ao,\nNa mpanota aza re.\nDia hiezaka aho etý\nMba hanao izay mendrika\nHamindrànao fo arý\nFa voavela heloka.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ray ô, ny fitiavanao\nAfindrao ho toetrako,\nMba hitiavako Anao,\nAry koa ny namako.\nHo mpanompo aho re !\nHo mpitory koa Anao !\nMba hanjaka an-tany e,\nTompo, ny fitiavanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_483"},"ffpm_484":{"num":"484","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ireo didinao, Jehovah Ray ;\nIzay tianao hankatoavinay\nDia rehareha sy voninahitra,\nSatria filamatry ny ao\nan-danitra.\nIlaina mba hiseho fa tsy hiery,\nHo fisintonana ireo izay very,\nFa antoky ny fiainanay,\nHatramin’izao, mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fitsipikao, Tomponay\nIzay nomenao mba\nharahinay,\nDia mampifantina izay anjara\nsoa\nKa manamboatra sy\nmanatsara,\nMampisy endrika itony tena\nSy manazava ny firenena,\nKa antoky ny fiainanay,\nHatramin’izao, mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ireo teninao, Jesosinay\nNo hany zavatra ivelomanay,\nFa tanjaka tokoa, tena hery be\nHahafahanay ny lalana\nmideza re,\nSakafo mahavelona ny aina,\nSy mampiravo tokoa ny saina,\nTena antoky ny fiainanay,\nHatramin’izao, mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_484"},"ffpm_485":{"num":"485","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Moa Jesosy ve tsy ahy ?\nAndriamanitra mahery \nKoa nahoana no hanahy\nIzy miambina  mijery.\nFahavalo na dia maro\nTsy mba mahakasika ahy\nIzy no ampinga miaro\nKoa izaho tsy hanahy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Moa Jesosy ve tsy ahy ?\nIlay Mpanolotsaina hendry\nKoa tsy kivy fa ho sahy\nAmin-java-tsoa kinendry.\nTsy manaonao foana\nFa tarihin-Kapiteny.\nTsy manahy satria nahoana ?\nAo ny saina izay nomeny.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Moa Jesosy ve tsy ahy ?\nIlay Jesosy mahagaga,\nMpanasitrana, Mpitahy\nKa ahoako izay hitranga ?\nRanomasina aza tao,\nNampagininy ka tony ;\nHainy mihitsy ny manao\nHahatò ny sitrapony.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Moa Jesosy ve tsy ahy ?\nRain’ny mandrakizay, eny !\nVelon-toky ny fanahy\nIzay nekeny , novonjeny,\nKoa na ory sy mijaly\nAza aho etý an-tany,\nVetivety dia hifaly :\nMampaninona izany ?","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Moa Jesosy ve tsy ahy ?\nIlay Andriampiadanantsika,\nAndriamanitra Mpiahy,\nFitahiana feno hika.\nFamonjena efa vita\nHofikiriko hatrany,\nFahasoavana hampita,\nAny am-paradisa any.","type":"verse"}],"id":"ffpm_485"},"ffpm_486":{"num":"486","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Inona no hahasaraka ahy\nAmin’ny fitiavanao, Jeso ?\nFahoriana ve, sa ahiahy ?\nFahantrana, sa famoizam-po ?\nTsia, ry Jeso Tompo be fitia,\nIzaho tsy mivadika Aminao\nFa mandrakizay doria doria\nIzaho dia hanaraka Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Inona no hahasaraka ahy\nAmin’ny fitiavanao, Jeso ?\nZo sy laza sy fakam-panahy ?\nSa harena, zava-mora lo ?\nTsia, ry Jeso ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Inona no hahasaraka ahy\nAmin’ny fitiavanao, Jeso ?\nSabatra, sa fanenjehana\nmafy ?\nSa mosary, ady be manjo ?\nTsia, ry Jeso ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Inona no hahasaraka ahy\nAmin’ny fitiavanao, Jeso ?\nFaty ve no hampivadika ahy,\nLoza, hery, fahefana koa ?\nTsia, ry Jeso ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Eny, izao rehetra izao,\nry Tompo\nTsy mba hahasaraka Aminao !\nNa inona hanjo ity mpanompo\nDia hijoro, tsy handao Anao !\nVelona aho, Tompo, eny maty\nDia tsy mivadika Aminao !\nHianao no velona ao anaty,\nKa doria, ny foko ho Anao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_486"},"ffpm_487":{"num":"487","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fanavaozana izay mahagaga\ntokoa \nNomen’i Jeso ahy re !\nFahazavan’ny fanahy izay\nmahafa-po\nNomen’i Jeso ahy re !\n:,: Hatramin’izao dia\nendrey, endrey :,:\nNy fitempon’ny foko izay\nravo tokoa\nOnenan’ny Tompo Jeso.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fiainako be siasia taloha\nVoaova mihitsy izao\nEny, ny fahotako, izay\nnahavoa\nVoasasany koa izao,\n:,: Hatramin’izao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny finoako, ny fanantenako\ndia be\nNy tokiko fatratra koa\nNy fisalasalana dia levona re,\nNy saiko mandroso ho soa.\n:,: Hatramin’izao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tonga mamirapiratra fatratra\nerý\nNy aloky ny faty re !\nKa dia tsinjoko ilay vavahady\narý\nMankao an-tanàn-dehibe\n:,: Hatramin’izao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tsy miato, mizotra mankany tokoa\nNy diako hatramin’izao\nHovantaniko any Ilay Tompo soa\nJesosy malala no ao.\n:,: Hatramin’izao, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_487"},"ffpm_488":{"num":"488","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Na inona inona hitranga,\nJeso !\nNa ny lanitra ho manga,\nJeso !\nNa ho maloka mangina,\nJeso !\nDia ho feno fifaliana,\nJeso !\nNy fotoana dia handalo,\nJeso !\nFa tsy hisy hampimalo,\nJeso !\nRaha miorina ao am-poko,\nJeso !\nIlay fitiavanao inoako,\nJeso !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha jereko ny andro lasa,\nJeso !\nTao ny tsiky, tao ny ratra,\nJeso !\nNefa Hianao, Ilay \nMpampahery,\nJeso !\nNo nambomba sy nijery,\nJeso !\nNy fotoana ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny ho avy antenaiko,\nJeso !\nMbola ho fifalian’ny saiko,\nJeso !\nNy hasasarako hisava\nJeso !\nNy harivako hazava,\nJeso !\nNy fotoana ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_488"},"ffpm_489":{"num":"489","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tena sambatra sy mahate-ho\ntia\nIzay masim-po, madio \nfisainana,\nFa miara-dàlana mifankatia\nAmin’Andriamanitra,\nFiainana.\nMasina tokoa re ry Tompo\nTianay mba ho masina,\nSaina, tena sy fanahy\nKa fiainan-danitra tokoa\nNo santarin’izay mino sy\nmanoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro, mampahery, mahatoky\nkoa\nRaha mahitsy ny fijery, soa\nny fo ;\nFa ny fo madio sy masina\ntokoa :\nParadisa an-tany, feno\nzava-tsoa\nMasina tokoa ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Koa halaviro ny fitaoman-\ndratsy,\nNy fisakaizana tsy mba\nmasina ;\nFa ny tia ny Tompo, dia\nolon-tsoa mitafy\nFahadiovan’ny Fanahy \nMasina.\nMasina tokoa ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Miaraha làlana amin’i Jesosy.\nFa ny fahavalo ta-hamotraka,\nMijoroa, reseo ny toetra\nmampihosina\nAo anaty loto sy ny fotaka\nMasina tokoa ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_489"},"ffpm_490":{"num":"490","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry kristiana, andrandrao\nNy Tompo sy Mpanjakanao,\nFa Izy no Mpiaro ;\nKa aza taitra hianao,\nNa dia manakora izao\nNy fahavalo maro ;\nOmban’ny Tompo hianao,\nKa aza atahoranao\nNy rahon’ny mpamely.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa indro tsy rendrehana\nIlay Mpiambi-masina,\nIzay Tokin’Israely ;\nFantaro marina izao,\nIzay ataon’ny rafinao\nAoka ho azy izany ;\nFa andrandrao ny lanitra,\nAnao Andriamanitra,\nAnao ny fanjakany.","type":"verse"}],"id":"ffpm_490"},"ffpm_491":{"num":"491","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Inoantsika marina\nNy Mpamorona Tsitoha,\nIsika dia natsangana\nMba ho zanany tokoa,\nHanina sahaza omeny,\nAry be ny famonjeny,\nAmin’ireo loza maro\nDia Izy no Mpiaro ;\nInoantsika ao am-po\nFa Izy marina sy to.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy Kristy Zanany\nNo inoantsika koa ;\nIsika dia fananany,\nFa navotany tokoa,\nIzy Zanak’i Maria,\nDia rahalahy tia ;\nMaty ka natao ho very,\nFa nitsangana amin-kery,\nNiakatra ao an-dapany,\nHitsara ao am-parany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka ny Fanahy Masina\nNo inoantsika koa,\nNy fiangona-masina\nNo naoriny tokoa ;\nAo isika dia mahita\nFamonjena efa vita ;\nAfaka ny helotsika,\nFo vaovao no raisintsika ;\nIsika dia hatsangana\nHo velona ao an-danitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_491"},"ffpm_492":{"num":"492","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izaho mino ny\nMPAMORONA,\nMpanao ny tany sy ny lanitra ;\nIzaho manam-panorenana,\nFa manan-dRay arý\nan-danitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izaho mino ny\nMPANAVOTRA,\nNy rany masina no mamiko,\nNy momba Azy dia sambatra,\nNy diany no mba harahiko.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Inoako ny MPANAMASINA,\nMpananatro sy Masoandroko ;\nIzaho omeny afo masina,\nMba ho madio ny fiainako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_492"},"ffpm_493":{"num":"493","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny loharanom-pamonjena,\nHe, hitako tokoa izao,\nDia Jeso Kristy, Ilay nomena\nHamonjy izao tontolo izao,\nNy rany dia fantaro\nFa ampy hiankinako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny otantsika no nanery\nNy Tompontsika hankatý\nIsika hitany ho very,\nIzany no nidinany\nNitondra fahoriana\nSy hazo-fijaliana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny nialan’ny Tompo aina\nHanaisotra ny heloka\nDia tsy mba takatry ny saina,\nFa hitan’ny finoana,\nNy rany no miantso hoe :\nHe, famindrampo lehibe !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izay no nampionona ahy,\nKa afaka ny tahotro ;\nNa dia ory ny fanahy,\nJesosy no Mpanavotro\nNa misy mampanahy fo,\nNy Raiko no be indrafo.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Na very aza ny harena,\nKa be ny fahoriana,\nIzaho mbola manantena\nHahita fifaliana ;\nJesosy, Izay fananako,\nDia Tompo feno indrafo.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Izaho tsy matoky tena,\nNa ny fahamarinako ;\nJesosy foto-pamonjena\nNo tena itokiako,\nNy Raiko no isaorako,\nFa izy be indrafo.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Izay sitraky ny Ray malala\nNo aoka mba ho sitrakao\nFa izy tena mahalala\nHametraka izay anjarako ;\nIzay ataony tiako,\nFa hitako ny indrafo.","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Izany fototra izany\nNo toky izay hotanako\nAmbara-pitako ho any\nAn-koatry ny fasako,\nKa any no hisaorako\nIlay fototry ny indrafo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_493"},"ffpm_494":{"num":"494","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Zanahary,\nIzay nahary ahy,\nBe ny herinao!\nManan-toky aho,\nFa tsy maty taho,\nManana Anao ;\nAfa-po ny zanakao,\nHianao no Ray Mpiahy,\nKa  iza no hanahy !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao no Raiko\nTena fototr’aiko,\nSady heriko.\nHianao no aro,\nTsy ho reraka aho,\nTsy ho kivy fo ;\nAo ambany elatrao\nNo ataoko fiereko ;\nAo tsy misy sento.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Latsaka isan-andro\nToy ny ranonando\nNy fitianao.\nRaha alaim-panahy,\nKa manafotra  ahy\nRe ny otako,\nDia ho tafatsangana\nHanavao ny herin’aiko\nHianao, ry Raiko.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ary raha lany\nToy ny zavon-tany\nNy fiainako ;\nMisy onin’aina\nTsy mba mety maina\nAo an-danitrao ;\nAo no hitoerako,\nAo an-tranonao, ry Raiko,\nAo no antenaiko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_494"},"ffpm_495":{"num":"495","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso dia tokiko,\nFa Mpamonjiko mahery,\nSady tena zokiko\nTsy hamela ahy irery\nAo amorom-pasako,\nFa hiaraka amiko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izy tenany mandre\nNy hangidin’ny fitàna\nIlay ony maintibe\nVokatry ny fahotana ;\nKoa tsy hilaozany\nIrery ny olony.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho hody vovoka,\nFa ny androko ho lany,\nNefa dia hatsangana\nSy hakarina hankany\nAmim-boninahitra,\nIzay tsy mety tapitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia ho tafatambatra\nNy fanahy sy ny tena,\nAry samy sambatra,\nFa nahazo famonjena,\nIzay Jesosy, havako,\nVao ho tena hitako.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Izay manjo atý izao\nTsy mba misy ao akory,\nFa finaritra ny ao.\nTapitra ny mampahory,\nKa ny fahalovana\nHody fifaliana.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Eto aho reraka,\nAny misy hazon’aina\nVita sy tanteraka\nIzay rehetra nantenaina\nAo no hahatrarako\nNy fahasambarako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_495"},"ffpm_496":{"num":"496","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso iankinako,\nIzy no mpanavotro ;\nKristy itokiako\nAmin-tsaina sy ny fo ;\nKristy ifaliako,\nIzy marina sy to.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nahafoy ny lanitra\nHianao, Mpanavotra ;\nRaha ny vahoakao\nNobaboin’ny rafinao,\nHianao mangoraka,\nRy Kristy Mpanafaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fahoriambe ny erý\nNo nanjo Anao tatý\nFa ny fahavalonao\nDia nanenjika Anao ;\nNefa novalianao\nIndrafo ny rafinao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He, nijaly Hianao\nNoho ny fitiavanao\nKa ny famindramponao\nNo nahafatesanao ;\nHianao nasandratra,\nFa nijaly fatratra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Sarobidy izahay,\nFa ny ranao avotray,\nIzay nomenao ho anay,\nMba hanafaka anay ;\nTonga olom-potsinao\nIzahay navotanao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ravoravo izahay,\nRy Mpamonjy maminay,\nKa ny fanavotanao\nAn’izao tontolo izao\nSy ny fitivanao\nNo isaoranay Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_496"},"ffpm_497":{"num":"497","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny tany sy ny lanitra tsy\nmanam-petra\nHiaraka amin’ny mino\nrehetra\nManaiky fa Jeso no aina\nhamonjy\nNy olona ory izay mila vonjy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na dia manenjika ahy ny\nratsy,\nTsy lany ny hery, fa Jeso\nmanampy\nDia  Izy no tanako mafy\ntokoa,\nKa tsy ialako, fa Tompo\nTsitoha.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy Sakaizako dia miahy\nNy Azy, ka afaka ny ahiahy,\nNy fo malahelo ovany ho\nfaly,\nKa tretrika indray   ireo olo-\nmijaly.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jesosy fidiko ho Tompo\ntokoa,\nEfaiko ny asa sy hevitra soa,\nIzay halan’ny Tompo tsy\ntiako intsony,\nKa tena iraisako tsara any\nfony.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Izay tanako mafy sy mamy\nhambara\nRehefa ho faty, ka tonga ny\nanjara :\nJesosy, Jesosy irery ihany\nNo aina, harena tsy mety ho\nlany.","type":"verse"}],"id":"ffpm_497"},"ffpm_498":{"num":"498","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ahy va Jesosy Tompon’aina ?\nMoa ahy va ny lanitra ?\nEny, matokia, ry fo sy saina,\nFa eken’Andriamanitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Eny, zokiko Jesosy Tompo,\nFahagagana lehibe erý,\nTsy antsoiny hoe mpanompo,\nFa ataony tena havany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Toa mila hampisalasala\nIo tena fahagagana io,\nAry lavin’ny tsy mahalala,\nNefa azon’ny finoako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O, mba mifalia, ry fanahy,\nFa anao Ilay Mpanavotra !\nKa misaora, aza mba manahy,\nFa ho azonao ny lanitra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Iombonana ny lova any,\nFa Iray ny Ray an-danitra !\nKa harena be dia be izany,\nHasambarana maharitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_498"},"ffpm_499":{"num":"499","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Inona re no hatakaloko\nAn’i Jesosy Izay mpisoloko ?\nNy zavatra izay ho simba va\nsy mora levona ?\nRaha mbola hazoniko ny to,\nKa tsy maty ny jiro ao am-po,\nJesosy tsy soloako na inona\nna inona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro, Jesosy no fiainako,\nIzy no manda fiarovako ;\nIzaho efa maty, nefa\nnovelominy indray.\nKa na dia mahantra aza atý,\nKa tsy mbola nafindra ho arý,\nJesosy no anjarako, ka ampy\nahy re izay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, ry Jesosy Tompo tsara ô !\nAza mamela ny fanahiko\nHisaraka  aminao, fa tano aho\nho mpanomponao.\nMba velomy ny fitiavako,\nKa tohano ny fandehanako,\nMba hanarahako ny lalana\nizay nalehanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_499"},"ffpm_500":{"num":"500","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! manda fiarovana,\nAndriamanitsika,\nAmpinga mahatohana\nIzay manjo antsika.\nMamely fatratra\nSatana sompatra,\nMpandoza hatrizay,\nMpamitaka mahay\nTsy manam-paharoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Malemy, tsinontsinona,\nFa mora resy isika ;\nFa misy voahasina\nMiady ho antsika ;\nJesosy re izay,\nIlay iraky ny Ray,\nMpitarika mahay,\nMpamonjy hatrizay\nSy Tompo-pandresena.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na dia ta-handevona\nIreo devoly maro,\nTsy misy atahorana,\nJesosy no Mpiaro ;\nIlay rain’ny maizina\nDia nohelohina,\nKa tsy ahoana,\nFa teny tokana\nDia mahalavo azy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Kendreny hofongorana\nNy teny tanantsika,\nKanefa tsy ho foana,\nNy Tompo momba antsika.\nNa dia ho fongana\nNy laza ananana,\nHarena, havana\nTsy mampaninona,\nNy lanitra antsika.","type":"verse"}],"id":"ffpm_500"},"ffpm_501":{"num":"501","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Namely mafy loatra\nNy henatra aman-tahotra ;\nTsy afaka ny aizim-po,\nFa mbola tao ny heloka,","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nandroso aho nivavaka :\nRy Jeso ô, Mpanavotra !\nIzao no angatahiko ;\nMba mamelà ny heloko.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho tsy hiahotra ;\nNy tenako atolotro,\nIzay rehetra ananako\nAnao, Mpamela  heloka.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny tahotra dia levona,\nAriako ny henatra, \nSatria mandre ny feonao\nHoe : voavelako ny helokao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Endrey ! ny hafaliako\nIzay velona ao anatiko,\nKa sahiko ny hanao hoe :\nVoavelanao ny heloko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_501"},"ffpm_502":{"num":"502","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Finaritra ny vorona ao an-ala\nSy ao an-karam-bato avobe ;\nNa dia betsaka ny \nmpankahala\nMivonon-kahafaty azy re ;\nMatoky izy, tsy misalasala,\nFa manam-piarovan-dehibe.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy Tompoko no\nharambato\nSy ala mafy ikirizako ;\nNa mafy aza sady tsy miato\nIzay ataon’ny fahavaloko,\nMamely ahy ary misahato,\nJesosy re no fiarovako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izay rehetra ta-hamely ahy,\nMikendry, nefa sasa-poana ;\nIzaho dia ravo am-panahy,\nTsy azony atao ahoana,\nFa misy manda manodidina\nahy,\nIzay miaro  sy  manohana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_502"},"ffpm_503":{"num":"503","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Tompo tsara ô !\nTsy azoko valiana\nIzato fitiavanao\nManafa-pahoriana,\nHe, sambatra aho, Tompo ô !\nFa manana Anao izao,\nIzay tsy mba mety sosotra,\nNa faly hampitahotra\nKa Hianao no tokiko\nSy foto-pifaliako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, isam-pahoriana\nIzay niantsoako Anao,\nDia efa novaliana\nNy hataka izay natao,\nNy heloko navelanao,\nNy foko nohavaozinao,\nNy loza nosakananao,\nNy ngidiny nesorinao;\nNy aim-baovao iainako,\nKa velona ny heriko.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka amin’izao sisa izao,\nMikasa aho Tompo ô !\nHanao izay nohafaranao,\nHanaraka Anao am-po.\nSatana dia holaviko,\nHafoiko izao tontolo izao,\nRafesiko ny nofoko,\nFa Hianao, Mpamonjy ô !\nMpanavotra tsy foiko,\nNo sisa hotompoiko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_503"},"ffpm_504":{"num":"504","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"“Ambarao, ry mpivahiny !\nNy alehanao izao !”\n“Fiakarana mideza,\nIhoaranay anio ;\nJesosy Tompo no miantso\n:,: Mba ho ao an-tany soa ;\n:,: Mba ho ao an-tany soa ;\nJeso no alehanay :,:”","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"“Lozanao, ry mpivahiny,\nLàlana tsy fantatrao !”\n“Tsia, fa anjely maro\nNo miaraka aminay ;\nJeso Tompo no mitondra.\nTsy hanjo anay ny loza,\n:,: Tsy hanjo anay ny loza ;\nIzy no ampinganay :,:”","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"“Inona, ry mpivahiny,\nNo ho azonao ary ?”\n“Jeso Kristy be fitia\nVonon-kanome anay\nLamba fotsy, zava-tsoa,\nRanon’aina tsy ho lany,\n:,: Ranon’aina tsy ho lany !\nJeso no hatoninay :,:”","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"“Tianay, ry mpivahiny,\nMba hiaraka aminao !”\n“Mandrosoa ry sakaiza !\nMiaraha aminay;\nFa izay mitady tsara\nTsy mba lavin’i Jesosy,\n:,: Tsy mba lavin’i Jesosy,\nIzy no hidiranay :,:”","type":"verse"}],"id":"ffpm_504"},"ffpm_505":{"num":"505","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"“Mpivahiny ! mba lazao ;\nZovy moa hianao ?”\n“Izaho namanao ity,\nFa miandry Ilay ary.”\n“Mpivahiny ! mba lazao :\nIza no andraisanao ?”\n“Jeso, Havako arý,\nNo andrasako aty.”","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"“Mpivahiny ! mba lazao :\nAiza no halehanao ?”\n“Lalana ety avokoa\nSady sarotra tokoa.”\n“Mpivahiny ! mba lazao :\nIza no harahinao ?”\n“Jeso, Zoky be fitia,\nTsy mamela mba hania.”","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpivahiny ! mba lazao :\nAiza no hodianao ?”\n“Ao an-danitra madio\nNo aleha ankehitrio.”\n“Mpivahiny ! mba lazao :\nIza no handray anao ?”\n“Jeso, Ilay Mpanjaka soa,\nTompo, Havako tokoa.”","type":"verse"}],"id":"ffpm_505"},"ffpm_506":{"num":"506","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy misy miadana ka afa-po\nIzay monina eto an-tany ;\nFa izay tia sy mino ny Tompo\nJeso\nNo hahazo ny soa tsy lany.\nMba irio, mba irio\nNy hananana an’i Jeso.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha misy mahory mahazo etý,\nJeso no hanala izany ;\nTsarovy ny avotra tao Kalvary\nFa nalatsany tany ny rany,\nMba irio, sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho maniry hanaraka Anao,\nRy Tompo Mpanafaka ota !\nFa fantatro tsara hatramin’izao\nNy fitiavanao ahy mpanota\nMba irio, sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_506"},"ffpm_507":{"num":"507","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ranomasi-mampahory\nNo alehantsika izao ;\nFa ny mino dia hitody,\nKoa maharitra izy izao ;\n:,: O ! andeha isika hody\nMba ho ao\nan-tranon-dRay :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Tompo eo am-pita\nKa miantso hoe: Avia !\nIzy koa no mampita\nKa manao hoe: Matokia !\n:,: O ! andeha, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maro efa tonga any\nKa mifaly avokoa ;\nMbola be ny fiantrany\nMisy ho antsika koa.\n:,: O ! andeha, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Kristy koa no sambon’aina\nIzay mitondra ho arý.\nFamonjena azo maina,\nKa ilaozy re ity.\n:,: O ! andeha, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_507"},"ffpm_508":{"num":"508","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny sambokelinay etý\nMitety ranobe,\nMisononoka ho ery\nAn-dafin’ony be  (in-3)\nMisononoka ho ery, sns.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny rivo-doza tsy hanjo,\nFa Jeso aminay;\nNy alondrano mankato\nIlay maherinay  (in-3)\nNy alondrano mankato, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamaky onja izahay\nFa tsy ho faty eo ;\nNy fitodian-tsambonay,\nHe ! tazanay izao  (in-3)\nNy fitodian-tsambonay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Irinay ny ho tonga ao\nHilaozanay ity ;\nMitsena anay tokoa izao\nNy zokinay ary  (in-3)\nMitsena anay tokoa izao, ..sns","type":"verse"}],"id":"ffpm_508"},"ffpm_509":{"num":"509","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Tompo ! Vatolampy,\nVato voafantina,\nMba ho fanorena-mafy\nIzay tsy mety levona;\n:,: Vato mafy :,:  (in-2)\nDia itokianay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Tompo ! Vatolampy\nVoazaha toetra ;\nVato tsy mba misy tsiny,\nSady tsara endrika.\n:,: Vato soa :,:  (in-2)\nDia ifalianay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso Tompo ! Vatolampy,\nVato fehizoronay ;\nEfa nampiray fanahy\nNy fitianao anay\n:,: Fehizoro :,:  (in-2)\nVato fampiraisana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso Tompo ! Vatolampy,\nTsy miova Hianao ;\nManan-jara ny matoky\nNy tsy fivadihanao\n:,: Fa ho faly :,: (in-2)\nKa tsy hanan-kenatra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_509"},"ffpm_510":{"num":"510","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso ! ny hamarinanao\nNo lamba hitafianay,\nAmin’ny andro farany,\nIzany hifalianay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha hitsangana izahay\nHandray ny lova aminao,\nDia tsy ho resy lahatra,\nFa Kristy no Mpanavotra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Io lamba io no mbola vao,\nNa levona izao tany izao,\nHaharitra tsy rovitra,\nHavaozin’Andriamanitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny hery sy ny antranao\nToroy izao tontolo izao ;\nAmpandrosoy ny teninao,\nAmpanekeo ny rafinao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny maty hahare ny feo\nHiantso azy ho velona ;\nJeso ! ny hamarinanao\nNo lamba hitafianay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_510"},"ffpm_511":{"num":"511","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso no sakaiza tena tia  anay,\nIzy ta-hamonjy olombelona ;\nAoka  ho tiantsika ny\nMpanavotra,\nFa Izy no Sakaiza\nmahateho tia.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso no Sakaiza ifaliana,\nIzy nahafoy ny voninahitra,\nMba hananantsika fanavotana\nSy handraisantsika\nny fiainana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso no Sakaiza itokiana,\nIzy mahavaly sy mahanatra ;\nAoka hinoantsika\nny Mpanavotra,\nHahazoantsika fiadanana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso no Sakaiza ivavahana,\nIzy mahavonjy ny \nMpangataka ;\nAoka hinoantsika ny \nMpanavotra,\nMba handraisantsika\nfanampiana.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jeso no sakaiza fiarovana,\nIzy maharesy ny mpanohitra ;\nIza no hanimba izay arovany ?\nAoka hisaorantsika ny\nMpanavotra.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Jeso ô, Sakaiza ! raisonao\nizao\nNy fisaoran-tsara izay\natolotray ;\nIzahay mpanota te-hidera\nAnao,\nRaiso re ny dera izay\naterinay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_511"},"ffpm_512":{"num":"512","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! matoky aho, Tompo,\nAzoko ny teninao ;\nTeny soa mahafaly,\nTeny avy Aminao.\nHe ! matoky aho, Tompo,\nAzoko ny teninao ;\nTeny soa mahafaly\nNo omenao ahy  izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tahotra  amana ahiahy\nDia ariako izao ;\nFa nomenao toky aho\nSady tô ny teninao,\nHe ! matoky, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izay rehetra fahotana\nEntiko hesorinao ;\nHianao no mahadio\nKa diovy aho izao.\nHe ! matoky, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mahasasa, mahadio\nMahavonjy Hianao,\nKa mandray sy mahatondra\nTsara ho ao an-tranonao.\nHe ! matoky, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jeso Tompo ! avy aho,\nAvy hankalaza Anao ;\nRaisonao re izay omeko ;\nVola, tena, aina koa.\nHe! matoky, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_512"},"ffpm_513":{"num":"513","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nJeso anay ;\nSady tsy mahafoy,\nJeso anay ;\nRaha ny olona\nMety mandao anay,\nJeso no tsy mandao,\nJeso anay","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nJeso anay ;\nIzy no Avotray,\nJeso anay ;\nMaty ny Tomponay\nNoho ny helokay ;\nAfaka izahay,\nJeso anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nJeso anay ;\nIzy no aronay,\nJeso anay ;\nReraka izahay\nNoho ny adinay,\nJeso no herinay,\nJeso anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nJeso anay ;\nIzy no lalanay,\nJeso anay ;\nLalana marina \nHahatongavanay\nAny an-danitra,\nJeso anay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nJeso anay ;\nManana izahay,\nJeso anay ;\nJeso Sakaizanay\nNo hovantaninay\nAny an-danitra,\nJeso anay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_513"},"ffpm_514":{"num":"514","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah Tomponay !\nOlom-bery izahay,\nNefa tsy mba foinao,\nFa vonjen’ny Zanakao;\nZanahary, Aba Ray,\nJeso Kristy, Havanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lehibe ny indrafo ;\nIza re no nanampo\nFamonjena taminao ?\nKanjo azonay izao ;\nZanahary, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Gaga izahay izao !\nBe fitia Hianao;\nAvotr’aina azonay,\nHody aminao izahay,\nZanahary, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso ô ! Mpamonjy soa\nSy mpamindra fo tokoa !\nAvy ny navotanao\nKa midera Anao izao;\nZanahary, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_514"},"ffpm_515":{"num":"515","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsara lova, ry Jeso ô !\nNy mpanota voavotrao,\nFa fonenana soa\nAmboarinao ao,\nHanefanao ny teninao ;\nHo amin’io tany io tokoa\nNo izoran’ny dianay ;\nJeso Tompo no ao, \nSady efa manao\nTrano soa hipetrahanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsara lalana, Jeso ô !\nNy vahiny tarihinao ;\nRaha misy manjo,\nTsy mba kivy ny fo\nFa tohanan’ny herinao ;\nHo amin’io, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsara vatsy  ry Jeso ô !\nNy mpandeha fahananao,\nFa ny teninao soa\nMofon’aina tokoa \nIveloman’ny olonao.\nHo amin’io, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_515"},"ffpm_516":{"num":"516","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"An-dafin’ny efitra lava sy\nmaina\nNo misy ilay tany izay\nmamin’ny fo\nIlay tany izay efa\nnampanantenaina\nHo lovan’ny mino izay\nmankatò\nIriko indrindra ny mba\nho tafita,\nTsy mety miadana\nmandra-pahita.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Anefa ny lala-mankany \nno mafy,\nNy rafiko maro manotrika ao,\nNy nofo indrindra no tena\nmpandrafy,\nKa tery ny lalan-kaleha izao !\nAnefa tsaroako tsara ny teny\nMilaza fa misy fitsaharana \neny.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka aza mba ketraka,\nry mpivahiny,\nHevero fa Jeso no momba\nanao ;\nIlay nampangina ny loza \nfahiny\nDia mbola mahay\nmampandresy anao !\nAndrasonao kely, ho lany\nny fetra,\nHo ringana ny fahavalo\nrehetra","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izaho hiezaka mafy tokoa\nHahazo ny loka ao\nalohako ao ;\nNy tafio-divotra mba\nmahasoa,\nFa hahatongavako\nfaingana ao ;\nIndray mipi-maso ny eto\nan-tany\nNy any an-danitra tsy\nhita lany.","type":"verse"}],"id":"ffpm_516"},"ffpm_517":{"num":"517","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny alina ho lasa,\nNa ela aza re,\nHipoaka ny andro\nMahafinaritra ;\nNy zavona hisava\nAn-tendrombohitra ao,\nNy vavahady tsara \nHo tsinjoko izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba sarotra tokoa\nNy fiakarana e !\nMamely mafy koa\nNy rivo-doza be ;\nFa he ny mpivahiny\nIzay efa trotraka\nTantanan’ny Mpamonjy \nTsy ho solafaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny famonjen’i Kristy,\nNy fanavotany,\nNo loharano soa\nMangarangarana ;\nNandramako sahady\nNy rano velona,\nKa dia nahazo hery\nAm-pandehanana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny rano be hitànay,\nNy fefy tsilo koa,\nNy lalana mahàna\nHo afaka avokoa ;\nKa dera, Haleloia,\nNo mendrika hatao\nAmbara-pahatonga\nAm-pitsaharana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_517"},"ffpm_518":{"num":"518","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Rehefa vita ny asako etý\nKa ny fanahiko raisina erý,\nMiara-mitoetra Aminao,\nTomponay,\nNo hasambarako\nmandrakizay\nMandrakizay, sambatra re,\nAzoko ilay fahasambarana\nbe !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Rehefa ataoko veloma ny etý\nKa azoko ‘lay paradisa erý,\nSady mahita ny tavan’ny Ray\nNo fahasambarako \nmandrakizay ;\nMandrakizay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miombom-pahasambarana\narý\nAmin’ireo olon-tiako tatý\nKa tsy misaraka mandrakizay\nNo hasambarako\nmandrakizay ;\nMandrakizay, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_518"},"ffpm_519":{"num":"519","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba maniry hody aho,\nRy Jesosy Tompo ô !\n:,: Ka ny foko hatanjaho\nMba hankany aminao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy tamana eto aho\nMampahory ny atý,\n:,: Koa dia mitalaho,\nMba hafindranao arý :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hody aho, ry Mpiantra,\nAoka mba horaisinao.\n:,: Hianao dia feno antra,\nKa matoky aho izao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_519"},"ffpm_520":{"num":"520","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny masoandronay\nMirefarefa izao,\nMadiva hody izahay\nHiverina Aminao ;\nRy Jeso ô ! sasao,\nSasao madio izahay,\nHo mendrika ny lanitra\nIzay honenanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy ela intsony koa\nIty ady lava ity,\nHo afa-tsasatra tokoa\nRehefa tonga arý :\nRy Jeso ô ! sasao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Madiva ho hitanay\nIlay Tomponay arý,\nMadiva hihaona aminay\nNy namanay tatý :\nRy Jeso ô ! sasao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He ! kely sisa izao\nNo hisentoanay,\nDia ho fafan’ny tananao\nNy ranomasonay :\nRy Jeso ô ! sasao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ity hita maso ity,\nIzay tsy mahefa-po,\nHisolo paradisa arý,\nIzay hifalian’ny fo :\nRy Jeso ô ! sasao, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_520"},"ffpm_521":{"num":"521","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ravoravo re ny foko,\nFa Jesosy ao am-poko,\nIzy no tsaroako\nAmin’ny alehako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andro fohy, mora lany\nNo mba ahy atý an-tany,\nFa ny ao an-danitra\nDia tsara lavitra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy mba misy ota any,\nKa tsy hisy hitomany,\nTsy mba hisy ny manjo,\nNa ny alahelom-po.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Any aho no hahazo\nZava-tsoa tsy halazo,\nSatroboninahitra,\nHaingon’ny nanafika.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Dia ao no hahitako\nSady tena hiderako\nAn’i Jeso avotro.\nMifalia re, ry fo !","type":"verse"}],"id":"ffpm_521"},"ffpm_522":{"num":"522","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, tanim-pahazavana be,\nTsy misy maizina ao,\nKa any tsy mba hitete\nNy ranomasonao.\nIzay voavonjy hiangona ao,\nHiara-mihira ny hira vaovao,\nHo sambatra any an-danitra,\nAo amin’ny Mpanavotra.\nMoa ao an-danitra ?\nEny, ao an-danitra.\nKa tsy hisaraka ?\nEny, tsy hisaraka !\nHo sambatra any an-danitra\nAo amin’ny Mpanavotra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Rainay feno indrafo,\nBe fitiavana,\nOmàny ny fanahiko\nHandray fiainana.\nIzahay, ry Jesosy, maniry\nAnao.\nFa maty nisolo anay Hianao,\nNanavotra anay mba ho afaka.\nKa tsy ho voaheloka.\nMoa dia ho afaka ?\nEny, ho afaka.\nKa tsy ho helohina ?\nEny, tsy ho helohina.\nJesosy Mpamonjy nanafaka,\nKa tsy ho voaheloka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, ry Jesosy Tompo ô !\nTsarovy izahay,\nKa mba ambino hatrizao\nNy fandehananay.\nVonjeo ny ondry manaraka\nAnao\nFa otany no namonoana\nAnao,\nHo faly   izahay ao an-danitra\nAo amim-boninahitra.\nMoa ao an-danitra ?\nEny, ao an-danitra.\nKa tsy hisaraka ?\nEny, tsy hisaraka.\nHiara-mifaly  ao an-danitra,\nHo feno voninahitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_522"},"ffpm_523":{"num":"523","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":":,: Te-hifindra :,:\nAho, ry Jesosy ô !\nBe manjo atý an-tany,\nFifaliam-be no any\nAminao, ry Tompo ô.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":":,: Ny anjely :,:\nSy ny olo-masina\nTafahaona ka mihoby :\nSambatra ny tafatody,\nFaly fa  noraisina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":":,: Faly koa :,:\nAho, ry  Mpamonjiko.\nManantena fa hahita\nNy fonenana ao am-pita,\nKa handray ny lovako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":":,: Tsy tamana :,:\nAho, amin’ny manjo,\nFa vahiny atý an-taný\nKa maniry mba ho any\nAminao, ry Tompo ô.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":":,: Ao tsy misy :,:\nOta na aretina !\nTsara raha hodimandry,\nNefa aho te-hiandry\nNy fetr’andro marina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_523"},"ffpm_524":{"num":"524","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hitsahatra aina, ry foko,\nizao ?\nKa iza ataonao hiaro anao ?\nNy tany va misy hitsaharan’\nny fo,\nNa lova tsy simba, tsy mety\nho lo ?\nTsia, tsia, tsy mba atý izany,\nFa any an-danitra erý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Afoizo ny tany izay manindao\nKatsaho ny lanitra ho lovanao\nJerosalema any, tanàna \nvaovao\nSy tsara tokoa, miandry anao,\nEny, eny, ao dia ao \nNo misy tokoa\nfonenam-baovao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny mponina ao dia tretrika\nam-po.\nFa resy ny ota, mahery ny tò\nKa faly midera ny Tompo\nny ao ;\nNy mino hihira ny hira\nvaovao !\nIndro, indro, be dia be tokoa\nNy soa ao an-danitra ao re !","type":"verse"}],"id":"ffpm_524"},"ffpm_525":{"num":"525","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vahiny eto isika\nKa monina amin-day,\nMitady mba hahita\nNy any amin-dRay ;\nFa ao ny fanjakany\nSy fiadanana,\nKa ao tsy hita lany\nNy fitiavana,\nAo no fodiana,\nMihaona ao ny mino,\nKa tsy hisaraka.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izay atý an-tany\nDia mora tapitra,\nFa ny tsy mety lany\nDia ao an-danitra !\nFa ao ny Tompontsika\nIzay nohomboana\nMba hahazoantsika\nNy fifaliana,\nAo no fodiana, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Manafotra ny tava\nNy ranomaso be,\nKanefa dia hisava,\nFa hofafana e !\nIsika manantena\nFa ny Mpampakatra\nHo tonga mba hitsena\nNy ampakarina.\nAo no fodiana, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_525"},"ffpm_529":{"num":"529","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy no Mpiandry tsara maty tia,\nNy rany nampiray antsika olo‑\nFa Izy no mandidy hampifa­nkatia\nIzay te-ho olony.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka manahafa Azy Tomponaa, ry mino,\nTsarovinao ny didy izay nato­loriyy,\nFa tiany hifankatia isika mpino, Fa samy olony.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsarovy fa iray tam-po izao isika ;\nTsarovy re fa samy mpiantafika ; Miraisa hina mba hiaraka tafita Ho ao an-danitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ka aza mba mijery aaina an‑\ntava ;\nMifanaralra tsara sy mifamelà,\nFa aza tia fotsiny amin' ny\nvava ;\nDia aza mifandà.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mifankatiava ary mifanaova soa ; Mifandefera tsy hiavona am-po ;\nVonoy re ny lolompo sy t'osa koa, Ka aoka ho tao-po.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Mora. fo, mihavàna, maleme fa­nahy,\nKa aza mety hanaratsy narnana ; Mifankatiava ré, toy ny mpira­halahy\nMiara-dàlana.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ka mivavaha re ho an' ny raha­lahy,\nHiraisantsika tsara, fa iray manjo ;\nNy fo izay tia tsy mba mampia­hiahy,\nHoraisin' i Jeso.","type":"verse"}],"id":"ffpm_529"},"ffpm_530":{"num":"530","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","type":"verse", "lyrics":"Fitiavana rano velona,\nLoha rano lalina ;\nKa miafina ao anatiny\nNy fiainan-danitra."}, {"num":"2", "lyrics":"Fitiavana no nirahina\nAvy tamin-Jehovah ;\nO, mba raisonao, dia ho fanta­trao\nNy fahasambarana.","type":"verse"}, {"num":"3","lyrics":"Fitiavana didy tokana\nAry didy lehibe ;\nMitoera ao, hitoeranao\nAmim-piadanam-be.","type":"verse"}],"id":"ffpm_530"},"ffpm_531":{"num":"531","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso loharanon’aina,\nIzay foto-pitiavana !\nNy fonay toy ny tany maina\nFenoy fitiavana !\nAidino ao ny tena aina\nMba hampifankatia  anay,\nFandrao ho tonga very maina\nNy fitiavanao anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny hasomparana levony,\nSoloy fitiavana ;\nNy lolompo ampijanony\nOvay ho fihavanana ;\nNy fo malaky mankahala\nAtaovy tia namana ;\nAmpianaro hahalala\nNy didim-pitiavana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Toroy sy ampahafantaro\nNy fitiavanao izahay ;\nMpiandry tsara ô, velaro\nNy fonao mba ho hitanay ;\nMba ho tarafiny tokoa\nNy fonay mbola maizina,\nKa samy hifanisy soa\nSy hifamela heloka.","type":"verse"}],"id":"ffpm_531"},"ffpm_532":{"num":"532","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso lohan’ny mpandefitra,\nNilaozanao ny voninahitrao,\nMba hahatonga anay \nmpiavona\nHanetry tena eo imasonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry tsy miavonavona am-po !\nIzaho te-hianatra aminao,\nMba hitsaharan’ny fanahiko\nFa mampiandam-po ny\nentanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fietrenao, ry Voahombo\nô !\nNo iakaram-boninahitra ;\nNy tany sy ny lanitra vaovao,\nHtaonao lovan’ny \nmpandefitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mifandefera sy mifanajà,\nRy samy voavela heloka !\nMiraisa hazo fijaliana\nHiraisantsika voninahitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_532"},"ffpm_533":{"num":"533","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iray ny Ray Tsitoha,\nMpitia olombelona ;\nIray ny Tompo soa,\nIray ny rano velona,\nIray ny vavahady\nIzay idirana ;\nNy rafy sy ny ady\nDia  iombonana,\nIray ny fahantrana\nIlaozantsika atý,\nIray ny fanjakana\nAlehantsika arý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry zana-Janahary,\nRy voavela heloka,\nMiraisa hina ary,\nKa mifandraisa tanana ;\nMifamelà isika,\nFa samy meloka ;\nMifanajà isika,\nFa samy zanaka.\nRy Jeso be fitia,\nAmpio ny olonao\nMba ho mpifankatia\nManahaka Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_533"},"ffpm_534":{"num":"534","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misy didy tena tsara\nIzay nomen’ny Tompo hoe :\nMba mifankatiava tsara,\nHianareo izay mino e !\n:,: Ka miraisa :,:\nIzao no didy lehibe. (in-2)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tonga Jeso mba hanompo\nSy mba hampihavana ;\nTsy mpanaraka ny Tompo\nIzay tsy tia namana.\n:,: Ka tadiavo :,:\nIzay ho fampiraisana.(in-2)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa iray tokoa ny Loha,\nDia Jesosy Zanaka,\nEndriky ny Ray Tsitoha,\nIzay halaina tahaka.\n:,: Tsy ho resy :,:\nRaha miray ny tafika. (in-2)","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso no Ilay foto-kazo,\nTena voaloboka ;\nKa ny sampana halazo,\nRaha tafasaraka.\n:,: Ikambano :,:\nKa  aza mba mihataka. (in-2)","type":"verse"}],"id":"ffpm_534"},"ffpm_535":{"num":"535","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Finaritra ny manome\nIreo mahantra maro be,\nKa mahafoy fananana\nHiantra ny tsy manana.\nIzao no asa mahasoa\nIzay manendrika tokoa ;\nNy manome an-tsitrapo\nHitsinjo olona ory fo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry olon’Andriamanitra !\nMba mihetseha fatratra\nHamonjy sy hanafaka,\nHanampy ireo madinika.\nIzay mamonkin-tanana\nMalain-kiantra namana,\nIzay mihirim-belona\nTsy hanam-piadanana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny vola izay nafoinao\nDia tsy mba very foana izao,\nFa ny mahantra no mandray,\nKa lasan’i Jehovah Ray,\nIreo kamboty mba vangio,\nMpitondratena mba jereo ;\nIzao no fivavahana\nIzay madio sy masina.","type":"verse"}],"id":"ffpm_535"},"ffpm_536":{"num":"536","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Mifankatiava tsara,\nJeso no mampihavana,\nFa  Izy no alalantsika\nAmin’Andriamanitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mifankatiava tsara,\nMba hahatsara antsika,\nFa  fototry ny didiny\nSady anton’ny lalàny.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hitsahatra finoana\nMbamin’ny fanantenana,\nNefa ny fitiavana\nHaharitra mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mifankatiava tsara,\nTsy maharatsy namana,\nAry tsy mahatezitra\nAn’Andriamanitra koa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_536"},"ffpm_537":{"num":"537","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Endrey, ny hamaroan’ny soa\nNomenao Ray ho ahy koa !\nNy aiko, he, navotanao,\nNy heloko vonoinao.\nEny, Raiko,\nEny fa ravo tokoa\nIty zanakao voavonjy re\nKa velombelo erý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, azoko tokoa Jeso,\nIlay perla sao, madio sy vao ;\nNy zava-tsoan’ny tany re\nDia tsy ahoako tokoa.\nEny, Raiko, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy haiko ny hilaza izao,\nHamisavisa re, ry Ray ;\nNy fanomezan-dehibe\nDia tsy voatonoko tokoa\nEny, Raiko, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny foko no hidera izao,\nHisaotra sy hanaja Anao\nHanoa, ho vonona hanao\nNy sitrakao rehetra.\nEny, Raiko, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_537"},"ffpm_538":{"num":"538","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Finaritra ny masoko\nMijery ny Mpanjakako ;\nNy vavako hisokatra\nHidera ny Mpanavotro ;\nAndro soa, andro soa,\nFa Jeso no Mpanavotra ;\nHe ! ravo ny fanahiko\nMihira ao anatiko,\nAndro soa, andro soa,\nFa Jeso no Mpanavotra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ho tiako ny Tompoko\nAmbara-pahafatiko,\nFa Izy no Mpanafaka\nManaisotra ny heloko ;\nAndro soa, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Faingàna re, ry havako !\nHatòny e ! ny Tomponao ;\nAndeha mba hiaraka\nHihira sy hivavaka ;\nAndro soa, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_538"},"ffpm_539":{"num":"539","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Faly dia faly izahay \nmpanomponao\nIzay mihira eto anatrehanao ;\nFa be fiantra Hianao, ry Jeso\nTompo tianay !\nKa feno haravoana tokoa\nizahay :\nFaly dia faly izahay \nmpanomponao\nIzay mihira eto anatrehanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ela dia ela no nandavanay\nAnao,\nBe ny zava-dratsy efa vitanay,\nNa diso aza izahay, anefa faly\naminao,\nFa afakao ny helokay, ry\nTompo tianay !\nFaly dia faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Sarotra tokoa ny alehanay\nizao ;\nBe ny alahelo iaretanay ;\nNa ory aza izahay, dia mbola\nfaly aminao,\nFa levonao ny tahotray, ry\nTompo tianay !\nFaly dia faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Manantena tsara izahay\nmpanomponao\nMba handray ny zaza\ntehirizinao ;\nRehefa maty izahay ka entinao\nan-danitra,\nHo azonay ny lova soa\nhatolotrao anay ;\nFaly dia faly ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_539"},"ffpm_540":{"num":"540","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Hitako ny lalan-tsara,\nKa hizorako izao,\nAzoko ny famonjena,\nKa hotanako tokoa\n:,: Manampia :,:\nRy Fanahy Masina ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ravoravo aho, Jeso !\nHianao no Tompoko ;\nFaly aho, ry Mpamonjy !\nAfakao ny heloko ;\n:,: Gaga aho :,:\nNoho ny fanavotanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fitiavana ihany\nNo natolotrao anay :\nNefa kosa fahotana\nNo navalinay Anao :\n:,: Aza isaina :,:\nRe ny hadisoanay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny mpanota hilazako,\nNy Mpamonjy tànako ;\nHilazako fa ny rany\nNo nataony avotra :\n:,: Matokia :,:\nHe, ny fitiavany !","type":"verse"}],"id":"ffpm_540"},"ffpm_541":{"num":"541","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, izany hira manako re !\nIlay zaza very tonga\namin-dRay\nHe ! faly faly izay mandre :\nIlay efa maty  velona indray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro ny Rainy lasa nankao,\nHe ! fa miteny : « Peratra soa,\nSoloy ny lamba, kapa alao »\nIlay efa maty  velona indray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He, izany hoby an-tranon-\ndRay !\nFa voavonjy ilay nania ;\nHobio ry tany sy lanitra !\nIlay efa maty  velona indray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O, ry anjely an-dapa soa !\nMiraisa hina hanandra-peo ;\nAza mangina, fa mba lazao,\nIlay efa maty  velona indray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_541"},"ffpm_542":{"num":"542","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"},{"num":0,"lyrics":"","type":"other"}],"id":"ffpm_542"},"ffpm_543":{"num":"543","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mihoby ny fanahiko,\nFa voavonjy izao ;\nNy ratran’ny Mpamonjiko\nNo misy aim-baovao.\nNy ran’i Jesosy\nNo tena avotro ;\nKa sambatra aho\nSy tretrika am-po.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny ratran’ny Mpamonjinao,\nRy foko, mba jereo,\nFa hanasitrana anao,\nKa ho fiainanao,\nNy ran’i Jesosy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba mibitaha re, ry fo,\nNy gadra tapaka :\nNy hajambana izay nanjo,\nIzao dia  afaka,\nNy ran’i Jesosy, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_543"},"ffpm_544":{"num":"544","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Misaora an’i Jehovah,\nMiantsoa ny Anarany ;\nMitoria ny asany,\nAmin’ny ny olombelona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ambarao ny fiantrany,\nLazao ny famindrampony,\nFa mahagaga antsika\nNy fitiavany antsika.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpanota tsy naringana,\nVery mana-Mpanavotra,\nMaty ka nomeny aina,\nHo velona mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Andriamanitray ô !\nRy Jesosy Mpamonjy ô !\nRy Fanahy Masina ô !\nVonjeo ny olona ory.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Fa zohy no itoerana,\nLava-bato no ierena\nFa indrafo no ifalian’\nNy mpivahiny mandala.","type":"verse"}],"id":"ffpm_544"},"ffpm_545":{"num":"545","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Endrey, izany hafaliana\nFa velona  aina izahay\nTanteraka ny faniriana\nKa dera ho Anao, ry Ray !\nAtolotray tokoa ny tena\nMba ho fanati-tsitrakao,\nSatria manaiky sy ekena\nHo tonga olom-baovao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny Tanindrazanay malala,\nRy Jeso Tompo, anjakao\nHiorina eto, tsy hiala,\nNy fiadanana entinao !\nNy aizin’ota  anie hisava,\nNy fahantrana koa handao\nFa ho tarafin’ny Mazava\nHanjary tany vaovao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Fiangonanao angony,\nFanahy ô, ho tena iray,\nKa tsy hizarazara intsony\nFa Hianao no mampiray,\nDia ho fanasina, fanilo,\nHo an’izao tontolo izao ;\nHijoro, tsy handraraka ilo,\nHitafy toetra vaovao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_545"},"ffpm_546":{"num":"546","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Haleloia, haleloia !\nJeso no Mpamonjiko, \nHaleloia, haleloia !\nAfaka ny heloko.\nSambatra  aho, tretrika aho,\nAhy re ny lanitra,\nHaleloia, haleloia ! \nJeso no Mpanavotra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Haleloia, haleloia !\nRavoravo re ny fo,\nHaleloia, haleloia !\nJeso re no soloko.\nAfaka aho, afaka aho,\nLevona ny otako ;\nHaleloia, haleloia ! \nLanitra no lovako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Haleloia, haleloia !\nMatokia hianao.\nHaleloia, haleloia !\nMaty mba ho solonao.\nJeso Tompo mahatoky,\nRy mpanota very ô !\nHaleloia, haleloia !\nRaiso ny famindrampo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_546"},"ffpm_547":{"num":"547","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Masoandronay ô !\nNy aizin’ny fo lasa tokoa,\nFa tonga aty anatinay izao\nMazava lehibe.\nEny, Jeso ô, Zoky be fitia,\nSoa lehibe (no) nentinao tatý\nAvy izahay mba hisaotra\nAnao\nNoho  ny fitiavanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Vangianao ny tokantrano\nKa menatr’erý, kaody sy lao\nNy fomba ahitana angano\nIzay tsy mba sitrakao.\nEny, Jeso ô, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpanjaka Fiadananay ô !\nEkena tokoa ny herinao :\nNy sabatry ny firenena\nHatao fangady izao.\nEny, Jeso ô, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso Tompo tia anay ô !\nMisaotra Anao izahay izao\nFa henika ny hasoavanao\nIzao tontolo izao.\nEny, Jeso ô, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_547"},"ffpm_548":{"num":"548","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, Jehovah no Mpiandry ahy,\nTsy mba misy atahorako ;\nRaha Izy no mitondra ahy,\nAhi-maitso no handriako.\nEny, fa ny tany karankaina,\nDia hody saha lonaka,\n:,: Ary ao amoron-dranon’aina\nHialan’ny foko sasatra :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, Jehovah no Mpitarika ahy,\nAo an-dàlam-pahamarinana,\nKoa tsy ho kivy ny fanahy\nAmin’ny alo-pahafatesana ;\nHianao ry Tokiko irery,\nNo hiara-dia amiko,\n:,: Ka ny tsoran-kazonao\nmahery\nNo hanafaka ny tahotro :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Amelaranao latabatra aho\nEo imasom-pahavaloko ;\nNotoloranao kapoaka aho,\nKa mahery sady afa-po ;\nEny, indrafo tsy hita lany\nNo hiaraka  amiko izao\n:,: Mandra-pahatongako ho\nany\nHanatrehako ny tavanao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_548"},"ffpm_549":{"num":"549","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy no asandratro,\nFa Izy no Mpanavotro,\nNy tanany nanafaka\nNy aiko tao an-davaka ;\nNy rafiko ho ketraka,\nIzaho afa-kenatra,\nFa manana ny Tompoko, \nIzay mandako sy aroko :\nRy foko ô ! ankalazao\nJesosy, Izay Mpamonjinao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny tsiron’ny fiainana\nAndramako sahady re,\nFa efa mby an-tanana\nNy famonjena lehibe ;\nNy ranon’aina azoko,\nNy mofon’aina haniko,\nSakafo mahatanjaka,\nMamelona ny reraka ; :\nRy foko ô ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny rany no anjarako,\nNy ainy no fananako ;\nNy lanitra ho lovako,\nNy tany dia hilaozako\nNy ota tsy hanaraka\nNy ady dia hitsahatra\nNy aloka ho tapitra,\nFa ao no tena zavatra ;\nRy foko ô ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny hanitry ny lanitra\nMamerovero fatratra ;\nNy hiran’ny voavotra\nManatsika ahy hiakatra\nNy tavan’ny Mpamonjiko\nNo tsijon’ny fanahiko,\nNy tavany manafaka\nNy aizina ao anatiko ;\nRy foko ô ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny masoko mibanjina\nTahaka ny mpiambina,\nManiry ny Mpamonjiko\nHo tafahaona amiko,\nIzaho hovimbininy\nHipetraka  ao anilany,\nHanao ny hiran-danitra\nSy honina finaritra :\nRy foko ô ! ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_549"},"ffpm_550":{"num":"550","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo ô, ny tany maina\nNo itoerako ;\nMidina re, ry Andon’aina\nHo ao anatiko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy aloka malaky lasa\nNo angatahiko,\nFa hery monina hiasa\nSy hanavao ny fo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny afonao ampandreseo\nNy afo’nofoko ;\nNy sitrakao anie hekeko\nHo tena sitrako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He, tena zavatra ilaiko\nNy hohavaozinao ;\nNy ainao asoloy ny aiko\nHo velon-ko Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_550"},"ffpm_551":{"num":"551","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy lany fahoriana\nIty tanintsika ity,\nFa be ny fihafiana\nIzay hitako atý,\nNy Tompo no jereko,\nRaha reraka ny fo,\nKa eo no fiereko,\nRaha  azon’ny  manjo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Etý alaim-panahy,\nJeso, ny olonao,\nKanefa tsy manahy\nIzay nahita Anao,\nHianao no hojereny\nKa moa ho resy ve ?\nHianao no handreseny\nNy fahavalo be.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy azo ialana\nNy eo anilanao,\nMahita fanimbana\nIzay mahafoy Anao.\nAsain’ny fahoriana\nJerena Hianao,\nMahazo fifaliana\nNy maso aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Rehefa hialana\nIzao tontolo izao,\nNy tany tsy hitana\nIzay mahita Anao.\nKa dia hojereko,\nRy Tompo, Hianao,\nFa Hianao homeko\nIzao aiko kely izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_551"},"ffpm_552":{"num":"552","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry foko ô, mba atolory\nNy Rainao ny manjo anao ;\nNa mafy aza ny mahory,\nDia hovonjeny hianao ;\nNy lanitra no andrandrao\nHahafaka ny sentonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andriamanitra mahita\nIzay hahasambatra anao,\nKa Izy no mahay mamita\nIzay zava-tsarotra aminao ;\nTsy hotsitsiny aminao\nIzay mety hahasoa  anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka aza kivy, ry mahantra,\nNa ory aza hianao,\nFa matokia ny Mpiantra,\nIzay tsy mahafoy anao ;\nNy amboariny izao\nDia  famonjena ho anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia  aoka hianao hatoky,\nRaha  mafy ny manjo anao,\nNy Rainao dia mahatoky,\nKa ampy hiankinanao ;\nTsy misy tsy ho afany\nRaha  avy ny fotoany.","type":"verse"}],"id":"ffpm_552"},"ffpm_553":{"num":"553","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Any an-danitra ambony\nMisy mijery anao ;\n:,: He, feno antra ny fony,\nKoa mangina izao ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry rera-po mitomany,\nJeso onena anao ;\n:,: Ampy ho toky izany,\nKoa mangina izao ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na dia be ny mahory,\nIzy hiaro anao ;\n:,: Tsy ho tra-doza akory,\nKoa mangina izao ! :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba mahareta miandry,\nIzy hanafaka anao ;\n:,: Haka anao hodimandry,\nKoa mangina izao ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_553"},"ffpm_554":{"num":"554","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompo mahavonjy ô !\nHenoy ny vavakay,\nKa mamelà ny helokay ;\nFa tena tsy mba fantatray\nIzay tokony hatao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Tompo be fiantra ô !\nMalemy izahay,\nKanefa raha ampianao\nDia hanan-kery toa Anao\nIzahay mpanomponao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Tompo izay Mpandresy ô !\nOmeo ny herinao,\nFa tianay handresena koa\nNy ota mety hahavoa\nNy olon-tianao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompo Ilay Mahery ô !\nAmpionao izahay,\nHijoro, hampiseho izao\nFa aminay tokoa Hianao\nRy Tompo tia ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_554"},"ffpm_555":{"num":"555","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Rahoviana no ho lany\nNy manjo atý an-tany ?\nJeso Vatolampiko\nAmpy hiankinako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mahereza, ry fanahy\nAza manana ahiahy,\nJeso itokiako,\nHampionona ny fo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny mahory dia mandala,\nRingana ny fahavalo,\nNy atý hilaozako,\nMba handray ny lovako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mino aho, ry Mpamonjy,\nFa ho tena voavonjy :\nAfakao ny heloko,\nHianao isaorako.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Dia ho lany ny mahory,\nKa ho samy tafavory\nEo anatrehanao,\nIzahay mpanomponao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_555"},"ffpm_556":{"num":"556","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny Paradisa  an-tany\nTsy misy re izany !\nNy hazon’aina very,\nFa tsilo be no ao !\nRy foko, aza kivy,\nFa ao ny tany soa,\nNy Paradisa hisy,\nRy foko, andrandrao !\nTsy misy ory any,\nFa tretrika  avokoa,\nAfaka ady ka mihoby,\nMisy hazon’aina ao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mandrahona ny ady,\nMirehitra sahady,\nFa be ny fahavalo\nMamely ahy izao,\nRy foko, aza kivy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny eso, latsa, ratra,\nMatetika mihatra\nTsaroako avaly\nNy asa vitako.\nRy foko, aza kivy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Miferinaina eto,\nTomany sy misento ;\nIndrisy ! ory aho,\nVonjeo, Tompo ô !\nRy foko, aza kivy, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_556"},"ffpm_557":{"num":"557","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha  manahy ny fanahy\nAzom-pahoriam-be,\nKa ny aina mitaraina,\nRanomaso mitete,\nAza ketraka etý.\nFa tazony ny arý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ao miharo feo maro,\nFatratra ny hira ao ;\nAo mifaly ny nijaly,\nOry teo, ravo izao ;\nAo Jesosy Zokinao\nFaly hovantaninao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hazon’aina tsy mba maina\nNo maniry tsara ao,\nVoninkazo tsy halazo\nNo ho fifalianao ;\nFaly ny nandre izao,\nMainka fa ny tonga ao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Mpamonjy, ho tra-bonjy\nAnie ny olonao !\nFa maniry ny tahiry\nAo an-danitra  aminao ;\nMba faingàna Hianao\nHaka ny malalanao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_557"},"ffpm_558":{"num":"558","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ity fonenana ity\nTsy manam-pitsaharana ;\nManiry aho ho arý\nAn-koatry ny fasana ;\nNy lanitra no hitodiako,\nFa tena tanindrazako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Kanefa mahatahotra\nNy ranobe alehako,\nFa ny tafio-drivotra\nManohitra ny samboko ;\nNy tselatra, ny kotrokorana,\nMamely sy mandrahona.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny sambon’ny fiainako\nMamaky onja sarotra,\nKa amin’ny alehako\nMitopatopa fatratra\nNy alondranom-pahoriana,\nKanefa tsy maninona.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa ny Mpamonjy tokana\nMitarika ny samboko ;\nNy Tompon’ny fiainana\nMiara-mita amiko,\nMba ho tafita aho olony,\nKa honina  any aminy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_558"},"ffpm_559":{"num":"559","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, vetivety ny atý an-tany,\nFa trano lay no itoeranao ;\nKa aza ketraka na mitomany,\nFa andrandrao ny\ntanindrazanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, vetivety ao an-dalan-tery\nNo mahasarotra ny dianao,\nKa aza kivy, fa Ilay Mahery\nMamboa-trano hitsaharanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He, vetivety ao an-tany maina\nNo mahabe ny fijalianao,\nKa dia ho hitanao ny\nranon’aina\nHahafaka ny hetahetanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Arahonao ny lalan-toratady,\nMba hahafaingana ny dianao ;\nJesosy Tomponao no\nvavahady,\nNy lanitra no hovantaninao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"He, vetivety ary dia ho hita\nNy tany soa mandry fahizay ;\nJesosy ô, faingàna hahavita\nNy fikasanao tsara aminay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_559"},"ffpm_560":{"num":"560","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mpivahiny aho eto\nTahaka ny razako,\nKa ny foko feno sento\nAmin’ny alehako.\nEny, tsy etý tokoa\nNo ho fitsaharako,\nFa mandalo avokoa\nIzay rehetra hitako,\nKa izaho tsy miato\nAndro aman-alina,\nNefa aho izay misento\nDia hasoavina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Be ny mampahory ahy\nMila tsy ho zakako,\nToa velona  hiahy\nAo am-pandehanako ;\nNefa kosa tsy mba tery\nSady tsy mamoy fo,\nFa izaho tsy irery\nEto amin’ny manjo,\nFa Jesosy momba ahy\nKa manafa-tahotra ;\nRaha ory ny fanahy,\nIzy no mahavotra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_560"},"ffpm_561":{"num":"561","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha maizina ny lalana\nJehovah Tompo ô !\nHianao no iankinana,\nHianao no jiroko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy hitako izay hanjo,\nFa takona amiko\nNy andro sisa iainako,\nIzay nalahatrao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na mbola ela velona,\nNa maty haingana,\nNy zarako voatendrinao,\nTsy te-hifidy aho.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa Kristy ivelomako\nRaha mitoetra ;\nNy faty tombondahiko\nFodiana aminao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fanompoako atý,\nTsy mahavesatra ahy ;\nTsy maika te-hiala etý\nRaha tsy antsoinao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha tapitra ny androko,\nDia tsara lavitra\nNy mody any aminao\nHiala sasatra.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ny sitrakao no sitrako,\nJehovah Tompo ô !\nNy teninao andrasako,\nHianao no tokiko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_561"},"ffpm_562":{"num":"562","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miandry ao ambony\nNy fifaliana ;\nAtý tsy mety tony\nNy fahoriana,\nKa tonga sesilany\nNy fitarainana ;\nArý tsy hita lany\nNy hasambarana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Variana mikoràna\nNy tsy misaina be,\nNy hendry dia mitana\nNy hevitra hoe :\nAleoko mitomany\nNoho ny otako ;\nNy lanitra ihany\nNo fianinako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny lalan’ny adala\nTsy mba harahiko,\nTsy mampisalasala\nIzay anjarako ;\nNy sasany mikendry\nHo afa-po atý,\nIzaho dia miandry\nNy lovako arý.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izaho manantena\nAnao, ry Tompo ô !\nKa hobim-pamonjena\nNo hoventesiko ;\nHe, vetivety ihany\nNo hiaretako,\nTsy ela dia hankany\nAn-tanindrazako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_562"},"ffpm_563":{"num":"563","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry mana-manjo !\nAkaiky anao\nNy Tompo, Ilay be fiantra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka Izy anie\nHitahy anao,\nHanafaka ny mampahory.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny ory atý\nHo faly arý,\nKa aza mba be alahelo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Tomponao re\nHanefa tokoa\nIzay hataky ny malahelo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny lapany ao\nVoavoatra ho anao\nHonenanao mandrakizay re.","type":"verse"}],"id":"ffpm_563"},"ffpm_564":{"num":"564","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy hita  izay androko sisa\natý,\nAhiko fandrao tsy ho tonga\narý ;\nRy fanahiko ! ao ny\nMpamonjy anao,\nHe ! Jeso Mpamonjy anao\n(in-3) \nRy fanahiko ! ao ny\nMpamonjy anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izaho anefa tamàna atý ;\nTsy hiomana ve, fa hifindra\narý ?\nFa  efa fantatrao izao fa\nhavela ity\nHe ! lanitra soa arý (in-3)\nFa  efa fantatrao izao fa\nhavela ity\nHe ! lanitra soa arý.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ilaozy ity, hadinoy, ry fo !\nAfoizo izao, ry fanahiko ô !\nFa  efa reko ny Tompo\nmiantso anao,\nHe ! feo mahafaly izao (in-3)\nFa  efa reko ny Tompo\nmiantso anao,\nHe ! feo mahafaly izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_564"},"ffpm_565":{"num":"565","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mandrahona ny andronay,\nKa raiki-tahotra izahay ;\nAvia, manampia anay:\nRy Tompo ô ! vonjeo !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny teninao no tokinay,\nNy herinao no tanjakay ;\nAfaho loza izahay :\nRy Tompo ô ! vonjeo !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa misy ifaharanay,\nKa toky be no azonay ;\nHianao no iankinanay :\nRy Tompo ô ! vonjeo !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Noho ny nahaterahanao,\nNoho ny nahafatesanao,\nSy noho ny fifonanao :\nRy Tompo ô ! vonjeo !","type":"verse"}],"id":"ffpm_565"},"ffpm_566":{"num":"566","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha mafy ny manjo,\nRaha be ny hovitray,\nRaha malahelo fo,\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Endrikay notafinao,\nNentinao ny entanay,\nNitomany Hianao,\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mafy ny nanjo Anao\nNefa tsy mba meloka ;\nHelokay ny nentinao,\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Voahombo Hianao,\nVoatsindron-defona,\nNandry tao am-pasana,\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raha ory izahay,\nKa ny fitarainanay\nTonga eo an-tsofinao,\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha tapitra aminay\nNy fe-taom-boatendrinao,\nAza mba mandao anay,\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_566"},"ffpm_567":{"num":"567","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aza malahelo,\nAza kivy fo ;\nIzay tia an’i Kristy,\nLoza tsy hanjo.\nJeso, be fiantra !\nMba avia izao,\nAry ny mahantra\nMba tantanonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza be ahina,\nMpino hianao,\nFa mba miankina\nAmin’ny Rainao.\nJeso, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza mba misento ;\nKristiana anie !\nFa homen’ny Tompo\nFifaliam-be.\nJeso, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tomponay mahery !\nMba tsinjovinao,\nTano sao ho very\nNy mpanomponao.\nJeso, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_567"},"ffpm_568":{"num":"568","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry fanahy ory,\nAzon’ny manjo !\nBe ny mampahory,\nAza rera-po ;\nFeo mamelovelo\nMba henoy izao,\nAza malahelo,\nJeso havanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza mba misento\nNa mamoy fo,\nRaha mbola eto,\nMisy ny manjo ;\nNefa Jeso tia\nTsy mandao anao,\nKa mba matokia,\nJeso havanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Namanao mahantra\n‘Ndeha, ilazao,\nJeso be fiantra\nNo Mpamonjy izao ;\nIzy Tompo tia\nKa mandray anao,\nDia mifalia,\nJeso havanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_568"},"ffpm_569":{"num":"569","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indrisy ! ry sakaiza ory fo !\nHolazainao aiza ny manjo ?\nJeso no Mpamonjy ho anao ;\nIzy mahavonjy, ambarao\n:,: Azy, ry tra-bonjy !\nny manjo ao am-po :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indrisy ! ry mahantra !\nlozanao ;\nAiza ny Mpiantra ? Indro ao ;\nJeso hanazava aizim-po,\nIzy hampisava ny manjo ;\n:,: Soa lalandava\nNo hatao aminao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Harena be an-tany tsy anao ;\nZava-mora lany ka mandao,\nNefa indro Jeso Zaranao ;\nHira no venteso, ka derao\n:,: Izay nataon’i Jeso\nHo anao hatrizao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny lanitra mivoha rahateo ;\nAndrandrao ny loha ka jereo !\nJeso Tompo soa no arý,\nHavanao tokoa hatretý ;\n:,: Dia mazotoa\nHiditra ao Hianao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_569"},"ffpm_570":{"num":"570","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"« Mafy ny alon-drano izao,\nSady maria no manindao,\nNefa ny Tompo momba anao ;\nMoa ho kivy va ? »\n« Tsia, Jeso ato aminay,\nIzy hampifaly ny fonay ;\nTsy mba ho kivy re izahay ;\nIzy no tokinay. »","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"« Maro no efa tola sy lao\nNoho ny alahelo izao ;\nIsan’ireny va hianao ?\nMoa ho kivy va ? »\n« Tsia, ..sns. »","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"« Amin’izao fiainana izao\nTsy mba ilaozan-java-manjo,\nNefa  ao Jesosy, tokin’ny fo ;\nMoa ho kivy va ? »\n« Tsia, ..sns. »","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"« Raha ny Tompo aza tetý\nNety ho faty tao Kalvary,\nIza no tsy handefitra atý ?\nMoa ho kivy va ? »\n« Tsia, ..sns. »","type":"verse"}],"id":"ffpm_570"},"ffpm_571":{"num":"571","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha misy mampahory,\nIndro, Jeso Tomponao ;\nTsy afoiny tsy akory,\nAza kivy hianao.\nRaha rava ny harena,\nKa ho mafy ny manjo,\nMbola misy famonjena,\nAza mety kivy fo.\nRaha misy mampahory,\nIndro, Jeso Tomponao,\nTsy afoiny tsy akory,\nAza kivy hianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha misy ady mafy,\nIndro, Kristy herinao ;\nRaha avy ny mpandrafy,\nRaiso koa ny sabatrao.\nRaha tamy hanangoly,\nIlay fahavalonao,\nKa mandrobo ny devoly,\nMba aingao ny vavakao.\nRaha misy ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na marary mafy aza\nKa mangirifiry ao,\nAry na ho faty aza\nKa handao ny havanao,\nMbola misy antenaina,\nIndro, Jeso avotrao ;\nFamonjena avotr’aina,\nIndro, raiso ho anao.\nRaha misy ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_571"},"ffpm_572":{"num":"572","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jereo ny fahorianay\nAndriamanitra ô !\nMarary izao ny namanay,\nKa dia mba iantrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha sitrakao ry Tomponay !\nValio ny vavakay,\nFa mora reraka  izahay,\nTohano sy ampio.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fitondrana tianao\nNo iankinanay ;\nNy didy avy aminao,\nIzay no sitrakay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Sitrano ny fanahinay\nHo tonga zanakao,\nTariho lalana  izahay\nHankany aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_572"},"ffpm_573":{"num":"573","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mahereza, ry sakaiza\nVotom-pahoriana !\nMatokia, aza kivy,\nKristy mialoha anao ;\n:,: Matokia :,:\nMahereza hianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza mba matoky tena,\nFoana ny herinao ;\nTano mafy ny ampinga\n‘Zay atolony anao ;\n:,: Raiso koa :,:\nNy Fanahy ho sabatrao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maizina izao ny andro,\nSarotra ny lalanao ;\nAo ambony ny mazava\nAmpy hanazava  anao ;\n:,: Mba jereo :,:\nIlay mazava amboninao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Vetivety, afa-doza,\nVita ny alehanao ;\nAo an-danitra ambony\nMisy hifalianao ;\n:,: Miravoa :,:\nTapitra ny adinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_573"},"ffpm_574":{"num":"574","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aza kivy hianao\nAzom-pahoriana,\nTany no fonenanao,\nMisy fihafiana.\nMatokia hianao\nRaha tratrin’ny manjo,\nJeso Tompo herinao,\nAza mety rera-po.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza kivy hianao\nNoho ny manjo izao,\nRaha Jeso aminao,\nAfa-tahotra hianao ;\nMatokia hianao\nFa ny Tompo tia tokoa,\nKa izao rehetra izao\nDia mety mahasoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza kivy hianao\nNa dia  ory aza  etý,\nNy Mpanjaka Tomponao\nMba nihafy koa tetý ;\nMatokia hianao\nNa inona mihatra izao,\nJeso Ilay Sakaizanao\nTsy mba mahafoy anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_574"},"ffpm_575":{"num":"575","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ô ! Sakaiza\nMpamonjy tia anay !\nRaha mbola mianjera\nNy rian-drano be ;\nMifofofofo mafy\nNy rivo-doza be,\nVimbino izahay re,\nMba tsy ho faty ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Arovy izahay re,\nRy Jeso Tomponay !\nAmbara-pahalasan’\nNy loza izay manjo ;\nDia ento izahay re\nHo any aminao,\nKa raiso ny fanahy\nHo faly aminao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Kanefa raha mbola\nHijanona izahay\nAtý ambony tany\nKa malahelo fo,\nNa misy fahavalo\nMiady aminay,\nAvia Jeso Tompo,\nAmpio ny olonao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy tambonay isaina\nNy olona aminao ;\nHiadana tokoa\nIzay horaisinao ;\nFa Jeso no Sakaiza\nAnjely maro be\nNo hiaraka  aminay ao\nAn-dapa rahatrizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_575"},"ffpm_576":{"num":"576","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Sakaizan’ny mpanota !\nFantatrao ny zanakao,\nFa malemy, mora lavo,\nKa mangataka aminao ;\n:,: Mba todiho, mba todiho,\nKa henoy ny vavakay :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha mitombo ny harena,\nNoho ny fanambinanao,\nNa matanjaka ny tena\nNoho ny fitahianao ;\n:,: Mba tantano, mba tantano,\nSao tsy mahalala Anao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha mamely ny devoly,\nFahavalon-janakao,\nKa mandroso manangoly\nHampisaraka aminao ;\n:,: Mba tazòny, mba tazòny,\nFa tsy mahatana Anao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha mangirifiry mafy,\nNoho ny tsorakazonao,\nKa ny havana rehetra\nTsy mahita izay hatao :\n:,: Mba tsidiho, mba tsidiho,\nFa maniry indrindra Anao :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raha tonga ilay fotoana\nHiverenana aminao,\nKa manahinahy foana\nNoho ny ratsy izay natao :\n:,: Mba tohano, mba tohano,\nHahatsiaro tsara Anao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_576"},"ffpm_577":{"num":"577","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nSakaiza rahateo !\nIndreto izahay, vonjeo,\nFa be ny adinay :\nJeso, Sakaizanay,\nSakaiza rahateo !\nIndreto izahay, vonjeo,\nFa be ny adinay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nSakaiza be fitia !\nTariho izahay hanao\nNy zava-tianao :\nJeso, Sakaizanay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nSakaiza tsy mandao !\nNa dia mpanota aza re\nIzahay mpanomponao :\nJeso, Sakaizanay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nSakaiza tsy mamoy,\nNa ory na finaritra\nIzahay ankehitrio :\nJeso, Sakaizanay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jeso Sakaizanay,\nOmaly sy anio,\nKa mbola ho Sakaizanay\nMandrakizay doria :\nJeso, Sakaizanay, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_577"},"ffpm_578":{"num":"578","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Lohasahan-dranomaso\nIzao fiainantsika izao,\nKa misento lalandava\nIzay rehetra velona ao ;\nKoa aiza re no misy\nHampionona ny fo ?\nIza no mahay mamonjy\nHampisava ny manjo ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Manatòna ilay Mpamonjy,\nRy sakaiza ory ô !\nKa aza mba misalasala,\nMandrosoa hianao ;\nFamonjena mahatoky\nTsy miova no anao,\nRaha manana an’i Kristy\nHo fanala-tahotrao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Vola sy harena an-tany\nMety tsy hanananao ;\nHavana, sakaiza koa\nDia hisaraka aminao ;\nNefa Jeso no anjara\nTsy alaina aminao ;\nIzy no sakaiza tsara\nIzay nanavotra aina anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_578"},"ffpm_579":{"num":"579","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aza mba mandalo ahy,\nRy Mpamonjy ô !\nAza mba manary ahy,\nJeso Tompo ô !\nRy Mpanjaka, mihainoa re !\nMamonje fa mitaraina\nNy vahoakao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fantatrao fa malahelo\nNy mpanomponao ;\nRaha mbola eto aho,\nMba tsinjovinao.\nRy Mpanjaka, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indro ! fa miandry eto\nNy navotanao ;\nAoka tsy mba halahelo,\nMba falio izao.\nRy Mpanjaka, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eny, manomeza hery\nMba ho ahy re,\nKa hahery sy handresy\nNy mpanomponao.\nRy Mpanjaka, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_579"},"ffpm_580":{"num":"580","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry be fiantra sy be indrafo !\nAo aminao misy soa ;\nOry izahay noho ny zava-\nmanjo\nAo aminao misy soa ;\nBe siasia an-dalana atý,\nSao tsy ho tratra ny tsara arý ;\nTompo miantra, vonjeo\nizahay,\nAo aminao misy soa ;","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Rahona mainty manarona\nanay,\nAo aminao misy soa ;\nMba hazavaonao izay dianay\nAo aminao misy soa ;\nAmpaherezo hanaraka Anao,\nAmpaherezo hatoky Anao ;\nTompo mahery, hazòny\nizahay,\nAo aminao misy soa ;","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Any an-danitra izay lapanao,\nAo aminao misy soa ;\nKa dia matoky izahay \nzanakao,\nAo aminao misy soa ;\nAza ilaozana akory izahay,\nSao dia very an-dalana indray\nTompo malala, tariho izahay,\nAo aminao misy soa ;","type":"verse"}],"id":"ffpm_580"},"ffpm_581":{"num":"581","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aiza re no hahitako\nIzay hampionona ny fo ?\nIza re no handrandraiko\nAndrao dia tolan’ny manjo ?\nO ! ry ory sy mahantra\nManatòna Ahy izao.\nHe, ny foko feno antra,\nHampiadana anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aiza re no hahitako\nIzay hanala tahotra ?\nFa ny lalana ombako\nMahatoran-kovitra !\nAza kivy, ry mahantra ;\nManatòna Ahy izao.\nHe, ny foko feno antra,\nAmpy hiafenanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aiza re no hahitako\nIzay hamela heloka ?\nIndrisy re ity fahotako\nTena mahaketraka !\nRy sakaizako mahantra !\nMba minoa Ahy izao ;\nHe, ny foko feno antra,\nHanavotako anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jesosy ô, malala !\nFialofako Hianao ;\nIzaho tsy hisalasala\nHiantoraka Aminao.\nEny, manatòna Ahy\nFeno fitiavana ;\nAza manana ahiahy ;\nIzaho no mpiantoka.","type":"verse"}],"id":"ffpm_581"},"ffpm_582":{"num":"582","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ô ! tahio izahay\nAtý am-pandehananay ;\nNy hadalanay avelao,\nNy fonay koa ovay ho vao,\nArovy re ny olonao,\nNy lalanay mba hazavao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny aizim-be alehanay,\nMamely koa ny rafinay ;\nTsy fantatray izay hanjo\nKa be ny tahotra ao am-po.\nArovy re ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mikasa mafy izahay\nHo tsara, nefa fantatray\nFa raha tsy ambininao,\nTsy misy azonay atao.\nArovy re ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba tano mafy izahay\nAmbara-pahafatinay,\nDia ento ao an-danitrao\nIzahay ho faly aminao.\nArovy re ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_582"},"ffpm_583":{"num":"583","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba tarihonao,\nTompo ô ! izahay,\nFantatray fa mpivahiny ;\nIzahy ankehitriny ;\nAny aminao\nNo honenanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mafy ny manjo,\nReraka ao am-po ;\nNa dia be ny ady aza,\nTsy ho ketraka ny fonay ;\nAny aminao\nNo halehanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Alahelo be,\nRanomaso koa,\nAzon’ny fakam-panahy,\nSaiky resin’ny devoly ;\nFa ny Sandrinao\nIankinanay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Any aminao\nNo honenanay ;\nRy Mpitari-dalan-tsara ;\nMba tarihonao izahay re,\nHahatongavanay\nAny aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_583"},"ffpm_584":{"num":"584","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Arovy ny fanahinay,\nAndriamanitra !\nTariho ny fanahinay, (in-2)\nHanaraka Anao. (in-3)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao no hiankinanay,\nFa tsara Hianao ;\nKa mamelà ny helokay (in-2)\nFa diso izahay. (in-3)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izahay hiantso Anao,\nAndriamanitra !\nKa henoy ny fivavaka (in-2)\nAtaonay aminao. (in-3)","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mitsinjova ny mpanota\nMahantra indrindra,\nFa Jeso, Ilay \nMpanavotra (in-2)\nNo maty nisolo (in-3)","type":"verse"}],"id":"ffpm_584"},"ffpm_585":{"num":"585","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mahantra aho, Tompo ô !\nKa mba tsarovinao\nManiry ho madio fo\nSy mendrika Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Manolo-tena aho izao,\nRy Jeso Tompo ô !\nKa aza dia lavinao\nIzay atolotro.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho voasoratrao\nAo amim-bokinao\nHo isan’ny mpianatrao\nHianatra aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ataovy izay hahaizako\nHanaraka Anao\nAmin’ny fahadiovam-po\nHo voninahitrao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_585"},"ffpm_586":{"num":"586","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy Kristy Tompo ô !\nHianao no antenaiko ;\nTsy misy Mpamonjy toa\nAnao,\nRy Heriko sy Aiko,\nFa tsy mba misy olona\nMahafaka ny heloko ;\nTsy zakakao ny entako,\nRy Jeso ô !\nHianao anefa tokiko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny otako dia lehibe,\nNy foko dia ory !\nMpamonjy ô, vonjeo re !\nNy heloko esory,\nNy Rainao tsara ilazao,\nFa izaho no navotanao,\nKa mba havela heloka,\nDia azoko\nNy fiadanana ao am-po.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Finoa-marina ao am-po\nNo aoka mba homenao,\nMba hanandramako tokoa\nNy tsirom-pamonjenao,\nMba hitiavako Anao\nSy ireo rahalahinao ;\nRaha  avy ny fotoako,\nO, mba vonjeo !\nKa mba reseo ny rafiko.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny saotra, dera, ho Anao,\nRy Raiko be fiantra,\nSy ho Anao, ry Kristy ô,\nMpamonjy ny mahantra,\nAnao, Fanahy Masina !\nIzay tena Mpampionona !\nIzaho mba omeonao\nNy aim-baovao,\nHaharitra ho olonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_586"},"ffpm_587":{"num":"587","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah Tompo no itokiako,\nFa mampitombo ny fifaliako,\nNy fo sy saiko miankina\naminy ;\nIzay ilaiko omen’ny taniny,\nKa tena aiko ny toro-heviny.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ampio aho, Jehovah Tompo\nô !\nFa mitalaho izao ny zanakao,\nOmeo hery hitanako ny to,\nMba tsy ho very ny rakitra\nao am-po ;\nHianao irery no iankinako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Kristy Tompo, mba \nmamonje anay\nMba ho mpanompo mazoto\nizahay,\nMpiasa tsara ankasitrahanao,\nIzay manambara ny fitiavanao\nKa hiafara eo anatrehanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_587"},"ffpm_588":{"num":"588","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo Mpamindra fo !\nMahery sy Tsitoha\nIzay nidina tatý\nHamonjy ny mania !\nMivavaka Aminao\nMifona e ! izahay,\nNy gadranay tapaho\nHahafaka anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tompo ô ! Mpanjaka,\nAmin'ny olonao ;\nFaingàna, iantrao\nIreo izay narovanao\nMiondreha, mijere,\nIzahay niandrandra Anao ;\nNy herinao anie\nHatafinao ireo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tompo Mpanova fo,\nMpampionona tokoa,\nMidina ka ampio\nIzahay hahery izao.\nToky mamy loatra\nNo omena anay ;\nHatrany an-koatra,\nArovinao izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_588"},"ffpm_589":{"num":"589","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy Tompoko,\nIzay nanetry tena ô !\nNaka ny tarehinay\nHanavotanao anay\nMba omeo anay izao\nNy Fanahy Masinao,\nHanarahanay Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zanak'i Davida ô !\nMba midira ao am-po,\nRaiso ka diovinao\nIzy ho tempolinao ;\nIzahay manasa Anao\nHonina ao am-po izao\nKoa mba ekeonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_589"},"ffpm_590":{"num":"590","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Kristy Tsitoha, Tomponay\nmahery,\nMba mitodiha re ny olom-\nbery,\nKa mamonje anay izay\nmania ;\nO, mba avia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, Hianao kiadin’ny mivalo,\nKa mba reseonao ny fahavalo,\nNy ta-hanimba ny Anao\nsakano,\nIzahay tantano !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fiangonanao ampiadano,\nNy tanindrazanay re mba\ntohano\nNy tena sy fanahinay tahio,\nAmpifalio !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny asanao, ry Zana-Janahary,\nDia manakalaza Anao\nmiharihary,\nKa izahay midera Anao\nMpamonjy,\nFa voavonjy !","type":"verse"}],"id":"ffpm_590"},"ffpm_591":{"num":"591","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy, Izay Mpiahy,\nMba henoy izao ;\nRaha misy mamely ahy,\nMba reseonao !\nRy Jesosy, mba henoy izao :\nRaha misy mahory ahy,\nMba tsarovinao","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha avy ny devoloy\nKa mandrahona,\nRaha ny nofo manangoly\nSy manintona.\nRy Jesosy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Be ny fahavalo fetsy\nMampahory izao,\nIzay dia mora resy,\nKa vonjeonao !\nRy Jesosy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha misalasala aho,\nMba toroy ny to !\nAry raha mitalaho,\nAmindraonao fo !\nRy Jesosy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Miangavy mafy aho,\nRy Mpamonjy ô !\nMba vonoy ny fahotako\nAmin’ny ranao.\nRy Jesosy, ..sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha tapitra ny andro\nIvelomako,\nHazavao, ry Masoandro,\nAo am-pasako,\nRy Jesosy, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_591"},"ffpm_592":{"num":"592","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Be ny mampahory\nAtý, Jesosy ô !\nKely, osa, ory,\nNy mpanomponao.\nRy Mpiandry lehibe,\nAnao ny tenako ;\nHianao irery re,\nNo iankinako,\nTompo ô, ny foko\nManantena  Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Miarova ahy,\nJesosy Tompo ô !\nTena sy fanahy\nHasoavinao.\nRy Mpamonjy lehibe,\nAnao ny tenako ;\nHianao irery re,\nNo Vatolampiko,\nTompo ô, ny foko\nManantena  Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miarova ahy,\nJesosy Tompo ô !\nTena sy fanahy\nHasoavinao.\nRy Mpamonjy lehibe,\nAnao ny tenako ;\nHianao irery re,\nNo Vatolampiko,\nTompo ô, ny foko\nManantena  Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_592"},"ffpm_593":{"num":"593","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso ô, Mpanjakanay,\nHadinonao va izahay\nNo tsy omenao faingana\nNy rano mahavelona ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, maina sy mangentana\nSy ivesarana entana,\nKa mampiferinaina anay\nNy efitra onenanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy hitanao ve, ry Tompo ô,\nFa valaka sy rera-po,\nMalain-kanaraka Anao\nNy olom-boafidinao ?","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aidino ny Fanahinao\nSy fifaliam-po vaovao ;\nNy ranon’aina anie\nHatondrakao ny tany re !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Reseo ny fahavalonay,\nOmeo rariny  izahay\nTapahonao ny gadranay,\nAmpiadano izahay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_593"},"ffpm_594":{"num":"594","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Tompoko malala,\nMpiandry tsara ô !\nHianao no mahalala\nNy hasasarako.\nNy ota an-tapitrisa\nIzao mandreraka !\nKa manomeza ahy\nFiadanana !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Tompoko malala,\nHe, zatra Hianao\nMampody ny adala\nNiala taminao ;\nAmpiadano aho,\nTariho lalana,\nKa mahareta Tompo,\nAza sasatra !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Tompoko malala,\nTe-hody aho izao,\nFa manina ny vala\nNy ondrikelinao ;\nKa mitalaho aho :\nVohay, ry Jeso ô,\nIzay mba efitrano\nHitoerako !","type":"verse"}],"id":"ffpm_594"},"ffpm_595":{"num":"595","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Raiko ô ! mba raiso ny\ntanako\nTantano mba handroso ny \ndiako\nHazòny tsy hania ny zanakao,\nRy Raiko ô ! avia, tarihonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny foko ta-hanoa ny didinao,\nKanefa mora voan’ny ratsy\nizao\nKa dia mba fenoy ny herinao,\nRy Raiko ô ! henoy ny \nzanakao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Rehefa tsy mahita ny lalana\nKa toa tsy ho tafita ny lalina,\nFa ketraka ny aiko, dia \nraisonao\nTrotroy aho, Raiko,\nan-tratranao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_595"},"ffpm_596":{"num":"596","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indreto izahay mitomany,\nFa be alahelo ny fo ;\nNy ota no fototr’izany,\nNy heloko sy ny manjo ;\nFa reraka re, ny fanahy,\nMahantra sy be ahiahy,\nKa tena variana erý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Tompo, Izay mofon’ny\naina,\nRy rano mamelona  anay,\nTsinjovy izay mitaraina,\nMahantra izao izahay !\nOnòny ny fonay fa voa,\nOmeo izay mahasoa,\nMonena aminay Hianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fonay dia be hetaheta,\nManiry indrindra Anao ;\nRy Tompo, mba mampahareta\nAnay ho mpanaraka Anao ;\nNy reraka ataovy mahery\nVonjeo izahay olom-bery ;\nMatoky Anao izahay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_596"},"ffpm_597":{"num":"597","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Jesosy Mpamonjy\nmahery !\nIzaho maniry indrindra Anao,\nFa reraka aho ka mila ho very,\nNy foko saronan’ny ratsy izao.\nRy Tompo, tsilovy\nNy lalan’ny saiko,\nKa mba arovy\nNy fo sy ny saiko !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Efa hanafotra ahy ny rano,\nFaingàna, Jesosy, vonjeonao\nre !\nHo difotra aho, ry Tompo,\nka tano,\nDiovy, afaho ny foko anie !\nRy Tompo, tsilovy ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Efa akaikin’ny lalina aho,\nKa mila ho voa, hilentika ao ;\nRy Tompo malala, ny foko\ntanjaho\nKa mba hazavao hahalala\nAnao :\nRy Tompo, tsilovy ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aiza izao Hianao, ry \nMpamonjy,\nRy Tokin’ny ory sy reraka ô.\nNo tsy mampiseho ny herin’ny\nvonjy\nHanafaka ahy, izay ory\nam-po ?\nRy Tompo, tsilovy ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"O, ry Jesosy, Izay maharara\nNy onja namely ny sambo tarý\nAnivon’i Genesareta ho tsara\nToneo ny onjan’ny foko atý !\nRy Tompo, tsilovy ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_597"},"ffpm_598":{"num":"598","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Omeo mba handramako\nNy fitiavanao,\nHahaizako, ry Jeso ô,\n:,: Hihavana  Aminao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Iriko re ny tavanao,\nRy Ilay malalako,\nFa tiako ny hahita Anao,\n:,: Izay Sakaizako :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hanjavona ny masoko,\nHamoy ny namako,\nFa Hianao Jesosy ô,\n:,: Ho eo anilako :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha  ao ny ali-maizim-be\nIzay handehanako,\nHo eo an-tananao anie\n:,: No hahafatesako :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ka tsy mba hatahorako\nNy aizim-pasana,\nHatsanganao ny tenako\n:,: Ho tena sitrana :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_598"},"ffpm_599":{"num":"599","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Jesosy, mifaly ny foko\nRaha tsy lavitra  Anao,\nKa mba mangataka  indrindra,\nre aho\nAry mifona Aminao ;\nTano ny zanakao mba tsy ho\nvery,\nTano akaiky Anao !\nZaza adala ka mety miery,\nRaha dia lavitra Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza manary izay mitalaho,\nFa mba vonjeo anie ;\nTena mahantra sy ory re aho,\nDiso sy meloka be ;\nNefa maniry hiova ho tsara,\nKa ta-hanoa Anao,\nAry ny zavatra izay voarara,\nTsy mba hataoko izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raiso, ry Tompoko, ny\nfikasako,\nRaiso ny foko anio !\nRaha ny marina no ialako,\nDia ahitsio sy ampio ;\nFa Hianao, ry Mpamonjy\nmahery,\nNo tsy mba mety mandao,\nAry Izaho dia tsy mba irery,\nFa tsy ho lavitra Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_599"},"ffpm_600":{"num":"600","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":":,: Ry Raiko ô ! :,:\nIzaho atý mpivahiny\nManina ny tranonao,\nKa mba tariho\nNy zanakao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":":,: Ry Raiko ô ! :,:\nIndro, Satana milofo\nMba hanangoly anay,\nKa mba vonjeo\nNy zanakao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":":,: Ry Raiko ô ! :,:\nMaizina sady malama,\nSarotra ny lalanay,\nKa mba tantano\nNy zanakao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":":,: Ry Raiko ô ! :,:\nMaro ny zava-mihatra,\nIzay mampanahy anay,\nKa mba tohano\nNy zanakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":":,: Ry Raiko ô ! :,:\nAoka  anie ny Fanahy\nNo mba hitarika anay\nHo tonga any\nAn-tranonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_600"},"ffpm_601":{"num":"601","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misaotra Anao, Jesosy ô,\nNy olom-boavonjy,\nFa be dia  be ny indrafo\nNataonao, ry Mpamonjy ;\nFa tonga ory Hianao,\nNy ainao no natolotrao\nNisolo ny mpanota","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ampibebaho izahay\nHo olonao manoa ;\nNy ota ivesaranay\nEsory avokoa,\nNy fifaliana vaovao\nNo aoka mba hasolonao\nNy alahelom-ponay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ampio izahay izao\nHinoanay ny teny\nIzay nolazain'ny vavanao,\nFa tanjakay ireny :\nIzao no angatahinay,\nMba hatanjaho izahay\nHanaraka izany.","type":"verse"}],"id":"ffpm_601"},"ffpm_602":{"num":"602","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Andriamanitry ny\nfamonjena,\nSy Kintana antenain'ny\nfirenena,\nHenoy ny fangataham-\npandresena,\nRy Ray Tsitoha !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ilay fitopaton'alondrano\nSy reharehan-drafinao foano !\nNy olonao mahantra \nmba tantano,\nRy Ray Mpiaro !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha  osa, Hianao mahay \nmitana,\nRaha  reraka\nasiam-pahotana,\nNy herinao\ntsy resin'i Satana,\nRy Ray Mahery !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ampionao izahay\nhandresy rafy,\nAmpionao mba haharitra\nny mafy,\nAmpionao tsy ho ketraka\nmihafy,\nRy Ray Mpanampy !","type":"verse"}],"id":"ffpm_602"},"ffpm_603":{"num":"603","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He sambatra, Jesosy ô,\nNy ondry vitsinao !\nFa Hianao Mpiandry soa\nMaharo ny Anao ;\nNy ainao no natolotrao\nHo an'ireo ondrinao,\nNy very tadiavinao\nHiaraka  Aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izaho voamarika,\nHo isan'ny Anao,\nAnefa mba matahotra\nSao dia lavinao\nKa aoka mba hotairinao\nNy foko, raha hitanao\nFa mila ho sondriana\nSy diso lalana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny hafanana mahamay\nNo mahatrotraka,\nAnefa mbola tazanay\nNy fitsaharana.\nHo avy faingana anie\nNy andro soa lehibe,\nIzay hamelaranao ny lay\nHandrakotra anay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_603"},"ffpm_604":{"num":"604","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ento aho, ry Jehovah,\nMpivahiny raha etý ;\nTano aho fa malemy\nRaha  tsy hazoninao\n:,: Mofon'aina :,:\nHo fihinako anie !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba savao ny loharano\nHahazoako ny soa ;\nAoka  hitari-dalana  ahy\nIzay andri-rahonao,  \n:,: Ry Tsitoha :,:\nFiarovana  Hianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha hita  an'i Jordana,\nAmpandrio ny tahotro ;\nRy Mpandresy fanimbana,\nEnto any Kanana aho ! \n:,: Fiderana :,:\nNo hatolotro Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_604"},"ffpm_605":{"num":"605","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso, Hery mahavonjy\nTena fialofana,\nFa miantra sy mamonjy\nZanak'olombelona\n:,: Hery soa, hery soa,\nItokianay tokoa :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha misy ny tafiotra\nIzay mamely mafy anay\nNy fitiany tsy ho ritra\nTokinay mandrakizay\n:,: Tsy mandao, tsy mandao,\nIankinana hatrizay :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha  mambomba sy miaro,\nMampitony tahotra,\nJeso Tompo tia, Mpiaro ;\nResy re ny hovitra,\n:,: Fa matoky, fa matoky,\nIlay ampinga lehibe :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tianay tokoa  tokoa\nHo an-tratranao doria,\nMba hatoky ka ho soa\nRy Mpamonjy be fitia,\n:,: Tompo soa, Tompo soa,\nO ! hazoninay tokoa :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_605"},"ffpm_606":{"num":"606","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Raiko\nIzay Mpandahatra !\nVatofantsika mafonja !\nAminao no mifahatra\nItony foko safotra  onja,\nRy Tsitoha, ô ! mijere !\n:,: Ry Mpamonjy ô !\nMamonje ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He manonja mafy loatra\nItony fiainako voafofo\nToa dia diso tafahoatra\nIreo akaso izay milofo,\nRy Tsitoha, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nefa kosa tsy mamoy !\nIzany foko manantena !\nFa ny masonao manjohy,\nIandrandrako famonjena\nRy Tsitoha, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_606"},"ffpm_607":{"num":"607","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Jeso no Mpiambina antsika\nSy Mpiandry tsara,\nKa natolony ny ainy\nHisolo ny ondry.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Matokia hianareo,\nRy ondry vitsy\nFa ny Raiko no mikasa\nHitandrina anareo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho no Mpitarika\nSy Mpitondra tsara\nIzay manaraka Ahy\nHandresy ny ratsy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ary amin'ny farany,\nHalaiko ny Ahy\nTsy hisaraka amiko\nEla mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_607"},"ffpm_608":{"num":"608","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He miandrandra  Anao,\nJehovah Tompo ô !\nNy olonao;\nHenoy ny vavakay,\nVonoy ny helokay,\nHahafantaranay\nFa Zanakao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha  hodiavinay\nNy tany maizina,\nTarihonao ;\nFafao ry Jesosy\nNy ranomasonay !\nKa mba esorinao\nNy tahotray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba manomeza anay\nNy hasoavanao,\nRy Tompo ô !\nMba hahazoanay\nNy hasambarana\nTsy mety levona,\nAn-danitra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tohanonao Izahay,\nRehefa tapitra\nNy andronay,\nRay ô ! mba hamoray\nNy hanalana anay\nHo any Aminao,\nmandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_608"},"ffpm_609":{"num":"609","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hianao, Jehovah Tompo !\nNo hatoninay izao ;\nAvy izahay hanompo\nSy hanao ny sitrakao ;\n:,: Indro, raiso,\nRaiso ho Anao izahay :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba tantano sy arovy,\nFa malemy izahay ;\nHe ! marary sy farofy\nHianao no herinay ;\n:,: Ody aina\nHitsaboanao anay :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpivahiny ka mahantra,\nEntonao, Fanahy ô !\nAna sy mangetaheta,\nAsehoy ny antranao ;\n:,: Ranon’aina\nHosotrinay izao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tranonao madio no any,\nVorodamba no anay,\nFa hilaozanay ny tany,\nKa soloy ny lambanay ;\n:,: Lamba fotsy\nHitafianay anie :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_609"},"ffpm_610":{"num":"610","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny foko, ry Jehovah ô !\nFidio ho lapanao ;\nEkeo ho fonenanao,\nKa ao no anjakao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny foko, ry Jesosy ô !\nSasao ho voadio ;\nIzay eritreri-dratsy ao\nLevoninao anio.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny foko, ry Fanahy ô !\nMba hamasinonao ;\nAvia, Fanahy Masina ô !\nOvay ho fo vaovao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ray, Zanaka, Fanahy ô !\nMpamonjy mahasoa,\nMpanafaka ahy Hianao,\nIsaorako tokoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_610"},"ffpm_611":{"num":"611","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah Ray Malala ô !\nIzay ao an-danitra ao,\nHenoy ny fivavahako\nAtaoko Aminao,\nFa Jeso Kristy Zanakao\nNo tena sorona\nIzay entiko ho Aminao,\nMpamela heloka.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jehovah Ray Malala ô !\nIzay ao an-danitra ao,\nHenoy ny fivavahako\nAtaoko Aminao,\nFa Jeso Kristy Zanakao\nNo tena sorona\nIzay entiko ho Aminao,\nMpamela heloka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fikapohana, izay\nAtaonao amiko,\nDia  misy fananarana\nMba hibebahako ;\nNy fahafatesana, izay\nHo tonga koa  izao,\nDia  làlana halehako\nHo any Aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba raisonao ny tanako,\nTantano aho izao,\nFa zazabodo, Raiko ô !\nAmpio ny zanakao\nNa tondraka ny rano re\nKa safononoka  ao,\nNy faty tsy ho tahotro\nHodiako Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_611"},"ffpm_612":{"num":"612","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Ray, Mpiaro lehibe !\nMba mihainoa ahy e,\nKa ampio aho hanao hoe :\nHatao anie ny sitrakao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izay rehetra sitrakao\nNo aoka mba hatao izao\nFa mahasoa ny tianao :\nHatao anie ny sitrakao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na sarotra  aza ny hatao,\nMba manampia ny zanakao\nHanaraka ny teninao :\nHatao anie ny sitrakao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Na tonga aza ny manjo\nKa ory sy mivadi-po,\nHo toy izao ny teniko :\nHatao anie ny sitrakao !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mba tanterahonao tokoa\nIzay kasainao hahasoa ;\nNy tena sy fanahy koa ;\nHatao anie ny sitrakao !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"He ! Hianao dia tsy mandao\nIzay voaray ho olonao\nKa mankatò ny didinao :\nHatao anie ny sitrakao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_612"},"ffpm_613":{"num":"613","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mpiandry lehibe !\nVorio ny ondrinao\nHiray fisoko avokoa,\nHiadana  Aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Sakaiza herinay !\nJereo ny ondrinao\nMitebiteby, ory fo,\nKa miandrandra Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Manahy izahay,\nHe ! ala be izao ;\nSao dia ho very foana  atý,\nVonjeo ny ondrinao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Henoy, ry Tokinay !\nVohay ny tranonao ;\nRaha avy ny hodianay\nHitoetra  aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_613"},"ffpm_614":{"num":"614","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, Ray, jereo ny zanakao\nMivavaka  Aminao !\nHenoy ny fitarainanay\nIzay atao izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O, Ray, vonjeo ny zanakao\nFa osa izahay ;\nNy tananao no herinay,\nHandresy izahay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, Ray, tahio ny Zanakao !\nNy soa Aminao ;\nKa arotsahy aminay\nNy fitahianao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O, Ray, misaotra  Anao\nizahay !\nKa dera no atao ;\nNy soa azonay atý\nIsaoranay Anao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"O, Ray, vahiny izahay !\nTsy taninay ity !\nKa raha hody raisonao\nHo Aminao arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_614"},"ffpm_615":{"num":"615","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah, Ray Mahery !\nIndreto ny mpanomponao ;\nFa mpanota saiky very,\nNefa tsy mba foinao ;\nFa ny masonao mijery\nNy fanahinay mania ;\nNy fitaomanao mahery\nNo miantso hoe : Avia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jehovah, Ray Mpitahy\nIzay rehetra ory fo !\nNy tsy manana mpiahy\nMora resin’ny manjo ;\nZovy ary no hanahy\nRaha  miankina Aminao ?\nEny, faly ny fanahy\nIzay matoky Aminao.\n\n.","type":"verse"}],"id":"ffpm_615"},"ffpm_616":{"num":"616","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Rainay be fitia !\nAvy izahay\nHila zava-tsoa\nAto Aminao ;\nMihainoa anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Rainay tsy miova !\nMijere anay,\nZanaka nikomy,\nFa naverinao :\nManeke anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Rainay be fiantra !\nMenatra  izahay,\nDia mba mifona\nEo imasonao\nMiantrà anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Rainay be harena !\nMpanome ny soa !\nIzahay mahantra,\nMitaraina hoe :\nManomeza  anay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Rainay be fitia !\nIndreto izahay\nAvy mba hitondra\nSaotra ho Anao :\nAza lavinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_616"},"ffpm_617":{"num":"617","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aza manadino ahy,\nRy mpihaino vavaka !\nAza mba manary ahy\nHanalavitra Anao ;\nMitodiha, ry Mpanjaka !\nKa jereo ny olonao ;\nAza manadino ahy,\nRy mpihaino vavaka !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao no fiereko,\nVatolampy, heriko ;\nNa kamboty aza aho,\nFaly manana Anao ;\nAfa-tahotra ny foko\nRaha miandrandra Anao ;\nAza manadino ahy,\nRy mpihaino vavaka !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eny, Hianao no Raiko,\nKa hatoniko izao ;\nNefa ny fahadalako\nAza mba heverinao ;\nO ! ampifalio aho,\nKa ombay ny elatrao\nAza manadino ahy,\nRy mpihaino vavaka !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tabataba lalandava\nNo mba hotako izao,\nKa izaho te-ho tonga\nAo am-pitsaharanao ;\nMitenena, ry Jehovah !\nMamalia ahy izao ;\nAza manadino ahy,\nRy mpihaino vavaka !","type":"verse"}],"id":"ffpm_617"},"ffpm_618":{"num":"618","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Eny Raiko ! mba tariho\nNy fanahin-janakao,\nKa ny saiko atodiho\nHankatò ny teninao ;\nZaza be fisiasia,\nTano re ny zanakao,\nDia taomy mba ho tia\nSy hanao ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Eny Raiko ! mba tsilovy\nNy alehan-janakao,\nKa tantano sy arovy\nMba hankatý Aminao ;\nMora reraka ny aina\nRaha tsy fahananao,\nKa tohano tsy halaina\nMba hanao ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eny Raiko ! raha mafy\nIzany tsorakazonao,\nKa ny aiko tsy mahahafy\nMba vonjeo ny zanakao ;\nKa ny foko izay adala\nMba ovay sy hazavao,\nDia taomy hahalala\nMba hanao ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eny Raiko ! mba tohano\nRaha  mihatra ny manjo,\nKa vimbino sy tantano\nTsy ho kivy re ny fo ;\nRaha tapitra ny aiko,\nRaiso hody Aminao;\nEny, ento aho, Raiko !\nFa izay no sitrakao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_618"},"ffpm_619":{"num":"619","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Raiko ô ! tariho ny zanakao,\nTariho re !\nFa maizina izao lalako izao,\nTariho re !\nTsilovy, ka omeo finoana,\nTantano am-pandehanana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izay ela izay ny lalan-tsitrapo\nNo tiako ;\nIzay ela izay izao tontolo izao\nNo mamiko ;\nKanefa  izao, tariho ny zanakao,\nRy Raiko ô ! handia ny lalanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy mba ahoako ny loza atý\nan-dalana ;\nTsy te-hitsinjo koa ny arý\nan-koatra ;\nFa isan-andro alaharonao,\nRy Raiko ô ! \nny dian’ny zanakao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Na mbola lavitra aza re izay\nalehako,\nTarihonao ambara-pahafaka\nny alina,\nDia vao hitsahatra ny zanakao,\nRy Raiko ô ! arý an-danitrao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_619"},"ffpm_620":{"num":"620","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zanahary, Ray Mahery !\nIzahay tsy mana-kery,\nNefa he ny fahavalo,\nFa masiaka sady maro ;\nO ! ampio re izahay,\nFa ny zavatra mihatra\nTsy mba misy maharatra\nNy arovanao, ry Ray,\nZanahary, Ray Mahery,\nMba arovy izahay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zanahary, Ray Miantra !\nOlon-diso sy mahantra\nIzahay izay mitaraina,\nHianao no antenaina ;\nIantrao re izahay !\nBe tokoa ny fahotana\nMahatonga fanimbana\nEfa vitanay tatý :\nZanahary, Ray Miantra,\nMamelà ny helokay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Zanahary, Ray Malala !\nEnga  anie ka hahalala\nMba ho tia sy hanaiky,\nAry koa  mba hanakaiky,\nNy Mpamonjy izahay ;\nTsy ny tahotray ny loza\nNo manaitra anay hiova,\nFa ny ran’ny Zanakao :\nZanahary, Ray Malala,\nMba hazòny izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_620"},"ffpm_621":{"num":"621","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso be fitia !\nTariho izahay\nMba tsy haniasia,\nFa hiaraka Aminao,\nIndrisy ! ela loatra\nNo nijanonanay\nNanaram-po nihoatra\nNy sitrapon’ny Ray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Tompo ô ! miarova\nNy fiainanay etý,\nIzay fohy, mora miova,\nFa tsy toy ny arý,\n‘Zay ianteherana eto\nMandalo avokoa ;\nNy fo re no mba ento\nHikambana Aminao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tariho hahalala\nNy tianao hatao,\nKa tsy hisalasala\nHandà izay halanao ;\nMandatsaka ao an-tsaina\nNy soa vitanao,\nKa dia hikely aina\nHanao ny sitrakao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_621"},"ffpm_622":{"num":"622","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba tantano, Raiko ô !\nNy fanahin-janakao,\nAoka re ny sandrinao\nNo hiaro ahy izao ;\nIndro ! raiso,\nTano aho, Tompo ô !\nMba hanao ny sitrakao ;\nSy hitoetra ao Aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ray malala Hianao,\nSady tia ny zanakao ;\nAoka  re ny tavanao\nHanazava ahy izao !\nIndro ! raiso, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na dia maizina aza atý,\nDia matoky ano izao\nFa Hianao dia mandao\nIzay miaraka Aminao :\nIndro ! raiso, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_622"},"ffpm_623":{"num":"623","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba omeo ahy\nFo madio kokoa\nAfaka ahiahy\nHo Anao tokoa\nIzaho dia malaina\nO ! Mba hafanao re,\nMba hikely aina\nHahefako be.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mbola manangoly\nNy fakampanahy ;\nAo koa ny devoly\nTa-hamotraka ahy ;\nTompo ô ! ampio\nNy mpanomponao izao,\nAry mba tafio\nHerim-po vaovao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Atolory ahy\nZotom-po sy hery,\nFahendrem-panahy,\nFo mahay mietry.\nAmpianaro aho\nMba hanolo-tena,\nKa mba hatanjaho\nNy finoako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia hamasino\nNy saiko, ry Tompo !\nKa omeo fo mino,\nFo mahay manompo,\nFo mahay mihafy,\nFo miravoravo,\nNa dia voa mafy,\nFo toy ny Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_623"},"ffpm_624":{"num":"624","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso ô, Mpiandry tsara !\nSambatra ny ondrinao,\nHianao no mialoha\nHanarahanay Anao ;\n:,: Mitariha, mitariha\nNy fanahinay izao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso ô, Mpiandry tsara !\nFohy ny fisainanay ;\nHianao mahay manoro\nLalana halehanay :\n:,: Mitariha, mitariha\nNy fanahinay izao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso ô, Mpiandry tsara !\nTsinjonao ny dianay ;\nOndry very ka ho faty\nRaha tsy hatoninao ;\n:,: Mitariha, mitariha\nNy fanahinay izao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso ô, Mpiandry tsara !\nIzao alehanay izao\nAla be sy làla-mafy,\nMaty re ny ondrinao ;\n:,: Miarova, miarova\nNy fanahinay izao :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jeso ô, Mpiandry tsara !\nMafy re ny tahotray ;\nBibidia mamiravira\nMampivadi-po anay :\n:,: Miarova, miarova\nNy fanahinay izao :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Jeso ô, Mpiandry tsara !\nEnto mody izahay ;\nAminao ny valan'ondry\nTsy mba misy tahotra,\n:,: Mitariha, mitariha\nNy fanahinay izao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_624"},"ffpm_625":{"num":"625","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mpamonjy soa malala ô !\nMba miandrandra Anao\nNy foko sy fanahiko\nAnkehitriny izao ;\nFa Hianao irery\nNo tena Mpanome\nNy fahafinaretana\nSy fitsaharam-be.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mpiandry ondry mora ô !\nRy Jeso be fitia !\nHazony aho ondrinao\nMba tsy haniasia ;\nAndraso isan-andro,\nArovinao anie,\nEndrey fa mahatahotra\nNy biby marobe.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Kristy be fitia !\nRy Tompo tsy mandao !\nNy sandrinao iondanako\nFa mamy Hianao ;\nHianao nanolo-tena\nHo faty fahizay,\nHanangana olo-meloka\nHo zanakao indray.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Tompo Zanahary\nBe faharetam-po !\nIzaho te-ho olonao\nMahitsy sy madio ;\nOvay ny toe-tsaiko,\nNy foko mba sasao,\nMba ho tempoly mendrika\nNy hitoeranao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Jeso tsy miova !\nRy Vonivatoko !\nRy Zanak'Andriamanitra ô !\nRy Aro lehibe !\nIzaho dia matoky\nNy fitiavanao ;\nFa sambatra ny olonao \nMiankina Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_625"},"ffpm_626":{"num":"626","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Tompo, mamindrà fo\nAmin'ny mpanomponao,\nFa tsy misy famonjena\nAfa-tsy ao Aminao ;\n:,: O ! vonjeo :,:\nNy mifona Aminao. (in-2)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa kamboty sy mahantra,\nOry, osa, reraka\nIzahay atý an-tany,\nRaha tsy vimbininao ;\n:,: O ! ampio :,:\nNy miankina Aminao. (in-2)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tokinay sy Vatolampy,\nAro sy ampinganay !\nAfa-tahotra, afa-doza,\nTsy ho ketraka izahay ;\n:,: O ! arovy :,:\nNy mialoka Aminao. (in-2)","type":"verse"}],"id":"ffpm_626"},"ffpm_627":{"num":"627","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vimbino tsara izahay\nRy Jeso Kristy Tomponay !\nMba tsy ho diso lalana\nAtý ambony rano be,\n:,: Ka na manonja aza re\nNy ria-dranomasina,\nTazòny mafy izahay\nMba tsy ho rendrika atý :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Dia mitsangàna, ka avia,\nRy Jesosy, Mpamonjy tia !\nJereo ny fahorianay ;\nAnaronao ny rivotra\n:,: Izay mampanonja toy  izao\nNy alon-dranomasina,\nIzay manafotra anay\nAtý am-pandehananay :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa Hianao no aronay,\nKa dia sahy izahay \nHamaky sy hanohitra\nNy onjan-drano betsaka ;\n:,; Ka aoka tsy ho fefika\nAtý an-dranomasina,\nFa mba ho tonga aminao\nNy sambonay,\nry Tompo ô ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_627"},"ffpm_628":{"num":"628","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Mpamonjy olom-bery !\nRy Jesosy tia anay !\nIzahay tsy manan-kery\nTsy mba hendry, tsy\nmahay,\n:,: Koa Hianao irery\nNo mba iankinanay :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Mpamonjy be fitia !\nAza ilaozanao izahay ;\nRy Jesosy ô ! avia,\nHianao no tanjakay !\n:,: Miarova, manampia,\nBe ny fahavalonay :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpamonjy ! mitantàna\nizao mpanomponao izao ;\nBe tokoa ny fikasana\nTa-hanao ny sitrakao\n:,: Nefa be ny fahosana\nMomba ny mpanomponao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Mpamonjy, Jeso tia !\nMivimbina, mamonje ;\nRy Mahery, manampia !\nMiambena, mijere ;\nMiarova, mitariha,\nRy Sakaiza lehibe !","type":"verse"}],"id":"ffpm_628"},"ffpm_629":{"num":"629","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Mpamonjy,\nMpanavotra anay !\nTafangona eto  anio izahay\nHidera sy mba\nhankalaza Anao,\nFa Tompo namonjy\nanay Hianao :\nHaleloia ! Haleloia ! Hosana\nan'ny Avo !\nHaleloia ! Haleloia ! Hosana\nho Anao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso, Sakaiza\ntsy mety mandao !\nSakaiza tsy mba mahafoy\nHianao\nMijery anay raha misy manjo,\nHo aron'ny tena\nsy tokin'ny fo :\nHaleloia ! .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jeso Mpanjaka\nMpiaro anay !\nHandroso hiady tokoa izahay,\nKa dia vonjeo handresy izao,\nFa tsy mba ho resy\nizay manana Anao :\nHaleloia ! .. sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso, Mpitarika\nanay ho arý\nTariho izahay tsy hivily atý.\nKa dia hamantana\nao Aminao,\nFa faly miandry anay Hianao\nHaleloia ! .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_629"},"ffpm_630":{"num":"630","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy mba tantàno,\nHo tafita soa arý\nKa ambeno sy sakano\nIzay rehetra loza atý.\nRano be mangeniheny\nIzao alehako izao,\nKa aoka Hianao hiteny\nMba ho tokiko hatrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza miandry ao am-pita\nSao dia  fefika aho atý ;\nFa avia  hiara-mita,\nDia  ho tody soa arý.\nRaha sendra ka manonja\nIzany alon-drano be,\nAoka Hianao ho tonga\nHampitony azy re.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ao ny rivotra mahery\nMety hampivadi-po,\nFa ny feonao irery\nMampisava ny manjo\nAny koa ny vatolampy,\nSy ny biby maro be.\nFa ny herinao dia ampy,\nKa vonjeo ny zanakao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jesosy ! Mihainoa,\nIzao fivavako izao,\nMijoroa, misehoa,\nKa jereo ny diako izao ;\nMbola lavitra ao am-pita\nKa tsy hita izay hanjo,\nToy ilay tao Genesareta,\nMisehoa Hianao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_630"},"ffpm_631":{"num":"631","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy Tompo tsara,\nRy Mpamonjy ô !\nSambatra aho, manan-jara,\nManana Anao ;\nFa na maro ny mpandrafy\nTa-hamely ahy mafy\nHianao mahay manafy\nHery ny Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Be ny manodidina ahy\nEfa lasana ;\nManakaiky, mampanahy,\nRe ny fasana ;\nNefa, ry Mpamonjy soa,\nTena sitrakao tokoa \nNy hitantana ahy koa\nAo an-dalana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eny, izaho manantena,\nRy Mpamonjy ô !\nFa hahazo famonjena \nAny Aminao,\nRaha ilaozako ny tany,\nIzaho tsy mba hitomany,\nFa hiakatra hankany\nAnatrehanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_631"},"ffpm_632":{"num":"632","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ampianaro aho, Tompo,\nmba hiambina !\nMandalo tahaka ny rivotra \nny androko.\nKa mihalany isan-andro\nisan-alina,\nAmbara-pahatapitry\nny fe-potoako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Endrey ny voninkazo,\nraha vao maraina e !\nFa tsara ka mamirampiratra\nny endriny ;\nKanefa maty izy amin'ny\nhainandro be\nKa raha hariva dia simba\nny tarehiny.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tenako no voninkazo\nka hihintsana,\nNy aiko tahaka ny\nzavona sy aloka\nIzay mandalo ka\ntsy manam-pijanonana ;\nNy taonako mandroso\ntahaka ny riaka.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy manam-panorenana\natý ny heriko,\nMihelina ka tsy mba hita\nny alehany ;\nMalaky tahaka ny tselatra\nny androko,\nKa tsy miatoato\nao am-pandehanany.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Tompo ô, ampio aho\nmba hiomana,\nKa mba hadio fo\nna aiza no alehako,\nAmpaherezo mafy aho\nmba ho malina,\nMba tsy ho tonga tampoka\namiko ny fetrako !","type":"verse"}],"id":"ffpm_632"},"ffpm_633":{"num":"633","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izaho tsy mba mahalala\nIzay hiainako atý ;\nAnio angaha dia hiala\nKa hodimandry ho arý !\nNy ran'i Kristy, Raiko ô,\nNo amelao ny heloko.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Ray ô, mampianara ahy\nHanisa e, ny androko,\nHiantombenan'ny fanahy\nAo amin'ny Mpamonjiko.\nNy ran'i Kristy, .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny asa sy ny ahiahy,\nIzay maningotra  ahy izao,\nVahao mba tsy hisakana ahy\nHiainga raha antsoinao.\nNy ran'i Kristy, .. sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fahotako an-tapitrisa\nSaronanao ny avotra,\nIzay nandraisako batisa\nSy ny sakafo masina.\nNy ran'i Kristy, .. sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tsy misy mahasaraka ahy\nAmin’ny fitiavany ;\nNy teniny no mahasahy\nNy olom-boafidiny.\nNy ran'i Kristy, .. sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ka dia tsy mba mampanahy\nNy andro hahafatesako,\nJesosy no miantoka ahy,\nNy ainy no anjarako,\nNy ran'i Kristy, .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_633"},"ffpm_634":{"num":"634","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Ny lalana izay nataon'\nAndriamanitra\nTamin'ny olombelona\n:,: Marina indrindra :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha manaraka izany,\nDia tsy manan-tsiny\nFa nanota ny olona\n:,: Ka nanan-keloka :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha tsy mino an'i Kristy\nNy olombelona,\nFa matoky ny tenanay,\n:,: Tsy azo hitsina :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa Jeso no manafaka\nNy ota rehetra,\nNy manaiky ny teniny\n:,: No azo hitsina :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_634"},"ffpm_635":{"num":"635","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aina no fetra, ry Jesosy\nTompo\nIzany no tenin'ity zanakao\nVonon-kanaraka Anao sy\nhanompo\nAmin'ny mora sy sarotra\nhatao :\nMandrakizay no tokim-\npanompoana\nMamin'ny olona izay\nafakao,\nMandrakizay hekenay\nho faneva\nNy holatrao nanavotana\nanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na ny mangidy heverina ho\nmamy\nRaha miray Aminao izahay,\nIza no tsy hahafoy ny ainy\nMba ho Anao izay nisolo\nanay !\nMandrakizay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hianao, ry Jeso ! no Ilay\nKapiteny\nIzay hampandresy tokoa\nanay ;\nFa raha Hianao, Tompo, no\nmba miteny,\nLasa izay mahakivy anay ;\nMandrakizay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Vonon-kandeha na aiza\nna aiza,\nIreto mpanompo matoky\nAnao ;\nNa dia ny fahafatesana aza,\nTsy hahaleo anay\nmpianatrao ;\nMandrakizay, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_635"},"ffpm_636":{"num":"636","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hianao, ry Jeso ô !\nNo mba hatoninay\n:,: Tompon'ny aina :,:\nMba mihainoa ka  avia.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba ampangino re\nNy ao anatinay,\n:,: Tsy hisy renay :,:\nRaha tsy feonao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aoka izahay handray\nNy fanavaozanao\n:,: Ka mba hitovy :,:\nToe-tsaina Aminao","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mafy ny adinay,\nKa be ny tahotray;\n:,: Nefa tsy resy :,:\nIzay miankina Aminao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Dia tafionao\nAmin’ny herinao\n:,: Mba ho mpandresy :,:\nIzahay mpianatrao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ny fonay hafanao\nMba hirehetanay\n:,: Amin’ny asa :,:\nIzay omenao hatao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Mba ho tanterakay\nIzay tena anjaranay,\n:,: Dia  manomeza :,:\nFo miray aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_636"},"ffpm_637":{"num":"637","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mahareta, mahareta,\nRy mpihazakazaka ô !\nBe ny zava-mahalavo,\nAza kivy Hianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mahareta, mahareta,\nRy mpihazakazaka ô !\nMahavesatra ny ota,\nAoka re harianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mahareta, mahareta,\nRy mpihazakazaka ô !\nLavi-dalana haleha,\nAndrao tsy tonga Hianao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mahareta, mahareta,\nRy mpihazakazaka ô !\nIndreo ny maso izay mijery,\nTazany ny dianao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mahareta, mahareta,\nRy mpihazakazaka ô !\nAo ny Tomponao miandry,\nIzy no jereonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_637"},"ffpm_638":{"num":"638","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Mpamonjy malala !\nIndreto ny mpanomponao ;\nRaha misy izay mankahala,\nMatoky, fa manana  Anao.\nJereo, Jereo !\nFa vonon-kanaraka Anao.\n(in-2)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny tafika ataon’i Satana\nMilofo hamotraka  anay ;\nAvia, ry Jeso mitantàna,\nFa mioman-kandresy izahay.\nJereo, Jereo ! .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na zovy mioman-kandrafy,\nIrinay hanaraka Anao ;\nNa iza hisakana mafy,\nHijoro, fa manana Anao.\nJereo, Jereo ! .. sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ireo nentinao voatantara\nNo feo mampahery anay ;\nNy tokin’ireo Maritiora\nFaneva mitarika anay ;\nJereo, Jereo ! .. sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_638"},"ffpm_639":{"num":"639","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry miaramila ! mandrosoa izao,\nKristy Kapiteny mialoha anao ;\nAo aloha tafika, loza, ratra be,\nFitsaharana tsy misy,\nmisikina re :\nRy miaramila ! mandrosoa\nizao,\nKristy Kapiteny mialoha anao ;","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Any lehy ratsy no manotrika,\nAny ny tsipìka no milatsaka;\nTano ny finoana ho\nampinganao,\nEntonao ho fandresena izao\nrehetra  izao :\nRy miaramila ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza miambohona miherika,\nAo an-tratranao ny fiarovana ;\nAza mba matahotra, fa\nsahia, fandrao\nRaha tsy mandresy, dia ho\nresy hianao ;\nRy miaramila ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia mandrosoa hianao izao,\nKa miraisa dia aminay ho ao ;\nMilofosa fatratra, aza ketraka\n« Miadia ny ady tsaran’ny\nFinoana » :\nRy miaramila ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Kristy Kapiteny tapitra ohatra,\nIzy no mpiaro ny mpanafika ;\nMiankìna Aminy mafy hianao\nKa aza mba ny tenanao no\nitokianao\nRy miaramila ! ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_639"},"ffpm_640":{"num":"640","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misy fahavalo maro\nTe-hiady aminay,\nFaly sy miravoravo\nRaha mamotraka anay ;\nIzahay tsy manan-kery\nHandresenay azy ireo ;\nRy Mpamonjy olom-bery !\nJeso Tompo ô ! vonjeo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! mibaiko ny devoly,\nIlay mpihaza aina soa,\nKa mikendry hanangoly\nSy handatsaka aina koa ;\nTsy mba misy izay hanampy\nHampandositra azy izao ;\nHianao no tsy manary\nJeso Tompo ô ! vonjeo.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indreo ny fandrika harato\nIzay mivelatra avokoa,\nTsara sy milantolanto,\nToa fiainana tokoa ;\nKanjo indrisy ny mahazo\nIzay fatoran’izy ireo ;\nTsy mba hainy ny miala ;\nJeso Tompo ô ! vonjeo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Miomana ry sakaiza !\nBe ny fahavalonao ;\nMitandrema sy mahaiza,\nSarotra ny lalanao ;\nAza mba matoky tena,\nFa ny Tompo no jereo ;\nIndrisy re ny halemena ;\nJeso Tompo ô ! vonjeo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_640"},"ffpm_641":{"num":"641","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Kapiteny, be ny ady manjo\nMila ho reraka sy kivy ny fo,\nKa hatanjaho mba\nhatoky Anao,\nTompo ô ! avia mamonjy\nahy izao :\n“ Eny, Izaho mamonjy  anao,\nKa mampahery sy miaro\nanao ;\nAza matahotra mihitsy\nhianao,\nFa Izaho momba sy manampy\nanao.”","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fahavaloko atý mba reseo,\nKa taomy aho mba handray\nrahateo\nNy fiadiana avy ao Aminao ;\nTompo ô ! vimbino aho,\naza mandao ;\n“ Eny, Izaho, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Loza tokoa re ny tahotra teo,\nKa na mamely ahy aza ireo,\nTsy mba manahy  intsony\naho izao\nFa mamonjy sady\ntsy mandao Hianao.\n“ Eny, Izaho, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fa ny mpiady maharesy atý\nNo hosatroham-boninahitra\narý ;\nMaro no efa tonga ao\nAminao,\nTompo ô! avia hitarika ahy\nhankao\n“ Eny, Izaho, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_641"},"ffpm_642":{"num":"642","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hitako izao, sakaiza !\nJeso no Mpanavotra :\nTsy mba lany ny fitia,\nJeso no Mpanavotra ;\nNa dia  saiky lasa aza,\nKa ny olona mandao,\nIzao no mampiadana  ahy,\nJeso no Mpanavotra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha miasy mafy aho,\nJeso no Mpanavotra :\nToky sy Ampinga Izy,\nJeso no Mpanavotra ;\nManome ny soa Izy,\nFa ny rany mahadio\nNo mahafa-keloka ahy,\nJeso no Mpanavotra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He ! ilaozako ny eto,\nJeso no Mpanavotra :\nIndro lanitra no azo,\nJeso no Mpanavotra ;\nIzy no Mpamonjy ahy,\nAina sy fanilo koa,\nFahendrena mahasoa,\nJeso no Mpanavotra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ray ô ! Hianao deraiko,\nJeso no Mpanavotra :\nHianao naniraka Azy,\nJeso no Mpanavotra ;\nHianao Mpiaro ahy,\nMpitahiry, Tokiko,\nNo deraiko lalandava,\nJeso no Mpanavotra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_642"},"ffpm_643":{"num":"643","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! mandrosoa mba ho tena\nmpandresy,\nDia mazotoa, miasà,\nmitomboa\n:,: Raiso ny tsara, ka roahy\nny ratsy\nKa matokia an’i Jeso tokoa :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O ! mandrese, ny finoana tano,\nNa dia mafana ny ady hatao,\n:,: Ny fandresena homena ny\nmino\nAzy ny herin’ny Tompo izao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba matokia ny hery tsy hita\nIzay voatahirin’ny Ray\nho anao,\n:,: Ka voatolotra tao Gologota\nMba ho antsika rehetra izao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_643"},"ffpm_644":{"num":"644","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Matahora, mangovita,\nFa, indro ! ny devoly\nNo mihendry hisambotra\nNy saintsika rehetra ;\n:,: Miambena :,:\nKa mivavaha tsara. (in-2)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mifalia, mivavaha,\nJeso no arontsika,\nManaraha ny teniny,\nFa hovonjeny isika ;\n:,: Tano Izy :,:\nHahazoana aina. (in-2)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Manandrata feo hihira\nHidera an’i Kristy,\nHanome voninahitra\nAn’Andriamanitra\n:,: Tompontsika :,:\nFa marina izany. (in-2)","type":"verse"}],"id":"ffpm_644"},"ffpm_645":{"num":"645","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy Kapiteninay\nIzao miantso izao,\nHiady no ilana anay\nKa zovy no hanao ?\nIzay mahafy hatratý,\nMahery fo tokoa\nKa tsy miraika hatrarý ;\nIreny no hanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny tany hotafihinay,\nIzao tontolo izao ;\nNy tafika hikatrohanay,\nTsy ady mora atao ;\nNy ota hotoherinay\nHo rava sy hikoa.\nNy tany hitorianay\nNy herinao tsy toha.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indreo, ny maritiora soa\nNo loha-lalanay,\nNalatsaka  aina avokoa,\nKa marika aminay ;\nFandavan-tena lehibe\nNo vitan’izy  ireo\nHodian-tsy hita foana ve\nIreo maritiora ireo ?","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso Kapiteninay !\nIzao anio izao,\nNo anavaozanay indray\nNy fanompoana Anao ;\nAtolotray Anao tokoa\nIzao tenanay izao,\nKa hamasino avokoa\nHanao ny sitrakao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_645"},"ffpm_646":{"num":"646","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Na aiza no alehako,\nDia  misy izay ahina,\nFa be ny fahavaloko\nMahery sy kirina.\nMikendry fatratra\nIreo mpamitaka,\nKa dia hazoniko ny to,\nNa aiza no alehako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na aiza no alehako,\nDia  misy ady mafy ;\nNy ota hotoheriko,\nHataoko tena rafy ;\nNy fahoriana,\nIzay fikapohana,\nTsy maintsy hiaretako,\nNa aiza no alehako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na aiza no alehako,\nNy fasana mangina\nMiandry eo alohako,\nFa aloka ny aina\nSy toy ny zavona\nMalaky levona ;\nIzany no tsaroakao\nNa aiza no alehako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Na aiza no alehako,\nMomba ahy ny anjely,\nKa tsy mba hatahorako\nSatana izay mpamely,\nRy izao tontolo izao,\nHo resy hianao,\nAnjely re ho namako\nNa aiza no alehako.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Na aiza no alehako,\nJesosy no kiady ;\nNy ratrany no aroko\nSy herin’ny mpiady.\nNy dian-tongony\nArahiko atý,\nKa fandresena azoko\nNa aiza no alehako.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Na aiza no alehako,\nNy lanitra andrandraiko,\nKa ravo ny fanahiko,\nFa ao ny Tompon’aiko,\nRy izao tontolo izao,\nNy voninahitrao\nDia  vovoka hitsahiko ;\nNy lanitra  ao alohako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_646"},"ffpm_647":{"num":"647","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! sarotra ny lalam-\npamonjena\nHitanana ny vonjy izay\nnomena\nHamelona hatrao am-parany\nNy fitiavana voalohany.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny maro dia mazàna \nmankamamy\nIzao tontolo izao, ka mora lany\nNy zotom-po sy finoana\nDia tonga tia zava-poana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Malaina izy ka tsy te-hiady\nNy ady masina izay maro fady,\nNy lalan-tery dia halany,\nFa ny malalaka no tiany.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mazàna mety menatra ireny\nRehefa voatsindron-toriteny,\nFa hitany ny ratsy ao am-po,\nKanefa tsy mba te-hiova fo.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ry Jeso, Hianao no tokin’aina,\nIzay novonoina sy \nnankahalaina,\nOmeo ahy faharetam-po,\nHiaritra izay anjarako.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha reraka aho ka misalasala,\nDia  asehoinao, ry Ray malala,\nNy lovako arý an-danitra\nHihazona  ahy mba haharitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_647"},"ffpm_648":{"num":"648","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miambena  izao,\nRy fanahiko !\nMisy rafinao misaina\nHanangoly ny malaina ;\nBe ny fandrika\nVoavelatra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Miambena  izao,\nRy fanahiko !\nMba tsy ho andevon’ota,\nNa hotaomin’ny mpanota ;\nMivavaha  izao,\nRy fanahiko !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miambena  izao,\nRy fanahiko !\nKa tohero ny devoly,\nRaha avy manangoly ;\nKristy raisonao\nMba ho aronao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Miambena  izao,\nRy fanahiko !\nTsy ho ela tsy akory\nDia ho lasa ny mahory,\nKa ho afaka\nNy mpiambina.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Miambena  izao,\nRy fanahiko !\nFa ho avy  indray ny Tompo\nMba hampody ny mpanompo\nHo finaritra\nAo an-danitra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_648"},"ffpm_649":{"num":"649","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry mino, miambena re,\nFa manam-pahavalo be ;\nJesosy no arahonao\nHitarika anao.\nEzahonao ny dianao,\nNy satroboninahitrao\nMiandry ao aloha ao,\nKa mba tratraronao !\nMba mivavaha, ry havako,\nA miomana ao am-po ;\nAndeha  izao ilaozinao\nNy zavatra ho lo !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao no fiadiana\nOmen’Andriamanitra,\nNy fahamarinana alao\nMba hisikinanao ;\nHazony ny finoana\nAmpinga hanohanana ;\nNy tenin’Andriamanitra\nNo tena sambatra ;\nNy famonjena raisonao\nHo fiarovan-dohanao ;\nIreo no hanoheranao\nNy ratsy ao am-po.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Havana malala ô,\nAndeha  isika hiray am-po\nHikatsaka ny lanitra,\nFa ao tsy misy manjo.\nHo faly ao an-danitra\nNy vita fanompoana,\nKa izao isika handao\nNy zava-poana !\nHo lasa faingana indray\nNy androntsika an-trano lay ;\nVonjeonao ilay tany vao\nIzay mandry fahizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_649"},"ffpm_650":{"num":"650","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miambena, mivavaha, fa tsy\nfantatrao\nNa ny andro, na ny ora\nfe-potoananao\nNy Mpanjaka masina ho\ntonga tampoka\nHampaneno ny trompetra\nao an-drahona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Amboaro ny fanilon’ny finoana\nSy ny solika fitaiza voaomana,\nKa Velomy re ny afom-\npitiavana\nMba hidiranao an-dapam-\npifaliana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_650"},"ffpm_651":{"num":"651","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso ampio izahay mba\nhandresy !\nNy fahavalo mamely anay !\nIndro, ny aizina tsy mbola\nresy ;\nAry Satana mamandrika anay,\nKa mba omeo anay ny\nmazava,\nHampahasahy anay lalandava.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso ampio izahay mba\nhandresy !\nKely finoana re izahay ;\nKivy matetika, mila ho resy ;\nAoka ny herinao homba anay ;\nDia hatoky  izahay,\nry Mpandresy\nFa ny devoly dia  ho voasesy.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, ry Mpandresy, arovy\nny ainay !\nAdy mafy hiseho izao ;\nKa mba tohany hatoky\nny fonay !\nDia hiainga hanaraka Anao ;\nNa dia loza ny herin-tSatana,\nSahy izahay, Hianao no\nmitana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ampandreseo izahay,\nry Mpamonjy !\nKa raha vita ny ady atý,\nDia ho isan’izay voavonjy,\nAry ho faly sy tretrika erý ;\nTsy mba hitsahatra intsony\nny hoby\nHankalazana Anao,\nry Mpamonjy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_651"},"ffpm_652":{"num":"652","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Jesosy, omeo ny hery,\nMba handreseko ny ota izao !\nOsa sy ketraka aho irery,\nRaha tsy avy izao Hianao.\nRaiso ny fo.\nTano tokoa,\nMba handreseko,\nry Tompoko ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O, ry Jesosy, omeo ny hery,\nKa amboary ny fonay izao ;\nO, mba esory izay mahavery,\nMitomoera aminay Hianao ;\nKa hazavao\nNy fo izao\nAmpandosiro ny aizina ao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, ry Jesosy, omeo ny hery,\nKely finoana re izahay,\nAry ny lalanay ety sy tery,\nRy Jeso ô, mitantàna anay !\nTohanonao\nNy olonao,\nAmpandreseo izay manaraka\nAnao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_652"},"ffpm_653":{"num":"653","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Sakaiza, raha tia\nNy Tompo Hianao,\nFaingàna ka avia\nHanaraka Azy izao !\nO, mba tsarovinao\nFa Izy tsy nifaly,\nNaleony nijaly\nMba hamonjena  anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fanahy, mahereza,\nEfao ny adinao,\nFa làlana mideza\nNo hiakaranao ;\nNy zava-tsoa atý\nDia  zavatra mandala ;\nTsy azom-pahavalo\nNy lovanao arý.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Tompo manomeza\nAnay ny herinao ;\nFinoana mateza\nMba atolorinao;\nMba hanarahanay\nNy lalam-pamonjena.\nHahita  Anao mitsena\nAnay rahatrizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_653"},"ffpm_654":{"num":"654","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba faingàna re, ry mino,\nAza mba tamana atý ;\nAry aza manadino\nNy anjaranao arý.\nNy Mpamonjy anao\nNo manangana faneva,\nAry mampihevaheva\nAzy eo alohanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Marobe no mba mitady\nNy fiainana vaovao,\nNefa kosa tsy miady\nAmin’izao tontolo izao.\nNy Mpamonjy anao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Koa raiso ny ampinga,\nTano re ny sabatrao,\nFa izany mahakinga\nNy mpandeha toa anao.\nNy Mpamonjy anao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He, akaiky anao Kanana,\nTany hovantaninao ;\nAry any hy tanàna\nMisy ny anjaranao.\nNy Mpamonjy anao, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_654"},"ffpm_655":{"num":"655","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Kristy miantso antsika hiady,\nIzy nandresy ilay ratsy sahady,\nKa mba Henoy, ry sakaiza\nizao :\nKristy miandry indrindra anao !\nMila antsika\nKristy Mpanjaka.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Kristy Mpitarika amin’ny ady,\nKa mampandresy izay\nte-hifady\nNy fahotana, izay maimbo\nsy lo ;\nIzy no manda mafin’ny fo.\nMiaro antsika\nKristy Mpanjaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Kristy mampiananatra antsika\nhahery,\nIzy miaro antsika sao very,\nKa mba avia hifahatra ao,\nIndro ny ady mandroso izao\nMiantso antsika\nKristy Mpanjaka.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Kristy mamnjy antsika\nizay voa,\nAry tsaboiny ho entiny koa\nHo ao an-dapany mandrakizay\nHonina ao an-tranon’ny Ray.\nHaka antsika\nKristy Mpamonjy.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"O, ry Jesosy Mpanjaka,\nMpamonjy !\nTompon’ny dera aman-daza\nsy vonjy,\nIreo rafinao mba reseo izao,\nKa tanteraho izay sitrakao.\nO, mba avia,\nKristy Mpanjaka.","type":"verse"}],"id":"ffpm_655"},"ffpm_656":{"num":"656","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Maty malala, ka ory ny fo ;\nLasa ny tiana, ka mafy manjo ;\nNefa isika tsy mba mamoy,\nFa manantena hihaona indray :\nAo aminao Tompo ! izy izao,\nTsy mba marary na misy\nmanjo ;\nNentina any ambony madio,\nDia ho sambatra mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba notandremana fatratra\nkoa,\nNefa tsy tana, fa lasa izao ;\nEny, ry Tompo ! ekena tokoa\nIzay sitrakao, fa izany no soa :\nAo aminao ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fantatra koa fa isika izao\nSamy vahiny ka hody indray ;\nIndro ! ny namana lasa izao,\nLasa miandry antsika arý :\nAo aminao ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ary isika, raha hiala atý,\nDia hotsenain’ireo havan-\ntsy foy\nEny, hihaona mifaly indray\nKa tsy hisaraka mandrakizay\nAo aminao ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_656"},"ffpm_657":{"num":"657","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Lasa re ilay nazoto,\nNody ao an-tany soa,\nIzay nanompo tamin-joto\nKa nahefa be tokoa,\n:,: Indro, faly :,:\nFa mijinja voka-tsoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lasa nody fa voantso :\n“Miakara”, hoy ny Ray,\nKa fafao ny ranomaso,\nJeso Tompo no mandray.\n:,: Faly, ravo :,:\nFa tafakatra ao tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Lasa re ilay nihafy\nOry tena, be nanjo,\nFa nanohitra  ady mafy,\nNefa mba nahery fo.\n:,: Ka nandresy :,:\nFahavalo maro be.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Afaka  ady ka mifaly,\nFa tsenaina hatratý ;\nAfaka  ota, afa-jaly,\nKa mihoby hatrarý.\n:,: Hoy ny Tompo :,:\n“Mandrosoa, ka mifalia”.","type":"verse"}],"id":"ffpm_657"},"ffpm_658":{"num":"658","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tonga ny fahafatesana,\nAry jinjany ny velona ;\nIzy manapaka ny lehibe\nSady mamira ny kely re !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nefa ny fasana maizina\nEfa nidiran’ny Masina ;\nIzy nampody ny fiainana,\nResy ny fahafatesana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Amin’ny manam-pinoana,\nDia mazava ny fasana ;\nIzy hitsangana finaritra\nNoho Jesosy Mpanavotra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Resin’ny Tompo ny fasana,\nKoa, ry fahafatesana,\nAiza izao ny fanindronanao ?\nAiza, ry helo, ny herinao ?","type":"verse"}],"id":"ffpm_658"},"ffpm_659":{"num":"659","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry hava-malala misaona\nMangina fa mbola hihaona\nIsika sy izy nalaina,\nRaha  tonga indray ilay \nmaraina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny naman’ny tany ihany\nNo mody ho amin’ny tany,\nKa dia ny fanahy mifindra\nHo amin’ny Avo indrindra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy mainsty afafy aloha\nNy vary vao mety hamoa ;\nNy faty halevina koa\nTsy very fa mbola hifoha.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia miandrandrà,\nry mpisaona !\nHo avy ilay lohataona,\nKa dia haniry ny voa,\nIzay misy ny ain’ny Tsitoha.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ho avy ny Tompon’ny aina\nHiantso ny vovoka maina\nHitafy ny fahazavany\nSy hiditra ao am-panjakany.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Faingàna, ry Kristy Mahery,\nRy Fanantenanay irery,\nNy fasanay iva tsarovy,\nNy toky nomenao mba tovy !","type":"verse"}],"id":"ffpm_659"},"ffpm_660":{"num":"660","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Sambatra ny nodimandry,\nNiala teto ka tafandry\nAo ampofoan’i Kristy ;\nRavoravo izao ny fony\nKa tsy misasatra intsony,\nMby ao am-pitsaharany.\nNy asany tatý\nManaraka  azy arý,\nHaleloia !\nTafiditra  ao an-dapanao,\nRy Jeso, ny malalanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Saotra, dera, laza, hery,\nMba raiso ho Anao irery,\nRy Zanakondry tokinay !\nHianao dia nialoha\nHanolotra anjara soa\nHo an’ilay malalanay.\nNy fahafatesanao\nNo misy aim-baovao,\nHaleloia !\nHahita Anao ny olonao\nHohazavain’ny tavanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy mba misy alina any,\nJesosy no fahazavany\nSy tena masoandrony.\nAzony izay niriny,\nKa sambatra ny mpivahiny,\nFa ao no tanindrazany,\nFa efa tapitra\nNy ali-maizina,\nHaleloia !\nFa foana ny fasana,\nMaraina no miposaka.","type":"verse"}],"id":"ffpm_660"},"ffpm_661":{"num":"661","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, lasa ny zaza malalan’ny\nfo !\nAtolotra ny tany ny tena ho lo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy maty anefa ny zaza, fa he\nJesosy no milaza :\n« Matory izy e ! »","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy hamoha ny zaza indray,\nHiara-paly amin’anjelin’ny \nRay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ka mba mionòna, ry havana\natý !\nHo hitanao ny zaza ao\nan-danitra arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_661"},"ffpm_662":{"num":"662","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Mpamonjy, avia Hianao,\nIndro misento ny fonay izao ;\nNy alahelo mamely anay,\nKoa mitady Anao izahay !\nIza no aron’izay ory fo ;\nSady mpanampy ny mana-\nmanjo\nFa tsy ny Tompo mahery\nsy to ?\nDia Hianao, Izay be indrafo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Mpamonjy ô, mba\niantrao,\nIzay malahelo miantso Anao !\nNy mitomany tsy hitanao va ?\nFantatray fa Hianao tsy handà\nDia  manatòna ka mba mijere\nNy ranomaso izay mitete !\nFa Hianao no mahay manome\nFampiononana be dia be.","type":"verse"}],"id":"ffpm_662"},"ffpm_663":{"num":"663","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, lasa izao ny malala !\nNifindra  ao an-dapan’ny\nRay ;\nIsika rehefa miala,\nHo faly hahita azy indray,\nIsika izao mitomany,\nIharan’ny mafy manjo ;\n:,: Jesosy mahita izany,\nKa Izy hanony ny fo :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Matetika re ny mangidy\nAvela hihatra aminao,\nKa aoka mba tsy hanadidy,\nFa feon’ny Tompo izao,\nNy zanaka tian’ny rainy\nTsy maintsy anariny re !\n:,: Izay mahasoa ataony,\nOmbam-pitiavana be :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fo mora kivy ario,\nFa tsy mba hanary ny Ray ;\nNy mamy tsy hita anio\nHaposany rahatrizay,\nHofaohiny ny ranomaso,\nSoloam-pifaliana be ;\n:,: Ny toky omeny andraso,\nFa ho tanterahiny re ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_663"},"ffpm_664":{"num":"664","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nalain’ny Mpahary ity\nzaza ity\nHo sambatra mandrakizay,\nMiandry antsika nilaozany atý\nFa mbola hihaona indray,\nOnony ny fonao,\nRy mana-manjo !\nAo an-danitra izy izao,\nRavo izy izao,\nFa ny lapan’ny Ray\nFonenana mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nafahina amin’ny loza etý\nKa tretrika izy izao,\nNy nofo ho lo no alevina atý\nFa any ny tena vaovao.\nOnony ny fonao, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_664"},"ffpm_665":{"num":"665","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry mpisaona malahelo,\nMijere ny Tomponao,\nIzay namindra ny malala\nMba ho ao an-danitra ;\nMba fafao ny ranomaso,\nAndrandrao ny lanitra\nMitsahara, ry mpisento,\nKa derao ny Tomponao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nofo no anterintsika\nAo am-pasana anio ;\nNy fanahinay anefa\nTsy mba ao anatin’io.\nJeso no namindra azy,\nLasany ny havanao,\nFa navotany ho Azy,\nKa derao ny Tomponao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mangataha fahendrena,\nKa isao ny andronao ;\nMikatsaha famonjena\nSy fiainana vaovao,\nMba horaisiny tokoa\nHonina  any Aminy,\nKa hekeny ho sakaiza,\nMba ho ao an-tranony.","type":"verse"}],"id":"ffpm_665"},"ffpm_666":{"num":"666","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Eo an-kavanan-dRay Hianao,\nRy Zanakondry ô !\nKanefa loza mahamay\nNo niaretanao.\nNy henatra aman-kelokay\nNihatra taminao ;\nNivesatra ny otanay\nNo nahafatesanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Zanakondry masina\nNijaly an-tsitrapo,\nTeren’ny fitiavana\nHanala otako !\nNy tongotra aman-tananao\nDia  voafantsika ;\nNy gadranay dia  tapakao,\nIzay dia  afaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Vahoaka alinalina\nMitafy fotsy erý,\nKa samy miramirana\nMahita an’i Kristy.\nNy hira fihobiana\nManakoako ao,\nManeho fa navotana\nIzao tontolo izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Indreo ny vahoakanao\nAn-tapitrisany\nMitondra ny Anaranao\nEo an-kandriny.\nHe ! toy ny rian-drano be\nNy fiderana Anao,\nVoasokatrao ny lanitra\nHo an’ny olonao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Misaotra Anao izahay, ry Ray\nIzay navotanao,\nNatolotrao ho solonay\nNy Lahitokanao.\nRy Zanakondry, Avotray,\nDerainay Hianao,\nDerainay ho mandrakizay\nNy fitiavanao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_666"},"ffpm_667":{"num":"667","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zavatra iray ihany\nNo hotadiavina,\nFa izay atý an-tany\nDia tsy mampianina\nNy nofo dia zava-mandalo\nihany,\nSatria ho lo ao anatin’ny tany ;\nRaha azoko kosa ny zavatra\niray,\nNy foko ho sambatra\nmandrakizay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tadiavinao tokoa va\nny zavatra iray ?\nMba hevero fa ny soa\nMomba ny mandrakizay ;\nKa aza fatoran’ny eto intsony,\nKatsaho tokoa ny any \nambony,\nFa any no misy ny zavatra iray\nIzay hifalianao mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Fanahy ô, ampio\nNy finoako izao !\nRy Mpamonjy ô, tahio\nNy mpangataka Aminao !\nTariho ny foko hitady tokoa\nNy any ambony izay \nmahasoa ;\nJesosy ihany no zavatra iray,\nIzay ho anjarako mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_667"},"ffpm_668":{"num":"668","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesosy Tompoko no làlana,\nFahamarinana, fiainana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy afaka manatona ny Ray\nRaha tsy amin’ny alalany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy Tompon’ny fiainana ô !\nAoka Hianao no ho fiainako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Etý an-tany : fiainam-bavaka,\nRahatrizay : fiainan-danitra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Iriko mafy ny hiakatra,\nHiaina izany fiainan-\ntsambatra !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Jesosy tokana no hanome\nAhy ny fiainana mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_668"},"ffpm_669":{"num":"669","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, tazako ny lalan-tery,\nIzay misy fahoriam-be,\nKanefa feno hira, re ;\nFa na miady, tsy ho very.\nNy mino izay mizotra eo,\nNa misy mafy aza eo,\nHahazo lakrona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, tazako Sakaiza mora,\nMpanala fahoriam-be,\nMpiaro soa, Mpanome\nNy toky tsara isan-ora ;\nSakaiza feno herim-po,\nMamonjy amin’ny manjo ;\nSakaiza tsy manova.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He, tazako ny lamba soa\nOmena ny voavotra\nHo fanesoran-keloka\nSy fanavaozana  azy koa ;\nFa Jeso efa nanome,\nNy rany sarobidy re,\nHo fanadiovana  azy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He, tazako ny andro avy,\nIzay hialako sasatra,\nKa ny ririnin’efitra\nHanjary lohataona mamy ;\nKa any vao hivelatra\nNy vonindraozin-danitra\nAo amin’ny Edena.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"He, tazako ny voavonjy\nAo amin’ny Mpampakatra,\nDia  ao an-tampon-danitra,\nIzay niakaran’ny Mpamonjy ;\nMiravoravo izy ao,\nMihira fideram-baovao\nHo an’ny Zanakondry.","type":"verse"}],"id":"ffpm_669"},"ffpm_670":{"num":"670","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny ony tsy miato, fa mitady\nNy ranomasina ihaviany ;\nKa toy izany koa ny fanahy\nMitady ny Andriamaniny,\nAndriananahary\nNo Tompoko nahary\nNy faniriako,\nIzay mitady Azy, ka manary\nIzay misakana ny diako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izay midongy sy mirehareha\nTsy hahatratra ny Edenany ;\nLomorina ny rano tsy\nmandeha,\nKa samba ao am-pijanonany ;\nKa toy izany koa :\nHo samba avokoa\nIzay mijanona,\nKa tsy manatona ny Tompo\nsoa\nIzay mitahy sy mamelona.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy misy zavatra atý an-tany\nMahafa-po ny faniriako ;\nVahiny aho eto ka mankany\nAn-danitra izay fodiako.\nNy Tompoko malala\nHo avy hampiala\nNy olony atý ;\nIzaho dia tsy misalasala\nHanaraka ny Tompo ho arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_670"},"ffpm_671":{"num":"671","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ao an-danitra\nDia ho sambatra\nIzay tia ny Tompo atý !\nMalahelo izao,\nRavoravo re, ao\nAmin-dRaintsika an-danitra\narý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fahoriana\nAo an-dalana,\nFa iharan’ny zava-manjo ;\nAo an-danitra re,\nFiadanana be ;\nMba hevero, ry havana ô !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza kivy ô,\nRy fanahiko,\nNa dia  maizina aza atý ;\nVetivety izao\nDia hody hianao\nAo am-pahazavana arý.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Mpanavotray,\nIndreto izahay\nMpivahiny an-dalana izao ;\nTsy tamana atý,\nTe-hifindra arý\nAo an-danitra ao Aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_671"},"ffpm_672":{"num":"672","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, mamiratra fatratra erý\nIrony kintana tazana etý,\nKa manainga ny foko hankao\nAmin-tranon’ny Raiko izao,\nRaiko ô, mba vohay\nAho hiditra ao Aminao !\nRaiko ô, mba vohay\nFa iriko ny honina ao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Feno ota ny tany atý ;\nTsy mba misy izany arý,\nTena masina ireo mponina ao,\nKa mifaly mijery anao.\nRaiko ô, mba vohay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, fonenana mamiko re ;\nFa Jesosy nirina elabe,\nSady aina iainako izao,\nNo miandry hndray ahy ao,\nRaiko ô, mba vohay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba tsilovy ny lalako izao,\nRy Fanahy Mpitarika ô,\nHahitako ny tranon’ny Ray\nHovantaniko rahatrizay,\nRaiko ô, mba vohay, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_672"},"ffpm_673":{"num":"673","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hevero ny fihaonambe\nArý an-danitra  ;\nVahoaka izany re !\n:,: He, samy sambatra :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ho vory ao ny iraky\nNy Tompom-bokatra,\nMitondra amboarany\n:,: Am-pihobiana :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny isam-pirenena atý\nDia samy misy ao,\nNy teny izay ninoany\n:,: Tanteraka izao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny feon’ny fisaorany\nHo toy ny riana,\nNy hira iray iraisany,\n:,: Ka samy mirana :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny lanitry ny lanitra\nDia feno hobiny,\nNy Zanakondry masina\n:,: No ao anivony :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry Ray be fitiavana,\nIzahay mba taominao,\nMba samy ho tafangona\n:,: Ao anatrehanao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_673"},"ffpm_674":{"num":"674","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry mpivahiny reraka sy ana,\nHerezonao  ny dia, fa irý\nNy lapa soan’ny fanantenana,\nKa aza mba mamoy fo etý,\nFa vetivety Hianao no eto,\nDia  tapitra ny alahelonao,\nKa dia mba ononinao ny sento,\n:,: Fa mihafohy ny alehanao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy no mpitsinjo mpivahiny\nKa Izy dia ta-handray anao ;\nNy fony dia toy ny fahiny\nKa vonona hitantana anao,\nKa miezaha hanatratra eny,\nAntsoiny hianao izao hoe :\nMinoa Ahy araka ny teny,\n:,: Ny tranon-dRaiko dia\nlehibe :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mangoraka anao izao ny fony\nNy tena aman-drany vatsinao,\nKa aza mba mihemotra\nintsony,\nFa ampy ho anao Jesosinao,\nKa raiso ny finoana ho\nampinga,\nNy teny masina ho sambatra,\nNy fahamarinana mba\nhahakinga,\n:,: Ny fitiavana hanandratra :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_674"},"ffpm_675":{"num":"675","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Indreo ao an-danitra ny\nolo-marobe,\nMitsangana manatrika ny \nZanakondry, re ! \nAkanjo fotsy lava no\nanaovany,\nKa sampa-palma fandresena\nno an-tànany.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka iza moa ireo, ary avy\ntaiza re ?\nIreny dia avy tamim-\npahoriam-be,\nNanasa sy namotsy ny\nankanjony\nTao amin-dran’ny Zanakondry,\nIzay Mpanavony.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tia ny maloto tsy ho ao\nan-danitra,\nFa masina ny tonga any, sady\nsambatra\nMihira fiderana sy fisaorana\nNo zavatra ataony amim-\npifaliana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Endrey, maniry mafy aho mba\nho isany,\nHiaraka hihoby sy hifaly\nAminy ;\nAnefa an’ny Tompo ny \nfotoana,\nKa dia Izy no manendry\nny hodiana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_675"},"ffpm_676":{"num":"676","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny voarain’Andriamanitra arý\nKa afaka tatý\nAn-tany be mahory,\nDia lasa nody, fa tsy maty tsy\nakory.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny tafafindra monina ao\nan-danitra ao,\nNankao an-tany vao\nFonenan’ny mazava,\nDia  tsy mba maty, fa nandao\nny mety rava.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny voasatro-boninahitra\ntsy lo,\nKa ao manaram-po\nMisotro ranon’aina,\nDia tsy mba maty, fa nandray\nny nantenaina.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny ondrinao izay manaraka\nAnao\nHo ao am-balanao,\nRy Ilay Mpiandry Tsara,\nDia tsy mba maty re, fa tsara\nfiafara.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fo mivantana aminao\nIzay nanome\nNy hasambaram-be\nNandramany sahady,\nDia  tsy mba maty, fa \nmpandresy afaka ady.","type":"verse"}],"id":"ffpm_676"},"ffpm_677":{"num":"677","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! tazana ao an-danitra\nVahoaka finaritra\nMitafy fotsy, ravo fo,\nKa mirana  avokoa.\nNy vazantany efitra\nNo nielezan-kafatra,\nDia  tonga izao\nNy ory tao,\nKa afaka  entana.\nNy ran’ilay Mpamonjiny\nNahafotsy ny ankanjony ;\nKoa dia  ireo\nManandra-peo\nAm-pifaliana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ho an’Andriamanitra\nAn-tsezam-boninahitra\nNy famonjena anie !\nHobin’ny marobe,\nIlay Zanakondry avotra\nNo nanafahan-tahotra\nIzay voaray\nHo zana-dRay\nHobio mandrakizay !\nKa saotra voninahitra\nHo an’Andriamanitra,\nO, mba derao,\nAnkalazao,\nHaleloia ! Amena !","type":"verse"}],"id":"ffpm_677"},"ffpm_678":{"num":"678","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hajao ny olo-masina\nMpanaraka ny Tomponao,\nMiely sy Manerana\nIzao tontolo izao ;\nIreo dia tonga ohatra,\nKa tokony harahinao,\nNa efa olon-dehibe,\nNa zaza hianao ;\nTanteraka ny sasany,\nKa efa nody amin-dRay ;\nNy sasany dia mbola atý\nMilasy amin-day.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ka betsaka ny isany,\nNa atý, na ao an-danitra ;\nNy Rainy kosa dia iray,\nAndriamanitra ;\nIreo maro namanao\nMiantso koa maka anao\nHiaraka hiezaka\nHankao an-danitra ;\nKa dia miezaha re,\nKa aza kivy hianao ;\nJereo ao aloha ao\nNy loka ho anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_678"},"ffpm_679":{"num":"679","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"« Moa te-hiara-dia ?\nMoa te-hiara-dia,\nO, ry havana malala,\nHo ao Kanana izao ? »\n« Eny, te-hiara-dia,\nEny, te-hiara-dia,\nFa antsoin’Ilay Mpamonjy\nHo ao Kanana  izao ! »\n:,: Dera, dera, haleloia ! :,:\nAn’Andriamanitsika\nIzay ao ambony ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Kristy re no lalantsika,\nVatolampy, arontsika,\nIzy no mitondra antsika\nHo ao Kanana  izao.\nTano izahay ry Tompo,\nHatanjaho ny mpanompo,\nKa tsilovy ny haleha\nHo ao Kanana  izao !\n:,: Dera, dera, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tazana erý sahady\nPerla re ny vavahady,\nVolamena ny tanàna\nErý Kanana  erý.\nE ! hahita ny Mpamonjy,\nKa hifaly fa tra-bonjy,\nSy hidera re ny vonjy\nErý Kanana  erý.\n:,: Dera, dera, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_679"},"ffpm_680":{"num":"680","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aingao ny masontsika\nHitsinjo tany soa ;\nFa ao ny Tompontsika\nManomana tokoa\nTanàna, trano tsara,\nFianan-tsambatra e !\nIzany no anjara\nHo an’ny mino re !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny andro fifaliana\nHo avy ka  antenao ;\nNy andro nihafiana\nHo foana sy handao ;\nNy taona fihobiana\nHomen’ny Tomponao ;\nHo feno fifaliana\nIzao rehetra  izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny andro maharavo\nTsy ho ela  intsony izao ;\nHiarina ny lavo\nHandray ny tena vao,\nIrio ny Tompo Avo\nHo avy hanavao ;\nHo faly izay mahazo\nIzao fiainan-tsoa izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_680"},"ffpm_681":{"num":"681","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iza moa ireo mitsangana\nArý an-koatra arý ?\nNy seza fiandrianana\nNo eo anilany,\nHaleloia, mihobia !\nFa Mpandresy izy e !\nKa mitana ny rofia,\nVoninahi-dehibe.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fahorina mafy loatra\nNo nentin’izy ireo,\nKanefa tsy nitsoaka\nNijaly fa tsy leo,\nFamonjena firenena\nAdy masina tokoa,\nNanolorany ny tena\nHo mpitory “Teny Soa”.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! ry mponina ao an-danitra\nAnjely marobe,\nOmeo voninahitra\nNy maritiora e !\nIlay Kanana soa tokoa\nNo fonenany izao\nHetaheta, sanatria\nTsy haninona azy ao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba avia, ry olom-belona\nAvia, ankalazao\nIlay maty nefa velona,\nJesosy Tomponao.\nDera, laza atolotray\nHaleloia, haleloia ! \nHo Anao, Mpanjakanay,\nHo Anao, doria doria.","type":"verse"}],"id":"ffpm_681"},"ffpm_682":{"num":"682","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hianao, Jehovah Tompo\nNo itokiako\nKa tsy matahotra aho\nFa manana Anao.\nRy Harambato mafy,\nIzay ao mandrakizay\nNy foko tsy hanahy,\nFa miankina Aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mitsoka mafy loatra\nNy rivo-doza re,\nKanefa tsy hihoatra\nNy fefy lehibe.\nRy Aron’ny tanora,\nRy Tokin-dehibe\nHo heriko isan’ora\nNy herinao anie.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha tonga re ny fetra,\nNy andro tapitra,\nHaneno ny trompetra,\nHihovitrovitra.\nKanefa matokia,\nRy foko fa Jeso\nHitantana ny dia\nHo eo anilanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_682"},"ffpm_683":{"num":"683","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ao am-pitan’ilay lohasaha\nizay\nAlo-pahafatesana koa,\nMoa mba tsinjonao ve ‘rý\ntanàna iray\n‘Zay mamiratra toa vatosoa ?\nNy masoandrony tsy mba\nmilentika koa\n‘Zay rehetra mby ao voadio\navokoa\nKa mamiratra toa vatosoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny Mpanjakany dia ‘Lay Ray\nbe fitia\nSady aina ho an’izay ao ;\nRy mpanota mibebaka ô,\nmatokia\nHosasany hadio hianao,\nNy masoandrony ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nefa tsinjoko fa ny fidirana\nao\nDia am-pototr’ilay lakoroà !\nHe mideza sy ety ny lala-\nmankao\nO, ry foko, moa ho kivy va ?\nNy masoandrony ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Olo-masina maro no tsinjoko\n‘ndreo\nAo mihira sy mitafy vao ;\nIriko indrindra ho isan’ireo\nKa tantano, Jeso aho, ho ao.\nNy masoandrony ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_683"},"ffpm_684":{"num":"684","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ao ny lanitra tsara tokoa\nIzay fonenana mandrakizay,\nTany be hasambarana koa ;\nAo isika hihaona indray ;\nMifalia, mihobia,\nFa  ao isika  hihaona indray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ao ny lova izay mamin’ny fo\nSy fiainana mandrakizay,\nVoninahitra tsy mba ho lo ;\nAo isika hihaona indray ;\nMifalia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ao ny Ray, Loharanon’ny soa,\nHovantanina rahatrizay,\nIzay hampiditra hoe : \nmandrosoa\nAo isika hihaona indray ;\nMifalia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ao ny Zanaka be indrafo\nIzay nijaly tatý fahizay ;\nNefa tsy mba nahita ny lo,\nFa  efa velona mandrakizay ;\nMifalia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fanahin’ny Ray ao tokoa\nIzay mitarika antsika izao\nSy mananatra antsika ho soa,\nNo mitondra antsika hankao\nMifalia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Matokia, miravoa, mifalia,\nFa azontsika ny lapan’ny Ray\nMidérà, mihirà, mihobia,\nFiadanana mandrakizay\nMifalia, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_684"},"ffpm_685":{"num":"685","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Matokia, mpivahiny !\nAny an-tanàna arý\nMisy trano soa madio\nMandrosoa hianao :\nMisy fitsaharana any,\nMatokia hianao ;\nMisy fitsaharana any,\nIzay ho azonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ao ny Tomponao miandry\nHanome anao ny soa ;\nMisy fiadanana any\nVoavoatra ho anao :\nMisy fitsaharana ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Any tsy mba misy rofy\nAmam-panaintainana ;\nIzay rehetra tonga any\nAfa-pahoriana\nMisy fitsaharana ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy mba mamy va ny mody\nMba ho afa-tsatsatra\nSy horaisin’i Jesosy\nAmim-piadanana ?\nMisy fitsaharana ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_685"},"ffpm_686":{"num":"686","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Maniry izahay\nHo any aminao,\nJerosalema tanànanay,\nTanàna masina ;\nNy trano lay atý,\nTsy maintsy rovitra,\nKanefa tazanay erý\nIlay tsara lavitra ;\nTazanay, tazanay\nNy tany masina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba tanterahonao,\nRy Tompo tia anay !\nNy fikasan’ny Zanakao\nNataony taminay ;\n« Ho any amiko\nIzay nomenao Ahy,\nFa tiako ho hitany\nNy voninahitrao »\nTazanay, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mankany aminao\nIzao ny dianay,\nNa sarotra ny làlana,\nMihira izahay ;\nNy hasasaranay.\nTsy misy intsony izao,\nFa tazanay sahady re,\nNy tany masina :\nTazanay, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_686"},"ffpm_687":{"num":"687","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny tranon’ny Raiko, trano\nmadio,\nTsy misy mahory na zava-\nmanjo ;\nAvia, ry malahelo, hankao,\nMizora, fa Izy hampiditra\nanao !\n:,: Sambatra re izay tonga\nao :,:\n:,: Faly tokoa :,:\nIzay tafiditra ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mandalo izao fiainana izao,\nKa aza sondriana atý hianao ;\nNy ratsy izay mitaona reseo,\nNy any an-danitra no mba\nirio !\n:,: Sambatra re, ..sns :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He, ao no ho hitantsika tokoa\nNy tavan’Ilay Zanakondry\nmadio ;\nNy mpino tetý no efa ao koa,\nManiry hihaona amintsika\ntokoa,\n:,: Sambatra re, ..sns :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy misy manjo izay afa-\nmankao,\nNa andro mahory hitseran’ny\nfo ;\nFa any tsy misy alina koa,\nTanàna mazava, fonenana\nsoa,\n:,: Sambatra re, ..sns :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny mino rehetra ory tetý\nTafakatra any ka faly tokoa,\nMihira ny famonjen’i Jeso,\nMidera ny fiandrianan’ny Ray.\n:,: Sambatra re, ..sns :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_687"},"ffpm_688":{"num":"688","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misy tany mahafaly,\nTany izay alehanay,\nTany misy an’i Jeso,\nJeso Tomponay !\nTany soa maharavo,\nTany tadiavinay !\nAfa-tahotra, afa-doza\nIzay tafiditra ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tany tia mpivahiny,\nTany namboarinao,\nRy Jesosy be fitia,\nJeso Tomponay !\nHo anay atý an-tany\nIzay mba malahelo fo\nNoho ny fomban-tany ratsy\nMahazatra anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maro be ny fahavalo\nIzay miady aminay ;\nMafy ny fakam-panahy\nHitanay atý ;\nSakan-dalana, ady mafy\nNo alehanay izao :\nBe tokoa ny mampahory,\nNefa fantatrao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eny, fantatrao, ry Jeso\nFa  izahay mpanomponao\nDia  handresy ny devoly\nNoho ny herinao ;\nKoa  ampionao izahay re\nMba hiankina aminao\nHahatraranay ny tany\nNamboarinao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_688"},"ffpm_689":{"num":"689","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fandalovana atý,\nLanitra honenako ;\nEfitra izao tany izao,\nLanitra honenako ;\nVoahodidin-doza atý,\nReraka ao an-dalana,\nValaka sy sasatra ;\nLanitra honenako.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na mandrivotra aza atý,\nLanitra honenako ;\nTany no hilaozako,\nLanitra honenako ;\nAlon-dranomasina\nSy ny rian-drano be\nTsy hisakan-dalana ;\nLanitra honenako.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ao an-tratran’i Jeso,\nLanitra honenako ;\nAfa-pahoriana\nLanitra honenako ;\nAo ny olo-masina\nIzay mba tiako tatý,\nFaly raha hitako ;\nLanitra honenako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Dia tsy halahelo aho,\nLanitra honenako ;\nMafy ny manjo atý,\nLanitra honenako ;\nAo no hitoerako\nFaly anatrehan-dRay,\nAo homeny toerana ;\nLanitra honenako.","type":"verse"}],"id":"ffpm_689"},"ffpm_690":{"num":"690","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! misy re fonenana ;\n:,: Tsara e ! :,:\nKanefa tsy mba lavitra ;\n:,: Tsara e ! :,:\nNy trano ao voavoatra ;\nHo an’izay mangataka ;\nFa Jesosy no Tompony,\n:,: Tsara e ! :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy misy fahoriana ao ;\n:,: Tsara e ! :,:\nTsy misy alahelo ao ;\n:,: Tsara e ! :,:\nNy ota tsy tafiditra ao,\nNy devoly tsy monina ao,\nFa ny anjely masina ;\n:,: Tsara e ! :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny Tompo dia miantso anao ;\n:,: Tsara e ! :,:\nNy teniny henoinao ;\n:,: Tsara e ! :,:\n“ Avia atý ry zanako !\nKa mibebaha re anio,\nTsy misy ‘zay holaviko ”\n:,: Tsara e ! :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Efa azonay ny santatra ;\n:,: Tsara e ! :,:\nVoavelany ny heloka ;\n:,: Tsara e ! :,:\nHo any faingana izahay,\nFa Kristy manome anay\nFiainana mandrakizay ;\n:,: Tsara e ! :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_690"},"ffpm_691":{"num":"691","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny lapan’Andriamanitra\nNo ivorian’olona\nTsy omby alinalina,\nIzay madio sy masina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao firenen-drehetra  izao\nDia samy afaka hankao ;\nTsy fomban’Andriamanitra\nHizaha tavan’olona.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ireny no naharitra\nNy hazo fijaliana,\nNa dia nanao ny henatra\nHo zava-tsinontsinona.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Endrey, ny hafaliany !\nMazava ny tarehiny ;\nFafàn’Andriamanitra\nNy ranomaso latsaka.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ataony ao ny hira vao\nHoe : “ Voavono Hianao ;\nNy ranao, Zanakondrinay !\nNo nanavotanao anay ”","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry Jeso ô Mpanavotra !\nIzaho dia milatsaka\nHo isan’ny mpanomponao\nManaraka ny dianao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_691"},"ffpm_692":{"num":"692","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! misy tany soa\nIzay tsy atý ;\nMaro ny olona\nFaly arý ;\nTsara fonenana\nSambatra sy tretrika\nSady finaritra\nIzay mponina  ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza sondriana\nFoana atý ;\nO ! miomàna re\nMba ho arý ;\nBe fiadanana,\nTsara fitoerana,\nBe haravoana\nIzay mponina  ao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mafy izay manjo\nHita atý,\nKa misikìna re\nMba ho arý ;\nJeso mitandrina,\nSy mitahy fatratra\nAry mahenina\nIzay mponina  ao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aza variana\nFoana atý ;\nO ! miaingà izao\nMba ho arý ;\nJeso Sakaizanao\nNo Mpitari-dalana,\nKa dia hitondra  anao\nHo tonga ao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_692"},"ffpm_693":{"num":"693","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ao ambony ny lapan’ny Ray,\nAo an-danitra feno ny soa,\nHasambarana mandrakizay,\nKristy soa no iriko tokoa,\n:,: Kristy soa, Kristy soa\nNo iriko ho ahy tokoa :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Misy tsara ihany atý,\nMba ho santatra eto izao ;\nFa tsy mety ho toy ny arý,\nKa iriko tokoa mba ho ao,\n:,: Kristy soa, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny voavotra ravo izao,\nAfaka ota ka faly tokoa,\nAfa-paty izay tonga ao,\nAfa-doza, mahazo ny soa,\n:,: Kristy soa, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy ny lanitra be zava-tsoa,\nFa ny Tompo malalaka ao ;\nTsy mba tahotro helo tokoa,\nFa ny Tompo tsy foiko izao.\n:,: Kristy soa, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_693"},"ffpm_694":{"num":"694","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Enga ka hanana elatra soa\n:,: Aho etý :,:\nMba hanidinako avo tokoa\n:,: Hody erý ! :,:\nFo malahelo ny ratsy natao\nNo ela-tsoa hitondra hankao ;\nHanana elatra aho anie,\nMba hanidinako ao !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Trano mamiratra tsara irý,\n:,: Raiko no ao :,:\nNa nahabe ahy aza ity,\n:,: Mamiko ao :,:\nHavako maro no sambatra ao,\nFaly ny foko hankeny izao ;\nEnga ka hanana elatra aho,\nMba hanidinako ao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na dia an-danitra aza erý,\n:,: Lavitra va ? :,:\nRaha tarihin’i Jeso etý,\n:,: Ketraka va ? :,:\nTsia, fa hiainga tokoa aho\nizao !\nIndro akaiky ny lala-mankao ;\nEnga ka hanana elatra soa,\nMba hanidinako ao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Andriamanitra Ray no erý,\n:,: Tsara tokoa :,:\nJesosy koa ‘Lay Mpamonjy\ntetý,\n:,: Zanaka soa :,:\nAo ny Fanahy Masina re !\nTapitra ao avokoa ny soa ;\nHanana elatra aho anie,\nMba hanidinako ao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_694"},"ffpm_695":{"num":"695","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Arý an-koatra arý\nIlay Paradisa soa\nToa takona atý,\nKanefa ao tokoa,\nMamirapiratra   ao,\nNy endriky ny Ray ;\nJesosy Tompo ao\nMiandry mba handray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy misy ny hanjo\nIzay tafiditra ao ;\nNy ranomaso koa\nTsy afaka hankao\nNy hazavana soa\nManelatrelatra ao ;\nNy zava-mahasoa\nTsy misy izay tsy ao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Anjely marobe\nMihira any koa ;\nIreo olo-masina  e\nMifaly avokoa.\nAndeha re izao,\nSakaiza marobe,\nArio ny tahotrao,\nKa dia mizora re !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha misy loza etý,\nJereo ny Tomponao ;\nFa izy raha tetý\nNitondra toy izao.\nIreo fahoriana atý\nOdio tsy hita re,\nHandraisantsika  arý\nNy fiadanam-be.","type":"verse"}],"id":"ffpm_695"},"ffpm_696":{"num":"696","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Raha ho faty aho\nKa handao ny havako\nAry dia hisaonany,\nFa handeha  hifaly aho ;\nRaha afaka ny aiko,\nDia ho finaritra aho.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! antsoiny aho,\nHo any an-danitra,\nDia faly ny foko,\nSy ravo ny kiboko,\nFa  azoko ny iriko\nSy nantenaiko ela.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Havelako ny tany,\nFa efa azoko tokoa\nNy fifaliam-be ;\nLovako ny lanitra,\nDia tsy matahotra\nNy hafatesana aho.","type":"verse"}],"id":"ffpm_696"},"ffpm_697":{"num":"697","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Any ambony fonenana tsara\nDia tsy mba misy itseran’ny\nfo ;\nEny iriko ho tsara miafara\nHiara-manjaka  aminao ry\nJeso !\nIsaoranay ny Tomponay,\nRaha ‘mby any dia faly\ntokoa ;\nIsaoranay ny Anaranao soa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Rehefa tonga ilay andro\nmalaza\nIzay hanatrehana Anao, ry\nJeso !\nIzay no heveriko ho tena\nlaza :\nDia ny hidera Anao,\nTompo ô !\nIsaoranay ny Tomponay,\nRaha ‘mby any tsy mba ory\nkoa ;\nIsaoranay ny Anaranao soa !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ao izany havana tena malala\n‘Zay mahafaly fa hita indray,\nNefa izay hampifaly tokoa\nDia ny mihaona aminao ry \nJeso !\nIsaoranay ny Tomponay,\nRaha ‘mby any tsy misy\nmanjo ;\nIsaoranay ny Anaranao soa !","type":"verse"}],"id":"ffpm_697"},"ffpm_698":{"num":"698","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Iza re ireto avy,\nVoatafy lamba soa,\nSamy voasatroka avy\nSatro-bolamena koa ?\nAvy taiza izy ireo,\nKa ho aiza izy ireo ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izy   ireo dia voavonjy,\nVoavela heloka ;\nSamy nino an’i Kristy\nFony mbola velona ;\nBe ny ratsy nentiny,\nFa izao dia sambatra.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maro be ny fahavalo\nNiadiany tatý,\nFa tsy mba misy izany\nintsony ;\nAfaka ny sarotra,\nAfa-pahoriana,\nHe, ny hafaliany !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Miramirana tarehy,\nIndreo, avy izy   ireo\nMba hihoby an’i Kristy,\nTompo sy Mpanjaka koa,\nFa nahazo zava-tsoa,\nKa dia tretrika tokoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_698"},"ffpm_699":{"num":"699","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Midera Anao ny olo-masina\nNoho ny fandresena \nnomenao ;\nRy Jeso ô ! Mpitari-dalana !\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ory sy lao, fadiranovana,\nNatao ho zava-tsinontsinona\nNefa ireo no tsy nivadi-po ;\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mafy ny ady aman-tafika,\nIzay nihatra tao an-dalana,\nFa Hianao no nitokiany ;\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Indro ! mpandresy no idirany\nAo afovoan’ny ao an-danitra,\nHandray ny satro-boninahitra ;\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"« Mpanompo tsara sady\nmahasoa,\nMidira am-pifalian’ny\nTomponao »\nHe, sambatra izy, fa efa\nvoaray ;\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Aoka ireo no hotahafinay\nAmin’ny ady iadiana,\nHiraisam-boninahitra aminy :\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Ankehitrio, Anao ny fiderana,\nRy Ray sy Zanaka, Fanahy koa\nEran’ny tany aman-danitra :\nHaleloia ! Haleloia !","type":"verse"}],"id":"ffpm_699"},"ffpm_700":{"num":"700","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ao ny andro lehibe\nMisy fifaliam-be,\nDia ny andro hahatongavana\nAmin’ny fonenana\nFeno fiadanana.\nTsy mba misy ota na heloka,\nEny, tena andro malaza tokoa\nizay.\nJeso Ilay nandresy ny fasana,\nIzy no hitantana\nAo am-pahafatesana,\nKa ho mora ny handehanana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ao ny andro lehibe\nMisy fifaliam-be,\nIzay hihaonana any an-danitra,\nAfa-pahoriana,\nAfa-pijaliana,\nSambatra tokoa sy tretrika.\nEnga ka ho ao avokoa isika\nizao\nKa tsy hisy very na dia iray !\nTava miramirana,\nEndrika mamiratra\nNo hananantsika mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ao ny andro lehibe\nMisy fifaliam-be,\nHahitana an’Andriamanitra\nSy Jesosy Zanany\nMbamin’ny Fanahiny.\nHoby no hameno ny lanitra.\nSerafima sy arkanjely no\nnamana\nMankalaza ilay feno indrafo.\nNy fitomaniana\nSy ny fisentoana\nTapitra, fa afaka ny manjo.","type":"verse"}],"id":"ffpm_700"},
"ffpm_701":{
   "num":"701","type":"ffpm","title":"","version":[],
   "lyrics":[
      {"num":"1","lyrics":"Ny hiran’ny lanitra\nTsara tokoa\nSy mahafinaritra, re !\nHenoy izany feon’ny\nolona maro\nizay faly tokoa mihira hoe :","type":"verse"},
      {"num":"1","lyrics":"(Feo 1)\nHaleloia, Amen !\nHaleloia, Amen !\nHaleloia, Amen !\nHaleloia, Amen ! \n(Feo 2)\nNy dera aman-daza,\nsy hery anie\nHo Anao, ry Zanak’ondry !\nNy dera aman-daza,\nsy hery anie\nHo Anao, Anao, Amen !","type":"refrain"},
      {"num":"2","lyrics":"Toy ny feon’ny rano\nmahery ny hira ataon’ny\ntra-bonjy arý ;\nManerana ny lanitra\nny fiderany,\nFa vita ny adiny mafy tatý,\nHaleloia, Amen ! ..sns.\nNy dera aman-daza, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsy mety mangina\nny hiran’ny lanitra\nVelona mandrakizay !\nEndrey ny fihaonana\nany an-danitra\nsy ny fiainana mandrakizay !\nHaleloia, Amen ! ..sns.\nNy dera aman-daza, ..sns.","type":"verse"}
   ],"id":"ffpm_701"},
"ffpm_702":{"num":"702","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"An-danitra, an-danitra\nTempolin’i Jehovah,\nNo hahitàna Azy, re\nAm-boninahitra !\n:,: Ka masina i Jehovah :,:\nNo hohiraina ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"An-danitra, an-danitra\nNo mba hamiratra\nNy voninahi-dehibe\nHananantsika e !\n:,: Raha tonga\nny fihaonana :,:\nAo amin’ny Jehovah.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"An-danitra, an-danitra\nNo ho finaritra\nNy tena izay nijaly be\nAm-pahoriana\n:,: Fa any no hifaly e :,:\nFahasambarana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fo sy ny fanahy e,\nNo faly anie,\nFa afaka ny entana,\nIzay nivesarany ;\n:,: Ka fitsaharan-dehibe :,:\nOmen’i Jehovah..","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tsy hain’ny lela anie\nHanonona izao\nNy soa antenaina e,\nRaha Anatrehany,\n:,: Manenika ny lanitra :,:\nNy fitiavany.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry Jeso Kristy Tomponay\nTariho izahay,\nKa mamelà ny helokay,\nMba hitokianay,\n:,: Fa tsy ho menatra\nizahay :,:\nFa ao i Jehovah.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Raha avy ny hodianay\nHo anatrehany\nTariho izahay,\nMba ento, Jeso, izahay\nHankany Aminy !\n:,: Mba ho anay \nmandrakizay  :,:\nNy fitsaharana !","type":"verse"}],"id":"ffpm_702"},"ffpm_703":{"num":"703","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah, Ray Tsitoha\nVory eto izahay,\nRay hatramin’ny taloha,\nMihainoa ny vavakay,\n:,: Mitsangàna :,:\nEto afovoanay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andro fampakaram-bady,\nFifaliam-be izao ;\nHianao no mampivady\nRaha voatendrinao ;\n:,: Vady hendry :,:\nLova avy aminao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jehovah Ray malala !\nMba tezao ireo ho soa,\nSamy tsy hisalasala,\nFa hifankatia tokoa ;\n:,: Hamasino :,:\nMba ho olonao ireo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ho fanahy mifandanja\nSady tsy ho toy ny roa,\nHo mpivady mifanaja\nSady mifamaly soa ;\n:,: Akambano :,:\nMba ho fo iray tokoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_703"},"ffpm_704":{"num":"704","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry olon-kanao fanekena\nmasina,\nMisaora ny Tompo, fa ny\nsitrapony\nNo nampikambana\nAmim-pitiavana ;\nKa dia tsy olona roa intsony,\nNy tany Edena tsahivina\nindray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fahamarinan’\nAndriamanitra\nNo haingo manendrika ny\ntokantrano\nHo toy ny lanitra\nMamirapiratra.\nRy mpivady marina, Kristy no\ntano\nHandamina ny tokantrano\nvaovao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fahasoavan’Andriamanitra\nNo andry manohana ny\ntokantrano\nKa mampisandratra\nNy te ho sambatra,\nIzay ankohonanareo\natsangano\nHidera ny famindrampo\nlehibe.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny fanaky ny tokantrano\nmasina,\nManoatra be noho ny\nvolamena ;\nNy fivavahana\nSy ny finoana,\nFisaorana sy fiderana homena\nMarain-tsy hariva ny\nMpamonjy e !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Jehovah Mpitana ny\nfanekena ô !\nTahio ny toky nomeny ho\nmafy,\nHo masina sy to,\nHo marina am-po ;\nKa izy handresy izay\nta-handrafy ;\nHo azy ny lova ho\nmandrakizay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_704"},"ffpm_705":{"num":"705","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo Zanaharinay !\nJereo ny fivorianay,\nIzao fampakaram-bady izao\nTahio sy hamasinonao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ireo zatovo roa ireo\nManketo anatrehanao,\nFa mifanaiky izy izao\nHivady sy hifanasoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mangataka aminao izahay\nHitahy ireo havanay,\nRaha ory mba ononinao\nRaha faly, aza ilaozanao","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Arovinao ny tenany,\nTsinjovy ny taranany ;\nHo-tsara fara anie ireo,\nHo ravoravo toy izao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny fifalianay anio\nHitohy hatrarý anie !\nIty andro lehibe ity\nHo santatry ny soa arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_705"},"ffpm_706":{"num":"706","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izao manatrika Anao,\nRy Jesosy, izahay,\nIndro tokantrano vao\nNo hoarina indray.\nIzahay mangataka ;\nNy tsodranonao omeo,\nKa avia hanapaka\nNy fiainan’izy ireo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ho Kristiana velona\nAnie ny zanany,\nHo vavolombelona\nFa Anao ny tenany.\nAoka mba hamiratra\nNy filazantsaranao,\nVelona hanaraka\nNy fonay ka hazavao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka ny fiangonana\nHanompoanay Anao,\nHanana olom-banona\nFaly ny hiasa ao.\nAntenainay marina,\nFa Hianao hanohana\nIzay firaisa-masina,\nHisy fahasoavana.","type":"verse"}],"id":"ffpm_706"},"ffpm_707":{"num":"707","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy be fitia !\nManatreha, manampia,\nNy mpanomponao izao\nIzay mivavaka aminao,\nFifaliana madio\nNo omena anay anio.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indreo ny havanay jereo,\nMba ho soa anie ireo !\nTanan-droa mifandray,\nNofo roa, tonga iray\nMifaniry soa tokoa,\nMifanampy, mifanoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ilay tso-drano hatrizay\nNo omeo ireo havanay ;\nMba ho marofara anie,\nHanam-panambinana,\nFeno fiadanana\nNoho ny fitahianao","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha ory mba vangio,\nMitaraina mba valio ;\nMitoera aminy\nAo an-tokantranony\nHamasino, hafanao\nNy fitiavany Anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_707"},"ffpm_708":{"num":"708","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah Ray kiady\nSy mpikarakara anay,\nKa nitahy ny mpivady\nTao Edena fahizay,\nIndro misy tonga koa\nEto anatrehanao,\nManam-pikasana soa\nHo mpivady hatr’izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba tahio, ry Ray mpiahy,\nNy firaisany izao,\nHifanaraka am-panahy\nSy hiankina aminao.\nNy tsodranonao fahiny\nAngatahinay indray,\nMba hatao ankehitriny\nHahatò ny hatakay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha omenao zaza izy,\nDia mba ampio re,\nHitaizany ny ankizy\nAmim-pahendrena be ;\nAza avela ho irery\nRaha tratry ny manjo,\nFa tafionao ny hery\nMahatanjaka ny fo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha ao ny andro tony\nMila haharenoka,\nDia taironao ny fony,\nRy Mpamela heloka.\nRaha tapitra ny taona\nEfa voafetranao,\nEnga ka ho tafahaona\nAo an-danitra aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_708"},"ffpm_709":{"num":"709","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah ô, mba mihainoa !\nIndreo misy olon-droa izao\nIzay manam-pikasana soa\nHanorin-tokantrano vao :\nO ! tahio, O ! tahio,\nMba ho tokantrano soa\nmadio\nO ! tahio, O ! tahio,\nMba ho tokantrano soa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Dia angatahinay, ry Ray\nNy fitahianao ho azy ireo\nHo nofo sy fanahy iray\nKa hifanaja hatrizao.\nO ! tahio, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fenoy ny fiadananao\nNy tokantranon’izy ireo\nKa mba hamirapiratra  ao\nNy fivavahana  Aminao.\nO ! tahio, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tahio ireo, ry Tompo soa,\nMba ho mpivady marina,\nHitana sy hanaja koa\nNy fanekena masina.\nO ! tahio, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tahio, hifampitantana\nMandritra ny fiainany,\nKa dia ny fahafatesana\nNo fetra isarahany.\nO ! tahio, ..sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ho maro fara anie ireo\nKa mba hitaiza ho Anao\nIreo solofo ho tia  Anao,\nHanompo sy hanaja  Anao.\nO ! tahio, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_709"},"ffpm_710":{"num":"710","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Nakambanao, ry Tompo ô !\nAdama sy Eva nankatò\nNy fampakaram-bady,\nTahio sy vimbinonao\nIreto anatrehanao\nManaiky ho mpivady,\nHahay handray\nNy anjara izay hihatra\nIzy roa\nAry hifanisy soa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Dia nifanaiky izy izao ;\nRy Tompo ô ! vimbinonao\nMba ho iray tokoa ;\nNy fony mba tarihonao\nHanaraka ny didinao\nNomenao azy roa ;\nIzao handao\nRay sy reny, ka ny teny\nNolazainy\nEnga anie ka tsy hovany.","type":"verse"}],"id":"ffpm_710"},"ffpm_711":{"num":"711","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo ô, endrey ny fitahiana\nIzay natondrakao ny zanakao\nVory eto, feno fifaliana\nAmpoky ny fahasoavanao.\nIzay rehetra nikelezan’aina\nDia nombàn’ny fitantananao\nVonona avokoa izay nilaina\nTsy mba lany ny harenanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro trano efa novitaina\nHanasoavana taranaka\nHitaizàna, hanolokoloana\nIreo tanora halain-tahaka,\nIzay voafafy, antenaina\nMba hamokatra tsy tapaka ;\nDia ho vanona ny firenena\nKa hitombo, hisandrahaka.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izany re, ry Tompo, no\nfinoana\nTananay, ka mba herezonao,\nIzahay handroso tsy hivoana,\nEo ambany fiarovanao,\nKa ny fangataham-pitahiana\nTompo ô ! akarina Aminao\nNy Anaranao no iaingàna\nHoderaina ny Anaranao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_711"},"ffpm_712":{"num":"712","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha tsy Jehovah\nNo manao ny trano,\nDia miasa foana\nNy mpanorina.\nRaha tsy Jehovah\nNo miambina àzy,\nMiari-tory foana\nNy mpiambina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nahavita trano\nNy mpianakavy,\nKa mifaly, ravo\nNahatsangana\nNefa koa tsaroana\nFa Jehovah Tompo,\nFeno fitahiana,\nNo nanambina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mankasitraka aho,\nAry koa misaotra\nAn’Ilay Nahary\nBe fitiavana.\nIzay rehetra ahy\nDia nomen’ny Ray ;\nEny, ity trano\nDia avy taminy.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tompo ô ! tahio\nIzay miditra ato ;\nDia arovy koa\nIzay mivoaka;\nMba monena ato,\nMiaraka aminay\nAnjakao ny trano,\nHiadananay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_712"},"ffpm_713":{"num":"713","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miposaka indray ny\nmasoandro,\nNy ali-maizim-be dia tonga\nandro ;\nRy foko, mba derao ny Ray\nTsitoha,\nKa dia andrandrao,\nDerao, ankalazao\nNy Rainao soa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny loza marobe atý an-tany\nDia  niarovanao anay izany,\nKa zava-mahafaly no omeny,\nDia fiarovana\nSy fitiavana\nTsy hita lany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Masoandronay, mba\nmitariha\nNy dianay anio mba tsy\nhania ;\nMahery Hianao ka maharara\nNy fahavalonay\nTsy hahataona anay\nHandà ny tsara.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny zavatra manjo tsy\nmampanahy\nNapetraka aminao ny ahiahy,\nKa dia matoky aho, ry\nTsitoha !\nOmeo ny zanakao\nIzay heverinao\nHo mahasoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_713"},"ffpm_714":{"num":"714","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah Zanahary,\nIzahay miderà Anao ;\nNy alina nanjary\nHo firaketanao.\nMaraina izao ny andro,\nKa lao ny maizina ;\nSavao, ry Masoandro,\nIzay fahoriana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Kintan’ ny maraina,\nJesosy Havanay,\nArovinao ny aina,\nTahio izahay ;\nNy asanay anio\nMba hasoavinao,\nNy dianay tariho\nHo any aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_714"},"ffpm_715":{"num":"715","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tonga ny maraina,\nDimbin’alina,\nKa ny Tompon’aina\nNo isaorana.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha mbola nandry\nAho Tompo ô,\nHianao Mpiandry\nDia aroko.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tano sy ampio\nNy madinikao,\nSao hanota anio,\nKa handao Anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aoka ny anjara\nFanompoako\nMba ho vita tsara\nKa ho sitrakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ary raha lany\nNy fotoako,\nIzaho hody any\nAnatrehanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_715"},"ffpm_716":{"num":"716","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ry Tompo ô, tahio\nIzao dianay izao ;\nNy lehibe ampio,\nNy kely mba tezao.\nFa ny Anaranao\nNo iaingana anio ;\nTantano sy vimbino\nAn-dalana izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_716"},"ffpm_717":{"num":"717","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andeha raha  maraina,\nRaha antoandro koa,\nAndeha raha  hariva\nHivavaka tokoa ;\nFo marina no ento,\nArio ny tahotrao,\nMiondreha ao an-trano,\nKa mivavaha ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsarovy ny sakaiza,\nNy havan-tianao ;\nRaha misy fahavalo,\nMifona ho azy koa,\nKa dia mangataha\nNy soa ho anao,\nJesosy Ilay Mpamonjy,\nAlao ho tokinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na tsy irery aza,\nFa be ny olona ao,\nKa misy hevi-tsara\nMiposaka ao am-po,\nNy hataka mangina\nVoaeritreritrao\nHo ren’ny Rainao tia,\nJehovah Tomponao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba manatòna Azy\nRaha  azon’ny manjo ;\nTsarovy koa raha faly\nHisaotra ao am-po ;\nTsy misy hafaliana\n‘Zay mamy toy izao ;\nNy fahazoantsika\nMivavaka aminy.","type":"verse"}],"id":"ffpm_717"},"ffpm_718":{"num":"718","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He torimaso mamy\nNo atolory ahy,\nRy Raiko Mpiandany,\nSy herin’ny fanahy.\nNy sandrinao mahery\nNo hiampofo ahy ;\nNy masonao mijery,\nManala ahiahy.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny otako androany\nKoseho, Raiko ô !\nIreo ory mitomany\nAmpaherezonao,\nNy havako rehetra\nSy ny sakaiza koa,\nTahio tsy hanjoretra\nAmpifalio tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ireo sahiran-tsaina\nSy mandry fotsy izao\nNy kivy, mitaraina\nVonjeo, ry Tompo ô !\nIreo marary maro\nSy ny mpitsabo koa,\nTahio, ry Mpiaro,\nArovy tsy ho voa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hianao no tokinay\nKa dia hatory izao\nIreto nofonay\nAm-pelatananao.\nSakano re ny ratsy\nMba tsy hamely   izao\nRy Jeso Mpiambina ahy\nSy voninahitra   ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_718"},"ffpm_719":{"num":"719","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa lasan-davitra,\nKa hariva izao ny andro ;\nHianao no Masoandro,\nRy Andriamanitra,\nMba arovinao ny aiko,\nFa atolotro Anao ;\nAmpidiro ao am-poko\nIzao ny fiadananao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raiso ny fisaorako,\nKa tondraho ranon’aina\nNy fanahy aman-tsaina,\nMba ho velona izao,\nDia hamoa voa tsara\nAmiko ny teninao,\nKa ho tiako hambara \nNy fahasoavanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Andriamanitra ô !\nHitanao ny fahotako,\nFantatrao ny fahosako ;\nMamindrà fo amiko ;\nIzaho tsy misalasala\nMba hanatona Anao,\nFa ny Zanakao malala\nMaty noho ny otako.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izaho ta-hatory izao,\nFa mba sasatra niasa ;\nTsy heveriko ny lasa,\nFa apetraka aminao\nAoka aho mba hahazo\nFitsaharana izao ;\nRaha maraina mba fohazy,\nDia hankalaza  Anao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Kintan’i Jakoba ô,\nSady Masoandron’aina,\nHazavao ny fo sy saina,\nMba tsy hatahorako\nNy mpanimba sy mpandoza,\nLiona mierona,\nIzay minia hampidi-doza\nAndro aman-alina.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Arosoy ny teninao,\nHazavao ny firenena,\nMba ho samy hanantena\nFamonjena aminao ;\nKa ny manam-pahefana\nAoka hotarihinao,\nMba hitondra fanjakana\nAraka ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Fantatrao, Jesosy ô,\nIzay rehetra mitaraina\nKa miandry ny maraina\nSy ny fahasitranana ;\nNy kamboty sy mahantra\nAoka hotsarovanao ;\nRy Sakaizanay Mpiantra,\nIantrao ny olonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_719"},"ffpm_720":{"num":"720","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Lany indray ny andro ;\nHianao ry Ray,\nNo ho masoandro\nSy ampinganay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Be ny zava-tsoa\nAzo taminao ;\nSaotra aman-dera\nEntinay izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Andronay mandalo\nToy ny rivotra ;\nBe ny fahavalo\nMampitahotra.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso ô, Mpiandry,\nIzaho ondrinao,\nAoka re mba handry\nEo an-tratranao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mpivahiny ihany\nIzahay atý,\nKa mba te-ho any\nAminao arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_720"},"ffpm_721":{"num":"721","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny andro efa lany\nMangina  izao ny tany,\nMiala sasatra ;\nHeveronao, ry saina,\nFa mendri-koderaina\nNy Raiko  ao an-danitra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Na maty masoandro,\nKa alina ny andro,\nTsy mampaninona.\nFa Jeso, Izay sakaiza,\nDia  ao fa tsy mankaiza,\nHo tena Masoandroko.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hatory  izao ny maso,\nRy Tompo mba andraso\nNy ondrikelinao ;\nNy teny sy fanahy \nSy izay rehetra ahy\nAtolotro harovanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_721"},"ffpm_722":{"num":"722","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He alina ny andro,\nKa mba esorinao\nNy fahotako maro,\nMba tsy ho hitanao ;\nReseo ny mpamely\nNy zanakao, ry Ray ;\nIraho ny anjely\nHiambina anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha  maizina ny tany,\nNy andro tapitra,\nTsaroanay ihany\nNy fasa-maizina ;\nArovy lalandava\nIzahay, ry Tomponay,\nKa aoka ho mazava\nNy hitsangananay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_722"},"ffpm_723":{"num":"723","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, alina indray izao,\nJesosy Tompo ô ,\nKa aoka ny mpanomponao\n:,: Homban’ny elatrao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa iza no hahita anay,\nRaha  azon-doza  izao,\nKanefa kosa aronay\n:,: Ireo anjelinao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka raha hatory izahay,\nRy Rainay tsara ô !\nNy tena sy fanahinay\n:,: Dia mba arovinao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ka raha  haposakao indray\nNy masoandronao,\nFohazy tsara izahay\n:,: Hisaoranay Anao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_723"},"ffpm_724":{"num":"724","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mpamonjy, Masoandronay !\nFahazavan’ny alinay\nNy zavon-tany mba savao\nTsy hanakonany Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tontolo andro Hianao\nNo anton’ny iainanay ;\nRaha alina, mombà anay,\nNy faty tsy ho tahotray.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny aizina mba hazavao,\nTarihonao ny lalana\nHalehanay an-efitra\nHo tonga any aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izay marary mba tsaboy,\nNy ory aza  afoinao,\nHo toy ny torin-jaza anie\nNy fiadananay izao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tahio ny hifohazanay\nHanaovanay ny sitrakao\nAmbara-pahatapitra\nNy andro ivelomanay.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha mby aminao izahay,\nHahita fiadanana,\nFa ao tsy misy alina,\nHianao no Masoandronay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_724"},"ffpm_725":{"num":"725","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Alina ny andro\nKa  efa mba hatory\nNy masonay ;\nHianao Jehovah ô !\nIzay tsy mety sasatra,\nNo aronay. (in-2)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lasa ny mazava,\nKa ny masoandro\nTsy hitanay ;\nTsy matahotra izahay,\nHianao an-danitra\nMahita  anay. (in-2)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fa ny kintana  eny\nEfa manazava\nNy dianay ;\nKoa tsy nafoinao,\nFa nasehonao ireo\nHo tokinay. (in-2)","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Alina sy andro\nSamy mba manaiky\nNy tendrinao ;\nTonga re ny maizina,\nNefa tsy ilaozanao\nNy olonao. (in-2)","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Eto ny mazava\nDia manam-petra ;\nFa ao aminao\nTsy mba misy alina,\nFa mamirapiratra\nNy tavanao. (in-2)","type":"verse"}],"id":"ffpm_725"},"ffpm_726":{"num":"726","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa hariva, Jeso tia !\nTomoera aminay ;\nNy fanahinay tahio,\nFa hatory izahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa ny helokay ekenay,\nMahavonjy Hianao ;\nNy manjo anay lazainay,\nFa miantra ny fonao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Alina maharitra ela,\nAizi-mampivadi-po,\nFa ny olona fidinao\nTsy mba takona aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hianao no mitahiry\nNy miankina aminao ;\nVoahodidin’ny anjely\nNy mialoka  aminao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raha  anio no tapitra andro\nIzahay mpanomponao,\nAoka izahay hifoha\nAo an-dapa soanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_726"},"ffpm_727":{"num":"727","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andriananahary\nNikarakara   anay,\nKa nampitsiry vary\nHo fivelomanay !\nNy haninay tahio\nHo tonga tanjakay,\nNy hevitray tariho\nMba hiadananay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Rainay ao ambony\nMisaotra Anao izahay,\nFa zava-tsoa itony\nIzay nohaninay.\nNy zavatra rehetra\nDia   manantena Anao,\nFa tsy mba misy fetra\nNy fitiavanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_727"},"ffpm_728":{"num":"728","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Atreho ny sakafonay,\nJehovah, mpanome ny soa !\nVelominao ny tenanay,\nNy sainay hatanjaho koa.\nAmen !","type":"verse"}],"id":"ffpm_728"},"ffpm_729":{"num":"729","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah, Ray Tsitoha !\nMba avia hialoha\nSy hiaro ny mpandeha ;\nLavi-dalana haleha,\nMba jereo ny olonao ;\nSarak’olona, irery,\nSady tsy mba manan-kery,\n:,: Ka jereo, ry Tomponay ! :,:\nMba tazano ny mpandeha ;\n(in-3)\nHianao no herinay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ao ny andro mamanala,\nSakambino ao an’ala ;\nRaha mandeha mita rano,\nMba hazòny sy tantano,\nKa vonjeo ny olonao ;\nBe ny zavatra mihatra\nIzay manimba sy mandratra,\n:,: Ka vonjeo,\nry Tomponay ! :,:\nMba arovy ny mpandeha ;\n(in-3)\nHianao no aronay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha ory, mba tohano,\nKa vimbino sy tantano\nTsy ho reraka ny fony,\nAza afoy, fa mba hazòny,\nIantrao ny olonao ;\nRaha mahantra izy any,\nOry sady mitomany,\n:,: Dia vangio,\nry Tomponay ! :,:\nMba tsarovy ny mpandeha\n(in-3)\nHianao no tokinay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_729"},"ffpm_730":{"num":"730","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! tahio ny havanay re\nIzay handeha lavitra ;\nBe tokoa ny alahelo\nNoho ny fisarahana ;\n:,: Manatreha :,:\nIzao veloma atao izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba sakanonao ny loza\nTsy hamely azy izao,\nRaha misy mampahosa,\nAsehoy ny herinao ;\n:,: Mba tantano :,:\nTsy hisaraka aminao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aoka mba ho tonga soa,\nTsy ho azon-tsampona ;\nAoka mba hampodina\nEto aminay indray,\n:,: Ka hisaotra :,:\nNoho ny fivimbinanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_730"},"ffpm_731":{"num":"731","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Enga anie ka homba anao\nJeso !\nHanadio sy hanazava\nHampahery lalandava,\nEnga anie ka homba anao\nJeso !\nHomba anao, homba anao\nHomba anao anie Jeso\nHomba anao, homba anao\nEnga anie ka homba anao\nJeso !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Raha mitambatra ny rahona,\nKa mikimpy ny masoandro,\nRaha Jeso momba isan’andro,\nHo tantely koa ny vahona.\nHomba anao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mangamanga indray ny\nlanitra\nLoharanom-pitahiana\nSady foto-pifaliana,\nJeso Zanakan’Andriamanitra\nHomba anao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha mitolona ady sarotra\nMatokia fa tsy ho irery,\nHomba anao Jeso mahery\nHomba anao tsy miady\nvarotra\nHomba anao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Raha hilaozana ny havana,\nSady mainty koa Jordana,\nHo mazava ny fitàna\nAo Jeso hanangana avana\nHomba anao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha Jesosy no mitantana,\nParadisa koa ny tany,\nHasambarana hatrany,\nAo Kanana no hamantana.\nHomba anao, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_731"},"ffpm_732":{"num":"732","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Velona indrindra,\nry havana ô !\nVelona e, mandra-pihaona ;\nRy Tompo, vimbino\nan-dalana ao\nNy havana izay vao handeha ;\nKa ny mifanao\nVeloma izao\nTahio, mba ho tafahaona !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso Mpamonjy, tariho\nizahay\nHihaona indray ao ambony,\nHiara-pinaritra mandrakizay,\nRehefa tafita ny ony,\nHiara-manao\nNy hira vaovao,\nFa tsy mba hisaraka intsony !","type":"verse"}],"id":"ffpm_732"},"ffpm_733":{"num":"733","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny fihaonana an-tany,\nRy Jesosy Tomponay,\nVetivety, mora lany,\nKa mangoraka izahay ;\nNamana nifankazatra\nHifanao veloma anio,\nRy Jesosy be fiantra,\nNy mpandeha mba tahio.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny ho lasa mba tantano\nTsy ho voa an-dalana ;\nNy hitoetra koa tohano,\nDia mba hiadana.\nNa maraina na hariva,\nNa aiza alehany etý,\nMba ombay mandrakariva\nMandra-podiny arý.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Any volana, any taona,\nNy misaraka izao\nEnga anie ho tafahaona\nRaha mbola sitrakao.\nIlay fihaonana ao ambony\nNo irinay fatratra,\nTsy hisaraka intsony\nIzahay ka sambatra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_733"},"ffpm_734":{"num":"734","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zanahary ô, tahio\nny Tanindrazanay\nHandroso lalandava,\nHandry fahizay.\nEnga anie hanjaka ao\nNy saina mahay miray,\nDia ho tany sambatra,\nIlay Madagasikaranay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ireo mpitondra anay\narovy lalandava koa\nTolory saina hendry,\nkinga sy mahay.\nKa ny marina anie no\nmba hanjaka ao tokoa,\nDia ho tany sambatra\nIlay Madagasikaranay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny taranakay tahio ho\nvanona tokoa ;\nIreo no solofo, dimby,\nrahatrizay\nMba ho tena mahatoky,\nFeno fahendrena koa,\nDia ho tany sambatra\nIlay Madagasikaranay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_734"},"ffpm_735":{"num":"735","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Arovy ry Tsitoha,\nNy Tanindrazanay,\nVimbino avokoa\nIzay mitondra anay ;\nIty Nosy ity tahio\nMba handry fahizay ;\nTantano sy ampio\nHandroso izahay.\nNy tsara mba tohano,\nRy Zanaharinay,\nNy ratsy mba sakano,\nMba hiadananay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tahio ny mpitsara\nNampanapahinao,\nHahay hitondra tsara\nIzao olonao izao;\nNy lehibe rehetra\nVangio sy hafanao,\nMba hanam-po miantra,\nHatahotra Anao,\nNy tsara mba tohano, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_735"},"ffpm_736":{"num":"736","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba tahionao, ry Jehovah !\nNy tanindrazanay,\nHo tsara sy hiova ;\nHambininao anie !\nHo tany izay mandroso\nSy sambatra tokoa,\nKa hanjakan’i Jeso\nMpamonjy Tompo soa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba tahio ny firenena\nIzay monina eto izao,\nHandroso hihatsara,\nHatahotra Anao,\nHandao ny fomba ratsy\nIzay manadala re ;\nHanary koa ny sampy\nMampidi-doza è !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba tahionao ny mpitondra\nNampanapahinao,\nArovy isan’andro\nMba tsy handà Anao,\nTariho lalandava\nHiankina aminao,\nOmeo fahendrena\nHanao ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba tahio koa, ry Jehovah !\nNy fiangonanao\nHandroso lalandava\nHomban’ny heerinao.\nHanerana ny tany\nItoeranay izao,\nKa isam-bazantany\nHiondrika aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_736"},"ffpm_737":{"num":"737","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Ray, tahionao,\ni Madagasikara,\nIzay nohasoavinao, ka\nvoakarakara,\nKa nandefasanao ny teny\nmasinao;\nDia angatahanay \n:,: ny fitahianao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny Fiangonanao,\nry Rain’ny fahazavana\nIzay natsanganao hatao\nfahazavana\nKa nodidianao hanao ny\nasanao,\nDia angatahanay\n:,: ny fitahianao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny asa marobe sy izay\nfanaovan-tsoa\nMiorina eto izao, ka sitrakao\ntokoa\nNy fanjakana koa, izay\nnatsanganao,\nDia angatahanay\n:,: ny fitahianao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny tokantranonay, ny tena\nsy fanahy,\nNy fivelomanay, ry Ray Izay\nMpiahy,\nIreo rehetra ireo dia iantsoana\nAnao.\nKa angatahanay\n:,: ny fitahianao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_737"},"ffpm_738":{"num":"738","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Havaozy, Tompo ô,\nNy endriky ny tany,\nNy voninahitrao hatao\nFahazavany,\nIzao aizim-pito izao\nLevoninao tokoa\nIzao ratsy be izao\n:,: esory avokoa :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Havaozy Tompo ô,\nNy endriky ny tany,\nReseo ny rafinao,\nRavao ny fanjakany,\nAmpanjakao tokoa\nJesosy Zanakao,\nIzao rehetra izao\n:,: hanao ny sitrakao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Havaozy, Tompo ô,\nNy endriky ny tany,\nKoa averenonao indray\nNy hatsaràny ;\nFanahy Mpanavao,\nNy famelomanao\nTadiavinao izao\n:,: vitao ny asanao :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Havaozy, Tompo ô,\nNy endriky ny tany,\nNy olonao izao maniry\nIndrindra izany.\nHenoy ny sentonay\nMiakatra aminao,\nKa hafainganonao\n:,: ny fanavaozanao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_738"},"ffpm_739":{"num":"739","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jehovah Tompon’aina,\nO, tahio ny taninay !\nMba fohazy, re ny saina\nSy fanahinay hahay\nMankatò sy mankalaza\nNy Anaranao,\nMba ho fantatray mazava\nNy fitiavanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Iantranao, ry Jesosy,\nHazavao ny Nosinay,\nKa ny fon’ny Malagasy\nDiovy re ka mba ovay,\nTsy hanompo sampy intsony\nFa hazava re,\nKa ho sitraky ny fony\nNy ho masina e !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, tahio ny Faritany\nMba handray ny teninao\nNa ambony na ambany\nMba tsarovy, iantrao !\nNy mpitory mba iraho,\nKa hiely anie,\nOmeo hery, hatanjaho\nHahavita be !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O, Jehovah, Ray mahery,\nSakambino izahay,\nEny, Hianao irery\nNo mba hany tokinay ;\nKa ny ratsy mba sakano\nTsy hanimba anay,\nFa ny tsara no tohano\nHiadananay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ao koa ny mpanao lalàna\nMba toroy ny marina,\nIreo manam-pahefana\nOmeonao sain-dalina !\nKa ny tany mba ampio\nHandry fahizay !\nO, arovy sy tahio\nNy mpitondra anay !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Indreo ny isan-tokantrano\nMba tsidiho, hafanao,\nKa ny zanakay tantano\nSy trotroy ho olonao !\nEny, Tompo, mandrosoa,\nAnjakao izahay\nKa onenonao tokoa\nIzao ny Nosinay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_739"},"ffpm_740":{"num":"740","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! ny tany manontolo\nMba ambinonao, ao izao,\nRy Jeso Mpanolokolo,\nTena Tompo tsy mandao,\nMba vontosy andon’aina\nMba ho lonaka tokoa,\nTsy ho tany karankaina\nFa ho vokatra tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba tahio ny fanjakana\nIzay mitondra anay izao\nIreo mpitana ny lalàna\nMba omeo ny hevitrao.\nNy mpifehy isan-toko,\nNy mpikarakara izao\nAnehoy ilay vokovoko\nMba hitondra marina ao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny komity sy voamiera\nRaha miady hevitra ao\nTsy hitompo hevi-tena\nFa handray ny sitrakao\nKa ny didinao hatrany\nNo mba hijoroany izao\nFa ny tetiky ny tany\nDia ho laviny tokoa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Mpanjakan’ny mpanjaka,\nMiasà mahery izao\nIreo mpitondra samihafa\nMba toroy ny sitrakao.\nIreo mpanjaka an-tany hafa,\nRevon-diadema koa,\nMba sintony re hitafa\nAminao ry Tompo soa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_740"},"ffpm_741":{"num":"741","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jehovah Tompo ô !\nTahio sy hatsarao\nNy taninay ;\nTahio ny namanay\nHo tia ny teninao,\nDia mba hazavao\nNy nosinay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ovay ny fombanay\nHo foin’ny taninay\nNy sampiny ;\nOmeo fo marina\nIzao rehetra izao,\nKa dia mba iantrao\nNy nosinay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jehovah Tompo ô\nTahio ny olonao\nNy zanakay,\nTahio ho zanakao\nTahio ho marina\nKa dia mba ho taninao\nNy nosinay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izay mpitondra anay\nTahio ho tia Anao,\nJehovah ô !\nOmeo sai-marina\nHanao ny sitrakao,\nKa ampanompoy Anao\nNy nosinay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_741"},"ffpm_742":{"num":"742","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"(Maintimolaly)","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Zanahary no mahela\nIzay fe-taona iainanay,\nKa miantra sy mamela\nTombon’andro ho anay ;\n:,: Nefa vitsy :,:\nNo ho andronay atý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Betsaka ny andro lany\nNanaranam-po izao ;\nMisy feo manontany :\nVita ve ny asanao ?\n:,: Miezaha :,:\nAvy re ny alim-be.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamindrà fo, Zanahary !\nMamelà ny helokay ;\nTompo ! aza mba manary,\nAndrao ho very izahay ;\n:,: Mihainoa :,:\nNy mifona aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jehovah ! manomeza\nIzay ilainay olonao;\nMitahia, mampahereza,\nMba ho tonga ao aminao,\n:,: Ka hahazo :,:\nSatro-boninahitra ao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_742"},"ffpm_743":{"num":"743","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny andronay mandalo\nLany foana taminay ;\nNy mandrakizay no hatoninay,\nNefa adala izahay.\nRy mpanota, ifony ny\nhelokao,\nFa Jeso tia anao\nMba tsy ho very mandrakizay,\n:,: Avoty ny ainao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fiadanan-dratsy\nNo mba manadala anay\nHijanona foana atý izao\nHanadino ny Rainay,\nMba hevero ry olon-ko\nfaty e !\nTsy ela no etý ;\nTsarovinao fa hody tokoa ;\n:,: Antsoiny hianao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny taninay havela,\nMpivahiny izahay ;\nTsy maintsy hiainga hiala atý\nAny no hodianay.\nTsara sady mazava\nNy tranonao,\nMiomàna, fa hankao ;\nTazano, fa mivoha izao ;\n:,: Midira hianao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_743"},"ffpm_744":{"num":"744","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! ny andro mora lasa,\nO, ry mpivahiny ô !\nTsy ho ela, kely sisa,\nDia hody hianao !\nTsy mba fantatrao akory\nIzay hahafatesanao ;\nKoa aza mba matory,\nSao ho very hianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Miomàna ry sakaiza,\nAza mba tamàna atý,\nFa ny eto tsy mateza,\nMiaingà mba ho arý !\nAo ny Tomponao Jesosy,\nHampihaingo tsara anao,\nFa ny rany no mamofsy\nNy akanjo ho anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_744"},"ffpm_745":{"num":"745","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Henoy, ry Jeso Tompo !\nNy fitarainanay,\nFa amin’alahelo \nNo ipetrahanay ;\nNy fonay maniry\nHitovy aminao,\nKanefa be ny ratsy \nMasakana anay ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Nateraky ny nofo,\nKa nofo izahay ;\nNanompo tompo ratsy,\nKa very hatrizay !\nNy razanay nanota\nKa nodimbiasànay\nRy Tomponay Tsitoha,\nHavaozy izahay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny asam-pamonjena\nNatolotra Anao;\nTsy hisy tsy ho vita\nIzay natombokao ;\nRaha resy avokoa\nNy fahavalonao\nHiposaka tokoa\nNy tena taom-baovao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny tavanao malala,\nRy Jeso Tomponay,\nHo tena masoandro,\nIzay hifalianay.\nRy nosatrohan-tsilo,\nFaingàna Hianao,\nHanangana ny maty,\nHitondra aim-baovao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_745"},"ffpm_746":{"num":"746","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mifalia, ry sakaiza !\nFa nahazo taom-baovao,\nZanahary no mitaiza,\nKa isaory sy hajao ;\nMihirà sy mihobia,\nJeso Tompo no derao ;\nMiravoa, mifalia,\nVelona aina hianao.\nMifalia ry sakaiza !\nFa nahazo taom-baovao\nZanahary no mitaiza,\nKa isaory sy hajao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao no andro mampifaly,\nAndro lehibe anio,\nDia hira mahafaly\nNo hatao ankehitrio ;\nZanahary no mitàna,\nMifalia hianao ;\nTonon-kira hoe : Hosana !\nNo hatao atý izao.\nMifalia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He ! Hosana, he ! Hosana\nHo Anao, ry Tompo ô !\nFihirana fiderana,\nNo asandratray izao ;\nDera, saotra, hery, laza,\nHo Anao, Mpanjakanay ;\nHo Anao anie ny haja,\nRaiso ho Anao izao.\nMifalia, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_746"},"ffpm_747":{"num":"747","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Haleloia ! Sambasamba !\nHitanay ny taom-baovao;\nAvy izahay, Jehovah !\nMba hifaly aminao ;\nFihirana no atao,\nSaotra, vavaka,\nNo atolotray Anao,\nRy Mpamelona !\nHaleloia ! Sambasamba !\nFaly izahay izao :\nHaleloia ! Sambasamba !\nHitanay ny taom-baovao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Lasana ny andro maro,\nBe ny zavatra natao,\nNa ny mety, na ny diso,\nSamy efa fantatrao ;\nAoka anie ny tsininay\nHovonoinao,\nFa ny mety vitanay\nMba haharitra :\nHaleloia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka ny taom-baovao, Jehovah !\nAoka hanomezanao\nFahendrena ny mpitondra,\nHahasoa ny olonao ;\nKa ny Fiangonana\nHamasinonao\nMba handroso marina\nHahalala   Anao:\nHaleloia, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mitsingerina ny taona,\nFohy andro izahay,\nVetivety dia hihaona\nAminao, ry Tomponay !\nEnga ka ho hitanay\nAo an-danitra\nNy Sabata tsara izay\nTsy ho tapitra :\nHaleloia, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_747"},"ffpm_748":{"num":"748","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Havaozy, Tompo ô !\nIzao rehetra izao\nKa aoka mba ho hita ao\nNy voninahitrao.\nRy Tompo Mpanasoa\nLevony avokoa\nHo fongatra tsy hisy re\nNy ratsy marobe.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izao taona vaovao\nDiavinay izao\nHo fanavaozan-dehibe\nNy tenanay anie !\nKa ny fiainanay\nIzay ratsy hatrizay,\nOvay hatramin’ny anio\nHo tsara sy madio.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Havaozy, Tompo ô!\nNy Fiangonanao\nO! akambanao ho iray,\nHiray mandrakizay.\nRy Tompo be fitia,\nTongava, mamangia;\nMba tanteraho aminay\nNy fanavaozanao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_748"},"ffpm_749":{"num":"749","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny taom-baovao dia tonga\nindray\nHo fiantsoanao anay\nMba hanoloranay Anao\nNy tenanay voavotrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fa maro be, ry Tomponay !\nNy zava-tsoa nomena anay\nTamin’izao taon-dasa izao,\nIzay isaoranay Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny mafy izay manjo anay,\nTsy tonga foana aminay,\nFa mba ho fitahianao\nIzay miankina aminao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ka enga anie ny otanay,\nIzay mitambesatra aminay\nNo hibebahanay izao,\nHanaovanay ny sitrakao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ny taom-baovao, diavinay,\nNy taona teo, tafitanay,\nKa dia ny fitarihanao\nNo mba irinay aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_749"},"ffpm_750":{"num":"750","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Dera, laza, ry Mpanjaka !\nNo atolotray Anao\nNoho Hianao nitahy ;\nTratranay ny taom-baovao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Andro maro izay no lasa,\nBe ny soa hitanay ;\nFitahia-mahagaga\nAzo taminao, ry Ray !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Marobe ny ratsy vita,\nLehibe ny helokay,\nKa tsy mendrika hiantso\nNy Anaranao izahay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Miantrà, ry Zanahary !\nMamelà ny helokay,\nKa sasao ny ran’i Jeso,\nMba hadio izahay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Aoka re ny andro sisa\nHanompoanay Anao ;\nHatanjaho, ry Jehovah !\nIzahay mpanomponao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_750"},"ffpm_751":{"num":"751","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, vaovao ny taona,\nRy Jesosinay,\n:,: Ka mba te hihaona\nAminao izahay :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao mitahy\nNy mpanomponao\n:,: Koa tsy manahy\nIzay tarihinao :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ary izaho koa\nMba tantanonao\n:,: Dia hahita soa\nAo an-danitrao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_751"},"ffpm_752":{"num":"752","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Jesosy, ny Anaranao\nManatsika  ahy izao hanatona,\nHanolotra ny foko ho Anao,\nMpamonjy tia sy Mpamelona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Manatona aho, ka miondrika\nHanoroka ny tongo-masinao ;\nIzaho olona tsy mendrika,\nKa mba havaozy, Tompo,\nho Anao !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Antsoiko isan-andro Hianao\nRy Toky tsara mahafatra-po,\nKa amin’ny Anara-masinao\nNo anankinako izay hanjo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Raha io no entiko mangataka,\nHisokatra amiko ny lanitra,\nKa dia ho azoko malalaka\nNy zava-tsoa izay maharitra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mamirifiry izao tontolo izao\nTsy misy tena fitsaharana ;\nFa fiereko ny Anaranao\nKa ahitako fiadanana.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"O, ry Anaran’i Jesosiko,\nRy Paradisa atý an-tany ô !\nRy voninkazo mampifaly fo !\nRy tohan’aina ao an-dalako.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Iriko andro aman-alina\nNy hanana Anao ho ao\nam-po,\nHo Tokiko raha mbola\nvelona\nSy amin’ny hahafatesako.\n\nNY FIVORIAN’NY TANORA","type":"verse"}],"id":"ffpm_752"},"ffpm_753":{"num":"753","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hiaraka Aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko\nTsy manana olon-kafa aho,\nFa Hianao no fiainako\nHanara-dia Anao, izay no faniriako\nHifikitra Aminao aho Jesoa !\nTiako ny hiaraka ..sns.","type":"verse"},{"num":"1","lyrics":"Tiako ny hiaraka Aminao\nJesoa\nNa aiza na aiza hitondranao ahy\nTiako hiaraka Aminao Jesoa\nFa Hianao no miantso ahy.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Hiaraka Aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko\nHitory teny soa amin’ireo havako\nHanara-dia Anao, izay no faniriako\nHifantsika aminao aho Jesoa !\nTiako ny hiaraka ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hiaraka Aminao aho, ô ry\nJesoa   Tompoko\nHo zary famonjena anie\nny fahoriako\nHanara-dia anao izay no\nfaniriako\nHifantsika Aminao aho\nJesoa !\nTiako ny hiaraka ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hiaraka Aminao aho, ô ry\nJesoa   Tompoko\nHibanjina ny Ray, Tompo\nAndriamanitro.\nHanara-dia Anao, izay no\nfaniriako,\nIzay misy Anao, no hisy ahy,\nJesoa,\nTiako ny hiaraka ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_753"},"ffpm_754":{"num":"754","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mitsangàna, mandehana,\nRy zatovo be laolao !\nManatòna ny Mpamonjy,\nAvelao ny sitrapo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He, tsarovy fa mahantra\nSady ory hianao,\nKa hatòny ny Mpamonjy,\nDieny mbola hitanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mandehana, mianara,\nMba ho hendry hianao ;\nJeso Tompo no miandry\nHampianatra anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry zatovo ! mandehana,\nMba vitao ny asanao,\nMahereza, aza osa,\nNy Mahery homba anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_754"},"ffpm_755":{"num":"755","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O ! ry tanora mba tsarovy\nIlay Tompo soa maty noho\nny helokao ;\nIzy miantso anao moramora\nVohay ny fonao hidirany izao.\nNy saina sy ny safidy nomeny.\nKa mba fidio ny ho\nmpanaraka\nAn’i Jesosy, Mpanjaka\nTsitoha,\nNy fonao atolory hanjakany\nao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O ! ry tanora miambena,\nFa ny devoly dia mpamitaka\nmahay\nMaro ny fandrika ka\nmitandrema\nTsy ho tra-nenina re\nmandrakizay.\nKa ekeo anatrehan’ny Tompo,\nHandao ny ratsin’izao\ntontonlo izao.\nRaha Jeso no iankinanao\nmafy,\nIzy hiaro mba mba tsy\nhivadihanao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! ry tanora, mivavaha\nFa Jeso Tompo dia Mpihaino\nvavaka\nAzy irery ny hery rehetra,\nDia matokia mba ho\nafa-tahotra.\nKa raha ory sy mila ho kivy,\nDia andrandraonao Ilay\nTompo be fitia ;\nNy fitarainanao dia hohenoiny\nAry ny fonao dia\nhampiadaniny.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O! ry Jesosy, mba ampio\nIzaho mpianatrao mba ho\nmadio fo\nTantano aho, vimbino ry Jeso,\nFa sarotra ny lalana alehako ;\nIriko ny ho mpandresy ny ratsy,\nIriko hahatanteraka ny soa ;\nOmeo hery sy tanjaka aho.\nEfao ny asa tsara ao anatiko.","type":"verse"}],"id":"ffpm_755"},"ffpm_756":{"num":"756","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia ry sakaiza ô !\nAntsoin’ny Mpanjaka   izao\nHandray fiadiana\nHoentina hanafaka.\nVelona ny baikonao,\nAndrandrainay Hianao\nKa arahinay tokoa,\nRy Mpandresy ao Ziona !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny sabatra atolony\nDia ny teny masina,\nAmpinga fiarovana\nMahery ny finoana.\nVelona ny baikonao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny vatsy izay atolony\nDia ny ra sy tenany\nHo herintsika olony\nIzay miaramilany.\nVelona ny baikonao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jesosy ô, arahinay\nNy fiantsoanao anay,\nKa manampia ny olonao\nHiady sy handresy izao.\nVelona ny baikonao, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_756"},"ffpm_757":{"num":"757","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsarovy, ry sakaiza,\nNy RAY an-danitra e,\nFa Izy no nitaiza\nSy nahalehibe ;\nFa raha mbola zaza\nNampitomboiny,\nKa na ho antitra aza,\nTsy mba hafoiny.\nNy saina sy safidy\nNomeny ho anao,\nKa tiany hifidy\nNy tsara hianao","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsarovy, ry tanora,\nJESOSY, avotrao,\nMahay mitondra mora,\nMitandrina anao.\nMiaraka mibata\nNy fahorina,\nKa dia mahareta\nNy hatrotrahana,\nFa Izy no miaro\nIzay mpianany\nKa dia mba fantaro\nNy fitiavany !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsarovy ry zatovo,\nNy MPANAMASINA\nFa Izy no manovo\nNy rano velona,\nKa dia mba mampandro\nNy ta-hadio fo.\nLazaina isan-andro\nNy marina sy to,\nKa ny masirasira\nEsoriny aminao,\nIzay maniratsira\nNo halavironao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tohero, ry zatovo,\nIzay mamitaka,\nSatana ta hamono\nNy tsy miambina\nNy nofo mitsikilo\nNy voninahitrao ;\nMamono ny fanilo\nIzao tontlo izao\nKa raisony ampinga\nAlao ny sabatra,\nIzany mahakinga\nNy te ho sambatra.","type":"verse"}],"id":"ffpm_757"},"ffpm_758":{"num":"758","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsarovy e ! rankizy\nIlay Mpanao anao !\nKa tadiavo Izy !\nDieny hitanao ;\nDieny mbola kely,\nTsarovy rahateo,\nKa aza manadino\nIlay Mpanao anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsarovy ry zatovo\nIlay Mpanao anao !\nIlaozy ny mpanota,\nFandrao manimba anao.\nTsarovy ny Jehovah \nNamorona anao,\nMampanantena lova\nSy nahatoy izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tsarovy, ry sakaiza,\nJehovah Tomponao !\nFa Izy no mitaiza\nSy manasoa anao ;\nKoa aza manadino\nIlay Mpanao anao ;\nNy teniny araho,\nFa Izy no Rainao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_758"},"ffpm_759":{"num":"759","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Sakaizan’ny tanora !\nZoky be fitia,\nSakambino moramora\nIzahay mpania.\nTompo ô ! arovy\nNy madinikao\n:,: Aza afoy, fa mba tsarovy\nTano mafy ho Anao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Sakaizan’ny tanora !\nTsinjonao arý\nIzany ady tsy mba mora\nHitanay etý.\nTompo ô ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Sakaizan’ny tanora !\nTanonao izahay\nHe ! fa be ny mpanakora\nRaha lavo indray.\nTompo ô ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Sakaizan’ny tanora !\nEny, sitrakay,\nIsan’andro, isan’ora\nHo Anao, izahay.\nTompo ô ! ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_759"},"ffpm_760":{"num":"760","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aza mba manadino ny ray\nsy reninao ;\nFa izy no nitaiza sy nanasoa\nanao,\nKa na aiza na aiza aleha\nan-tany lavitra,\nAza mba manadino ny ray sy\nreninao :\nTsara izay ! tsara izay !\nEny, tsy ho hadinonay ny\nray sy reninay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Aza mba manadino ny\nTanindrazanao,\nTsarovy ny tanàna izay nahabe\nanao.\nFadio izay tsy mety fanaony\nfahizay.\nAza mba manadino ny\nTanindrazanao :\nTsara izay ! Tsara izay !\nEny, tsy ho hadinonay ny\ntanindrazanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza mba manadino ireo\nmpitondra anao,\nAraho ny lalàna mba\nhiadananao.\nKa na aiza, na aiza aleha \nan-tany lavitra.\nAza mba manadino izay\nmpitondra anao :\nTsara izay ! Tsara izay !\nEny, tsy ho hadinonay izay\nmpitondra anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aza mba manadino ny\nfivavahanao,\nAtaovy isan’andro mba\nhamonjena anao ;\nMpitondra, ray, sy reny,\nny tany, tena koa,\nAza mba manadino ny\nfivavahanao :\nTsara izay ! tsara izay !\nEny, tsy ho hadinonay ny\nfivavahanay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_760"},"ffpm_761":{"num":"761","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso, Zoky be fitia !\nAvia, mitantàna\nFandrao izahay maniasia\nAvilin’i Satana.\nRy Jeso ô ! tahio izahay\nFa mbola kely saina,\nHe ! tsy mba hendry, tsy \nmahay\nKa mora ambakaina.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maniry izahay, Jeso !\nHo zandry izay manoa,\nKa dia  ampaherezonao\nHo tia Anao tokoa.\nRy Jeso ô ! tahio izahay ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Indreto izahay, Jeso !\nTariho hahalala\nHanaraka ny sitrakao\nIzay Zokinao malala.\nRy Jeso ô ! tahio izahay ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_761"},"ffpm_762":{"num":"762","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Modia, modia,\nFandrao very tokoa,\nFa ny efitra be\nNo diavina  izao ;\nRy zanako ô !\nModia  izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Modia, modia,\nFa miandry ny Ray\nHampandroso anao\nSady hanome soa ;\nRy zanako ô !\nModia  izao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Modia, modia,\nFa nanavotra anao\nJeso ilay be fitia\nIzay nisolo anao ;\nRy zanako ô !\nModia  izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Modia, modia,\nKa ilaozy izao\nIzay ratsy natao\nNahameloka anao,\nRy zanako ô !\nModia  izao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Modia, modia,\nHovantaninao ao\nNy tranon’ny Ray\nSy ny lamba madio\nRy zanako ô !\nModia  izao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_762"},"ffpm_763":{"num":"763","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tanora ô !\nNy Nosin-drazanao\nMiandry   izao\nManasa   anao.\nIngao anio\nIlay fanevanao,\nO ! tafio\nNy herinao.\nO ! mifohaza izao,\nTafio ny herinao\nInjao ny Nosinao,\nManantena anao !\nJereo ny namanao,\nTaninin-doza izao\nO ! vonjeo\nFa mitoreo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Avia, jereo\nNy Fiangonanao ;\nO! mba vonjeo\nFa mila anao.\nTanora soa\nNo mba ilaina koa\nO ! avia\nHiara-dia,\nO ! mifohaza ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Omeo anio\nNy herinao izao,\nKa dia falio\nIreo tapakao.\nIreo didy soa\nSy baikon’ny Tsitoha,\nTanteraho\nSy hajao.\nO ! mifohaza ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_763"},"ffpm_764":{"num":"764","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy mangataka  aho, Tompo\nZava-py, harena, zo,\nFa ny tena mba iriko\nDia  izao : ny fo madio.\nFo madio izay akàny\nFeno eritreri-tsoa\nFo madio : haren-tsy lany\nSarobidy avokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indrisy, ny soan’ny tany\nManodoka, mora lo\nNy haren-tsy mety lany\nDia  izao : ny fo madio.\nFo madio ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Na maraina na hariva,\nDia ity no hatako :\nMba ho ahy ilay soa indrindra,\nDia  izao : ny fo madio.\nFo madio ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_764"},"ffpm_765":{"num":"765","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Henoy ny antson’ny Tompo ;\n« Iza no ho irakay,\nVonon-kandeha sy hanompo,\nHiasa an-tany hay ? »\nAdidy sarotra hefaina\nAsa mangetana re,\nMaty handritra ny aina,\nIza no vonona re ?","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy didy miendrika baiko\nNefa mahery tokoa ;\nNanindry mafy ny saiko\nNy antsonao, Tompo soa\nSatriko lavina anefa\nManery ahy hanoa,\nAny am-po no miantefa,\nNy ako, onjany koa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Inty, ry Tompo malala\nIzaho ho irakao,\nNofo ka misalasala\nRaha toa tsy tohananao.\nNy foko  omeo fahendrena\nHanao ny sitrakao,\nNy saiko mora mivena\nFenoy ny hasoavanao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Vonona ka hamasino\nHanefa ny irakao ;\nEny, ry Tompo, vimbino\nHandia ny lalanao.\nSarotra nefa hataoko\nNy asa atolotrao,\nNy sitrapo dia  hafoiko,\nTohano ny herinao.\n\nNY HIRAN’NY ANKIZY","type":"verse"}],"id":"ffpm_765"},"ffpm_766":{"num":"766","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Mpanjaka Malaza\nNefa sakaizan’ny ankizy koa,\nMamin’ny foko ny fitiavanao\nSintony e, ny foko ho tia anao,\nJeso malala ô ! Tompo be\nfitia\nTano ny foko tsy haniasia,\nHo zaza hendry,\nhahay hanompo,\nHo tia Anao anie,\nry Tompo ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mamin’ny foko hotantaninao,\nTiako Jeso hiaraka Aminao\nNy foko e, arovy ho madio\nNy faniriako Tompo ô, valio !\nJeso malala ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny hazazako ry Tompo, tahio,\nEnga ho zaza tia ny madio\nHo zaza hendry, zaza\nmpankatò\nAnao Mpanjaka, Tompo\nmanan-jo,\nJeso malala ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_766"},"ffpm_767":{"num":"767","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso, Zaza masina ô !\nIzay tonga zaza toa anay ;\nNafoinao ny lapanao\nHitondra vonjy ho anay,\nRy Jeso, Zaza masina ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso, Zaza masina ô !\nNanetry tena Hianao ;\nNilaozanao ny lanitrao\nNoho ny fitiavanao,\nRy Jeso, Zaza masina ô !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Jeso, Zaza masina ô !\nHianao no fihavanana ;\nIzahay izay nandà ny Ray\nTadiavanao ho Azy indray,\nRy Jeso, Zaza masina ô !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso, Zaza masina ô !\nHihira ho Anao izahay,\nHianao nanondrotra anay ;\nNy lapan-dRay ho azonay,\nRy Jeso, Zaza masina ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_767"},"ffpm_768":{"num":"768","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Endrey ! endrey ! Tompo ô !\nHe, ny hasoavanao,\nFa tsy tapaka hatrany\nIzany fitahianao ;\nNotantananao, ry Tompo\nItony ondrikelinao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Endrey ! endrey ! Tompo ô !\nHe, ny fitiavanao ;\nEfa elabe tokoa no mba\nniheveranao\nIzany zaza Malagasy\nIzay irinao mba ho soa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Anio izahay, Tompo ô !\nMankasitraka Anao,\nFa ny sandrinao mahery\nNo niaro toy izao\nTratranay mandrakariva\nNy androm-pahasoavanao !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tahio tokoa, Jeso ô !\nMadagasikaranay\nMba handroso ka ho tonga\nMadagasikaranao ;\nIzany re no faniriana\nHo tanteraka anie !","type":"verse"}],"id":"ffpm_768"},"ffpm_769":{"num":"769","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misy toerana voafidy\nManan-daza lehibe,\nDia saha saro-bidy,\nTena mahavokatra e !\nSaha feno fitahiana,\nMisy voka-tsoa erý ;\nAo no mendrika haniriana\nSaha masina izy ity !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny Sekoly Alahady,\nIo no sahanao, ry Ray\nNy Baiboly no angady\nHanasoavanao anay ;\nMahavatra ny Mpamboatra,\nKa mirobona tokoa ;\nVoakarakara loatra,\nKa mitombo  sy  mamoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Midadasika ny tany,\nNefa karakaina koa ;\nFa ny sahanao ihany\nNo tsy manam-paharoa.\nMisy rano tsy mba ritra\nDia Teny Masinao ;\nIzay toriana eran-tany\nMikoriana lava izao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny ankizy sesehena\nNo mivory eto izao ;\nIreo no hazo ambolena\nAo anaty Sahanao,\nRaha mirona mba tohano,\nRaha lavo, ajoroy,\nZaza osa, ka tantano,\nMbola kely ka toroy !","type":"verse"}],"id":"ffpm_769"},"ffpm_770":{"num":"770","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hajain’ny saiko\nFototry ny aiko,\nItsaohan’ny fanahiko,\nTokana iriko,\nMalala tiako :\nHianao, Jeso Mpamonjiko !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mety malazo\nNy voninkazo,\nNy ahi-maintso koa re !\nFa misy lova\nTsy mba miova :\nJesosy Perla soa e !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ao lalandava\nNy andro mazava,\nNy kintana, ny volana ;\nJesosy irery\nTompon’ny hery :\nTsy azo ihoarana.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He, igagàna\nNy hatanorana,\nFa na mahafinaritra,\nMety mihena\nNy herin-tena :\nJesosy no maharitra.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tsy misy fetra\nZavatra rehetra\nHianao Jesosy, Tokiko,\nAkaiky ahy,\nZoky Mpiahy,\nNy tsara indrindra amiko.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Raha ho lasa,\nFa vita ny asa,\nTohano aho, Jeso ô !\nAmpio aho\nSy atanjaho,\nHo sambatra eo an-tratranao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_770"},"ffpm_771":{"num":"771","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsinjovinao ny vorona,\nFa tsy mamafy na mijinja,\nNefa ao Ilay Mpamelona\nMiahy sy mikojakoja,\nJereo ny voninkazo soa,\nFa tsy miasa na mamoly ;\nIreo ahin’ny Tompo koa,\nKa velona  ao an-tanimboly.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Isika izay malalany\nNo dia andrian’ny fony\nindrindra,\nKa mifalia, ry zanany !\nNy Zanahary no mpitondra,\nRy Tompo, Ray malalanay !\nHatoky tsy hanahy  intsony\nNy tena sy fanahinay,\nFa manana ny Ray ambony.","type":"verse"}],"id":"ffpm_771"},"ffpm_772":{"num":"772","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"Vakio Mat. xi 28.","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Manatòna, manatòna\nAn’i Jeso izao ;\nManatòna an’i Jeso izao.\n\nVakio Jao. iii. 16","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba minoa, mba minoa\nAn’i Jeso izao,\nMba minoa an’i Jeso izao.\n\nVakio Heb. vii. 25","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mahavonjy Jeso Tompo\nMahavonjy izao\nMahavonjy Jeso Tompo izao.\n\nVakio Jak. v.11.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Be fiantra, be fiantra\nJeso Tompo izao,\nBe fiantra Jeso Tompo izao.\n\nVakio Jao. vi. 37","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tsy hanary Jeso Tompo,\nTsy hanary anao,\nJeso Tompo tsy hanary anao.\n\nVakio Mat. x. 47","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Miantsoa, miantsoa\nAn’i Jeso izao\nMiantsoa an’i Jeso izao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Fa mamaly Jeso Tompo\nFa hamaly anao,\nFa hamaly Jeso Tompo izao.\n\nVakio 1 Jao. i. 7","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Fo madio, fo madio\nNo homeny anao \nFo madio no homeny anao.\n\nVakio Apok. iii. 5","type":"verse"},{"num":"9","lyrics":"Lamba fotsy, lamba fotsy\nNo hatafy anao,\nLamba fotsy no hatafy anao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_772"},"ffpm_773":{"num":"773","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hianao, ry Jehovah no\nRainay tokoa,\nKa manatona Anao izahay,\nAry Jeso no Hava-malalanay\nkoa.\nDia matoky Anao ny fonay,\nMivoria ry ondry madinika ô !\nMba ho ao am-pisokoanio ;\nMihainoa ny feon’ny Mpiandry\nizao\nO, faingàna, modia hianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Eny, mamy tokoa ny mihaino\nAnao\nRy Mpamonjy mpanavotra\nAnay !\nFa Sakaiza malala tokoa\nHianao,\nTe hihaino Anao izahay,\nO ! andeha, rankizy madinika\ne !\nFa miantso Jesosy erý,\nMahafaly antsika ny teniny\nHoe :\n« Avelao izy mba hankatý ! »","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O ! ry Tompo tsy toha !\nTsinjovy ‘zahay,\nFa masiaka ny lion-dozabe,\nKa manenjika mba hahafaty\nanay\nSy mihaza ny ain-dehibe,\nMitsangàna, zaza \nmadinika ô !\nMandosira ny loza etý\nManatòna an’i Jeso\nMpamonjy izao,\nKa modia ho an-danitra  arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_773"},"ffpm_774":{"num":"774","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fony Jeso nivahiny\nNisy zazakely koa\nTonga tao, ka notahiny\nSy noraisiny tokoa :\n:,: He, rankizy !\nHy fitiavan-dehibe :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Manatòna, izao, rankizy !\nAn’i Jeso Tompo soa,\nFa mandray ny zaza Izy\nKa mitahy azy koa :\n:,: He, rankizy ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maro be ny zaza faly\nAo an-dapan-dRainy ao,\nAfaka ota, afa-jaly,\nSambatra izay tonga ao :\n:,: He, rankizy ! ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mihobia izao, rankizy !\nFa isika koa hankao ;\nEny, mifalia, fa Izy\nHo Sakaizantsika ao :\n:,: He, rankizy ! ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_774"},"ffpm_775":{"num":"775","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy Tomponay !\nMamindrà fo aminay ;\nBe ny hasoavanao,\nBe ny fitiavanao ;\nZazakely izahay,\nMamindrà fo aminay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Fony teto aminay\nHianao sakaizanay,\nTia zaza Hianao,\nZaza notrotroinao :\nZazakely ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Masina sy marina\nHianao, ry Tomponay !\nHamasino izahay\nMba ho zanakao tokoa :\nZazakely ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Be ny fahavalonay\nO ! arovy izahay ;\nManomeza fo madio,\nFo miankina aminao :\nZazakely ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ary raha tapitra\nNy iainanay atý,\nEnto ny fanahinay\nHonina ao an-danitra :\nZazakely ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_775"},"ffpm_776":{"num":"776","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba ekeo, ry Jeso Tompo,\nIzahay madinikao,\nFa maniry te-hanompo\nSy hanao ny sitrakao ;\nTsy mba zaza noterena,\nNa nomena zava-tsoa,\nFa minia manolo-tena,\nHo Anao  tokoa  tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy ny manan-kery ihany,\nNa ny lalin-tsaina koa\nNo mahazo miandany\nAminao, Mpamonjy soa ;\nFa ny mbola zaza osa,\nKa malemy toa anay,\nIzay mba te-hidodododo\nHomba Anao, Mpanjakanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maminay ny fanompoana\nIzay natolotrao anay,\nKa hataonay sasa-poana\nIzay mamily dia anay,\nFa ny hany mba ilaina,\nDia ny fanohananao ;\nMba ho azonay vitaina\nIzay rehetra sitrakao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Enga anie ny faniriana,\nIzay anananay izao,\nKa harahim-pitahiana\nSy hotanterahinao\nDia ho feno fifaliana\nNy fanahy anatinay,\nKa tsy hisy hakiviana\nHanan-kery aminay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_776"},"ffpm_777":{"num":"777","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He ! zaza maro be tokoa\nArý an-danitra,\nMifaly amin’i Jeso,\nFinaritra avokoa :\nHe ! mihoby mafy izy,\nKa miderà an’i Jeso !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Moa nentin’iza izy ireo\nHo ao an-danitra ao\nNo miramirana endrika\nSy faly toy izao ?\nHe ! mihoby ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy Tompo no nandao\nNy lapa fahizay,\nKa nahatonga azy ireo\nHo aminy arý :\nHe ! mihoby ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny lambany novàny soa,\nDia lamba tena vao,\nNy fony nosasany koa,\nKa faly izy izao :\nHe ! mihoby ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_777"},"ffpm_778":{"num":"778","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vory izahay izao\nEto anatrehanao,\nRy Jeso Tomponay !\nHe ! faly ny fonay,\nFaly, faly, faly,\nHe ! faly ny fonay,\nAvy mba hidera Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Saotra tsara entinay,\nDera koa atolotray\nAnao, ry Tompo ô !\nHe ! faly .. sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Zazakely izahay\nFohy ny fisainanay,\nTarihonao izao :\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ela no nasianao\nSoa ny mpanomponao,\nRy Tompo be fitia !\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ao ny ray sy reninay,\nAry koa ny havanay,\nAtaovy olonao :\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Zaza, ray, sy reny koa\nDia hihaona avokoa\nAn-danitrao arý :\nHe ! faly ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_778"},"ffpm_779":{"num":"779","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Kristy, Tomponay !\nJeso Kristy, Avotray !\nAvy mba hidera Anao\nIzahay mpianatrao,\n:,: Mihainoa, ry Jeso \nTompo ô ! :,:\nFa ny fonay, fa ny fonay\nMidera Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zazakely izahay,\nZava-bitsy fantatray,\nKoa ny mahasoa anay\nDia ankinina aminao.\n:,: Mihainoa, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamindrà fo aminay,\nMamelà ny helokay,\nMba hiraisana aminao,\nFa izay no maminao.\n:,: Mihainoa, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Mba tahionao izahay\nAry koa ny havanay\nAtsangano ho Anao,\nFa izay no sitrakao\n:,: Mihainoa, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_779"},"ffpm_780":{"num":"780","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, dera, laza, hery,\nAnao, Jeso ô !\nNy zaza no hilaza\nNy voninahitrao\nHianao Mpanjaka tia,\nHianao no Tomponay\nIzay tonga ho Mpamonjy\nSy ho Mpisolonay.\nHe, dera, laza, hery,\nAnao, ry Jeso ô !\nNy zaza no hilaza\nNy voninahitrao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Midera Anao, ry Jeso !\nAnjely marobe\nKa izahay an-tany\nTa hankalaza Anao,\nToy  izay nataon’ny zaza\nIzay tao Jerosalema,\nNitondra ny rofia\nHo fanajana Anao.\nHe, dera, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha mbola tsy nijaly\nHianao, ry Tompo ô !\nNidera Anao ny zaza,\nKa faly Hianao ;\nKoa mbola hoderaina\nHianao ankehitrio,\nRy Jeso Tompo tia !\nMandrakizay doria.\nHe, dera, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_780"},"ffpm_781":{"num":"781","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mijere, ry ray sy reny !\nIreto sombinainareo ;\nAoka tsy hirenireny,\nTano toy ny ainareo ;\nAza avela ho adala\nRay sy reny ô ! jereo,\nAza mahafoy malala,\nFa tezao ho anareo.\nIndro ô ! indro ô !\nIndro ny zanakareo, jereo !\nJeso ô ! Jeso ô !\nIndro ny zanakay mba vonjeo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ray sy reny ! mananara,\nAza mampanaram-po ;\nManomeza teny tsara,\nFa ny zaza hankatò :\nAza avela mba hanompa,\nAoka ho tezainareo ;\nMampahory raha manota,\nAoka tsy hafoinareo.\nIndro ô, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_781"},"ffpm_782":{"num":"782","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"« Lazao, lazao rankizy !\nIzay nandaozan’i\nJeso ny fanjakany\nMba honina tetý »\n« Ry mpampianatray ô !\nHamonjy sy handio\nAntsika olom-bery\nNo nihaviany »\n:,: Mifalia izao :,:\nMisy avotra sy vonjy\nHo antsika atý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"« Rankizy ô, rankizy !\nMpitrosa hianao,\nKa inona no homenao\nHanefa trosanao ? »\n« Ry mpampianatray ô !\nNy saina amam-po\nHomenay mba ho Azy\nRaha velona izahay »\n:,: Mifalia izao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"« Rankizy ô, rankizy !\nHamonjy sy handray\nAnao ve Jeso Tompo \nRaha mino hianao ? »\n« Ry mpampianatray ô !\nMatoky izahay\nFa efa maty Izy\nHo avotray tokoa »\n:,: Mifalia izao, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"« Rankizy ! angataho\nNy indrafony izao »\n« Ry Jeso ô, Mpamonjy !\nMba iantrao izahay »\nRy Tompo ô ! ry Tompo !\nHenoy, henoy izahay,\nNa kely na vaventy,\nIzay mitaraina izao ;\n:,: Mifalia izao, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_782"},"ffpm_783":{"num":"783","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, maharavoravo !\nMiantso zaza e\nNy Andriamanitra avo,\nMpanjaka lehibe ;\nKa andeha hanatona Azy,\nFa hoy ny Tomponao :\n“Mba avelao ny zaza\nHanatona Ahy izao.”","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Isika mbola zaza\nKanefa tian’ny Ray,\nNa dia tsy hendry aza,\nNa dia tsy mba mahay !\nKa andeha, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny tahotra esory,\nNy henatra ario ;\nTsy laviny akory,\nKa manatòna anio :\nKa andeha, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Manetry tena izy,\nKa saotra no atao;\nIsika mbola ankizy\nMatoky Azy izao,\nKa andeha, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"He maharavoravo !\nHe, mahafaly fo !\nFa zanaky ny Avo\nIsika atý anio :\nKa andeha, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_783"},"ffpm_784":{"num":"784","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso, be fitia !\nZaza izahay,\nAvy mitaraina ;\nMihainoa anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Bodo sy adala,\nIndreo ny zanakao ;\nJeso ô, malala !\nAza lavinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mpiandry ondry mora !\nMba tarihonao ;\nTano tsy hania\nNy ondrikelinao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Aza avela hitady\nLaza aman-jo !\nFa Hianao irery\nNo mahafa-po.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tianao ny zaza,\nJeso ! fantatray\nKa manolo-tena\nHo Anao  izahay.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Jeso be fitia !\nZaza izahay,\nAvy mba hidera :\nMihainoa anay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_784"},"ffpm_785":{"num":"785","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izahay ankizy\nTe hidera Anao,\nRy Jeso Mpamonjy !\nKa henoy izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zanaky ny Avo,\nJeso Tomponay,\nFaly sady ravo\nRaha hatoninay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Te hifalifaly\nIzahay izao ;\nHira mifamaly,\nTianay hatao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Te hiravoravo\nMiaraka aminao\nNefa mavomavo\nKa antsoy izao.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Te hisoka-bava\nHankalaza Anao ;\nHira lalandava\nSatrinay hatao.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Sambatra ny zaza !\nIzay trotroinao ;\nNa kamboty aza,\nTonga zanakao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_785"},"ffpm_786":{"num":"786","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teninao, Jehovah !\nIzay ianaranay,\nDia tsara tsy miova,\nKa ifalianay,\nHe, tena manan-jara\nIzahay ankehitrio,\nFa lova tsara fara\nNo azo amin’io.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ireo zaza teo aloha,\nDia tsy nahita izao,\nTsy nisy hampifoha\nNatory foana tao ;\nNahantra sady ory,\nNiferina aina koa,\nTsy fantany akory\nIzay tena foto-tsoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mamiratra indrindra\nNy masoandronay,\nMilanto sy mirindra\nNy antom-piainanay ;\nNy teninao ihany\nNo nahatonga izao,\nHe ! sambatra ny tany,\nFa mahalala Anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Irinay mba hihombo\nIzay ianaranay,\nAmpio koa mba hitombo\nNy saina anananay ;\nHo avo zato heny\nNy voan’ny teninao,\nHiely eran-tany\nNy voninahitrao !","type":"verse"}],"id":"ffpm_786"},"ffpm_787":{"num":"787","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izay mahakolokolo\nNo manana ny soa ;\nZahao ny tanimboly,\nIzay fatratra tokoa,\nFa he ireo voninkazo\nMamerovero ao,\nToa nofy izay handazo,\nAndeha mba jereo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ireo izay mahavatra,\nHandray ny voka-tsoa,\nKa tena tsy hahantra\nTsy reraka tokoa ;\nJereo ireo taninketsa\nMampanantena voa,\nFa soa tsy manam-petra\nSy hanim-be tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izahay, ry ray sy reny,\nNo voninkazo koa,\nHamerovero any\nAn-tokantrano soa ;\nTezao mba hihatsara\nNy fofo-manitray ;\nMba tsy harahin-tsento\nNy toetra  anananay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Izahay no toy ny ketsa\nHo vanona tokoa,\nHamoa tsy misy fetra,\nSy tena hahasoa;\nNy fiangonantsika\nHahita valiny,\nNy fivavahantsika\nHandroso hery koa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_787"},"ffpm_788":{"num":"788","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Sakaizan’ny zaza,\nKanefa Mpanjaka Malaza;\nMidera ny Anaranao re\nIzahay vory eto izao.\n:,: Ny saotra sy dera aman-\ndaza\nno atolotray ho Anao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso, malemy fanahy !\nManatona Anao tsy manahy\nNy zaza mivory atý izao,\nEkeo mba ho mponina arý.\n:,: Ny saotra sy dera, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fahiny Hianao tonga teto\nNanala ny rofy sy sento,\nAvia mitahy anay re,\nMatoky Anao izahay.\n:,: Ny saotra sy dera, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso, Mpamonjy sy Zoky\nIzay ampy tokoa mba ho toky,\nMifaly ny manana Anao izao,\nArovy ka aza mandao.\n:,: Ny saotra sy dera, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_788"},"ffpm_789":{"num":"789","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zaza izahay, ry Jeso ô !\nNefa Hianao dia tia anay;\nInjany re ny feonao\nMiantso hoe : “ Avia ! Avia !”\nMba raisonao re, mba\nraisonao re, ry Tompo ô !\nMba raisonao re, mba\nraisonao re izahay izao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zaza izahay, ry Jeso ô !\nHianao tatý mba zaza koa ;\nTarihonao ny hevitray\nHanahaka ny hevitrao !\nMba raisonao re, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Zaza izahay, ry Jeso ô !\nNy tenanay malemy koa;\nKanefa he, ny herinao\nMiaro ny fanahinay !\nMba raisonao re, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_789"},"ffpm_790":{"num":"790","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso ô ! Sakaiza tsara,\nBe ny fitiavanao;\nTsy mba misy voarara\nTsy hihavana aminao ;\n:,: Mahagaga :,:\nNy haben’ny antranao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso ô ! mba manampia\nIzao madinikao izao\nTsy hivily, tsy hania,\nFa hanara-dia Anao,\n:,: He, malemy :,:\nNefa be ny herinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso ô ! Mpamonjy mora !\nManampia, mamonje,\nFa isan-andro, isan-ora\nMisy fahavalo be\n:,: ’Zay mamely :,:\nKa harovanao anie.","type":"verse"}],"id":"ffpm_790"},"ffpm_791":{"num":"791","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tonga ny hariva,\nKa ny aizina\nEfa mba madiva\nHo mpanarona.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso ô, tsinjovy\nKa tahio izahay,\nEny, mba arovy\nHandry fahizay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Maniraha anjely\nMba hiambina\nAhy zazakely\nRaha maizina.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ary raha maraina\nMba fohazy indray\nHo madio sy tsara\nEo imasonao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_791"},"ffpm_792":{"num":"792","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misy zaza marobe\nFaly, sambatra ao ambony ;\nNy devoly lozabe\nTsy mamely azy intsony,\nIzy ireo dia zazakely\nTonga naman’ny anjely.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mba irionao tokoa\nNy ho naman’izy ireny,\nIndro, misy zava-tsoa\nHo anao raha tonga eny,\nDia afoizo sy ario\nIzay rehetra tsy madio.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tompo, raiso izahay\nMba ho zanakao handova\nLapa soa rahatrizay\nLova tsy miovaova ;\nManan-jara aoka izany\nIzay rehetra tonga any.","type":"verse"}],"id":"ffpm_792"},"ffpm_793":{"num":"793","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba tsarovy re, rankizy\nAo am-piangonana,\n:,: Tsy hatory fa haniry\nMba ho zaza maotina :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tonga ao Jesosy Tompo,\nKa mihaino vavaka ;\n:,: Ny manatona hanompo\nRaisiny ho zanaka :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba hirao ny fiderana,\nKa ezaho mafy hoa :\n:,: “ Arahaba re, hosana !\nRy Mpanjaka lehibe ” :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Eny, Tompontsika Izy,\nTompo tsara, mora fo,\n:,: Ka hatoninao, rankizy,\nO ! hatòny eram-po :,:","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Aza mba misalasala,\nAtolory izao ny fo,\n:,: Fa ny Tomponao malala\nFaly ta-hamindra fo :,:","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ry Mpamonjiko mahery,\nRaiso aho ho Anao,\n:,: Raiso ho Anao irery,\nRaiso re, ka anjakao :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_793"},"ffpm_794":{"num":"794","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jesosy tsara\nAo an-danitra\nIzahay dia zaza\nSaro-tahotra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Koa ny anjely\nMba irahonao\nHo anay izay kely,\nRaha sitrakao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Dia mba tantano,\nJeso, izahay,\nAry mba fahano\nNy fanahinay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hianao, Mpamonjy,\nDia tianay;\nIzahay voavonjy\nTia Anao indray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_794"},"ffpm_795":{"num":"795","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso ô, Sakaizanay,\nAo an-danitra aminao\nMisy zaza namanay\nMifaly ravo ao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O, ry tia zaza ô !\nMba ampio izahay\nMba hifaly aminao\nAtý an-dasinay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha mbola ho atý,\nMba tantano izahay,\nKa tariho ho arý,\nRy Zoky tia anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ary raha tapitra\nNy anjaranay atý\nRaisonao mba hiditra\nAo aminao arý.","type":"verse"}],"id":"ffpm_795"},"ffpm_796":{"num":"796","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Henoy izany hira vao\nErý an-danitra,\nFa teraka Jesosinao,\nKa mahafinaritra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ianaronao matetika\nNy fitiavany,\nFa sambatra sy tretrika\nIzay sakaizany.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Atero zava-manitra\nSy volamenam-po\nIlay Mpanjakan-danitra,\nMpanjakantsika koa.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Valio fitiavana\nIlay Zoky tia  anao,\nAteronao fisaorana,\nDerao fa Tomponao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_796"},"ffpm_797":{"num":"797","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Zaza masina,\nMitsaoka Anao izahay,\nAtolotray ho hasina\nNy tena kelinay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mihoby ny fanahinay\nMihaona aminao ;\nRy Zanak’Andriamanitray,\nTsy misy toa Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny zavatra anananay\nDia aoka ho Anao,\nNy tena sy fanahinay\nMba hasoavinao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny lanitra nafoinao,\nNilaozanao ny Ray\nMba hanavao ny olonao\nHo velona indray.","type":"verse"}],"id":"ffpm_797"},"ffpm_798":{"num":"798","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izahay zazakely manatona\nAnao,\nRy Jeso izay teraka androany\nFa tonga hanavotra anay\nHianao,\nKa faly izahay izany ;\nMitehafa tànana\nDera no asandratra,\nMihobia, mifalia,\nFa Kristy Tompo teraka\nHo antsika !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Izahay zazakely maniry izao\nHo tena sakaiza tokoa,\nKa avy izahay mba hanaraka\nAnao\nRy Jeso Mpanjaka Tsitoha ;\nMitehafa ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izahay zazakely mangataka\nAnao\nHamory ny zaza rehetra,\nFa be ny ankizy miandry Anao\nHo Tompon’ny tany rehetra.\nMitehafa ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_798"},"ffpm_799":{"num":"799","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Zaza sambatra tokoa,\nRy Jesosy, izahay,\nFa ny Tompo Zanahary\nNo mamelona anay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zaza sambatra tokoa,\nRy Jesosy, izahay,\nHianao nijaly mafy\nHanavotanao anay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Zaza sambatra tokoa,\nRy Jesosy, izahay,\nNy Fanahy Mpanadio\nManamasina anay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Zaza sambatra tokoa,\nRy Jesosy, izahay,\nFiarovanay tsy toha\nHianao, ry Tomponay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_799"},"ffpm_800":{"num":"800","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Haleloia, asandratray\nHo Anao, ry Jeso ô !\nResinao ny rafinay,\nFa nitsangana Hianao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Foana ny fasana\nFa tsy nahatana Anao;\nNy fahafatesana\nDia nofolahinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ka mihira izahay,\nFa nandresy Hianao,\nKa ho velona indray\nIzahay madinikao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hianao hisaoranay\nRaha hitsangana izahay\nKa handao ny fasanay,\nMba handray ny lovanay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Dera no ventesinay\nHo Anao, ry Zokinay ;\nHoby no asandratray,\nRy Mpanjaka maminay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_800"},"ffpm_801":{"num":"801","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izaho dia zaza\nMalemy, osa fo,\nFa na izany aza,\nMba ondrin’ny Jeso.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Arý an-danitra  Izy\nMitsinjo ahy koa,\nSatria ny ankizy\nDia tiany tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Anefa ko akaiky\nJesosy mamiko,\nFa Izy dia manaiky\nHo eto amiko.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Manafa-tahotra ahy\nNy tsorakazony,\nManaisotra ahiahy\nNy fitiavany.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Izao tsy mbola hita\nNy endrik’Izy izay,\nFa raha arý am-pita\nHiahona izahay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_801"},"ffpm_802":{"num":"802","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Misy ny fonenana\nVita re, ho ahy,\nTany ifaliana,\nMamin’ny fanahy ;\nAo, tsy misy tahotra,\nAo ny Tompon’avotra,\nHira mahafinaritra\nNo ataon’ny any.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Saotra no hataoko ao,\nFaly fa nandresy ;\nHiakanjo fotsy vao,\nHaingon’ny mpandresy.\nNy anjely masina\nHiaraha-monina,\nJeso Tompo marina\nHiampofo ahy.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho voavidinao,\nRy Mpamonjy tsara,\nSady namboaranao\nLova tsara fara.\nKoa mba arovinao\nToy ny ondrikelinao\nIzaho izay fanananao\nRy Mpiandry Tsara !","type":"verse"}],"id":"ffpm_802"},"ffpm_803":{"num":"803","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia, ry Fanahy ô !\nHo eto aminay,\nNy fanahinay mba fenoinao\nNy hasoavanao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maloto ny fanahinay,\nKa mba diovinao ;\nTsy mahomby re ny\nfihevitray,\nMba amboarinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"He, zaza osa izahay,\nKa mba tantanonao,\nBe ny ratsy izay te-hitaona\nanay,\nAmpio ny olonao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O, ry Fanahy hendry ô,\nMiandry izahay,\nManantena Anao hanadio\nny fo\nHe, zaza osa izahay,\nKa mba tantanonao,\nBe ny ratsy izay te-hitaona\nanay,\nHenoy ny hatakay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_803"},"ffpm_804":{"num":"804","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, ry Fanahy Masina !\nIzahay ampionao,\nFa izahay madinika\nManiry ho Anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny fonay dia maizina,\nKa tsy mba fantatray\nNy tena lala-marina :\nTariho izahay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Koa amoròny fo vaovao\nIzahay mpanomponao ;\nNy ratsy mba esorinao\nHitiavanay Anao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"O, ry Fanahy Masina !\nMangataka izahay :\nMombà anay madinika,\nHenoy ny hatakay.","type":"verse"}],"id":"ffpm_804"},"ffpm_805":{"num":"805","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Izao rehetra izao dia\nmankalaza Anao,\nRy Ray Mahery, Tomponay\ntokoa,\nNy zava-boahary no asan-\ntananao\nKa tsara  indrindra  sady  soa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Miondrika aminao izahay\nmadinikao\nMidera Anao, ry Rainay be\nfitia !\nAmpio izahay, ary mba\narovinao\nNy fonay mba tsy haniasia.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Rainay be fiantra, tariho\nizahay\nHo tonga zaza tia ny mazava,\nHifaly ao an-danitra ao\nrahatrizay\nHo sambatra any lalandava.","type":"verse"}],"id":"ffpm_805"},"ffpm_806":{"num":"806","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Avia ry zaza, avia izao,\nFa indro ny Tompo miandry\nanao ;\nLazao an’i Jeso ny zava-\nmanjo,\nFa Izy onena ny ory am-po.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy Mpamonjy nanavotra\nanao,\nKa zaza malalany koa hianao,\nKa dia matokia tokoa \neram-po\nFa Izy Mpanjaka mahery\nsy to.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesosy no tsy manadino anao,\nTsarovy izany ka mba\nandrandrao\nNy Tompo malala Izay be\nindrafo ;\nAnao re ny lova tsy mety\nho lo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Sasaonao ny foko,\nMpanavotra ô !\nHo tonga madio sy mendrika\nAnao\nHo sambatra aho hahita Anao,\nMpamonjiko tsara ao\nan-danitra ao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_806"},"ffpm_807":{"num":"807","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Manatòna re, rankizy,\nNy Mpamonjy avotrao,\nFa henoy, miantso Izy,\nIzao fotoana anio izao :\n« Zaza be faniasia,\nMiverena hianao ;\nOndry kely, malakia,\nManaraka Ahy izao ! »","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny devoly andosiro,\nKa ny ota ialao,\nFa ny tsara no fikiro,\nTiavo re Jesosinao ;\nMiovà ka manenena\nNoho ny ota izay natao,\nRaisonao ny famonjena\nKa hazony  hatrizao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Miaingà ka manompoa\nAn’i Jeso Tomponao,\nTanteraho avokoa\nNy anjara asanao ;\nHalaviro re ny laina,\nMiasà ka mazotoa,\nHatanjaho re ny saina\nMahareta, mandrosoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_807"},"ffpm_808":{"num":"808","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Eo an-tratranao, Jesosy,\nDia mahafinaritra\nFa ny hafa mampahory\nKa tsy  mahasambatra.\nRaha Hianao no aro,\nAfaka ny tahotro,\nRaiso ho Anao ny foko,\nRy Jesosy tia ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mampifaly ahy koa,\nJeso, ny fitianao ;\nZara mamiko tokoa\nIzany ampofoinao ;\nNa matory na mifoha ;\nDia eo an-tratranao ;\nRy Mpamonjy Tompo soa,\nHoderaiko Hianao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izaho tena tsy tamana,\nRaha lavitra Anao,\nFa mitebiteby lava\nIzay tsy eo akaikinao.\nEo an-tratranao, Jesosy,\nTsara hitoerako ;\nEo ihany e no misy\nZava-tsoa  mahafa-po.","type":"verse"}],"id":"ffpm_808"},"ffpm_809":{"num":"809","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Sakaizan’ny zaza,\nTompo koa,\nJeso Sakaiza Malaza !\nMihainoa !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Zaza izahay mitaraina\nAminao ;\nMbola marefo ny aina,\nTanonao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jeso Sakaiza malala,\nTokinay ;\nAoka mba tsy ho adala\nIzahay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Jeso ô ! ampianaro\nIzahay,\nJeso ! avia hiaro\nNy dianay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Zaza izahay,ka sakano\nTsy hania ;\nKely izahay ka tantano\nJeso tia !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ary ny ray aman-dreny\nRaisonao,\nAoka ny fony homeny\nHo Anao.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Jeso Sakaizan’ny zaza,\nTompo koa !\nJeso Sakaiza malala\nMihainoa.","type":"verse"}],"id":"ffpm_809"},"ffpm_810":{"num":"810","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo manampia ny\nmpianatrao,\nAry mitahia ny madinikao,\nMba ho tonga zaza sitrakao\nizahay,\nZaza mankalaza ny \nMpanavotray.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maminay tokoa ny Anaranao,\nSambatra avokoa re ny\nhavanao ;\nManana anjara any aminao,\nRy Mpamonjy tsara ny\nmadinikao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_810"},"ffpm_811":{"num":"811","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"O, rankizy izay mivory,\nMba derao ny Tompo soa,\nKa ny fonao atolory,\nNy fanahy, tena koa\n:,: Mba venteso re ny hira,\nKa derao ny Tomponao :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"O, ry Tompo be fitia,\nMba henoy ny zanakao ;\nFa miantso hoe : Avia !\nManatreha anay izao !\n:,: Izay hataonay re tahio\nHo madio sy masina :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mba tolory fahendrena\nIzahay madinikao,\nKa omeo ny famonjena\nHifikirana aminao ;\n:,: O, tarihonao ny dia\nHahitana Anao, ry Ray ! :,:","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"He, ny fonay manontolo,\nIzay mangetaheta re,\nDia atolotray daholo,\nAza dia lavina e !\n:,: Mba onenonao ny fonay\nHo Anao mandrakizay :,:","type":"verse"}],"id":"ffpm_811"},"ffpm_812":{"num":"812","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Jeso Zokinay ô !\nJeso malalanay,\nHenoy ny vavakay izao,\nFa zandrinao izahay.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny batisa no nandio\nAnay ho zandrinao,\nKa dia mba tahio\nHanaraka Anao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Zokinay malala,\nArovy izahay,\nFa be ny manadala,\nManimba ny fonay.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Zokinay malala,\nTrotroy ny zandrinao,\nRehefa mba hiala\nHo any aminao.","type":"verse"}],"id":"ffpm_812"},"ffpm_813":{"num":"813","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tia zaza\nTia zaza\nNy Jesosinay !\nLanitra nafoiny,\nZaza notrotroiny,\nTia zaza \nTia zaza \nNy Jesosinay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Trano tsara\nTany tsara\nNamboariny ;\nTrano be anjely,\nHo anay izay kely,\nTrano tsara, ..sns.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Voankazo,\nVoninkazo \nTsara fofona,\nTsy halazo intsony\nAo Edena ambony,\nVoankazo, ..sns.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Zazakely\nSy anjely\nSamy sambatra ;\nHira no hirainy\nAo an-tranon-dRainy.\nZazakely, ..sns.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Seza tsara,\nLamba tsara\nHo antsika ao\nHiakanjo lava \nFotsy lalandava\nSeza tsara, ..sns.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Ento mora,\nEnto mody\nJeso, izahay,\nHo an-tranon-dRainao,\nFa ao no tranonay ô !\nEnto mora, ..sns.","type":"verse"}],"id":"ffpm_813"},"ffpm_814":{"num":"814","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsara re, ny lanitra\nSady mahafinaritra !\nAo ny Rainay be fitia,\nAo ny zaza tsy mania,\n:,: Ao ny fifaliam-be :,:","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ondry kely izahay,\nAry tsy mba fantatray\nNy hanjo etý an-tany,\nKa maniry mba ho any\n:,: Aminao, ry Tomponay :,:","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Mpiandry Tsara ô !\nAoka mba hamindra fo\nAminay izay mbola kely,\nMba iraho ny anjely\n:,: Ho mpiambina anay :,:\n\nLITANIA","type":"verse"}],"id":"ffpm_814"},"ffpm_815":{"num":"815","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Andriamanitra Rainay,\nMihainoa ! (in-3)\nMiondrika eto anatrehanao\nizahay,\nFa Hianao no Andriamanitray,\nKa henoy izahay !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Jeso Kristy, Zanak’\nAndriamanitray,\nMamonje ! (in-3)\nFa Hianao no Mpamonjy\nizao tontolo izao,\nAry ny Ranao no nanavotanao\nanay,\nKa vonjeo izahay !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Fanahy Masina,\nMpananatra anay !\nDiovinao ! (in-3)\nFa Hianao no mahay manadio\nny fonay\nMba ho tempoly mendrika\nny hitoeranao,\nDiovinao izahay !","type":"verse"}],"id":"ffpm_815"},"ffpm_816":{"num":"816","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ry Zanakondry ô, Mpisolo ny\nmpanota !\nMamindrà fo aminay !\nRy Zanakondry ô, Mpisolo ny\nmpanota !\nMamindrà fo aminay !\nRy Zanakondry ô Mpisolo ny\nmpanota !\nOmeo anay ny fiadananao !\nTompo ô, mba miantrà !\nMamelà re, ny helokay\nNiara nanota izahay tamin-\ndrazanay\nKa tsy madio, fa ratsy ny\ntoetray !\nRy Tompo ô, aza ataonao\naminay\nAraka ny fahotanay\nKa aza averina aminay ny\nhelokay !\nHenoy ny hatakay,\nKa raisonao fifonanay !\nAmen !","type":"verse"}],"id":"ffpm_816"},"ffpm_817":{"num":"817","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":0,"lyrics":"Fizarana I","type":"other"},{"num":"1","lyrics":"Andriamanitra Tompo ô !\nRay, Fanahy, Zanaka,\nMihainoa anay izao\nRy Telo Izay Iray !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jeso Zanak’i Maria,\nNaka endrik’olona,\nTonga zaza toa anay :\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Notafian-dreninao\nLamban-jaza Hianao\nTao anaty vilona :\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Novangian’olona\n‘Zay niandry ondriny\nTao an-tsaham-Betlehema :\nMihainoa, Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Notezaina Hianao,\nNotrotroin’i Simeona,\nNotompoin’i Ana koa,\nMihainoa, Jeso ô !\n\nFizarana II","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Amin’ny avonavona,\nAmin’ny fahatezerana,\nAmin’ny fialonana :\nMamonje, ry Jeso !","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Amin’ny hevi-tsy madio,\nAmin’ny teny ratsy koa,\nAmin’ny fahasarotam-po :\nMamonje, ry Jeso !","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Hankatò ny didinao,\nHankahala heloka,\nMba ho zanakao tokoa :\nMitariha, Jeso !","type":"verse"},{"num":"9","lyrics":"Mba hazoto izahay,\nTia fivavahana,\nTsy ho resin’i Satana :\nMitariha, Jeso !\n\nFizarana III","type":"verse"},{"num":"10","lyrics":"Noho ny nahaterahanao\nNoho ny ranomasonao,\nNoho ny fahorianao :\nMamonje, ry Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"11","lyrics":"Noho ny satro-tsilonao,\nNoho ny ra nalatsakao,\nNoho ny nitsangananao\nMamonje, ry Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"12","lyrics":"Noho ilay Anaranao\nIondrehon’olona\nSy ny ao an-danitra :\nMamonje, ry Jeso ô !","type":"verse"},{"num":"13","lyrics":"Noho ny herinao tsy toha\nNoho ny voninahitrao,\nNoho ny famindramponao\nMamonje, ry Jeso ô !","type":"verse"}],"id":"ffpm_817"},"ffpm_818":{"num":"818","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jeso Kristy Tomponay,\nZanaka malalan-dRay,\nNo naetry ho anay ;\nMamonje anay anie.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"He ! ny fahatsoranao\nSy ny fahadiovanao,\nTsy mpanota Hianao :\nMamonje anay anie.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hianao no marina,\nMora fo sy masina,\nAry tsy mialona :\nMamonje anay anie.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Tsy niala sasatra,\nTsy nandà ny sarotra,\nFa nitondra henatra :\nMamonje anay anie.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Heloka tsy rariny,\nHianao najaliny\nTao an-tampon-Kalvary :\nMamonje anay anie.","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Lasanao ny helokay,\nRaha mibebaka izahay\nTsy manao ny sitrakay :\nMamonje anay anie.","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"He ! ny fitsangananao,\nResy ny fahavalonao\nTamim-boninahitra :\nMamonje anay anie.","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Hianao, ry Jeso ô !\nAnateranay izao\nSaotra  izay anjaranao :\nMamonje anay anie.","type":"verse"},{"num":"9","lyrics":"Fo, fanahy, tena koa,\nHo anao mba hahasoa\nIzay rehetra tia tokoa :\nMamonje anay anie.","type":"verse"}],"id":"ffpm_818"},"ffpm_819":{"num":"819","type":"ffpm","title":"","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Rainay ô, Mpamorona !\nJeso ô, Mpanavotra,\nAry ny Mpananatra :\nMihainoa, ry Tompo !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hianao no foto-tsoa\nSy harem-panahy koa,\nHandrosoanay tokoa :\nMihainoa, ry Tompo !","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Be ny heloka natao,\nBe ny famindramponao,\nMamelà anay izao :\nMihainoa ry Tompo !","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Malahelo izahay,\nFa maditra hatrizay,\nAza mba mandao anay :\nMihainoa ry Tompo !","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Mba diovy ny fonay,\nHatanjaho ny sainay,\nAhitsio ny dianay :\nMihainoa, ry Tompo !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Be tokoa ny indrafo\nIzay naseho ho anay,\nTena latsaka ao am-po :\nMihainoa, ry Tompo !","type":"verse"},{"num":"7","lyrics":"Eny, famonjena re,\nHahitanay aim-be,\nNo efa vitanao tetý :\nMihainoa, ry Tompo !","type":"verse"},{"num":"8","lyrics":"Aina, hery, andro koa\nNo atolotray tokoa,\nMba hahaizanay ny soa :\nMihainoa, ry Tompo !","type":"verse"},{"num":"9","lyrics":"Ho Anao tsy tapitra\nHaja, dera, saotra koa\nHo Anao mandrakizay :\nMihainoa, ry Tompo !\n\n----oOo----","type":"verse"}],"id":"ffpm_819"},
   "ffpm_823": {
      "num": "823",
      "type": "ffpm",
      "title": "",
      "version": [],
      "lyrics": [
         {
            "num": "1",
            "lyrics": "Hoderaina tokoa\nHianao, ô ry Ray\nNoho ny teny soa,\nIzay nomenao anay",
            "type": "verse"
         },
         {
            "num": "1",
            "lyrics": "Teninao ny Baiboly\nAndriamanitra Ô!\nTeny fiainana\nHo an'izao tontolo izao.",
            "type": "refrain"
         },
         {
            "num": "2",
            "lyrics": "Fa ny Teny nomenao,\nTompo ô, Ray Tsitoha,\nManadio, manavao,\nMampahery ny fo!\nTeninao sns...",
            "type": "verse"
         },
         {
            "num": "3",
            "lyrics": "Mitsangàna hanompo\n0! ry mino izao,\nKa ny tenin'ny Tompo\nNo torio, ambarao.\nTeninao sns...",
            "type": "verse"
         },
         {
            "num": "4",
            "lyrics": "Dia tariho lalandava\nMba hiely, ry Ray,\nTeny soa hanazava\nIty firenenay!\nTeninao sns...",
            "type": "verse"
         }
      ],
      "id": "ffpm_823"
   },
   "ffpm_824": {
   "num": "824",
   "type": "ffpm",
   "title": "",
   "version": [],
   "lyrics": [
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "Ry Andriamanitra nahary,\nIsaoranay ny Anaranao\nNasehonao miharihary\nNy herin'ny fitiavanao :\n\nFiv : Fa ny Fiangonanao najoro...",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "1",
         "lyrics": "Fa ny Fiangonanao najoro\nHo fiorenam-pahamarinana,\nDia vatolampy tsy hikoro\nSy andry azo ifikirana,",
         "type": "refrain"
      },
      {
         "num": "2",
         "lyrics": "Ny teninao, Jeso Mpandresy,\nNo nifahiran-dRasalama\nTanaty memy nifanesy\nSy fiakarana malama:\nFa ny Fiangonanao sns...",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "3",
         "lyrics": "Ny tranomaizim-pijaliana,\nNampian'ny lefona mifofo,\nNanjary hiram-pihobiana\nNandresy lahatra ny nofo:\nFa ny Fiangonanao sns...",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": "4",
         "lyrics": "Ilay nantsoina ho maritiora,\nFitarikandro nanazava,\nNamerovero toy ny miora,\nNandroaka aizina hisava:\nFa ny Fiangonanao sns...",
         "type": "verse"
      }
   ],
   "id": "ffpm_824"
},"antema_1":{"num":"1","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Masina, Masina\nJehovah Tompo!\nFeno ny voninahitrao\nIzao rehetra izao,\nry Tompo ô! Amena.","type":"verse"}],"id":"antema_1"},"antema_2":{"num":"2","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Toy ny diera maniry ny rano an'ony,\nny foko maniry Anao.\nRy fanahiko! nahoana moa no\nmitanondrika hianao,\nka mitoloko ao anatiko? Manantenà ny\nTomponao.","type":"verse"}],"id":"antema_2"},"antema_3":{"num":"3","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ny Tompo hajao\nnoho ny fahamarinany\nsy ny fahamasinany.\nMatahora Azy re,\nry vahoaka marobe!\nNy voninahiny mahagaga.\nHe ny heriny sy ny hatsaràny","type":"verse"}],"id":"antema_3"},"antema_4":{"num":"4","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":":,: Ary maro, ary maro, ary maro\namin'izay matory ao, matory ao,\nmatory ao, matory ao,\namin'ny vovoky ny tany no hifoha, no\nhifoha, no hifoha.:,:\n:,: Ary izay hendry dia hamirapiratra,\nary izay hendry dia hamirapiratra,\nary izay hendry dia hamirapiratra,\ntoy ny famirapiratry ny lanitra.:,:\n:,: Ary izay mamerina ny maro,\nary izay mamerina ny maro,\nho amin'ny fahamrinana,\ndia ho tahaka ny kintana mandrakizay\ndoria.:,:\nAmena.","type":"verse"}],"id":"antema_4"},"antema_5":{"num":"5","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Indro ny aron'ny mandanao,\nRy Jerosalema! Miadàna ka mandria\nfahizay.\nMandry tokoa ny tany izao.\nFa jehovah manampy anao, ka aza kivy\nfo..\nAza mangina, fa ny faneva no\natsangano.\nHaleloia! Amena.","type":"verse"}],"id":"antema_5"},"antema_6":{"num":"6","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Miderà, miderà, miderà an'i Jehovah.\nMiderà an'i Jehovah, ry firenena rehetra.\n:,: Miderà, miderà, miderà Azy, ry olona,\nry olona rehetra.\nMiderà Azy, ry olona rehetra.\nMiderà Azy, ry olona rehetra.\nFa lehibe ny famindrampony amintsika,\nFa lehibe ny famindrampony amintsika.\nAry mandrakizay, ary mandrakizay, ary\nmandrakizay\nny fahamarinan'i Jehovah.\nHaleloia, Haleloia, Haleloia, Haleloia,\nHaleloia!:,:","type":"verse"}],"id":"antema_6"},"antema_7":{"num":"7","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":":,: Tamin'ny andro voalohany amin'ny\nherinandro,\ndia nankany amin'ny fasana izy,\nnitondra zava-manitra izay efa\nnamboariny.:,:\n:,: Ary hitany fa indro ny vato efa\nvoakodia niala tamin'ny fasana.\nDia niditra izy, nefa tsy hitany ny\nfatin'i Jesosy Tompo.\nAry raha mbola very hevitra\ntamin'izany izy ireo,\nindreo nisy roalahy niseho taminy,\nnitafy fitafianà manelatrelatra.:,:\n:,: Ary nony natahotra izy ka\nniankohoka,\ndia hoy izy roalahy taminy.\nNahoana no ato amin'ny maty no\nitadiavanareo ny velona?\nTsy ato Izy fa efa nitsangana;\ntsarovy ny teny izay nataony taminareo,\nfony lzy mbola tany Galilia hoe: :,:\nNy Zanakolona tsy maintsy hatolotra\neo an-tànan'ny mpanota ki hohomboana\namin'ny hazo fijaliana, ary, ary,\nhitsangana,\nhitsangana amin'ny andro fahatelo.:,:","type":"verse"}],"id":"antema_7"},"antema_8":{"num":"8","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"hoderaiko\nMandrakizay ny Anaranao no hoderaiko\neram-po, eran-tsaina.\nHianao, ry Jehovah!\nno hoderaiko eram-po, eran-tsaina;\nfa tsara sady miantra Jehovah,\nmahatsindry fo ka tsy maika.\nIzao asany rehetra izao dia samy tiony\nsy amindrany fo.\nNy Anarany lehibe hoderaiko sy\nhankalazaiko.","type":"verse"}],"id":"antema_8"},"antema_9":{"num":"9","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"An'i Kristy ny fanjakana,\nAzy izao na ny hery,\nna ny fahefana,\nna ny fandresena.\nAzy koa na ny voninahitra,\nna ny fiandriananan\nna ny laza Mpanjaka mandrakizay\nKristy Tomponay.\nAzy irery ny seza fiandrianana\nsy ny satro-boninahitra.\nAzy izao sy mandrakizay.","type":"verse"}],"id":"antema_9"},"antema_10":{"num":"10","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ziona!\nO! mihobia, ry vahoaka any Ziona!\nFa indro, ny Masina Jehovah\nMpanavotra,\nMitsangan-kitahy eo afovoanareo,\nHahatsara an'i Ziona mba ho tany\nhiadananareo.\nSambatra ao Ziona fonenanareo.\nEndre, ny tranom¬panjakana ao Ziona!\nIzahao. Hotantaraina hatramin'ny\nfarany,\nsamy hahare izay taranakareo.\nO! mihobia, ry vahoaka any zona!\nFa indro, Jehovah eo afovoanareo.","type":"verse"}],"id":"antema_10"},"antema_11":{"num":"11","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"O, lanitra! O, tany masina!\nRaha tapitra ny asanay,\ndia ravo aminao.\nNy mandanao no hitanay,\nsy vavahady soa;\nny lalam-bolamena koa no hodiavinay.\nFonena-mahasambatra,\ntsy misy heloka.\nNy làlana mahazo ao no mba hizorako.\nO, lanitra! O, tany masina!\nNahoana ny ho faty re no hatahorako?\nNy lanitra honenako mandrakizay\ndoria.\nO, lanitra! fonena-masina!\nO, lanitra! ny dianay havitrika ho tonga\naminao.\nO, lanitra! ho tonga aminao.","type":"verse"}],"id":"antema_11"},"antema_12":{"num":"12","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"He ny aiko\nTsy lalaiko\nHamonjeko ny fanahinao;\nFamonjena\nNo nomena,\nKanefa tsipahinao.\nMenatre aho,\nRy Mpamonjy!\nMamelà ny mpanomponao!\nFa ny tena\nSy fanahy\nOmeko Anao izao.","type":"verse"}],"id":"antema_12"},"antema_13":{"num":"13","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"asanao\nAkory ny hamaroan'ny asanao, ry\nJehovah ô! Fahendrena no nanaovanao\nazy rehetra. Henika ny asanao izao\ntontolo izao. Ao ny ranomasina feno\nzava-manana aina, na kely na lehibe.\nIndro ny lanitra, feno famirapiratana\nmahagaga; ary ny tany rehetra samy\nfeno zavatra avokoa, ka mampiseho ny\nvoninahitrao, Andriamanitra ô!","type":"verse"}],"id":"antema_13"},"antema_14":{"num":"14","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"miakanjo fotsy lava\nHaleloia! Iza moa ireo miakanjo fotsy\nlava, ary avy taiza izy ireo? Ireo no avy\ntamim-pahoriana lehibe, ny akanjony\nnosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny\nZanakondry! Haleloia! Ary noho izany\ndia mitoetra eo anoloan'ny seza\nfiandrianan'Andriamanitra izy, ka\nmanompo Azy andro aman'alina eo\namin'ny tempoly. Tsy ho noana na\nhangetaheta intsony ireo, fa ny\nzanak'ondry izay eo afovoan'ny seza\nfiandrianana no ho Mpiandry azy, ka\nhitondra azy amin'ny ranon'aina, ary\nhofafan'Andriamanitra ny ranomasony\nrehetra amin'ny masony.","type":"verse"}],"id":"antema_14"},"antema_15":{"num":"15","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"indrindra\nVoninahitra amin'ny avo indrindra ho\nan'Andriamanitra, ary fiandrianana ho\nAnao, ry Tompon'ny tompo!\nMiankohoka eo anatrehanao izahay.\n:,: Derao, hobio ny Anaran'i Jehovah!\nAzy anie ny dera sy ny laza ety an-tany\nka hatrany an-danitra! Dia hamasino\nizahay, ry Tompo ô, hitoeran'ny\nvoninahitrao.:,:\nVoninahitra amin'ny avo indrindra, ho\nan'Andriamanitra, ary fiandrianana ho\nAnao, ry Tompon'ny tompo!\nMiankohoka eo anatrehanao izahay.","type":"verse"}],"id":"antema_15"},"antema_16":{"num":"16","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Isaoranay Jehovah Tomponay,\nisaoranay Andriamanitray; fa be fitia\nny Tomponay, ny Tompo tia anay,\nMpanjaka tia, Mpamindra fo. Deraina\nHianao. Isaoranay izao, fa be fiantra\nHianao, Mpanjaka be fitia. Isaoranay\nny Tomponay. Ny tany aty mandray\nfitahiana; ny lanitra ary mamoaka ny\nsoa, ka misy tokoa ny vokatra tsara,\nJehovah Tsitoha manambina anay.\nDeraina ny Anaranao Andriamanitray.\nHe! faly izahay izao manao ny hiranay!\nIsaoranay Andriananaharinay\nMpanjaka be fitia.","type":"verse"}],"id":"antema_16"},"antema_17":{"num":"17","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"amin'ny tendrombohitra aho\nManopy ny masoko ho amin'ny\ntendrombohitra aho. Avy aiza ny\nfamonjena ahy? Ny famonjena ahy avy\namin'i Jehovah, izay namorona ny\nlanitra sy ny tany. Jehovah no Mpiaro\nanao. Ny Tompo no fialofanao eo\namin'ny ankavananao. Ny masoandro\ntsy hamely anao amin'ny atoandro na\nny volana nony alina. Jehovah hiaro\nanao amin'ny ratsy rehetra. Hiaro ny\nfanahinao Izy na mivoaka na miditra,\nhatramin'izao ka mandrakizay; Jehovah\nhiaro anao amin'ny ratsy rehetra\nhatramin'izao ka ho mandrakizay.\nHaleloia! Amena.","type":"verse"}],"id":"antema_17"},"antema_18":{"num":"18","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Mpanjaka Tompo Tsara\nSaotra, dera, an'Ilay Mpanjaka Tompo\nTsara, dia Andriamanitra. Izy mitahy\nny taona ka finaritra re ny vahoaka, fa\nIzy miaro ny loza tsy hitranga matetika.\nNy ranonorana tonga hanatsara ny\nzavatra maro; izay fitahiana rehetra dia\nateriny avokoa. Miderà, saotra no atero,\nfa tsy mba diso fanomezana. Izy no\nderao eo anatrehan'ny vahoaka maro.\nMiderà, saotra no atero, fa tsy mba diso\nfanomezana. Izy no derao re, Izy no\nderao eo afovoan'ny fiangonana.","type":"verse"}],"id":"antema_18"},"antema_19":{"num":"19","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"anareo\nDidy vaovao no omeko anareo, dia ny\nmba hifankatiavanareo. Eny, aoka ho\ntahaka ny nitiavako anareo, no mba\nhifankatiavanareo koa. Izany no\nhahafantaran'ny olona rehetra fa\nmpianatro hianareo, fa mpianatro\nhianareo, fa mpianatro hianareo, raha\nmifankatia.\nIzao no didiko, izao no didiko, izao no\ndidiko, dia ny mba hifankatiavanareo,\ntahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy\nmanana fitiavana lehibe, lehibe noho\nizao: manolotra, manolotra ny ainy\nhamonjy ny sakaizany.","type":"verse"}],"id":"antema_19"},"antema_20":{"num":"20","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":":,:Endrey ny hatsaran'ny trano,\ntranonao, Andriamanitra ô! Maniry anao\nny foko sy fanahiko. Sambatra izay,\nizay mitoetra, sambatra izay mitoetra\nao an-tranonao, tranonao. Hidera Anao,\nTompoko: Tompoko sy\nAndriamanitro.:,: Amen.","type":"verse"}],"id":"antema_20"},"antema_21":{"num":"21","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Vatolampy\n:,:Jehovah ô! Hianao no Vatolampy\niorenan'ny finoanay sy fanantenanay,\nJehovah ô, Jehovah ô!:,:\nMpamonjy mora azo indrindra, ka mety\nmba hanavotra izay manota.\nJehovah ô, Hianao no faleha: mijere\nanay, ry Tompo Masina ô! Dia tafionao\nny hery vaovao ny mpanomponao, ho\nmendrika ny asa izay atao izao, aty\nantranonao, noho ny fitiavanao anay.\nKa ny dera aman-data, hery voninahitra\nanie, ho Anao mandrakizay, Jehovah\nTompo ô! Jehovah ô! Jehovah ô!\nJehovah ô! Hianao no faleha: mijere\nanay ry Tompo Masina ô!","type":"verse"}],"id":"antema_21"},"antema_22":{"num":"22","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"mandrakizay\nJehovah Tomponay ô! Ray mandrakizay,\nAndriamanitra Mpanjakanay, manerana\nizao rehetra izao ny herinao. Tsy tratry\nny fisainanay ny voninahitrao, an-\ndanitra ao.\nTe-hidera Anao izahay noforoninao.\nKanefa tsy hainay izay vavaka ho enti-\nmankalaza ny fiandriananao. Fa masina\nsady marina, be fahendrena, Hianao\nIzay andohalehan'izao tontolo izao.\nNoho ny famindramponao izay\nmaharitra mandrakizay, Tompo ô! mba\nomeo ny Fanahinao Masina, hifona sy\nhitaraina ho anay. Amin'ny Anaran'i\nJesosy Zanakao, mba henoy ny\nfivavakay.:,:\nNoho ny haben'ny fahasoavanao, ary\nnoho ny fitiavanao, jereo, Tompo ô, ny\nFiangonanao! Mba ampiraiso,\nhatanjaho, arovy izy, mba hijoro\namin'ny Teninao. Ka na mafy ny\ntafiotra sy ny alon-dranomasina, ny\nRan'ny Zanakao no hamonjy azy sy\nhanavotra azy. Ampitomboy ny finoany.\nNy Anaranao ankalazaina mandrakizay,\nsy hanefanay isan'andro nyvoadinay.\nMba raiso ny fisaoranay. Henoy, henoy\nny vavakay, ry Tompo ô!","type":"verse"}],"id":"antema_22"},"antema_23":{"num":"23","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Andriamanitra ô\nHoderaina ny Anaranao, ry\nAndriamanitra ô! Tompo be\nfahasoavana, mba henoy ny vavakay!\nRy Mpanjakan'ny mpanjaka ô! Raiso ny\nfifonanay! O ry Tompo Mpampionona,\nmba henoy ny vavakay! Mihainoa ny\nvavakay, mihainoa ny vavakay! Tompo\ntia sy Mpamindra fo! Mihainoa anay.\nAmen!","type":"verse"}],"id":"antema_23"},"antema_24":{"num":"24","type":"antema","title":"Antema ","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":":,: Miderà ny Tomponao:,:\nRy Jehovah Tomponay, tafavory\nizahay; avy hankalaza Anao izahay\nvahoakao.\nFaly, ravo izahay noho ny soa azonay;\ntonga mba hisaotra Anao voavotrao\nSaotra tsara entinay, hira no\nasandratray mba ho fiderana Anao\nRain'izao rehetra izao\n(Famaranana :)\nDerao, derao, dera no omena Anao","type":"verse"}],"id":"antema_24"},"ff_1":{"num":"1","type":"ff","title":"Hira Faneva Faha-30 Taonan'ny Fjkm","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mitsangàna ianao ry mino\nFa ilain'ny taninao\nNy finoana ifikiro,\nMivonona ianao !\nNy ady natrehanao tsy mora\nTena sarotra tokoa\nNefa toy 'lay tao Edoma\n'Lay Mahery momba anao.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Mbola ho avy ny maraina\n('lay maraina)\n'Zay mitondra hery vao.\nRy mpiambina miarena\nKa ingao ny zovinao.\nAmbarao fa ny aizina\nIndro efa lasa re\nEfa tonga any maraina\nHisy hazavana be","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Raha sendra ady mafy\nMila handreraka ny fo\nDia tsarovy fa mihafy\nVao hahita soa\nRaha tafita ianao\nHisy hazavana be\nNy haizin-kitroka ho lao\nTapi-dàlana haleha","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Fahafahana doria\nTsisy tambiny aminao\nNo omen'ny Tompo tia\nRaha tahiana ianao\nHo fanilo mandra-maty\nHo mpitantana ny dia\nHomba anao doria doria","type":"verse"}],"id":"ff_1"},"ff_2":{"num":"2","type":"ff","title":"He! Manolo Tena","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"He, manolo-tena ho Anao\nFa mandre ny feo sy antsonao\n'Zato tenako izay mania\nKa raiso Tompo, raiso ry Jesoa tia","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Hanoa ny sitrakao, hanao 'zay tianao\nKa ho mpanompo vonona sy sahy koa\nHitory hatrany ny fitiavanao\nAmbaram-pialam-pofon'aiko Jesoa","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Eny, Tompo, tsy mba mendrika aho\nFeno loto ao am-poko ao\nNefa re ilay fitiavanao\nNo inoako handray ahy ho mpanomponao","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eo anilanao no fifaliako\nHo Anao mandrakizay no tiako\nNy ho vavolombelonao Jesoa\nNo mamiko sy tena iriko tokoa","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Fantatro fa sarotra ny diako\nMaro be ny zavatra ho sedraiko\nNefa raha Ianao no momba ahy\nDia tsy hanan-tahotra ny fo sy fanahy","type":"verse"}],"id":"ff_2"},"ff_3":{"num":"3","type":"ff","title":"Jesoa Vato Fehizoro","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesoa vato fehizoro\nAfa-tahotra ny fo\nRaha Ianao no mampijoro\nSy iankinana tokoa\nVato fiorenanay\nJesoa Zanaky ny Avo\nVato fialofanay\nAmin-dratsy te-handavo","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Vato azo itokiana\nSady tsy mba mivena\nAfaka ny fahoriana\nRaha Ianao no ekena\nJesoa Tompo (irery) in-2\nNo 'lay vato tsy mifindra\nJesoa Tompo (irery) in-2\nNo 'lay fehizoro indrindra","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Jesoa vato fehizoro\nMampisinda ahiahy\nFa mandresy horohoro\nManatanjaka fanahy\nO, ry vato tsara paika\n'Zay mandray Anao am-po\nDia mijoro tsy miraika\nN'inon'inona manjo","type":"verse"}],"id":"ff_3"},"ff_4":{"num":"4","type":"ff","title":"Ry Fanahy O, Midina","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Fanahy ô, midina\nManatreha anay anio Ianao\nMba hanoloranay ny vavakay mangina\nVetsovetsom-po 'zay atolotray\nVola sy ny harena samy tsy anananay\nFa indro vavaka mangina\nFanoloran-tena ho Anao tokoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry Fanahy ô, monena\nAza mba mandao anay Ianao\nKolokoloy 'zahay mba hitombo fahendrena\nKa tsy hahafoy hiaraka Aminao\nOta sy rendrarendra\nSamy te-handavo anay\nSoa ihany, soa fa eo Ianao Fanahy\nVonona hitahy ny fiainanay","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ry Fanahy ô, meteza\nMba handray anay ho mpianatrao\nAvia Ianao, avia mampahereza\nHahatonga anahy mba ho irakao\nEso sy fitsapana\nSamy manakivy anay\nKa taomy, taomy hanam-po mafana\nHerim-po vaovao hiasa ho Anao","type":"verse"}],"id":"ff_4"},"ff_5":{"num":"5","type":"ff","title":"Izaho No Fananganana Ny Maty","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hoy Jesosy Tompo : 'Zaho no fananganana\nFananganana ny maty sy fiainana\n'Zay rehetra mino Ahy na dia maty aza\nDia ho velona indray (in-3)\nSatria velona Aho \nVelona ianareo\nAza matahotra fa\nHo velona indray (in-3)","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Maharavo fo ny teniny, henoy indray koa\n'Zay rehetra velona ka mino Ahy tokoa\nDia tsy ho faty mandrakizay, hatsangako\nKa ho velona indray (in-3)\nSatria velona Aho \nVelona ianareo\nAza matahotra fa\nHo velona indray (in-3)","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"O, Jesosy Tompoko, indro re ampitomboy\nNy finoako Anao, ny herinao asehoy\nTompo iantrao ny foko, tsy finoako vonoy\nMba ho velona indray (in-3)\nMino Anao tokoa\nNy foko Jesoa\nFeno toky aho\nFa ho velona indray (in-3)","type":"verse"}],"id":"ff_5"},"ff_6":{"num":"6","type":"ff","title":"Ny Teninao","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ny teninao, Jehovah Ray mahery,\nIzay nomenao anay\nDia teny tsara sady mampahery\nKa mampifaly ny fonay","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Ny teninao, mofon'aina, sakafo tokoa\nNy teninao, ranon'aina satria foto-tsoa\nNy teninao no teny tsy mba maty\nMaharitra mandrakizay.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Soraty re ho velona ao anaty\nHitondra aina vaovao\nHitana ny finoana tsy ho faty\nKa hankato ny didinao.","type":"verse"}],"id":"ff_6"},"ff_7":{"num":"7","type":"ff","title":"Tsy Hainay Ny Hangina","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy hainay ny hangina\nKa tsy hankalaza ny Avo\nNameno fitahiana\nKa tsy mba namela ho lavo","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Ka dera ry Ray sy saotra\nNo atolotray ho Anao\nRaiso (fo sy fanahy) fo faly loatra\nNo entina midera Anao\nNy sainay tsy ampy hahalala\nNy fetran'ny fitiavanao\nKa raiso ry Tompo malala\nNy fankasitrahana Anao, ry Ray","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Tsy hainay hadinoina\n'Lay fara-fitiavanao Ray ô,\nFa maty novonoina\nNy Zanakao hamonjy anay","type":"verse"}],"id":"ff_7"},"ff_8":{"num":"8","type":"ff","title":"Masoko manganohano","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Masoko manganohano,\nNitomany feno rano\nNoho ny helok’efa vita,\nDia mitony raha nahita\nMasonao be fiantra\nRy Mpamonjy ny mahantra\nO Voavotrao ‘lay very\nRy fitiavana mahery.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tanako mangadihady\nNisarangotra nitady\nFanavotana sy Vonjy\nF’efa resy ka nilonjy.\nDia noraisinao ry Tompo\nNa dia tànana maloto\nO voavotrao ‘lay very\nRy Fitiavana mahery.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Foko tena fahavalo\nNefa resy ka mimalo\nRaha nifona fa naditra\nHitanao nipitrapitra.\nBabo ka tsy afaka ho aiza\n’Zay noraisinao ho sakaiza\nO voavotrao ‘lay very\nRy Fitiavana mahery.","type":"verse"}],"id":"ff_8"},"ff_9":{"num":"9","type":"ff","title":"Isaorana anie Jehovah","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Isaorana anie Jehovah\nAndriamanitra anie\nAndriamanitry ny Israely\nIsaorana anie Jehovah\nAndriamanitra\nIzy irery ihany no nanao fahagagana\nIsaorana, mandrakizay\nny anarany Malaza\nAry aoka ny tany rehetra,\nHo henika ny famirapiratry\nNy voninahitr'i Jehovah Ray Tsitoha\nAmen!","type":"verse"}],"id":"ff_9"},"ff_10":{"num":"10","type":"ff","title":"Mivavaka aho satria","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miloatra avy ao am-poko\nNy tonom-bavako\nManeho ny fanajako\nSy fankatoavako\nNy Tompoko Tsitoha\nNitahy hatrizay\nHatramin’ny taloha\nSy ho mandrakizay.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Mivavaka aho satria tena mino\nMino sy mankato\nManaja sady tia an’Andriamanitro\nMivavaka aho satria tena faly\nFaly sy manantena ny avotrao\nOmena mandrakizay doria","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Mibahana ato am-poko\nFanahin’I Kristy\nMitaiza tsy miato\nKa mahafaly ery\nManesika ahy hivoatra\nHiasa bebe kokoa\nKa ataony tafahoatra\nNy hasoavako.\nMivavaka aho satria tena mino sns...","type":"verse"}],"id":"ff_10"},"ff_11":{"num":"11","type":"ff","title":"FALY AHO","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Faly aho raha hoy izy ireo tamiko :\nHandeha isika ho any an-tranon'i Jehovah\nNy tongotray efa mijoro\nAo anatin'ny vavahadinao ry Jerosalema\nDia ianao ry Jerosalema, izay efa vita\nTahaka ny tanàna efa voalamina tsara\nAny no hiakaran'ny firenen'i Jehovah\nMba hisaotra ny anaran'i Jehovah.\n(H. RATSIMBAZAFY)","type":"verse"}],"id":"ff_11"},"ff_12":{"num":"12","type":"ff","title":"AM-PELATANANAO RY RAIKO","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Am-pelatananao ry Raiko\nNy momba ahy rehetra\nIriko Ianao no ho mpibaiko\nIanao anatiko ao mitoetra\nHo andrianiko tokoa\nHitarika ahy hatrany hatrany\nAndriafô tsy mandao Ianao\nJesoa Ianao no hazavana tsy ho lany\nAm-pelatananao ihany\nMandrakizay doria doria\nNa ny fiainako eto an-tany\nNa hatrarý ankoatra arý.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny saiko am-pelatananao\nNy foko efa tsy ahy intsony\nFa voaova ho vaovao\nDia lasanao ry Ray ambony\nNy hasambarako ombieny\nMifaly manana anao\nIlay fiainako mpanjeninjeny\nNo voafehinao anatiko ao\nAm–pelatananao ihany\nMandrakizay doria doria\nNa ny fiainako eto an-tany\nNa hatrarý ankoatra arý.\n(ANDRIAMIHADAMAHATRARA M.)","type":"verse"}],"id":"ff_12"},"ff_13":{"num":"13","type":"ff","title":"MIHIRA FIHIRAM-BAOVAO","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Mihirà fihiram-baovao\nHo an'i Jehovah ry tany\nMihirà fihirana ho an'i Jehovah\nDia ambarao amin'ny jentilisa\nNy voninahiny.","type":"verse"},{"num":2,"lyrics":"Mihirà fihirana, fihiram-baovao\nMihirà fihirana ho an'i Jehovah ry tany\nDia ambarao amin'ny jentilisa\nNy voninahiny\nAmbarao amin'ny jentilisa\nFa Jehovah no mendrika\nIzy no mendrika ny fiderana.\n(RAMAROLAHY A.N.J.)","type":"verse"}],"id":"ff_13"},"ff_14":{"num":"14","type":"ff","title":"JESOA APETRAKA AMINAO","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Jesoa, apetraka Aminao\nNy fanahiako rehetra\nNy asa vita hatrizay\nAnao tokoa tsy misy fetra\nJesoa apetraka aminao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesoa, apetraka Aminao\nNy asa fikelazan'aina\nTsy misy miafina aminao\nNy hetaheta tsy hay lazaina\nJesoa apetraka Aminao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Jesoa, apetraka Aminao\nNy toky sy fanantenana\nNy sitrakao no aoka hatao\nNa aiza lalana hombana\nJesoa apetraka Aminao.\n(RALAIARIJAONA)","type":"verse"}],"id":"ff_14"},"ff_15":{"num":"15","type":"ff","title":"RAIKO Ô !","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo malala tsitoha,inty aho\nIzao vao nandre ilay feo niantso ahy\nTsapako anatiko ao ny herinao\nMitaona ahy mba hiverina aminao.\n\nRaiko ô ! Raiko ô ! Inty aho\nRaiso mba ho isan'ireo zanakao\nFa izaho izay nania dia hiova\nHanaraka ny dianao Raiko ô !","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Jesosy Zokiko ô ! Raiso aho\nHo isan'ireo zandrinao tianao\nNeniko ireny taloha,fa hiova\nRaiso aho ! Raiso aho Jesoa ! Ho anao.\n\nTompo ô ! Tompo ô ! Inty aho\nRaiso mba ho isan'ireo zandrinao\nFa izaho izay nanda dia hiova\nHanaraka ny dianao Jesoa.\n(J. RAMIANDRISOA)","type":"verse"}],"id":"ff_15"},
"ff_16":{"num":"16","type":"ff","title":"Tsy vitam-po onena","version":[],"lyrics":[
   {"num":"1","lyrics":"Tsy vitam-po onena\nTsy vitan-dranomaso\nNy Asam-pamonjena\nTsy azo atao mifampiandry andraso\nTsy azo ifanerena\nMila fandavan-tena\nSy hery tsy mba maty\nHerim-po, herin-tsaina koa\n\nFiv : Na onena ny fonao, sns.","type":"verse"},
   {"num":"1","lyrics":"Na onena ny fonao\nNa tomany ny maso\nTsy izany no ilaina\nFa fifankatiavana","type":"refrain"},
   {"num":"2","lyrics":"Ny mpianatry ny Tompo\nAsainy mifanompo\nNa mamy na mangidy\nMiara-dia , f’izany no Didy\nMamonjy ny mahantra\nManarina ny lavo\nMitsabo ny maratra\nAry koa tsy mba miavom-po\nNa onena ny fonao, sns…","type":"verse"}],"id":"ff_16"
},"ff_17":{"num":"17","type":"ff","title":"HO AVY NY MARAINA","version":[],"lyrics":[],"id":"ff_17"},"ff_18":{"num":"18","type":"ff","title":"AFAFAZO","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha tonga ny andro\nIzay hitsarana anao\nAmin'izay fotoana izay\nHadinina ianao\nKa hitarika ilay Mpanjakanao\nEfa vonona ve ianao ? (Ary koa) \nEfa ampy ve izay anananao\nHiatrehanao ny Tomponao.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Fihatsarambelatsihy\nAok'izay dieny ety\nFahafaham-baraka\nHo anao, ka ialao\nRaha toa tianao\nHo voavonjy ianao\nAfafazo 'zay voa mendrika\n(Mendrika).","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Raha tonga ny andro\nIzay itsaràna anao\nAmin'izay fotoana izay\nHadinina ianao\nEfa ampy ve izay nafafinao\nMba ho voa mendrika tokoa ?(Ary ko) \nEfa tontosa ve ny anjaranao\nTsy hahameloka anao rahatrizay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Raha ho avy ny fotoana hodianao\nAmim-boninahitra\nHo ao an-tranon-dray\nTsy hatahotra, na hangovitra\nIanao raha madio fo (Ary koa)\nSatroboninahitra tsy mba lo\nNo an'ny mpanomponao mahasoa.\n(RAZAFINTSEHENO M.)","type":"verse"}],"id":"ff_18"},"ff_19":{"num":"19","type":"ff","title":"RAHA JEHOVAH NO MPIANDRY","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Raha Jehovah no Mpiandry,\nTsy mba hisy mampahory ;\nAhimaintso no handriana,\nNy fanahy velombolo ;\nEny, tsy hanahy akory\nLala-marina, lala-tsambatra\n(Sambatra ifaliana).","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Raha Jehovah no mpiandry\n(Tsy mba ... hisy)\nTsy mba hisy izay mampahory,\nAhimaintso no handriako\n(Ranon'aina ho sotroiko)\nNy fanahiko ho velominy\nMiasa Izy tsy mba matory,\nLala-marina itondrany\ntsy ho foiko.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Ny aloky ny fasana aza\nTsy ho tazantsika intsony ;\nTsy hatahotra ny loza aho\n(Izy mihazona ahy)\nTsorak'azo nitondrany\nSy ny tehiny any ambony,\nNo manolotra ny toky\nNy fanahiko\n(Toky ny fanahiko).","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Eo imasom-pahavalo\nNy latabatro velariny ;\nDiloilo feno hanitra\n(Efa namotosany ahy)\nSafononoka tantely\nNy kapoakako namboariny\nFahasoavana no sisa\nAfaka ahiahy\n(Afaka ahiahy).","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ao an-tranonao ry Tompo\nNo iriko hialofana ;\nKa tsy afa-miditra any\n(Ny hetraketraky ny tany)\nRaha ny fonao feno antra\nNo ho lamba irakofana,\nAry ny androm-pifaliana\nTsy ho lany (Tsy ho lany).\n(ANDRIAMANJATO R.\nRAJOELISOLO R.)","type":"verse"}],"id":"ff_19"},"ff_20":{"num":"20","type":"ff","title":"JESOA FITIAVANA","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Efa trotraky ny adin-tsaina\nVao mba nahatsiaro Anao ry Tompo\nMenatr'aho tsy sahy mitaraina\nRy Jesoa fitiavana\nKanjo tambitamby safosafo\nNo nasetrinao ny ditrako\nEny tsapako fa novidianao lafo\nTamin'ny ranao ny tenako.","type":"verse"},{"num":2,"lyrics":"Jeso malalako tafio ny herinao\nHahaizako mandresy ny fankam-panahy\nHe! Tsinotsinona izao tontonlo izao\nFa fanimbana tena sy fanahy.","type":"verse"},{"num":3,"lyrics":"Ho reharehako ilay tanambokovoko\nHihamina eo anilanao anie ny foko ;\nFa eo anilanao tsy misy ny tolokoloko,\nEo no mahatsara ahy, Jesoa.\n(ANDRIAMIADAMAHATRATRA M.)","type":"verse"}],"id":"ff_20"},"ff_21":{"num":"21","type":"ff","title":"MAHATOKY KA TOKONY EKENA","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Mahatoky ka tokony hekena\nAmin'ny fankasitrahana\nrehetra\nIzao teny izao (2)\nTonga teny ambonin'ny tany\nKristy Jesoa ;\nHamonjy ny mpanota,\nAry amin'ireny izaho\n(Izaho) 3\nAmin'ireny, izaho no lohany\nKanefa izao no namindrana fo\ntamiko (2)\nDia ny mba hisehoan'i\nJesoa Kristy eo amiko,\nizay lohany (2)\nNy fahari-po rehetra\nno fianarana\nHo an'izay hino Azy\nHahazoana fiainana\nMandrakizay ;\nMahatoky ..sns.\n(RAJAOFETRA John)","type":"verse"}],"id":"ff_21"},"ff_22":{"num":"22","type":"ff","title":"TSY MENDRIKA AHY","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Tsy mendrika ahy\nmpanomponao\nNy atao hoe zanakao\nKanefa Ianao ry Tompo\nNo niantso ahy izao\nIzay manatona ahy\nTsy ho laviko hoy Ianao\nDia tamy aho\nKa sahy nanatona Anao.","type":"verse"},{"num":2,"lyrics":"Ianao no madio\n(mba diovy aho re)\nIanao no marina\n(mba hamarino aho re)\nIanao no masina \n(mba hamasino aho re)\nTsy mendrika hitsimpona\nNy latsaka amin'ny\nlatabatrao aho\nKanefa hoy Ianao\n\"Izay manatona Ahy\" \nNoho ny teninao (2)\nDia sahiko ny manatona.","type":"verse"},{"num":3,"lyrics":"Ianao no madio\n(mba diovy aho re)\nIanao no marina \n(mba hamarino aho re)\nIanao no masina \n(mba hamasino aho re)\nMba diovy aho re,\nhamarino aho re\nMba diovy aho re\nMba hamarino re\n(hamarino re) \nMba hamasino re\n(hamasino re)\nMba diovy, hamarino,\nHamasino.\n(RABEMANAHAKA\nHenri RATSIMBAZAFY)","type":"verse"}],"id":"ff_22"},"ff_23":{"num":"23","type":"ff","title":"ANDRIAMANITRA O ! RY TOMPO ZANAHARY (A.T.Z)\n","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andriamanitra ô !\nRy Tompo Zanahary\nBe ny fitiavana\nMamonjy sy mamelona\nVatolampy, toky tsy mifindra\nFa maharitra mandrakizay.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Raha eto an-tany\nDia mandala ihany\nMiovaova tsy azo\nIanteherana,\nFa izany no fomban'ny tany\nToa fiainana raha jerena\nKanjo indrisy fa mahonena\nHasambarana miserana ihany.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"O! ry velona tsarovy,\nny andronao fa mandalo\ntsy mba manam-pijanonana\nKa tandremo sao variana\nianao\n'Zao tontolo izao\nho levona avokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mbola ho entin'\nAndriamanitra hotsaraina\n'Zaho sy ianao, ka tsy ho\nafa-maina ;\nFa Jesoa Mpanjaka no hitsara\nKa hanavaka ny ratsy\nsy ny tsara.\n(RAMANOELINA\nANDRIANASOLO R.)","type":"verse"}],"id":"ff_23"},"ff_24":{"num":"24","type":"ff","title":"MAHEREZA ! NY TOMPO MOMBA ANAO","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Miainga, mazotoa\nMikeleza aina koa, \nmivavaha (2)\nHo an'izao tontolo izao\nMijoroa, mitoria\nMamafaza teny soa\nFa ny Tompo be fitia\nNo manohana anao\nSarotra ny lalanao\nKanefa matokia tokoa\nAndrandrao ny masonao\nFa mbola ao ny Tompo soa\nIzy no aminao\nKa hampandresy izao\nO ! mahereza\nfa ny Tompo momba anao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Mandrosoa, miasà\nTano ny Finoanao\nAza mba matahotra,\nna manahinahy izao\nMiadia, mitafia\nNy firaisan-tsaina soa,\nFa ny fahavalonao\nDia handositra tokoa\nAza kivikivy foana\nFa ny Tomponao dia ao\nMampahery lalandava\nAry koa tsy mba mandao\nIzy no aminao\nka hampandresy anao\nO ! mahereza\nfa ny Tompo momba anao.\n(RAMASITERA T.)","type":"verse"}],"id":"ff_24"},"ff_25":{"num":"25","type":"ff","title":"NY VOADIKO","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ny ondry mania no maneho\nAnao\n'Zao fanakena sy voady izao\nNandinika ny zava-bita Jesoa\nTsy mendrika hanatona Anao\nKanefa tsaroako ny\nfitiavanao\nHamonjy ity mpanomponao.","type":"verse"},{"num":2,"lyrics":"'Lay teny Mahery mananatra\nNampiova ny foko torovana\n'Lay Fanahy Masina inoako\nHampianatra sy hanadio\nNy ho aviko apetraka eo\nAminao\nIzany no voadiko izao.\n(RASOLOJAONA M.)","type":"verse"}],"id":"ff_25"},"ff_26":{"num":"26","type":"ff","title":"JESOSY REHAREHAKO","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy misy reharehako\nAfa tsy Ianao Jesosy o !\nAnao ny hery, anao ny haja\nsy voninahitra\nNy fasana sy ny fiainan-\ntsy hita\nIndro efa resinao\nIzao tontolo izao dia nahita\nFa efa nitsangana Ianao.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Sambatra aho Jeso ô ! \nManana Anao 'zay\nTompon'ny hery \nSambatra aho Jeso ô !\nMiankina eo an-tratranao\nAmpy ahy ny fitiavanao\nAmpy ahy ny finoako Anao\nRaketiko ao am-po\nlalandava\nFa reharehako Ianao.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Tsy nisy nahitam-pamonjena\nAfa tsy taminao\nNanaiky Ianao\ntsy mba noterena\nHitondra aina vao\nNy tananao Mahery\nnatsotranao mba hitantana\nHahaizako mandeha \nsy mizotra ny lala-marinao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nasehonao ilay fahefana\nmanda sy aroko\nKa niala maina teo 'lay satana\n'zay fahavaloko\nTsy misy maharombaka\nakory\n'Zay eo an-tananao\nIzany indrindra no ilazako\nFa reharehako Ianao.\n(RAJAONARIVELO G.)","type":"verse"}],"id":"ff_26"},"ff_27":{"num":"27","type":"ff","title":"'LAY ALIM-PAMONJENA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"'Lay alim-pamonjena (famonjena) \nTsarovana eto izao \nFa Tompo be harena \nno teraka tamin'io \nHe ! Mahagaga ilay fitia \nNasehon' Andriamanitra","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"He ! Ravo ny fo \nHe!mirana koa \nMifaly (falifaly), sambatra doria \nMiventy ny hiran'ny lanitra \nHALELOIA !","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"'Lay alim-pamonjena (famonjena) \nTsarovana eto izao \nFa vita fanekena \nIzaho sy ny Tompo soa \nNy tenako atolotro \nNy tenany ho avotro \nHe ! Ravo ny fo, sns...","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"'Lay alim-pamonjena \nTsarovana eto izao \nMpanota sesehena \nMandova fiainan-tsoa \n'Lay alim-pihavanana \nNitondra fiadanana \nHe ! Ravo ny fo, sns...","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"'Lay alim-pamonjena \nTsarovana eto izao \nNitondra fietrena \nTsy mba manam-paharoa \nFitiava-mampitovy zo \nNy miadana sy ory fo","type":"verse"}],"id":"ff_27"},"ff_28":{"num":"28","type":"ff","title":"EFA VOADINIKAO ANDRIAMANITRA Ô","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Efa voadinikao Andriamanitra ô! \nNy fiainanay zanak'olombelona \nTsy misy 'zay miafina amiko tsy hitanao \nIanao no manendry izany Andriamanitra ô!","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Indro ny fikasako voalahatrao \nNy fiainako rehetra dia Aminao \nNy fahotana vitako taminao \nMangataka famelana Andriamanitra ô!","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza avela aho hangaihay \nFa ampioreno mafy ny finoako \nKa na mamely ahy ny fakam-panahy \nDia mahatoky Anao ny fanahiko.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ny nofoko anie malemy no sady kely \nTorovana tsy ampy hery ka manahy \nMeteza Ianao anio Andriamanitra o! \nHo hery sy toky ho ahy mandrakizay.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Ianao no vatolampy sy fiarovako \nNy herinao no indro hizorako \nNy foko ao anatiko ao efa fantatrao \nDia raiso aho ho zanakao Andriamanitra ô!","type":"verse"}],"id":"ff_28"},"ff_29":{"num":"29","type":"ff","title":"TSY MBA HISY REHAREHAKO","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tsy mba hisy reharehako \nToy ny hazo nijalianao Jeso (Jesosy ô !) \nEo amin'izay rehetra halehako \nIzany no voadiko Aminao \nHe! izao rehetra izao ekeko (ry Jeso) \nMora lo sy tsy maharitra tokoa (kanefa Jeso) \nFa ny fitiavanao jereko \nRy Jeso tsy niala tamiko","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Tsy mba hisy fanorenako \nRaha ny eto an-tany eto Raiko ô \nFa ny lanitra no ho fonenako \nIzany no mba faniriako \nHe! izao tontolo izao tazaniko (tazaniko) \nRendrarendr'izay mamitaka avokoa (kanefa Ray ô !) \nFa ny eo anilanao no mamiko ry Raiko \nRaiso aho ho Anao .","type":"verse"}],"id":"ff_29"},"ff_30":{"num":"30","type":"ff","title":"Fo mitambatra ho iray","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fo mitambatra ho iray\nNo entina eto izao\nMitrotro ny fitia\nHohamasinin’ Andriamanitra\nHitombo hery sy\nHamerovero koa\nKa hifanaiky ireo olon-droa\nFa hiombom-piainana\nNa inona miseho eto an-tany\nDia vonona hifampitantana","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Fitiavana toy ny an’Ilay Jesoa\nFitiavana manolotra ny aina\nFitiavana mandresy fahotana\nFitiavana ho mandrakizay doria","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Toy ‘zao androany izao\n‘Lay nofinofy izay\nNiainanay taloha\nKa indro fa miara-belona,\nMiara-tsambatra\nAnivon’ ny fitia\n‘Lay dina izay\nNiarahana nikolo\nNo hamafisina ho doria\nHotehirizina ho vaovao\nHandrobona, hitombo hasina\nFitiavana toy ny an’Ilay Jesoa, sns…","type":"verse"}],"id":"ff_30"},"ff_31":{"num":"31","type":"ff","title":"MIFALIA RY MANAM-POFONAINA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mihirà ry manam-pofonaina\nMikaloa sy mitsikia\nTapaka ny gadra novonjena\nAfak'i Jesosy be fitia\n'Lay Edena nihidy tany aloha\n(nihidy aloha)\nNoho ny ota ratsin-\ndrazantsika\nHe, midanadana sy mivoha\nKa idiro hitondray mozika.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"'Lay satana tena fahavalo\nResy teo ka voakodia\nKoa herezo aza mimalo\nTokinao anio ilay Mesia\nRy voahosotra hitondrana\nfamonjena\n(Ry voahosotra famonjena)\nNdreto ento ho Anao 'zahay\nDia izahay izay miferin'aina\nNoho ny ota izay mpahazo\nanay.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Afaka izahay ankehitriny\nTonga ny Mpanavotra anay \nKa ilay gehenanay fahiny\nVoasolo paradisa indray\nKoa isaoranay tokoa tokoa\n(Koa isaoranay tokoa)\nIanao ry Rainay be fitia\nDia Ianao Jehovah Ray\nTsitoha\nNanome anay Ilay Mesia.\n(SOLOARIVELO R.\nSOLOARIVELO A)","type":"verse"}],"id":"ff_31"},"ff_32":{"num":"32","type":"ff","title":"AZA AVELA HAHALALA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Aza avela hahalala\nNy antony nanaovanao\nNy hariva mamanala\nNa ireo maraina vao.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Tsy ho takatry ny saiko\nIzay rehetra alahatrao\nNy angatahako ry Raiko\nAoka aho hatoky Anao.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Aza avela hanontany\nNy hafaliana atolotrao\nNa ny anton'ny tomany\nEfa haiko hatrizao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aza avelanao hamefy\nNy ampitso izay Anao\nAza avelanao handrefy\nIzay ho fifalianao.\n(ANDRIAMANANTENA\nGeorges)","type":"verse"}],"id":"ff_32"},"ff_33":{"num":"33","type":"ff","title":"INTY AHO JESO","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Inty aho Jesoa !\nMiantso ahy Hianao\nNa dia tsy mendrika,\ne manolo-tena izao\nIanao no nifidy,\ntsy haiko ny nandà\nTy antso sarobidy \nry Tompo, mamelà\nNy heloka rehetra,\ndiovy aho, havaozy\nHo olom-baovao\nhanao ny sitrakao\nHo mendrika tokoa\nny antsonao Jesoa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Inty aho Jesoa,\nmiantso ahy Hianao\nNy fahalemeko anie,\nry Tompo fantatrao\nHianao no nifidy\nsy maniraka ahy\nAvy aminao Jeso,\nny herin'ny fanahy\nHo entiko manao\nny asa atolotrao\nFa sarotra e ny dia,\nry Tompo\nManampia,\nho mendrika tokoa\nNy antsonao Jesoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Inty aho Jesoa,\nmiantso ahy Hianao\nMba ho fahazavan'izao\ntontolo izao\nHianao no nifidy ahy\nho fanasina\nHanefa ny adidy lehibe\nsy masina\nKoa hamasino Tompo\nFa vonona aho\nHanompo,\nhombay ny herinao\nHitondra aim-baovao\nHo mendrika tokoa\nNy antsonao Jesoa.\n(RATSIMBA M.\nNDRIAMAMPIANINA L)","type":"verse"}],"id":"ff_33"},"ff_34":{"num":"34","type":"ff","title":"TOMPO MALALA O !","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Tompo malala o !\nMpanjakako Ianao\nTamy aho fa resy lahatra\nNoho ny famonjena vitanao\nEny ry Tompo,\ntsy ho haiko adinoina\nIntsony re ny fitiavana\nnasehonao.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Ka anio anavaozako\nny fanompoako anao\nFa tsy ho voavaliko\nizay natolotrao,\nNy fitiavana natolotrao\nKa raiso Tompo,\nekeo re sy anjakao\nNy fiainako ho voninahitrao.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Tompo malala o !\n'Lay hazo fijalianao\nNiaretanao tao Kalvary\nNiaretanao Mpamonjiko\nNo nanehoanao fa tianao\nity mpanota izay\nTsy mendrika Anao akory ity.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Tompo malala o !\ntsy ho hadinoiko intsony\nNy fitiavana natolotrao\n(Ny fitiavana natolotrao)\nEny ry Tompo, ity izaho\nizay voababonao\nFa vonona hanao ny sitrakao.\n(J.C. ANDRIAMANAN-\nTOANINA)","type":"verse"}],"id":"ff_34"},"ff_35":{"num":"35","type":"ff","title":"RY TOMPONAY O AVIA !","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Mpamonjiko\nRay malala o ! o ! o !\nMifona aminao 'ty Zanakao\nmitalaho Tompo o !\nFa diso taminao izahay\nka mangataka o ! o ! o !\nFamelana sy famindram-po\navy aminao Ray o !","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Ry Tomponay ô ! avia,\nomeo anay izao\nAnio, ny fo madio\nsy masina anananao\nDia tsy ho very na hoe\nMbola ho diso ihany indray\nNy tena sy fanahy\nizay anananay.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Ry Mpamonjiko\nRay malala o ! o ! o !\nBetsaka ireo ota efa vita\nsy nambabo anay\nKa angatahanay Aminao\nsy irinay koa o ! o !\nMba ho foana\ntsy hisy intsony re\nFa reraka izahay.\n(RANDRIANJAFIHARISON A.)","type":"verse"}],"id":"ff_35"},"ff_36":{"num":"36","type":"ff","title":"MIFALIA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Vahoaka sesehena\nNo miara-paly izao\nMiventy ny Antema\nDia hira vaovao\nInjao fiderana\nManakoako ery\nManeho fanajana\nHo an'ilay Mesia.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Iza ary no tsy hifaly\n(Mifalia, mihobia)\nHisaotra ao am-po\n(Misaotra ao am-po)\nFa afa-doza, afa-jaly,\nafaka ianao\nHe, famonjena tokoa\nO! mihirà, mihobia\nafaka ianao\nTeraka ny Tompo tia,\nresy ny rafinao.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Tsy ireo Anjely ihany\nNo faly ao am-po\nNy mpino eto an-tany\nMiravo avokoa\nFa indro ny Mpamonjy\nMpanjaka be fitia\nNietry an-tranon'omby\nHamonjy ny mania.\n(RAKOTOSON Pascal)","type":"verse"}],"id":"ff_36"},"ff_37":{"num":"37","type":"ff","title":"Mifalia","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Fa tsy misy fahoriana\n'Zay natolotrao anay\nKa nitarika hakiviana\nSatria efa zakanay\nNoho'lay vesatra indrindra Mafy,\nsy manonja koa\nlzay nentinao namindra\nRaha novonoina Ianao Jesoa !","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Ny faniriam-panahy\nHiaraka Aminao\nHamelona ahy ho sahy\nHiasa ho Anao\nNy Famonjena soa\n'Zay nomenao ry Ray\nNo anton'ny fiainanay","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Fa tsy misy hafaliana\nTena mampifaly anay\nRaha tsy ilay fitahiana\nAvy Aminao ry Ray\nFa tsy misy koa fitia\nHahasambatra anay\nRaha tsy Ianao ry Tompo tia\nNo mitoetra anatinay","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny fisainanay 'zay kely\nTsy mahatakatr'indraindray\nFa Ianao, Ianao irery\nNo toky iankinanay\nNy finoana mila hivaha\nTsy mahasedra sarotra\nAmpijoroy tsy hanahy\nHo finoana matotra","type":"verse"}],"id":"ff_37"},"ff_38":{"num":"38","type":"ff","title":"MBA TODIHONAO NY LASA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba todihonao ny lasa\nFa ho hitanao ny asa\nNandaniana ny fotoana\nFa dia vita mora foana.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Mitsangàna sahia ! sahia\nMijoroa, mitoria, mitoria\nAza kivy sanatria\nFa aminao Kristy.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Eny tsara ho tsaroana\nIreo adidy nokoloina\nMaro koa no tsy tontosa\nNampitsotra ny kanosa","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aoka hiezaka hatrany\nMba hanamarina izany\nFa hipetra ho tantara\nHo an'ny zanak'aman-para.\n(RAKOTOARITSIMBA\nGildas)","type":"verse"}],"id":"ff_38"},"ff_39":{"num":"39","type":"ff","title":"FANIRIAKO","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ray ô ! mba faniriako\nRaha toa ka sitrakao\nNy handova lanitra\nDieny ety an-tany\nKanefa tsy izaho irery\nF'ireo 'zay mino Anao\nHiaraka amiko hatrany\nhatrany.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Endrey ny fiainana\nanilan-dRay, \nNy Tompo iray\nFanahy iray,\niraisana avokoa\n'Reo asa soa, iray ny fo\nIray ny loha, Ray ô !\nNahoana moa e !\nRaha atomboka anio ?","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Ray ô ! mba faniriako\nRaha toa ka sitrakao\nNy ho zanaka manoa\nFeno fahendrena \nHilofo hatrany koa hamita\nIreo asanao\nKa tsy hirehareha\nFa hanetry tena.","type":"verse"},{"num":2,"lyrics":"Endrey ny fiainanay\n(RAHAGALAHY\nANDRIAMIADANARIVO)","type":"refrain"}],"id":"ff_39"},"ff_40":{"num":"40","type":"ff","title":"LA NUIT DU SALUT","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"C'était la nuit du salut\nOn s'en souvient à présent\nCar le seigneur très riche\nNaquit en ce moment-là\nC'est un amour fort étonnant\nQue Dieu a bel et bien\nmontré","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Le cœur est rempli\nd' immense gaieté\nDe joie, du bonheur éternel\nOn chante tout haut\nla chanson du Ciel\nHaleluia !","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"C'était la nuit du salut\nOn s'en souvient à présent\nJ'ai conclu avec le Seigneur\nLe pacte de la rédemption\nÀ lui j'ai donné tout\nmon corps\nPour moi, son sang est\nmon rachat.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"C'était la nuit du salut\nOn s'en souvient à présent\nDes pécheurs innombrables\nHéritent la belle vie\nCette nuit réconciliant\nÉtait porteuse de la paix.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"C'était la nuit du salut\nOn s'en souvient à présent\nMon Jésus s'est rabaissé\nPar sa suprême pitié\nO ! bel amour rendant égaux\nLes riches et les malheureux.\n(RAJOELISON)","type":"verse"}],"id":"ff_40"},"ff_41":{"num":"41","type":"ff","title":"JESOA NO MPANAVOTRA","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"O ! iza iza ?\nIza no hamonjy ahy\nIza, iza no hamonjy ahy re ?\nFa rerak'aho e !\nFa dia reraka\nMilonjy entam-pahotana\nFahotana be.","type":"verse"},{"num":2,"lyrics":"O ! manatona\nManatona an'i Jesoa\nFa izy ihany \nIzy no hamonjy anao.","type":"verse"},{"num":3,"lyrics":"Fa noreseny\nEfa noreseny na ny\nFasan'aza dia ny\nFahafatesana !\nNy fasan'aza !\nEfa noreseny izao\nNy fahafatesana\nIlay fahavalonao\nKa mba mifalia !\nMifalia ianao\nFa Jesoa Tompo no\nMpanavotra anao.","type":"verse"},{"num":4,"lyrics":"Ry Jesoa Tompo !\nRy Jesoa Tompo ô !\nMba raiso re ny foko\nHo anao izao !\nFa famonjena\nFanavotan-dehibe\nSy avotr'aina koa\nNo he atolotrao.","type":"verse"},{"num":5,"lyrics":"Fa novonoina !\nNovonoina Ianao\nHisolo voina\nMba hisolo voina anay.","type":"verse"},{"num":6,"lyrics":"Fa noresenao\nEfa noresenao na ny\nFasan'aza dia \nNy fahafatesana !\nNy fasan'aza !\nEfa noreseny izao\nNy fahafatesana\nIlay fahavalonao\nKa mifalia re !\nKa mifaly izahay\nFa Jesoa Tompo no\nMpanavotra anay.\n(BESSA)","type":"verse"}],"id":"ff_41"},"ff_42":{"num":"42","type":"ff","title":"MOA MISY VA ?","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Moa misy va ety,\niriko toa Anao ?\nRy Tompo be fitia,\nMpanao izao rehetra izao\nNy foko lazanao\nry Ray malala ô\nJereo 'ty Zanakao\nmiantoraka Aminao.","type":"verse"},{"num":2,"lyrics":"Moa misy va ety,\niriko toa Anao ?\nJesoa Sakaiza, avia Hianao\nhiara-dia izao\nNy foko tia Anao,\noneno, anjakao\nTsy hatakaloko Hianao,\n\"Ry fiainako vaovao\"","type":"verse"},{"num":3,"lyrics":"Moa misy va ety,\niriko toa Anao ?\nFanahy hendry ery,\nMpanoro izay rehetra atao\nNy foko he ! Anao,\nFanahy Masina ô !\nNy fiainako ovay ho vao,\nka hamasinonao.","type":"verse"},{"num":4,"lyrics":"Moa misy va ety,\niriko noho ilay\nNesoina tany Kalvary ? \n'lay indrafon'ny Ray\nJeso malala ô !\nEndrey 'ty vitanao\nHitanao ny hetahetako\nsy hasambarako.\n(RAKOTONIRAINY J.)","type":"verse"}],"id":"ff_42"},"ff_43":{"num":"43","type":"ff","title":"AIZA MOA IANAO ?","version":[],"lyrics":[
      {
         "num": 1,
         "lyrics": "Jesosy Tompo miantso anao\nManontany izao\n\"Aiza moa ianao ?\"\nNy ondrikelinao noana indreo\nMiandry anao re ireo\n\"Aiza moa ianao ?\"",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": 1,
         "lyrics": "'Ty aho Jeso, ekeo \n(ekeo mba) ho irakao\nRaiso hanao ny sitrakao\ntokoa\nJesosy ô ! (omeko)\nmba ho Anao\nNy foko, tenako,\nny fanahiko.",
         "type": "refrain"
      },
      {
         "num": 2,
         "lyrics": "E ! lalan-tsarotra ilàna anao\nAdy mafy no ao,\n\"Aiza moa ianao ?\"\nReseonao\n'zao tontolo izao\nMba ho ahy re izao,\n\"Aiza moa ianao ?\"",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": 3,
         "lyrics": "Ny hery, aina sy fanananao\nNo ilaiko izao\n\"Aiza moa ianao ?\" \nNy teninao sy ny fanahinao\nNo takiako izao\n\"Aiza moa ianao ?",
         "type": "verse"
      },
      {
         "num": 4,
         "lyrics": "Ny sandriko no hiaro anao\nHisakambina anao\n\"Aiza moa ianao ?\"\nRaha ny Fanahy \nno hitantana anao\nVonona ve ianao ?\n\"Aiza moa ianao ?\"\n(HERITSIMBA A.R.)",
         "type": "verse"
      }
   ],"id":"ff_43"},"ff_44":{"num":"44","type":"ff","title":"RY MADAGASIKARA SOA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ry Madagasikara soa\nNatolo-janahary anay\nNosim-boahangy manirery\nFa nahasoa ny razanay\nHe ! sarobidy tsara loatra\nTsy sandana, tsy atakalo\nFeno ny fo ka toa mangina\nHeriny mivavaka hoe :\nAndriamanitra ô !\nTondrahy andon'ny lanitra\nVontosy ny tsiron'ny tany\nI Madagasikara.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ry firenena Malagasy\nAntsoin'ny Nosy hianao\nAndeha malaky, mitsangàna\nAlao hery, mandrosoa !\n'Zay mahaolona anao re\nAtolory, asorony\nAza mandevina talenta\nFa anondroty Firenena e !\nAndriamanitra ô !\nTondrahy andon'ny lanitra\nVontosy ny tsiron'ny tany\nI Madagasikara.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Andriamanitra ambony\nFenoy ny fiahianao\nNy mponina rehetra eto\nAry izay aza mahasoa\nIreo nantsoinao hitondra\nMba tsidiho, mba tariho\nHo sambatra tokoa ny Nosy\nRaha Hianao no azy e !\nAndriamanitra ô !\nTondrahy andon'ny lanitra\nVontosy ny tsiron'ny tany\nI Madagasikara.\n(RAKOTONJANAHARY A.)","type":"verse"}],"id":"ff_44"},"ff_45":{"num":"45","type":"ff","title":"HIRA FIDERANA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Hira fiderana ho anao ry Ray\nTsy afaka ato am-bavako\nmandrakizay\nHira mampifaly, \nmampitony jaly\nMampiravoravo fo.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny talenta izay efa nomenao\nahy\nHiderako Anao\nn'aiza misy ahy\nMba hamelon'aina,\nhampitony saina\nHampiray ny miaina.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Hira tsotra ihany,\nnefa na dia izany\nHo Anao tokoa\nno hikaloako\nRaiso re, Tompo,\nF'io no porofom-pitiavako\nAnao.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Hira avy ato am-poko,\nindro fa vetsoiko\nHo Anao ry Raiko\nizay antsoiko\nHira tena mamy,\nmanambara hatrany\nFa tena tiako Ianao.\n(M. RAKOTOMAMONJY)","type":"verse"}],"id":"ff_45"},"ff_46":{"num":"46","type":"ff","title":"MBA TANTANONAO, RY RAIKO !","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mba tantanonao ry Raiko\nIzato lalan-janakao\nNy mifidy toa tsy haiko\nFa maniry indrindra Anao\nHitanao ny adi-tsaina\nMitambesatra ao an-doha\n'Zany tsikin'ny maraina\nToa ela vao hifoha.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Moa diso ny safidiko\nRaha mandroso ka mankao\nSa 'ty lalà-nofinidiko\nDia tsy ilay voasoritrao\nTanteraho ny faniriako\nO ! ry Tompo tena tia\nFa ity zavatra iriko\nMasina amiko doria.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Nefa raha tsy izay no didy\nNamboarinao ho ahy\nAmboary ny safidy\nSy ny ratrako am-panahy\nAtolorinao ny hery\nHampijoro izay nikoa\nKa sitranonao ny fery\nSy ny ratrako ao am-po.\n(G. ANDRIAMANANTENA)","type":"verse"}],"id":"ff_46"},"ff_47":{"num":"47","type":"ff","title":"FIADANANA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ianao 'zay mitady\nny fiadanantsoa\nAmin' izao fiainana izao\nKa mandeha mankatsy\narý sy aroa\nMikorana ary koa milalao\nKanefa tsy mahita\nizay mahasoa\nFa vizana foana ny nofo\nInty misy fiainana\natoroko anao\nAndramo dia ho hitanao.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Jesosy, Jesosy\n(Jesosy Tompo\nsy Mpamonjy tia)\nNo fiainana atoroko\nanao (Jeso)\nJesosy, Jesosy\n(Jesosy Tompo\nsy Mpamonjy tia)\nNo hany hampiadana anao\nKoa raiso Jesosy\nHo Tompo Mpamonjy\nHanapaka ny fiainanao\nDia ho hitanao 'lay fiadanana\nHaharitra mandrakizay.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Ianao ianjadiam-pahoria-\nmarobe\nAmin'izao fiainana izao\nTsy misy hazavana \nfa toa haizim-be\nNo mandrakotra\nny fiainanao\nKa mila ho kivy\nsy hamoy fo\nNoho ireo adim-piainana maro\nInty misy fiainana\natoroko anao\nAndramo dia ho hitanao.\n(ANDRIANAIVONIAINA N.)","type":"verse"}],"id":"ff_47"},"ff_48":{"num":"48","type":"ff","title":"ANDRIAMANITRA FITIAVANA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Andriamanitra Fitiavana Ianao\nKa mihevitra ny momba\nanay etý\nRaha mifoha maraina\nizahay\nDia tsy afaka am-bavanay\nhoe: Ampy ho anay\nny fahasoavanao","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Raha maraina mibaliaka\nny andronay etý\nIanao no masoandro\nniaviany\nRaha ny alin'ny ririnina\nno handalo etý\nIanao no kintana\nhitantana ny dia\nKa ny vavaka atao\nIzay mipololotra\nam-ponay ao hoe :\nIzahay anie hatoky Anao.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Andriamanitra Fitiavana Ianao\nKa mitantana ny dianay etý\nRaha mandimby ny andro\nny alina\nMbola atokana hideranay\nhoe: Ampy ho anay\nny fahasoavanao.\n(Ndriana RAMAMONJY)","type":"verse"}],"id":"ff_48"},"ff_49":{"num":"49","type":"ff","title":"MIFONA RE RAY !","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mifona re ry Ray\nIreto Zanakao\nFa diso izahay\nTsy mety ny natao.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Ny ota sesilany\nNandramana avokoa\nKanefa re izahay\nIfonana tokoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Izay rehetra hita\nNatao fa tsy ho to\nIzao ny ratsy vita\nNandrotika ny fo.","type":"verse"},{"num":"4","lyrics":"Ry Jeso ô ! anio\nIndreto izahay\nManaiky ka fidio\nHo zanakao ry Ray.","type":"verse"},{"num":"5","lyrics":"Tsy tsapanay tokoa\nNy antranao ry Ray\nFa hay, ny zava-tsoa\nDia takona aminay !","type":"verse"},{"num":"6","lyrics":"Maniry fahafahana\nIzao 'ty fo madio\nEkeo ny fibebahana\nAtolotray anio.\n(RAKOTOMALALA J.)","type":"verse"}],"id":"ff_49"},"ff_50":{"num":"50","type":"ff","title":"IANAO IZAY MIASA FATRATRA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Ianao izay misa fatratra\nKa mikendry mba hanefa\nzava-tsarotra\nMoa tsy tsapanao ho\nmahasambatra\nNy asa izay atao\nam-pitiavana !\nMihamaivana mora entina\nNy fahasahiranana toa\nmitambesatra\nRaha ao ny Manaiky\nmarina\nHo tia sy handala\nny asa rehetra.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Hoy ny hafatry ny Tompo\naminao\nManatona ahy raha toa\nsahirana\nFa izaho tsy manary \nna mandao\nIzay miezaka \nka hita reraka\nNefa moa ve, vonon'izao\nHandà ny tenanao,\nhamoy izao tontolo izao\nDia manaiky koa mba\nho tarihina\nFa sarotra ny làlana\nsy asa atao.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Mitsanganà,\nmandrosoa hiasa e !\nFa malalaka ny saha\nizay omena anao\nDia meteza koa hanaiky\nhanome\nHarena herim-po\nilaina aminao\nAza ketraka,\nmatokia izao\n'Lay hery 'zay manohana\nNy fihezahanao\nKa mitondra soa,\nmanova mba ho vao\nNy vokatry ny asa\nizay nanasatr'anao.\n(RANDRIANANDRAINA S.)","type":"verse"}],"id":"ff_50"},"ff_51":{"num":"51","type":"ff","title":"RY MPAMONJY OLOM-BERY","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Ry Mpamonjy olom-bery\nSarobidy sy mahery\nNy fitiavanao ahy\n'Zay mambabo ny fanahy\nNoho ilay fitiavanao\nBabonao ny foko izao\nKa izao rehetra izao\nTsy hamoizako Anao.","type":"verse"},{"num":2,"lyrics":"Ny fitiavanao, ry Tompo\nNo mambabo ahy hanompo\nTia ahy Hianao\nKa mba tiako tsotra izao\nEny, fantatrao fa tiako\nIzao fiainana eto izao\nTiako izao rehetra izao\nNefa mbola tiako Hianao.","type":"verse"},{"num":3,"lyrics":"Na dia sarotra sy mafy\nNy hanaraka Anao\nIzaho vonona hihafy\nF'efa tiako Hianao\n'Zao fiainana izao\nTsy atakaloko Anao\nNa dia mamiko aza eto\nMbola tiako Hianao.\n( RAJAONAHSON J.P)","type":"verse"}],"id":"ff_51"},"ff_52":{"num":"52","type":"ff","title":"AVIA ! TORIO KRISTY","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Ry tanora ô ! avia !\nMitsangàna, mitoria\nAmbarao 'lay famonjena\nka sahia\nAvia, avia, torio Kristy.","type":"refrain"},{"num":"1","lyrics":"Fa vory amintsika izao ny hery\nKa mendrika hanaovan-tsoa\nMeteza ka ampio 'reo\nmbola very\nHo mpino toa antsika koa.","type":"verse"},{"num":"2","lyrics":"Anio miandry antsika\nny tontolo\nHitondra hazavana soa\nIsika izay voataiza \nsy voakolo\nNo indro irahan'i Jesoa.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Ny herin'ny fanahy\nno momba antsika\nHahatomombana ny dia\nAndeha amin'ny endrika\nsariaka\nNo hitoriana an'i Kristy.\n(RANDRIANDRAINY F.)","type":"verse"}],"id":"ff_52"},"ff_53":{"num":"53","type":"ff","title":"HAVAOZIKO ILAY VOADY","version":[],"lyrics":[{"num":1,"lyrics":"Tsy ho toy izao,\nity mpanomponao\nRaha toa tsy tao tokoa\nny fahasoavanao\n'Zay nanohana \n'lay hery kely\ntao am-poko\nNahazoako mba nanao\nNy asam-panompoako.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"Indro fa havaoziko,\nry Jesoa\n'Lay voady\nmiorin'ao am-po\nNy andro ivelomako\n'Zay omenao iainako\nDia atokako sy mbola hitoriako Ilay fitiavanao !","type":"refrain"},{"num":2,"lyrics":"Ny asa izay nataon'i Jesoa\nDia tsapako ao am-po\nFa tsy dia toy inona\nsy bitika tokoa\nNefa na izany aza\ndia inoako koa\nFa 'zay kely vitako :\nhitera-bokatsoa.","type":"verse"},{"num":3,"lyrics":"Na ho lava na ho fohy\nny androko ety\n'Zaho dia irakao,\nry Jesoa Tompo be fitia\nKa ilay fitiavanao\nmiorim-paka anaty\nHo hany herim-pitokiana\nmandra-maty.\n(D. RANOASON)","type":"verse"}],"id":"ff_53"},"ff_54":{"num":"54","type":"ff","title":"NY FINOANA, NY FANANTENANA, NY FITIAVANA","version":[],"lyrics":[{"num":"1","lyrics":"Mandrosoa hatrany\nAza kivy foana\nZava-tsoa tsy lany ao anaty\nNy finoana.","type":"verse"},{"num":1,"lyrics":"'Reto no miray (indray)\nHery lehibe tokoa\n(tokoa)\nDia ny finoana\nNy fanantenana\nNy fitiavana.","type":"refrain"},{"num":"2","lyrics":"Tano tsy ho very\nNy fanantenana\nFa mitondra hery\nEny an-dàlana ombana.","type":"verse"},{"num":"3","lyrics":"Aina vaovao\nHerin'ny fanahy\nNy fitiavanao\nKa tanako tokoa ho ahy.\n(RAMAROLAHY Marka\nRAMAROLAHY Lioka)","type":"verse"}],"id":"ff_54"},
   "fp_1":{
      "num":"1","type":"fp","title":"Fanekem-pinoana 1","version":[],
      "lyrics":[
         {"num":"1","type":"verse","lyrics":"Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.\nAry mino an’i Jesoa Kristy Zananilahy Tokana Tompontsika, izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina.\nNaterak’i Maria Virjiny.\nNijaly raha nanapaka i Pontio Pilato.\nNohomboana tamin’ny hazo fijaliana.\nMaty ka nalevina.\nNidina tany amin'ny fiainan-tsy hita.\nNitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo.\nNiakatra ho any an-danitra.\nMipetraka eo an-kavanan’ Andriamanitra Ray Tsitoha.\nAvy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty.\nMino ny Fanahy Masina aho.\nNy Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao.\nNy fiombonan’ny olona masina.\nNy famelan-keloka.\nNy fitsanganan'ny tena amin’ny maty.\nAry ny fiainana mandrakizay.\nAmena."},
         {"num":"2","type":"verse","lyrics":"Je crois en Dieu, le Père Tout-Puissant, Créateur du ciel et de la terre;\nEt en Jésus-Christ son Fils Unique, Notre Seigneur;\nqui a été conçu du Saint-Esprit;\nest né de la vierge Marie;\nIl a souffert sous Ponce Pilate;\nIl a été crucifié;\nIl est mort et a été enseveli;\nIl est descendu aux enfers;\nle troisième jour Il est ressuscité des morts;\nIl est monté aux cieux;\nIl s'est assis à la droite de Dieu le Père Tout-Puissant ;\net de là Il viendra pour juger les vivants et les morts.\nJe crois au Saint-Esprit.\nJe crois à la sainte Église universelle ;\nla communion des saints;\nla rémission des péchés;\nla résurrection de la chair;\net la vie éternelle,\nAmen."}
      ],
      "id":"fp_1"},
   "fp_2":{
      "num":"2","type":"fp","title":"Fanekem-pinoana 2","version":[],
      "lyrics":[
         {"num":"1","type":"verse","lyrics":"Isika mino an’ Andriamanitra Iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany, ary ny zavatra rehetra na hita na tsy hita.\nAry an’ i Jesoa Kristy Tompo Iray, Zananilahy Tokan’Andriamanitra, nateraky ny Rainy talohan’ izao rehetra izao, ny Mazava avy amin’ny Mazava.\nAndriamanitra tokoa avy amin’Andriamanitra, nateraka fa tsy natao, miray amin’ny Ray ny zavatra rehetra: Izy no nahariana izao tontolo izao.\nNoho ny amintsika olombelona sady ho famonjena antsika dia nidina avy tany an-danitra Izy, ary nataon’ny Fanahy Masina nofo avy tamin’ i Maria Virijiny, dia tonga olona Izy.\nNohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ho fanavotana antsika tamin’ny nanapahan’ i Potio Pilato Izy.\nNijaly Izy ka nalevina.\nNitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo araka izay voasoratra Izy.\nNiakatra ho any an-danitra Izy, ary mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny Ray.\nAvy any no hiaviany, indray amin’ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary mandrakizay ny fanjakany.\nIsika mino ny Fanahy Masina, Tompo sady mpanome aina, Izay avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ka itsaohana sy ankalazaina miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka.\nIzy dia niteny tamin’ny vavan’ny mpaminany.\nIsika mino ny Fiangonana iray, miorina amin’ny fanambaran’ny Apostoly ary manerana izao tontolo izao.\nIsika manaiky ny batisa iray ho famelan-keloka sady manantena ny fitsanganan’ny maty ary ny fiainana mandrakizay.\nAmena."},
         {"num":"2","type":"verse","lyrics":"Je crois en un seul Dieu, le Père tout-puissant, créateur du ciel et de la terre, de l'univers visible et invisible.\nJe crois en un seul Seigneur, Jésus-Christ, le Fils unique de Dieu, né du Père avant tous les siècles ; il est Dieu, né de Dieu, lumière, née de la lumière, vrai Dieu, né du vrai Dieu.\nEngendré, non pas créé, consubstantiel au Père*, et par lui tout a été fait.\nPour nous les hommes, et pour notre salut, il descendit du ciel ; par l'Esprit-Saint, il a pris chair de la Vierge Marie, et s'est fait homme.\nCrucifié pour nous sous Ponce Pilate, il souffrit sa passion et fut mis au tombeau.\nIl ressuscita le troisième jour, conformément aux Écritures, et il monta au ciel ; il est assis à la droite du Père.\nIl reviendra dans la gloire, pour juger les vivants et les morts ; et son règne n'aura pas de fin.\nJe crois en l'Esprit Saint, qui est Seigneur et qui donne la vie ; il procède du Père et du Fils.\nAvec le Père et le Fils, il reçoit même adoration et même gloire ; il a parlé par les prophètes.\nJe crois en l'Église, une, sainte, universelle et apostolique.\nJe reconnais un seul baptême pour le pardon des péchés.\nJ'attends la résurrection des morts, et la vie du monde à venir.\nAmen"}
      ],
      "id":"fp_2"},
   "fp_3":{
      "num":"3","type":"fp","title":"Fanekem-pinoana 3","version":[],
      "lyrics":[
         {"num":"1","type":"verse","lyrics":"Mino an’ Andriamanitra Tsitoha aho, Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany, Andriamanitra dia fanahy.\nAndriamanitra dia fitiavana.\nAndriamanitra dia manjaka hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.\nAndriamanitra dia mampiseho ny fitiavany antsika.\nFa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika i Kristy.\nMino an’i Jesoa Kristy, Zananilahy Tokana, Tompontsika aho.\nTonga Izy hitady sy hamonjy ny very.\nIzy no làlana sy fahamarinana ary fiainana.\nIzy dia tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay.\nMino ny Fanahy Masina aho.\nIzy no manambara amin’ny fanahintsika.\nFa zanak’ Andriamanitra isika.\nFanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray.\nNy fandresena izay enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika.\nTompo ô, ampitomboy ny finoanay Anao.\nAmena."},
         {"num":"2","type":"verse","lyrics":"Je crois en Dieu, le Père tout-puissant, créateur du ciel et de la terre.\nDieu est Esprit; Dieu est Amour; Dieu a manifesté son amour envers nous, que Christ est mort pour nous sauver alors que nous étions pécheurs.\nJe crois en Jésus-Christ le seul Seigneur, Fils unique notre Seigneur.\nIl est venu pour chercher et sauver ceux qui sont perdus.\nIl est le chemin, la vérité et la vie.\nIl est le même hier, aujourd’hui et éternellement.\nJe crois en l’Esprit Saint.\nIl dit à notre esprit que nous sommes enfants de Dieu.\nPar l’Esprit, nous sommes tous baptisés pour être un seul corps.\nLa victoire qui a vaincu le monde, c’est notre foi.\nSeigneur augmente notre foi.\nAmen."}
      ],
      "id":"fp_3"},
   "fp_4":{
      "num":"4","type":"fp","title":"Fanekem-pinoana 4","version":[],
      "lyrics":[
         {"num":"1","type":"verse","lyrics":"- Manambara ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy isika, dia araka ny tenin’ i Jaona Mpanao Batisa hoe:\n“Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan ‘izao tontolo izao” (Jao.1:29)\n- Sy araka ny teny nataon ‘ i Andrea hoe:\n“Efa nahita ny Mesia izahay”(Jao.1:41)\n- Sy araka ny teny nataon’ i Natanaela hoe:\n“Raby ô, Ianao no Zanak’ Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’ ny Israely”(Jao.1:49)\n- Sy araka ny teny nataon ‘ny Samaritana hoe:\n“Ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao”(Jao.4:42)\n- Sy araka ny teny nataon’ i Petera hoe:\n“Ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona”,\n“Ianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay” (Mat.16:16; Jao6:68)\n- ary araka ny teny nataon’i Tomasy hoe:\n“Tompoko sy Andriamanitro”(Jao.20:28)\nAmena."},
         {"num":"3","type":"verse","lyrics":"Nous proclamons notre foi en Christ Jésus,\n- avec Jean-baptiste : “Voici l’Agneau de Dieu qui ôte le péché du monde” (Jean 1.29)\n- avec André : “Nous avons vu le Messie” (Jean 1.41)\n- avec les Samaritains : “Nous-mêmes nous l’avons entendu, et nous connaissons qu’Il est véritablement le Sauveur du monde.” (Jean.4:42)\n- avec Pierre : “Tu es le Christ, Fils du Dieu vivant.”\n“Tu as la parole de la vie éternelle”\n(Mat 16.16; Jean 6.68)\n- avec Thomas : “Mon Seigneur et mon Dieu” (Jean 20.28)\nAmen"}
      ],"id":"fp_4"},
"fp_5": {
      "num": "5",
      "type": "fp",
      "title": "Fanekem-pinoana 5",
      "version": [],
      "lyrics": [
         {
            "num": "1",
            "type": "verse",
            "lyrics": "Kristy dia maty noho ny fahotantsika. Araka ny soratra masina dia nalevina ary nitsangana tamin'ny andro fahatelo.\nAraka ny soratra masina, dia iray ny fiangonana, ary iray ny finoana dia ny fiantsoana antsika ho amin'ny fanantenana iray.\nIray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra, sady Rain'izy rehetra izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra, ary ao amin’izy rehetra.\nAMENA"
         }
      ],
      "id": "fp_5"
}}
